Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Maneho ny fahazoana famelan-keloka sy famonjena ny fiainan’i Lotera

    Ny faniriana ny ho vita fihavanana amin’Andriamanitra dia nitarika an’i Martin Lotera hanolo-tena ho mpitoka-monina. Nasaina nanao asa mafy sy ambany indrindra izy tao sy nangataka isantrano. Nozakainy tamim-paharetana izany fanambaniana izany satria ninoany fa nilaina izany noho ny fahotany.IFL 53.3

    Nivelona tamin’ny fiainana mafy indrindra izy, niezaka ny hampilefitra ny fironana ratsy tao aminy tamin’ny alalan’ny fifadiankanina, ny fiaretan-tory sy ny fampijalian-tena tamin’ny kapoka. Hoy izy tatý aoriana: «Raha misy relijiozy mety mahazo ny lanitra amin’ny asan’ny maha-relijiozy azy dia ho nahazo izany marina aho. (...) Raha notohizako naharitraritra kely ny fampijaliako tena dia ho nitarika ahy hatramin’ny fahafatesana izany» - J.H. Merle D’Aubigne, History of the Reformation of the Sixteenth Century, boky 2, toko 3. Nefa na dia teo aza ny ezaka rehetra nataony dia tsy nahita fanamaivanana ny fanahiny nitambesaran-keloka izy. Farany dia efa nanamorona ny hantsan’ny famoizam-po izy.IFL 53.4

    Tamin’ny fotoana niheveran’i Lotera fa tsy misy azony antenaina intsony no nananganan’Andriamanitra sakaiza ho azy. Nanokatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny sain’i Lotera i Staupitz ka nobaikoiny tsy hijery ny tenany izy, fa hijery an’i Jesôsy: «Aza mampahory ny tenanao noho ny fahotanao, fa miantoraha eo amin’ny sandrin’ny Mpanavotra. Matokia Azy, matokia ny fahamarinan’ny fiainany; ny fanavotana avy amin’ny fahafatesany (...) Tonga olona ny Zanak’Andriamanitra mba hanomezany anao ny antoky ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tiavo llay efa tia anao taloha” - lbid, b. 2, toko 4. Latsaka lalina tao an-tsain’i Lotera ny teniny. Niditra tao amin’ny fanahiny niahanahana teo ny fiadanana.IFL 54.1

    Tatý aoriana, re avy eny amin’ny polipitra ny feony nanao fampitandremana mafana sy miezinezina. Nasehony teo anatrehan’ny vahoaka ny toetra maharikorikon’ny fahotana, ary nampianariny fa tsy azon’ny olona atao, amin’ny asan’ny tenany ny mampihen-danja ny heloka noho izany na ny mandositra ny famaizana vokany. Tsy misy afa-tsy ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Kristy ihany no afaka mamonjy ny mpanota. Tsy azo vidim-bola ny fahasoavan’i Kristy; fanomezana maimaimpoana izany. Nanoro hevitra ny olona izy tsy hividy «indolzansy” fa hibanjina amim-pinoana llay Mpanavotra voahombo. Notantarainy ny fanandramana mangidy nataony ary nambarany marimarina tamin’ireo mpihaino azy fa ny finoany an’i Kristy no nahitany fiadanana sy fifaliana.IFL 54.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents