Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Miseho Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

    Re avy any an-danitra ny feon’Andriamanitra manambara ny andro sy ny ora hiavian’i Jesôsy. Mijoro mihaino ny Isiraelin’Andriamanitra, hazavain’ny voninahitr’Andriamanitra ny endriny. Vetivety dia, indro, miseho eny atsinanana rahona kely mainty. Iny dia iny ilay rahona manodidina ny Mpamonjy. Mangina sy feno fanajana ny vahoakan’Andriamanitra raha mijery an’izany mihamanatona ny tany, mitombo hazavana sy voninahitra, mandra-pahatongany ho rahona fotsy lehibe, ny fanambaniny misy voninahitra toy ny afo mandevona, ary eo amboniny ny avan’ny fanekena. Mitaingina soavaly toy ny mpandresy i Jesôsy. Tsy «Lehilahy ory» Izy ankehitriny, fa tonga amin’ny mahampandresy any an-danitra sy etý an-tany Azy. Ary «ny antokon’ny miaramila any an-danitra ” - Apôk. 19:11,14, dia manaraka Azy. Amin’ny antema sy ny hiran’ny lanitra no anotronan’ireo anjely masina, andiany marobe tsy hita isa, Azy. Mibanjina Ilay Andrianan’ny fiainana ny maso rehetra. Ny diademam-boninahitra no eo amin’ny handriny masina. Mihoatra noho ny fanjelanjelatry ny masoandro mamiratra amin’ny mitataovovonana ny endriny. «Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo» - Apôk. 19:16.IFL 90.1

    Midina eny amin’ny rahona ny Mpanjakan’ny mpanjaka, voahodidin’ny lelafo midedadeda. Mangovitra eo anatrehany ny tany, « Avy ny Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsarany ny olony» - Sal. 50:3,4.IFL 90.2

    «Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao anatin’ny lavaka sy tao amin’ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry, fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, ka iza no mahajanona?» - Apôk. 6:15-17. Nitsahatra ny esoeso sy ny fanarabiana. Sina tsy nahateny ireo molotra mandainga (Isa. 9:4). Tsy misy re afa-tsy ny tonom bavaka sy ny feo mitomany ary ny toreo. Mangataka ny hosaronana ao ambanin’ny vatolampy amin’ny tendrombohitra ny ratsy fanahy fa tsy te hifanatri-tava amin’Ilay nohamavoiny sy nolaviny. Fantany ilay feo izay tafapaka hatrany amin’ny sofin’ny maty. Impiry moa no efa niantso azy ho amin’ny fibebahana sy nitalaho taminy io feo mamy io! Impiry moa no efa reny tamin’ny alalan’ny fiangaviana mampihetsi-po nataon’ny sakaiza, ny rahalahy, ny Mpanavotra! Mampifoha ny fitadidiana izay tiany hokosehina io feo io - dia ireo fampitandremana natao tsinontsinona, ireo fanasana nolavina, ireo tombontsoa natao antsirambina.IFL 90.3

    Indreo ireo manevateva an’i Kristy raha tao amin’ny fietreny Izy. Hoy izy: «Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tanana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra» - Mat. 26:64. Izao izy ireo dia nibanjina Azy amin’ny voninahiny, ary mbola hahita Azy mipetraka eo amin’ny tanana ankavanan’ny Hery. Indro eo i Herôda miavonavona izay naneso ny maha-Mpanjaka an’i Jesôsy. Indreo ireo olona nametraka satroboninahitra tsilo teo amin’ny handriny masina, ary teo amin’ny tanany izay tsy nandà izany, ny sarisarintehim-panjakana sady niankohoka teo anatrehany tamin’ny fanesoesoana feno fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Indreo ireo olona izay nandrora ny Andrianan’ny fiainana, izao dia miodina tsy hahita ny fijeriny maranitra ka mitady izay handosirana ny voninahitra mahery indrindran’ny fanatrehany. Indreo izay namantsika ny tanana aman-tongony, ilay miaramila izay nandefona ny lanivoany, feno tahotra sy nenina.IFL 91.1

    Mitamberina ao an-tsain’ny mpisorona sy ny loholona amin’ny fomba mazava loatra sy mampahory ireo toe-javatra teo Kalvary. Amim-pangovitana no ahatsiarovany ny nitenenany, nanifikifidoha teo ambanin’ny fitarihan’ny devoly, nanao hoe: «Ny sasany novonjeny, fa ny tenany tsy hainy novonjena!» Mafy noho ny antsoantso hoe: «Homboy! Homboy!» izay manakoako eran’ny lalamben’i Jerosalema dia injao fikiakia-kin’ny fadiranovana efa ho faty, milaza tahotra sy famoizam-po manao hoe: «lty tokoa ny Zanak’Andriamanitra! Ity no tena Mesia!». Mitady izay handosirany tsy ho eo anatrehan’ny Mpanjakan’ny mpanjaka izy.IFL 91.2

    Eo amin’ny fiainan’izay rehetra mandà ny fahamarinana dia misy fotoana ifohazan’ny feon’ny fieritreretana, rehefa torovan’ny nenina tsy misy antony ny fanahy. Nefa inona moa izany raha ampitahaina amin’ny nenina bevava amin’io andro io, ao anatin’ny horohoro manjo azy dia reny ny feon’ny olo-masina manao hobim-pifaliana hoe: «lndro, Andriamanitsika Izay nandrasantsika hamonjy antsika!” - Isa. 25:9.IFL 92.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents