Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Voasoritra mazava ny fepetra

    «lzaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta» - Apôk. 21:6. Ho an’izay mangetaheta ihany io teny fikasana io. «lzay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako” - and. 7. Voasoritra mazava ny fepetra. Mba handovana izany zavatra izany, dia tsy maintsy maharesy ny fahotana isika.IFL 36.1

    Fa tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy” - Mpit.T. 8:13. Ny mpanota dia mirakitra ho an’ny tenany «fahatezerana ho amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra, Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy”; «eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy» - Rôm. 2:5,6,9.IFL 36.2

    «Samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany) ” - Efes. 5:5. «Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga» - Apôk. 22:14,15.IFL 36.3

    Efa nomen’Andriamanitra ny olona ny fanambarana momba ny fihetsiny amin’ny fahotana. «Ny ratsy fanahy rehetra haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra” - Sal. 145:20; 37:38. Hanapotika ny fikomiana ny fahefan’ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra; nefa ny fisehoan’ny fahamarinana izay amaliana ny heloka dia hifanaraka tanteraka amin’ny toetran’Andriamanitra, dia ny maha-feno famindrampo sy fiantrana Azy.IFL 36.4

    Tsy manery ny sitrapo Andriamanitra. Tsy mahita fifaliana amin’ny fankatoavana toy ny an’ny andevo Izy. Ny iriny dia ny hitiavan’ireo nohariny Azy satria mendrika ny hotiavina Izy. Tiany ny hankatoavan’izy ireo Azy satria tsapan’ny sainy ny fahendreny sy ny fahamarinany ary ny fiantrany.IFL 36.5

    Ireo foto-kevitry ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia mifandrindra amin’ny fitsipika nomen’ny Mpamonjy hoe: «Tiava ny fahavalonareo» - Mat. 5:44. Mba hahasoa izao rehetra izao, eny, hahasoa ireo izay hianjadian’ny fitsarany aza dia ampiharin’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy ny fitsarany. Ho nataony izay hahasambatra azy ireo raha azony natao. Hodidininy amin’ny antoky ny fitiavany izy ireo, ary zohiny amin’ny famindrampo atolony; nefa hamavoin’izy ireo ny fitiavany, ataony tsinontsinona ny lalàny, ary tsipahiny ny famindrampony. Mandray mandrakariva ny fanomezany izy ireo, nefa manala baraka ny Mpanome. Mahari-po amin’ny faharatsiany i Jehôvah; moa ve hamatotra ireo mpiodina ireo hiandany aminy Izy? Moa ve hanery azy ireo hanao ny sitrapony Izy?IFL 36.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents