Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Maha-Zava-Dehibe Ny Alitara Ao An-Tokantrano

    Ianao izay milaza fa tia an’Andriamanitra, ento amin’izay rehetra alehanao i Jesôsy; ary, toy ireo patriarika tamin’ny fotoan’androny, dia manangana alitara amin’izay rehetra itobianao. Fanavaozana lehibe toy izany no ilaina, - fanavaozana lalina sy mivelatra. - TFC, b. 5, tt. 320, 321.FK 293.2

    Ataon’i Satana avokoa ny ezaka rehetra hitarihana ny vahoakan’ Andriamanitra, ary tratrany ny tanjony rehefa tafiditra ao amin’ny fiainam-pivavahana ny firehana amin’ny fitadiavam-bola, ary variana mitady ny olona ka tsy manampotoana hanokafana Baiboly intsony, na hivavahana mangina, na hanaovana fanati-pisaorana eo amin’ny alitara isa-maraina sy isan-kariva. - TFC, b. 5, t. 426 .FK 293.3

    Aoka ny fiderana ao an-tokantrano ho fahafinaretana sy tena mahaliana. - TFC, b. 5, t. 335.FK 293.4

    Ny ankizy dia tokony hampianarina hanaja ny ora fivavahana; zarina hifoha maraina mba ho eo avokoa ny fianakaviana rehetra amin’ny fotoam-pivavahana. - TFC, b. 5, t. 424.FK 293.5

    Ny ankizy dia mila fivavahana manintona fa tsy mampandositra. Tokony ho sady fotoam-bavaka izany no ho fotoana mahafinaritra indrindra amin’ny andro. Ny famakiana ny soratra masina dia voafantina tsara sady tsotra. Hihira ny ankizy, atao fohy sy mazava ny vavaka, ary mivantana. - SW, 13 Jona, 1905.FK 294.1

    Amin’io fotoana io dia raiso tsara ny vahiny. Ny fotoampivavahana dia misy fiantraikany amin’izay mandray azy, ary ny fotoana iray fandalovana dia mety ho lasa famonjempanahy. Fa amin’izany asa izany no hitenenan’i Jehôvah hoe: “ Efa voaloako TFC, b. 6, t. 347.FK 294.2

    Tokony hanaja sy hanome lanja io fotoana io ny zanaka. Ary ny fianakaviana manontolo alohan’ny handraisana ny asa aman-draharaha rehetra, dia tokony ho voaantso hiangona eo avokoa. Ary ny ray, raha sendra tsy eo ny vadiny, dia tokony hiantso mafy an’Andriamanitra mba hiaro azy mandritra ny andro, dia toy izany koa ho an’ny reny. Miondreha amimpanetren-tena sy fo feno fahalemena; ary fanekena ny fakam-panahy sy ny laza izay eo alohanareo sy ny zanakareo. Amin’ny finoana no ametraho azy ireo eo amin’ny alitara, hangatahana ny fikarakaran’Andriamanitra. Ny anjely dia hiaro ny zanakareo izay natolotra an’Andriamanitra. Adidin’ny ray aman-dreny kristianina, maraina sy hariva, amin’ny alalan’ny vavaka sy fahamatoram-pinoana, ny mametraka fefy ho an’ny zanany. Tokony hampianatra azy amim-paharetana izy. Amim-pahamoram-panahy dia ampianaro hatrany izy ireo hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo. TFC, b. 1, tt. 397-398.FK 294.3

    Abrama, izay antsoina hoe «sakaizan’Andriamanitra”, dia nametraka ohatra lehibe ho antsika. Fiainana feno fivavahana ny fiainany. Ary na taiza na taiza no nananganany ny lainy, dia teo koa no nanorenany alitara izay nanangonany ny ankohonany ho amin’ny fanatitra maraina sy hariva. Rehefa nandao ireny toerana ireny izy, dia mbola nitoetra teo ihany kosa ny alitara. Taona maro taty aoriana, rehefa nandalo teny amin’ireny toerana ireny ireo Kananita mpitoetra anday, izay efa nampianarin’i Abrama, ka nahita ireny alitara ireny sady nahafantatra fa teo no nitoby ilay patriarka, dia mba nitoby teo koa, ka nanamboatra ny alitara ary nivavaka tamin’Andriamanitra velona teo. - PM, tt. 116, 117.FK 294.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents