Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Didim-pitsarana ho an’ireo mpikomy

    Eo anatrehan’ny mponin’ny tany sy ny lanitra tafavory no atao ny fanatrohana satroboninahitra fara tampony ny Zanak’Andriamanitra. Amin’izay rehefa mandray ny fiandrianany sy ny hery farany ambony indrindra maha-Mpanjakan’ny mpanjaka Azy Izy dia mamoaka ny didim-pitsarana amin’ireo mpikomy amin’ny fitondram-panjakany ary mampihatra fanamelohana amin’izay nandika ny lalàny sy nampijaly ny vahoakany. Hoy ny mpaminanin’Andriamanitra: «Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy llay mipetraka eo amboniny’ ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’Andriamanitra; ary novelarina ny boky ary nisy boky hafa izay novelarina ihany koa, izay tsy inona fa ny bokin’ny fiainana: ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ny boky araka ny asany» - Apôk. 20:11,12.IFL 102.1

    Raha vantany vao mitopy amin’ny ratsy fanahy ny mason’i Jesôsy, dia tsaroan’izy ireo ny fahotana rehetra nataony hatrizay. Hitany tsara ny toerana izay nivilian’ny diany hiala ny lalan’ny fahadiovana sy ny fahamasinana. Ny fakam-panahy mamitaka izay nomeny toerana tamin’ny fanaranany fo tamin’ny fahotana, ireo mpitondra hafatr’Andriamanitra natao tsinotsinona, ireo fampitandremana nolavina, ireo onjam-pamindrampo nasesiky ny fo mafy sy tsy mibebaka hiverin-dalana - izany rehetra izany dia toa voasoratra tamin’ny soratra afo avokoa.IFL 102.2

    Eo ambonin’ny seza fiandrianana no miseho ny hazo fijaliana; ary hita toy ny sary maromaro azo atao indray mijery ny nakana fanahy an’i Adama sy ny nahalavoany, ary ireo dingana samihafa teo amin ny drafitra lehiben’ny fanavotana. Ny nahaterahan’ny Mpamonjy tao amin’ny fietrena; ny fahazazany sy ny fahatanorany feno fahatsoram-po sy fankatoavana; ny batisany tao Jordana; ny nifadiany hanina sy ny fakam-panahy tany an’efitra; ny asa nataony am-pahibemaso, izay namelarany teo imason’ny olona ny fitahian’ny lanitra sarobidy indrindra; ireo andro feno asam-pitiavana sy famindrampo, ireo alina nivavahany sy niambenany tany an-tendrombohitra mangingina; ireo tetidratsy vokatry ny fitsiriritana, ny fankahalana sy ny faharatsiam-panahy izay nasetry ny soa nataony; ilay ady nahafadiranovana sy nifono zava-miafina tao Getsemane raha nanindry mafy Azy ny vesatry ny fahotan’izao tontolo izao manontolo; ny namadihana Azy teo am-pelatanan’ny vahoaka lian-dra; ireo zava-doza nitranga tamin’iny alina nampihorohoro iny - Ilay mpifatotra tsy mba nanohitra, nafoin’ireo mpianany tiany indrindra, nentina hotsaraina tao amin’ny lapan’ny mpisoronabe, tao an-trano fitsaran’i Pilato, teo anatrehan’i Herôda kanosalahy nefa lozabe, ka nolatsalatsaina, nozimbazimbaina, nampijalijalina ary nohelohina ho faty - izany rehetra izany dia aseho amin’ny fomba manaitra avokoa.IFL 102.3

    Eo anatrehan’ny vahoaka manalonalona toa salohim-bary tsofin’ny rivotra no anehoana ireo toe-javatra farany - dia Ilay nijaly feno faharetana nanosy ny lalana ho any Kalvary; ilay Andrianan’ny lanitra nihantona teo amin’ny hazo fijaliana; ireo mpisorona be rehareha mbamin’izao fatritran’olona rehetra izao niara-nanakora sy namingavinga raha niatrika ny ady mafy teo am-pialana aina Izy; ny haizina nikitroka tsy fahita hatrizay; izay nanamarika ny fotoana nanoloran’llay Mpanavotra an’izao tontolo izao ny ainy.IFL 103.1

    Miseho araka izay tena izy ireo toe-javatra mampihorohoro ireo. Tsy afaka hiodina hijery ny sarin’ny asa nataony i Satana sy ny anjeliny ary ny mpanompony. Samy mahatsiaro ny nataony avy ny tsirairay. I Herôda nampamono ireo zaza tsy manan-tsiny tany Betlehema; i Herôdiasy ambany toetra, izay meloka ao ampanahiny noho ny ran’i Jaona Mpanao Batisa; i Pilato nalemy sy mpanara-drian-drano; ny miaramila mpanimbazimba; ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka izay romotra niantsoantso hoe: «Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay!” Sasa-poana izy mitady izay hiafenany tsy hanatrika ny fiandrianan’Andriamanitra eo amin’ny endrik’i Kristy, fa ny voaavotra kosa amin’izay manipy ny satrobononahiny eo antongotry ny Mpamonjy ka miteny hoe: «Maty nisolo ahy lzy».IFL 103.2

    Indro eo i Néron ilay bibin’olona nasiaka sy vetaveta nijery tamin’ny fifaliana sy ny haravoana ireo izay nampijaliny fahiny, na nahitany fahafinaretan-demonia ny fanaintainana mafy indrindra niaretany. Ao ny reniny manatri-maso ny vokatry ny asany, ny filana nampirisihiny sy nampitomboiny noho ny hery miasa mangina avy taminy sy ny ohatra nomeny, izay nahavokatra voan’ny heloka bevava izay nampivarahontsana an’izao tontolo izao.IFL 104.1

    Ao ireo pretra sy mpitondra fivavahana ambony laharana niandany tamin’ny Papa, izay nilaza ny tenany ho ambasadaoron’i Kristy, nefa nampiasa ny fampijaliana, ny tranomaizina, ny fandoroana velona mba hifehezany ny olon’i Kristy. Ao ireo Papa be avona izay nanandratra ny tenany ho ambonin’Andriamanitra sy nihambo hanova ny lalàn’ny Avo Indrindra. Ireo lazaina fa rain’ny fiangonana dia ampamoahin’Andriamanitra koa ka tsy hisy fialan-tsiny azony aroso amin’izany. Diso aoriana loatra no ahitany fa saro-piaro amin’ny lalàny Ilay mahalala ny zavatra rehetra. Fantany izao fa ny fampijaliana ny vahoakan’i Kristy dia noraisiny ho toy ny natao tamin’ny tenany mihitsy.IFL 104.2

    Voaantso hiseho eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra avokoa ny ratsy fanahy rehetra, voampanga ho namadika ny fitondram-panjakan’ny lanitra. Tsy misy mpisolovava hiaro azy ireo; tsy manana fialan-tsiny izy; koa dia mivoaka ny didimpitsarana hanameloka azy amin’ny fahafatesana mandrakizay.IFL 104.3

    Fantatry ny ratsy fanahy izao izay veriny tamin’ny fiainampikomiany. «Izany rehetra izany”, hoy ny fitomanin’ny fanahy very, «dia nety ho azoko avokoa; Hadalana mihoapampana re iny! Natakaloko fahoriana, fahafaham-baraka sy famoizam-po ny fiadanana, ny fahasambarana ary ny voninahitra». Hitan’ny rehetra fa rariny ny tsy ahazoany miditra ny lanitra. Nambarany tamin’ny fiainany hoe: «Tsy tianay hanjaka aminay io Lehilahy io”, dia i Jesôsy izany.IFL 104.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents