Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy fahafatesana rehefa miverina i Jesôsy

    Fitsaharana feno fahasambarana ho an’ny marina efa sasatra izany! Na fohy na lava ny fotoana, dia indray mipi-maso izany ho azy. Matory izy; hofohazin’ny trômpetran’Andriamanitra ho amin’ny fiainana mandrakizay be voninahitra izy. «Fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho Io intsony (...) fa rehefa mitafy ny tsifahalovana ity mety Io ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: ‘Ny fahafatesana noresena ka levona’” -1 Kôr. 15:52-54.IFL 41.2

    Rehefa antsoina hifoha avy amin’ny torimasony izy dia miverina eo amin’izay nijanonany ny eritreriny. Ny zavatra farany tsapany dia ny fanaintainana noho ny fahafatesana, ny eritreritra farany dia izy lavo ambanin’ny fahefan’ny fasana. Rehefa hitsangana avy ao ampasana izy, ny eritreriny feno fifaliana voalohany indrindra, dia hanakoako amin’ilay antsom-pandresena manao hoe: «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” -1 Kôr. 15:55.IFL 41.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents