Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fanantenana Lehibe

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny voninahitr’ireo voavonjy

    Tamin’ny andro rehetra dia nandeha teo amin’ny lalana ety tetý ireo voafidin’ny Mpamonjy. Nodiovina tao amin’ny memin’ny fahoriana izy. Noho ny amin’i Jesôsy dia niaritra fankahalana, fitenenan-dratsy, fahafoizan-tena sy nanandrana fahadisoampanantenana mangidy izy. Ny fanandramana maharary niainany no nahalalany ny faharatsian’ny fahotana, ny heriny, ny heloka avy amin’izany, ny fahoriana avy aminy; ary maharikoriko azy ny mijery izany. Ny fahatsapany ny sorona tsy misy fetra natao hanasitranana izany dia mampanetry tena azy ka mameno fisaorana ny fony. Be izao ny fitiavany satria navela ny helony be. (Jer. Lio. 7:47). Efa nandray anjara tamin’ny fahorian’i Kristy izy ka afaka handray anjara amin’ny voninahiny koa.IFL 96.1

    Nivoaka avy tamin’ny toerana tsizarizary, maloto sy mamofona, ireo mpandova an’Andriamanitra, avy tamin’ny tranomaizina, avy tamin’ny lampihazo fanapahan-doha, avy tany antendrombohitra sy efitra mangadihady, avy tao anaty. Raha teto an-tany izy dia «lao, ory, fadiranovana». An-tapitrisany no nidina tany am-pasana novesarana fahafaham-baraka satria nijoro tsy azo nohozongozonina tamin’ny fandravana ny teny fitaka nataon’i Satana. Ankehitriny kosa anefa tsy zoim-pahoriana sy voaely sy hatao tsindrihazolena intsony izy. Hatramin’izao dia mitsangana mitafy fitafiana sarobidy noho izay efa nanaovan’ny olona nohajaina indrindra teto an-tany izy. Misatroka satro-boninahitra misy diadema be voninahitra noho izay efa napetraka teo amin’ny handrin’ny mpanjaka teto an-tany izy. Nofafan’ny Mpanjakan’ny voninahitra ny ranomaso tamin’ny tava rehetra. Manandratra hira fiderana, mazava, milanto sy mirindra izy. Mameno ny lanitra manontolo ny hira hoe: «Ny famonjena anie ho an’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’Ondry». Ho setrin’izany dia mamaly ny mponina rehetra any an-danitra hoe: «Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay» -Apôk. 7:10,12.IFL 96.2

    Eto amin’ity fiainana ity dia vao manomboka mahafantatra ihany io laha-kevitra momba ny fanavotana io isika. Ny saintsika voafetra dia mety handalina amim-pahazotoana fatratra ny momba ny fahafaham-baraka sy ny voninahitra, ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fahamarinana sy ny famindrampo izay nihaona teo amin’ny hazo fijaliana; nefa ny ezaka mafy indrindra ataontsika amin’ny herintsika ara-tsaina dia tsy ahatakarantsika ny tena velarany. Manjavozavo ihany ny fanombanantsika ny lavany sy ny sakany, ny halaliny sy ny haavon’ny fitiavana nanavotana antsika. Tsy takatra hosaintsainina tanteraka ny drafitry ny fanavotana, eny, na dia rehefa hahita toy ny nahitana azy aza ny voaavotra ary hahafantatra toy ny nahafantarana azy; nefa mandritra ny mandrakizay dia hisy fahamarinana vaovao mandrakariva haseho izay hampitolagaga sy haharavoravo ny saina. Na dia tapitra aza ny alahelo sy ny fahoriana ary ny fakampanahy mpanjo etý an-tany ka afaka ny nahatonga izany, dia hahita amin’ny fomba mazava sy hendry kosa ny tombambidin’ny famonjena azy ny vahoakan’Andriamanitra.IFL 97.1

    Ny hazo fijalian’i Kristy no ho anton-kiran’ny voaavotra mandritra ny mandrakizay manontolo. Ao amin’i Kristy omemboninahitra no hibanjinany an’i Kristy voahombo. Tsy hohadinoina na oviana na oviana fa Ilay manan-kery namoronana izao tontolo izao, dia nietry mba hanandratra ny olombelona lavo; nitondra ny heloka sy ny fahafaham-baraka noho ny fahotana; nizaka ny nanafenan’ny Ray ny tavany, mandra-pahavaky ny fony noho ny vesatry ny ozon’izao tontolo izao ka nahatorotoro ny ainy. Ilay nahary izao tontolo rehetra izao, nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetry tena noho ny fitiavana ny olombelona, izany dia hampitolagaga mandrakariva ny tany aman-danitra. Rehefa mijery ny Mpanavotra azy ireo firenena voavonjy ka ho fantany fa haharitra mandrakizay ny fanjakany, dia hanandratra ny hiram-piravoravoany izy hanao hoe: «Mendrika, mendrika ny Zanak’ondry Izay efa novonoina, ka efa nanavotra antsika ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny rany sarobidy indrindra!”IFL 97.2

    Manazava ny zava-miafina hafa rehetra ny zava-miafina momba ny hazo fijaliana. Ho hita fa llay manam-pahendrena tsy voafetra dia tsy afaka nanao drafitra hafa hamonjena antsika afatsy ny fanaovana sorona ny Zanany. Ny setrin’io sorona nataony io dia ny fifaliany amin’ny famenoana ny tany amin’ny voaavotra masina, sambatra ary ho velona mandrakizay. Toy izany no tombam-bidin’ny fanahy iray, hany ka mahafa-po ny Ray ny sandany naloa. Afa-po koa i Kristy, rehefa mibanjina ny hasoan’ny vokatry ny sorona lehibe nataony.IFL 98.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents