Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fihaonan’ireo Adama roa

    Rehefa raisina eo amin’ny tanànan’Andriamanitra ny voaavotra, dia manakoako manerana ny lanitra ny antsompiderana feno hafaliana. Efa madiva hihaona ireo Adama roa. Mijoro ny Zanak’Andriamanitra, manatsotra ny tanany handray ny rain’ny taranak’olombelona - ilay nohariany nefa nanota tamin’ny Mpanao Azy, ary noho ny fahotana nataony no nitondran’ny tenan’ny Mpamonjy ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana. Rehefa hitan’i Adama ny marika navelan’ireo fantsika lozabe, dia hietry ka hiankohoka eo antongony. Hatsangan’ny Mpamonjy amim-pitiavana izy ary asainy mibanjina indray ilay fonenany tao Edena izay nilaozany nandritra ny fotoana elabe.IFL 94.2

    Rehefa voaroaka niala tao Edena i Adama, dia feno fahoriana ny fiainany teto an-tany. Ny ravina nalazo rehetra, ny biby rehetra novonoina ho fanatitra, ny fahasimbana rehetra teo amin’ny endrika kanton’ny zavaboary, ny pentina rehetra teo amin’ny fahadiovan’ny olona, dia samy nampahatsiaro azy hatrany ny fahotany. Mafy tokoa ny nenina nanetoketoka azy rehefa, nijery ny fitombon’ny ratsy izy, ary nigoka ny ngidiny noho ny fahatsiarovany tena ho fototra niavian’ny fahotana. Tamimpanetren-tena sy tamim-paharetana no nizakany, saika nandritra ny arivo taona, ny sazin’ny fandikan-dalàna. Ankehitriny, tamin’ny alalan’ny asa fanavotana, dia tafaverina eo amin’ny fanjakany voalohany i Adama.IFL 94.3

    Dibon-kafaliana izy raha mijery ireo hazo izay nahitany fahafinaretana fahiny - dia ireo hazo izay izy mihitsy no nioty ny voany tamin’ny andro tsy nananany tsiny sy nahafeno haravoana azy. Hitany ny voaloboka izay nokarakarain’ny tanany, ny voninkazo izay nokolokoloiny tamim-pitiavana. Takatry ny sainy ny zava-misy manoloana azy; mazava aminy izao fa i Edena tokoa no, indro, fa tafaverina indray.IFL 94.4

    Mitarika azy ho eo amin’ny hazon’aina ny Mpamonjy, ary mandidy azy hihinana. Mijery manodidina azy i Adama ka mahita ireo marobe voaavotra avy amin’ny ankohonany. Rehefa izany dia atsipiny eo an-tongotr’i Jesôsy ny satroboninahiny, dia miantoraka eo an-tratran’ny Mpanavotra izy ka mamihina Azy. Tendreny ny lokanga ary manakoako eran’ny lanitra ny hirampandresena: «Mendrika, mendrika, mendrika ny Zanak’ondry Izay novonoina» - Apôk. 5:12. Hatsipin’ireo fianakavian’i Adama eo antongotry ny Mpamonjy ny satroboninahiny sady miankohoka eo anatrehany izy ireo ho fanajana Azy.IFL 95.1

    Nitomany ny anjely tamin’ny nahalavoan’i Adama ary niravoravo rehefa nosokafan’i Jesôsy ny fasana ho an’izay rehetra mino ny anarany. Izao izy ireo dia mibanjina ny asa fanavotana efa vita, ka mampiray ny feony amin’ny hirampiderana.IFL 95.2

    Eo amin’ny ranomasina manganohano tahaka ny vato kristaly, dia ilay ranomasina fitaratra miharo afo, no ivorian’ireo olona marobe « nandresy ny bibidia sy ny sariny ary ny isan’ny anarany». mitsangana ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy navotana avy tamin’ny olona; Ary «mihira toa tonon-kira vaovao izy”, hiran’i Mosesy sy ny Zanak’ondry izany. Tsy misy afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy no afaka mianatra io hira io; satria hira avy amin’ny fanandramana nataony izany. Ireo izay nafindra avy amin’ny velona, dia isaina ho «voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanak’ondry» - Apôk. 15:2,3; 14:1-5. «lreo no avy tamin’ny fahoriana lehibe”; nandalo tamin’ny «andro fahoriana izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena»; niaritra ny tebiteby tamin’ny andro fahorian’i Jakôba; nijoro tsy nanana mpanelanelana izy nandritra ny fotoana nampiharan’Andriamanitra ny fitsarany farany. Afaka anefa izy izao satria «ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry». «Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy nanan-tsiny izy». «Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony” - Apôk. 7:14-17; 14:5; 7:16,17.IFL 95.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents