Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nofy Nanaitra

    Tamin’nofy nomena ahy, tamin’29 Setambra 1886, nandeha niaraka tamin’namana maro izay handeha hitady voaroy aho. Maro ny tanora lahy sy vavy izay niaraka taminay hifanampy tamin’fanangonana ny voankazo. Toy ny hoe tao amin’tanàna iray izahay, satria kely ny toerana malalaka nisy tany; kanefa nanodidina ny tanàna dia nisy saha midadasika, nisy alakely mahafinaritra, sy zaridaina voakolokolo. Kalesy iray feno vatsy ho anay rehetra no nandeha teo alohanay. Tsy ela dia nijanona ny kalesy, ary mparitaka samy nanana ny lalany avy ny rehetra nitady voankazo. Nanodidina ny kalesy dia nisy hazo avo sy iva, mitondra vokatra voaroy lehibe sady mahafinaritra; kanefa varivarian’lavitra ireo namana ka tsy nahita azy ireo. Dia nanomboka nanangona ireo voa teo amin’manodidina aho, kanefa tamim-pitandremana fatratra, sao dia mioty ny voankazo mbola manta, izay tena mifangaro amin’voankazo masaka ka iray na roa amin’sampahony ihany no azoko nalaina.FK 63.1

    Latsaka tamin’tany ny sasany tamin’ireo voankazo ngezabe, ary efa saika lanin’olitra sy ny bibikely. «Indrisy» hoy aho nieritreritra, « raha talohaloha no efa niditra teto amin ‘ity saha ity, dia ho nety ho avotra ireo voa sarobidy ireo! kanefa efa tara loatra ankehitriny. Na izany aza dia hitsimpona amin’ireo latsaka amin’tany ihany aho sao dia mbola misy tsara amin ‘izy ireo. Na dia efa lo aza ny voankazo manontolo, dia fara faharatsiny afaka maneho amin’ireo anadahy aho ny amin’zavatra mety ho hitany raha toa ka tsy tara loatra izy ireo». Tsitapitapitr’izay nisy roa na telo tamin’ireo namanay tonga nanatona tsimoramora nanodidina ahyFK 63.2

    Miresadresaka izy ireo ary toa seriny ery amin’ireto namany. Rehefa nahita ahy izy ireo dia niteny hoe: « nitady teny rehetra teny izahay fa tsy nahita voankazo.” Talanjona izy ireo rehefa nahita ny habetsaky ny azoko. Dia hoy aho: « Misy be dia be tokony hangonina eto amin’ity foto-kazo ity .» Dia nanomboka nioty izy ireo, kanefa tsy ela dia nijanona, niteny hoe: « tsy rariny raha hioty eto izahay; ianao no nahita ity toerana ity koa anao ireo voankazo ireo”. Kanefa namaly aho: «Tsy mampaninona izany. Manangòna na aiza na aiza ahitanareo vokatra. Sahan’Andriamanitra ity, ary voaroiny ireto; tombontsoa ho antsika ny hioty azyFK 64.1

    «Kanefa tsy ela dia ohatra ny irery indray aho. Ary fotoana fohy taty aoriana dia nahare resaka sy hehy tao anaty kalesy aho. Nantsoiko ireo tao anatiny, «inona no ataonareo ao? Dia namaly izy ireo nanao hoe: Tsy mahita voaroy izahay, ary satria reraka sy noana izahay dia nihevitra fa tokony ho any amin’kalesy mba hisakafo. Rehefa avy miala sasatra kelikely izahay dia handeha hivoaka indray».FK 64.2

    «Kanefa”, hoy aho, «tsy mbola nitondra na inona na inona akory ianareo. Nohaninareo avokoa ny vatsy nentintsika, kanefa tsy nitondra ho antsika akory. Tsy afaka ny hisakafo aho izao; betsaka loatra ny voankazo tokony hotazana. Tsy hitanareo izy ireny satria tsy mijery tsara ianareo. Tsy mihantona ety ivelan’foto-kazo izy ireny fa tsy maintsy karohina. Marina fa tsy raofina amin’tanana izy ireny; fa amin’fijerena fatratra amin ‘ireo voaroy manta, hahita voankazo tena tsara tarehy ianareo».FK 64.3

    Tsy ela dia feno voaroy ilay haron-keliko, ary nentiko ho eny amin’kalesy izany Hoy aho hoe: «Ireto no voankazo tsara indrindra tamin ‘izay rehetra notazako, kanefa teto amin ‘ny manodidina teto no nanangonako azy, raha mbola nandrera-tena nitady tany lavitra tany ianareo kanefa tsy nahita fahombiazana”.FK 64.4

    Avy eo tonga izy rehetra nijery ny voankazoko. Ity voaroy ity dia avy amin’foto-kazo avo, mafimafy sady tsara. Tsy nihevitra izahay fa afaka hahita na inona na inona eo amin’foto-kazo avo, koa nitady tany amin’foto-boaroy iva ihany izahay, ary tsy nahita afa-tsy vitsy ihany”.FK 64.5

    Dia hoy aho avy eo: «Tianareo ve ny hikarakara ireto voaroy ireto, ary avy eo dia hiaraka amiko hitady voankazo misimisy kokoa eny amin’foto-kazo avo?» Kanefa tsy niomana tamin’fikarakarana ireo voankazo izy ireo. Nisy lovia sy kitapo betsaka teo kanefa dia feno sakafo avokoa izy ireny. Nanjary vizaky ny fiandrasana aho ka farany nanontany: «Tsy hanangona voankazo ve no nahatongavantsika? Koa nahoana ianareo no tsy niomana amin’izay asiana azy?»FK 65.1

    Namaly ny anankiray, «Ranabavy White, tsy tena nanantena loatra ny hahita voankzo aty amin’toerana be trano toy itony izahay, ary misy olona maro mivezivezy; kanefa ianao ohatra ny seriny ery hanangona voankazo dia nanapakevitra izahay ny handeha hiaraka aminao. Nihevitra izahay fa tokony hitondra zavatra hohanina betsaka, ary hankafy ny fitsangantsanganana, raha toa ka tsy misy voankazo hangonina».FK 65.2

    Namaly aho hoe: «Tsy azoko izany fomba fiasa izany. Handeha ho any an’ala indray aho. Madiva ho lasa sahady ny andro, tsy ho ela dia ho tonga ny alina izay tsy ahafahantsika hanangona voankazo intsony”. Ny sasany niaraka tamiko, fa ny sasany kosa nijanona tao anaty kalesy mba hihinan-kanina.FK 65.3

    Teo amin’toerana anankiray, nisy olona vitsivitsy nanangona, ary tena varian-dresaka mikasika ny zavatra anankiray izay toa tena mahaliana azy ireo. Nanatona aho, ary nahita fa zazakely anankiray teny an-trotroan-dreniny no nisarika ny fahalianan’izy ireo. Hoy aho hoe: «Tsy manana afatsy fotoana kely ianareo, koa tsaratsara kokoa ny miasa raha mbola afaka manao izany”.FK 65.4

    Voasarik’ilay zazalahy sy zazavavy kely izay mifanala hazakazaka mankeny amin’kalesy ny fahalianan’maro. Rehefa tonga eny dia tena reraka tokoa izy ireo ka tsy maintsy mipetraka miala sasatra.FK 66.1

    Lany ny andro kanefa kely ny zava-bita. Farany aho niteny hoe: «Ry ranadahy, lazainareo fa tsy nahomby ity dia ity Raha izao no fomba fiasanareo dia tsy mahagaga raha tsy mahita fahombiazanaianareo. Ny fahombiazana na tsy fahombiazanareo dia miankina amin’fomba iatrehanareo ny asa. Misy voaroy eto; satria nahita azy ireo aho. Ny sasany taminareo nitady teny amin’foto-kazo iva kanefa sasapoana; ny sasany kely fotsiny no hitany; kanefa nolalovanareo fotsiny ny foto-kazo avo, satria noheverinareo fotsiny fa tsy hahita voankazo eo ianareo. Hitanareo fa ny voankazo izay nangoniko dia lehibe sady masaka. Tsy ho ela dia ho masaka indray ny voaroy hafa koa dia ho afaka ny hanangona indray isika. Izany no fomba nampianarina ahy hanangonana voankazo. Raha nitady teo akaikin’kalesy ianareo, dia nety ho nahita voankazo tahaka ahy.»FK 66.2

    Ny lesona izay nomenareo androany dia ho tahafin’ireo izay vao mianatra ny fomba hanaovana izany asa izany Nametraka ity foto-kazo feno voankazo ity teo akaikin’ity toerana feno mponina ity ny Tompo, ary nantenainy fa ho hitanareo izany Kanefa tamin’fihinana sy ny famalifaliana ny tenanareo no nandanianareo ny fotoana. Tsy tena resy lahatry ny hahita voankazo ianareo raha tonga teto.FK 66.3

    Tsy maintsy miasa amim-pahazotoana sy amin-kafanam-po ianareo amin’hoavy, ary amin’fomba fijery hafa, raha tsy izany dia tsy ho feno fahombiazana mihitsy ny asanareo. Ny fiasana amin’fomba mety no ampianarina ny mpiasa zandriny kokoa fa ny resaka fihinana sy fanalana andro dia tsy manan-danja firy. Asa mafy tokoa ny nitarika ny kalesy feno sakafo, kanefa nihevitra bebe kokoa ny amin’vatsy ianareo noho ny voankazo izay hoentina mody vokatry ny asanareo. Tokony hazoto sy hafana fo ianareo, hioty ireo voaroy eo akaiky indrindra aloha, ary avy eo vao hijery ny lavidavitra kokoa; aorian’izay dia afaka miverina miasa eo akaiky indray ianareo, amin’izany fomba izany no hahatonga anareo hahita fahombiazana. - GW, tt. 136-139.FK 66.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents