Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asasoratra Momba Ny Fahasalamana

    Tokony hisarika ny olona vangiany ireo mpampiely boky mba ho liana amin’ireo bokintsika momba ny fahasalamana, tokony horesahiny aminy ny amin’ireo toro lalana sarobidy izay raketin’ireny boky ireny momba ny fikarakarana marary sy fitsaboana aretina. Tokony hambaran’izy ireo fa ireny toro marika ireny, raha ianarana sy ampiharina, dia hitondra fahasalamana ho an’fianakaviana. Tokony hohazavain’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fahazoan’fianakaviana tsirairay ny siansan’aina. Tokony hataon’izy ireo izay hampifantoka ny sain’olona amin’Ilay namorona sy mihazona ny fiasan’milina mahavariana ao amin’vatana. Tokony hambarany azy ireo fa anjarantsika ny miaramiasa amin’Andriamanitra, mitandro amim-pahendrena ireo fahafaha-manao sy ireo taovantsika rehetra.FK 214.1

    Andraikitra lehibe ny fikarakarana ny vatantsika araka ny tokony ho izy, ary mitaky fahalalana tsara ny faritra rehetra eo amin’vatana izany Tokony hambara amin’olona fa tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny tsy fahaizamampiasa ny vatana ho fanaranampon’filàna sy ny sitrapo, ka manjary mihamalemy sy mihasarotra ny fiasany. Tokony hambara amin’olona fa ireo boky amidinao dia manome toro lalana sarobidy lavitra, ary eo amin’fampiharana izany toro lalana izany dia ho be ny fahoriana sy ny vola lany amin’saram-pitsaboana voasoroka. Tokony hambara amin’olona fa ao amin‘ireny boky ireny dia misy toro hevitra izay mety tsy ho azony avy any amin‘ny mpitsabo mandritra ny resaka fohy izay ifanaovany aminy - SW, 20 Nôv. 1902.FK 214.2

    Rehefa mirotsaka amin‘ny asa fampielezam-boky ny tanora miaraka amin’faniriana lalina ny hamonjy ireo mpiara-belona aminy, dia hahita fanahy hiova fo izy ireo. Avy amin’asan’izy ireo dia hisy fijinjana ho an‘ny Tompo. Aoka izy ireo handeha hiparitaka ho misiônera mizara ny fahamarinana ankehitriny, mivavaka tsy tapaka mba hitomboan’fahazavana ananany sy ny fahalalany, ka ho hainy ny hanambara teny sahaza ho an’ireo izay reraka. Tokony hararaotin‘izy ireo ny hirika rehetra hahafahany manao asa soa, amin’fahatsiarovana fa manao asa fanompoana ny Tompo izy (...) Eo amin’asany dia tokony hivimbina mandrakariva boky momba ny fahasalamana izy ireo; satria ny fanavaozana ara-pahasalamana no tanankavanan‘ny hafatra. - SW, 15 Jan. 1903.FK 215.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents