Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Olona Mpanan-Karena Tamin’ny Andron’ny Baiboly

    Olona tsara laza sy nanan-kery miasa mangina tamin’ny maro izy. Hitan’Andriamanitra fa rehefa voaova fo izy dia hanome ny fahazavana noraisiny amin’ny hafa, ka hisy hery lehibe hiasa mangina ho an’ny filazantsara avy aminy. Niandry ity mpikatsaka fahazavana ity ny anjelin’Andriamanitra, ka voatarika ho eo amin’ny Mpamonjy izy. Nentin’ny Tompo hifandray amin’ny olona iray izay afaka hitarika azy eo amin’ny mazava tamin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina izy. - VM, 96.FK 288.1

    Ankehitriny rehefa niezaka ny hamono ilay fiangonana mbola zaza ny Jiosy, dia nandroso hiaro azy i Nikodemosy. Tsy maodimaody sy be fanontaniana intsony izy, fa nampahery ny finoan’ny mpianatra, ka nampiasa ny harenany amin’ny fanampiana sy ny fanohanana ny fiangonana tany Jerosalema sy ho amin’ny fampandrosoana ny asan’ny filazantsara. Ny olona izay feno fanajana azy teo aloha, ankehitriny dia nanaraby sy nanenjika azy, ary nanjary nahantra teo amin’ny haren’izao tontolo izao izy, efa tsy nihozongozona teo amin’ny fiarovana ny finoany. - VM, t. 94.FK 288.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents