Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 6 - Ny Tena Fiadanana Marina

    Na taiza na taiza nitoriana ny tenin’Andriamanitra tamimpahatokiana dia nahitam-bokatra izay nanamarina ny maha-avy tamin’Andriamanitra ny hafatra. Tsapan’ny mpanota fa nihamatanjaka ny feon’ny fieritreretany. Niaiky marina tokoa ny sainy sy ny fony. Nahatsapa ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo ka niantsoantso hoe: «lza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? ” - Rôm. 7:24. Rehefa naseho ny hazo fijaliana, dia hitan’izy ireo fa tsy misy afa-tsy ny fahamendrehan’i Kristy no ampy hanavotana ny fandikan-dalàna nataony. Tamin’ny alalan’ny ran’i Jesôsy no «tsy namalian’Andriamanitra ny fahotany lasa” - Rom. 3:25.IFL 49.1

    Ireny fanahy ireny dia nino sy natao batisa ary nitsangana mba handeha amin’ny fiainam-baovao amin’ny alalan’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, hanaraka ny diany, hitaratra ny toetra amampanahiny ary hanadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. Ny zavatra nankahalainy taloha no ankamamiany ankehitriny ary izay notiaviny kosa dia lasa ankahalainy izao. Ny mpirehareha dia nanjary nalemy fanahy, ny mpieboebo foana sy ny mpanambony tena nanjary maotona sy mipetrapetraka. Ny mpidoroka tonga mahonon-tena ary ny mpijangajanga nanjary madio fiaina. Tsy nitady ny firavaka etý ivelany «toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana» ny Kristianina, «fa (...) ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra» -1 Pet. 3:3,4.IFL 49.2

    Nampiavaka ny fifohazana ny antso fampieritreretana sy mafana natao tamin’ny mpanota. Ny vokatry ny fifohazana dia hita teo amin’ny fanahy izay tsy nihemotra teo anatrehan’ny fandavantena, fa nifaly kosa satria natao mendrika ny hijaly noho ny amin’i Kristy. Hitan’ny olona fa nisy fiovana teo amin’ny fiainan’ireo izay efa nanaiky ny anaran’i Jesôsy. Toy izany ny vokatra hita nanaraka ny fotoam-pifohazana ara-pivavahana tamin’ny andro tany aloha.IFL 49.3

    Fa maro amin’ny fifohazana amin’ny andro môderina no ahitana miharihary toetra mifanohitra amin’izany. Marina fa betsaka no milaza fa niova fo, ary be dia be no miditra ho anisan’ny fiangonana. Na dia izany aza, ny vokatra hita dia tsy mampino fa misy fitomboan’ny fiainana ara-panahy mifanaraka amin’izany. Ny fahazavana izay nidedadeda fotoana fohy dia maty vetivety.IFL 50.1

    Matetika loatra ny fifohazana eo amin’ny vahoaka no manaitaitra ny fihetseham-po, amin’ny fitiavana zava-baovao sy manaitra tampoka. Ny olona azo amin’izany fomba izany dia tsy manana faniriana firy hihaino ny fahamarinan’ny Baiboly. Raha tsy misy zavatra manaitaitra ao amin’ny fanompoam-pivavahana, dia tsy mahasarika azy ireny.IFL 50.2

    Ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy amin’izay maharitra mandrakizay no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana ho an’ny fanahy rehetra tena mibebaka marina. Aiza anefa ny tena fanolorantena marina ho an’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana tian’ny besinimaro ankehitriny? Tsy mahafoy ny avonavona sy ny fitiavana an’izao tontolo izao ireo mpanatona. Tsy vonona kokoa handà tena sy hanaraka an’llay Jesôsy malemy fanahy sy tsy miavona am-po noho ny talohan’ny fiovam-pony izy. Efa saika niala tsy ho eo amin’ny fiangonana maro ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.IFL 50.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents