Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanitarana Ny Asa Fampielezam-Boky

    Ianao izay mino ny fahamarinana ankehitriny, mifohaza. Adidinao ny mitaona, amin’fomba rehetra, ireo izay mahafantatra ny fahamarinana mba hanambara izany. Ny ampahany amin‘ny vola miditra avy amin‘ny bokintsika lafo dia tokony hampiasaina mba hanitarana ireo fitaovana hahafahana mamokatra asasoratra misimisy kokoa mba hanokatra ireo maso mbola jamba sy hampitsimoka ireo fo karakaina. - TFC, b. 9, t. 62.FK 208.4

    Taona maro lasa izao dia nasehon‘ny Tompo ahy ny tari-dalana fa tokony hisy tranobe hatsangana amin‘ny toerana samihafa manerana an‘i Amerika sy Eorôpa ary ireo firenen-kafa, hanonta ireo boky mirakitra ny fahazavan‘ny fahamarinana ankehitriny Nanome toro marika Izy fa tokony hatao ny ezaka rehetra mba hanapariahana eo amin’izao tontolo izao amin‘ny alalan‘ny asa printy ny hafatra fitaomana sy fampitandremana. Misy olona ho voataonan‘ny asasoratsika izay tsy ho voataona amin‘ny fomba hafa ankoatra izany. Avy amin‘ny bokintsika dia tokony hisy taratra mamirapiratra manazava izao tontolo izao amin’alalan‘ny fahamarinana ankehitriny. - TFC, b. 8, t. 87.FK 209.1

    Naseho ahy fa tokony hatonta amin‘ny fiteny samihafa ireo bokintsika ary halefa any amin’ireo tany rehetra mahay mamaky sy manoratra, na ohatrinona na ohatrinona saran’izany. Inona moa no tombam-bidin’vola amin‘izany manoloana ny tombam-bidin’fanahy? Ny vola rehetra ananantsika dia tokony heverina ho an’Tompo fa tsy antsika; ary toy ny zava-tsarobidy izay nankinin’ Andriamanitra tamintsika; mba tsy holanilaniantsika amin-javatra tsy ilaina, fa hampiasaintsika amim-pitandremana fatratra ho an’Andriamanitra, amin‘ny asa famonjena olona tsy ho very. - LS, t. 214.FK 209.2

    Ireo teny voatonta dia tokony hadika amin’fiteny samihafa, ary entina hatrany amin’faran’tany. - TFC, b. 9, t. 26.FK 209.3

    Ireny boky ireny dia tokony hadika amin‘ny fiteny samihafa; satria ny filazantsara dia natao hotorina amin’izao tontolo izao. Manome toky ireo mpiasa tsirairay i Kristy fa ny herin‘Andriamanitra no hahatonga ny fisasarany ho fahombiazana. - TFC, b. 9, t. 34.FK 209.4

    Tokony hitety hatraiza hatraiza ireo bokintsika. Aoka izy ireo hatao amin‘ny fiteny maro. Amin‘ny alalan‘izany sy Ilay Mpampianatra velona no tokony hizaràna ny hafatry ny anjely fahatelo. Ianao izay mino ny fahamarinana ho amin‘izao vaninandro izao, mifohaza. - CEv, t. 101.FK 210.1

    Maro amin‘ireo vahoakan‘Andriamanitra no tokony handeha hiparitaka hitondra ireo bokintsika any amin‘ireo toerana izay mbola tsy nitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo. Tokony hatonta amin‘ny fiteny samihafa maro ny bokintsika. Miaraka amin‘ireny boky ireny no handeha ireo olona manetry tena sy feno finoana, mba ho mpampiely boky evanjelisitra, mitondra ny fahamarinana ho an‘ireo izay tsy handray ny fahazavana raha tsy amin‘ny alalany. - TFC, b. 9, tt. 33, 34.FK 210.2

    Mitety tanàna, mitety firenena, handeha izy ireo hitondra ireo boky mirakitra teny fikasana ny amin‘ny fiavian‘ny Mpamonjy tsy ho ela. - TFC, b. 9, t 34.FK 210.3

    Naseho ahy fa efa miasa ao amin‘ny sain‘ny olona sasany any amin‘ny firenena sasany ny bokintsika amin‘ny famotehana ny rindrin‘ny hevitra mipetraka mialoha sy ny finoanoampoana. Naseho ahy ireo lehilahy sy vehivavy mianatra amimpahalianana be ireo lahatsoratra sy trakta vitsivitsy momba ny fahamarinana ankehitriny. Mamaky ireo porofo izy ireo izay mahavariana sy vaovao tanteraka ho azy ireo, ary manokatra ny Baiboliny amim-pahalianana lalina sy vaovao, satria ireo lohahevitra izay maizina tamin‘izy ireo dia efa mazava, indrindra ny fahazavana mikasika ny Sabata ao amin‘ny didy fahefatra. Raha teo am-panadihadiana ny Soratra Masina izy ireo hizahana raha izany tokoa no izy, dia nisy hazavana vaovao nanazava ny sainy, satria nisy anjely nitoetra teo ambonin‘izy ireo sy nametraka tao an-tsain’izy ireo ny fahamarinana voarakitra tao amin’ireo boky izay novakiny.FK 210.4

    Hitako izy ireo nitana lahatsoratra sy trakta tamin’tanany iray, ary ny Baiboly tamin’tanany ilany, ary ny tavan’izy ireo dia mandon-dranomaso; ary niondrika teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, nivavaka mafana sy nanetry tena mba hotarihina amin’fahamarinana rehetra, - izany rahateo no efa nataon’Andriamanitra mialoha ny niantsoan’izy ireo Azy. Ary rehefa noraisiny tao am-pony ny fahamarinana, ary hitan’izy ireo ny firindran’fifampitohizan’fahamarinana, dia tonga boky vaovao ho azy ireo ny Baiboly; ary nofihininy teo an-tratrany tamin’fifaliana feno fankasitrahana, ary ny tavan’izy ireo dia namirapiratry ny fahasambarana sy fifaliana masina.FK 211.1

    Tsy afa-po tamin’fankafizana samirery ny fahazavana izy ireo, ka nanomboka niasa ho an’hafa. Nisy ireo izay nahafoy tena be ho an’fahamarinana mba hanampiana ireo rahalahy mbola tao amin’haizina. Araka izany dia voaomana ny lalana ho amin’asa lehibe eo amin’fizaràna trakta sy lahatsoratra amin’fiteny hafa indray. - LS, tt. 214, 215.FK 211.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents