Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny zava-doza ateraky ny fanoherana ny antson’ny filazantsara

    Fananarana miezinezina ho an’izay rehetra manao vazivazy ny fahasoavan’Andriamanitra ny nandravana an’i Jerosalema. Ny faminaniana nataon’ny Mpamonjy momba ny fitsarana nianjady tamin’i Jerosalema dia hisy fahatanterahany hafa. Ny anjara ratsin’ilay tanàna voafidy dia mety hahitantsika ny loza hanjo an’izao tontolo izao izay nandà ny famindrampon’Andriamanitra sy nanitsakitsaka ny lalàny. Manjombona ny sary mampiseho ny fahorian’ny olombelona izay natrehin’ny tany. Mampivarahontsana ny vokatry ny fandavana ny fahefan’ny Lanitra. Nefa misy toejavatra maizina kokoa aseho ao amin’ny fanambarana mikasika ny hoavy. Rehefa hoesorina tanteraka ny Fanahin’Andriamanitra ka tsy sakanany intsony ny firehetan’ny filan’olombelona sy ny fahatezeran’i Satana, dia hobanjinin’izao tontolo izao ny vokatry ny fitondran’i Satana izay tsy mbola fahitany hatrizay hatrizay.IFL 79.1

    Amin’io andro io, tahaka ny tamin’ny nandravana an’i Jerosalema, dia hafahana ny vahoakan’Andriamanitra. Vakio ny Isaià 4:3 sy ny Mat. 24:30,31. Ho avy fanindroany i Kristy hanangona ireo izay natoky Azy. “Ary amin ‘izany andro izany (...) dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.“Mat. 24:30,31.IFL 79.2

    Aoka hitandrina ny olona tsy hanao tsirambina ny tenin’i Kristy. Tahaka ny nanafarany ny mpianany momba ny fandravana an’i Jerosalema mba hahazoany mandositra, toy izany koa no nanafatrafarany an’izao tontolo izao momba ny andro hisian’ny fandravana farany, mba hahazoan’izay rehetra ta handositra ny fahatezerana ho avy hanao izany. ” Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena“Lio. 21:25. Jereo koa ny Mat. 24:29; Mar. 13:24-26; Apôk. 6:12-17. “Koa miambena hianareo”, hoy ny teny fananaran’i Kristy ao amin’ny Mar. 13:35. Ireo izay mitandrina ny hafatrafatra dia tsy havela ao amin’ny haizina.IFL 79.3

    Tsy vonona hino ny hafatra amin’izao fotoana izao, tahaka ny Jiosy tsy vonona handray ny fananarana mikasika an’i Jerosalema, izao tontolo izao. Na rahoviana na rahoviana no ahatongavan’ny andron’Andriamanitra dia tsy ho vonona ny ratsy fanahy. Rehefa mitohy misosa amin’ny fizotrany andavanandro ny fiainana; rehefa variana amin’ny fahafinaretana, amin’ny asa aman-draharaha, (...) amin’ny fitadiavam-bola ny olona; rehefa manandratra ny fandrosoana ataon’izao tontolo izao (...) ireo mpitondra fivavahana, ary voarotsirotsin’ny antoka sandoka ny olona, - amin’izay fotoana izay, tahaka ny mpangalatra amin’ny misasak’alina tonga hangalatra ao amin’ny trano tsy voambina, dia ho tampoka toy izany koa no hiavian’ny fandravana amin’ireo izay manao an-tsirambina sy amin’ny ratsy fanahy, “ka tsy ho afa-mandositra izy” -1 Tes. 5:2-5.IFL 80.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents