Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanehoana An-Tsary Feno Hery

    Voahetsika hatramin‘ny fara-fahalalana tsy hita pesimpesenina ho an‘ny olona ny fitiavan’Andriamanitra, ka gaga ny anjely nibanjina fa manify dia manify ny fankasitrahana hita eo amin‘ireo nandray fitiavana lehibe toy izany. Gaga ny anjely mahita ny fankasitrahana maivana asetrin‘ny olombelona ny fitiavan’Andriamanitra. Tezitra ny lanitra mahita ny antsirambina atao amin‘ny fanahin‘ny olona. Tiantsika ho fantatra ve ny fijerin’i Kristy izany? Inona no ho fihetsehampon‘ny ray na ny reny, raha fantany fa nolalovana fotsiny ny zanany izay very tany amin‘ny hatsiaka sy ny ranomandry, ka navelan’ireo afaka namonjy azy ho faty? Moa ve tsy halahelo mafy izy, ary tsy ho loza ve ny hatezerany? Moa ve tsy hiampanga ireto mpamono olona amin-katezerana mangotraka arahin-dranomaso be noho ny haben‘ny fitiavany izy? Fahorian’zanak’Andriamanitra ny fahorian’olona tsirairay, ka izay tsy manatsotra ny tanany hanampy ireo mpiara-belona aminy efa ho faty dia mahatonga fahatezerana ara-drariny. - IFM, tt. 884,885.FK 130.1

    Namaky boky mikasika ny olona anankiray, nanao dia lavitra tamin’andro ririnina mamakivaky ranomandry matevina aho, izay nanjary ngoly tsy nahare na inona na inona noho ny hatsiaka izy, efa mila hanala tsikelikely ny hery. Ary rehefa saika matin‘ny hatsiaka, ngolin‘ny fanala ka, efa saika kivy tsy hitolona ho amin‘ny fiainany intsony izy, dia nahare ny tolokon‘ny anadahy mpandeha anankiray, izay efa ho fatin‘ny hatsiaka. Nanangona ny heriny rehetra izy mba hamonjy io olona io. Nokosokosehiny ny tongotra aman-tanan‘ilay lehilahy nampalahelo, ary rehefa niezaka mafy teo izy dia natsangany ilay olona, kanefa rehefa tsy afa-nitsangana izy dia notrotroiny namakivavaky ny ranomandry izay noheveriny fa tsy ho vitany na oviana na oviana ny hamakivaky izany samirery. Ary rehefa nitondra ilay mpiara-dia aminy teo amin‘ny toerana azo antoka izy dia tonga tao an-tsainy ny fahamarinana fa amin‘ny famonjena ny hafa no amonjeny ny tenany ihany koa. Ny fiezahana tamin-kafanam-po nataony hamonjena ny hafa no namelombelona ny ra izay nivaingana tao amin’lalan-drany, ary niteraka hafanana nahasalama ny rantsam-batany. Tsy maintsy alentika mandrakariva ao amin‘ny mpino vaovao izany lesona izany, tsy amin’fitsipika fotsiny ihany fa amin’ohatra ihany koa, mba hahatsapany vokatra mitovy amin‘izany eo amin‘ny fanandramana kristianina ataony. - TFC, b. 4, tt. 319, 320.FK 130.2

    Tsy tokony hanidy ny tenanao ao anatinao ianao, ary hianona satria efa notahina tamin‘ny fahalalana ny fahamarinana. Iza no nitondra ny fahamarinana taminao? Iza no naneho ny fahazavan‘ny Tenin’Andriamanitra taminao? Tsy nanome fahazavana ho anao Andriamanitra mba hapetrakao ao ambany vata famarana. Nandre mikasika ny iraka izay nalefa hitady an’ Andriamatoa John Franklin aho. Lehilahy mahery fo maro no nandao ny tokantranony, ary nivezivezy tany amin’ Ranomasina Avaratra, niharitra tsy fisiana, hanoanana, hatsiaka ary fahoriana. Ary inona moa no anton’ izany? - Noho ny laza vokatry ny fahitana ny vatana mangatsiak’ ireo mpamaky lay fotsiny ihany, na, raha azo atao dia ny hamonjy amin’ fahafatesana mahatsiravina ny sisa amin’ireo izay azo antoka fa tsy maintsy ho tratran‘izany raha toa ka tsy misy vonjy ara-potoana ho azy ireo. Na dia tsy nahavonjy afa-tsy olona anankiray monja tsy ho faty aza izy ireo dia ho nisainy fa nisy valisoa tokoa ny fahoriana niaretany. Natao izany ary natao sorona ny toe-piainana miadana sy ny fahasambarana.FK 131.1

    Eritrereto anie izany e, ary avy eo hevero ny hakelin’ sorona tiantsika hatao ho famonjena ireo fanahy sarobidy manodidina antsika. Tsy voatery handao ny tokantrano isika, ka hanao dia lavitra sady manasatra no tsy mahaliana akory, mba hamonjy aina tandindomin‘ny fahafatesana. Eo am-baravaranao, eo akaikintsika rehetra, eo amin’manodidina antsika dia misy fanahy hovonjena, fanahy very - lehilahy sy vehivavy tsy manana fanantenana, tsy manana an’Andriamanitra - kanefa isika mahatsapa ho tsy voakasik‘izany, toa miteny amin‘ny alalan’asantsika, raha tsy amin‘ny tenintsika hoe: «moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? Ireo lehilahy ireo izay nahafoy ny ainy tamin‘ny fiezahana hamonjy ny hafa dia nahazo laza tsara tamin’izao tontolo izao ho toy ny olona mahery fo sy maritiora. Kanefa mba manao ahoana ny fahatsapantsika, dia isika izay manantena ny fiainana mandrakizay eo anoloantsika, raha tsy manao ny fandavantena kely izay takin’ Andriamanitra amintsika ho famonjena ny fanahin‘ny olona isika? - RH, 14 Aog. 1888.FK 132.1

    Nandavaka fantsakana ny tao an-tanànan‘i Angletera indray andro. Rehefa kely sisa dia ho vita ny asa, raha mbola tany amin‘ny farany ambany tany ny olona anankiray dia nihotsaka ny tany ary tototra tao izy. Teo no eo ihany dia nalefa ny fanairana, ary nihazakazaka hamonjy ny mpiasa rehetra, ny tantsaha, ny mpivarotra, ny mpahay lalàna. Nentina an-tanana tamim-pahavononana haingana ny tady, tohatra, angady isankarazany; — Vonjeo izy! Vonjeo re Izy! Izany no antsoantso. Niasa tamin-kery feno famoizam-po ny olona, mandrapiteten‘ny hatsembohany teo amin‘ny tavany sy nampangovitra ny sandriny noho ny asa natao. Ela ny ela afaka nandefa fantsona namakivaky ny tany nihotsaka izy ireo, izay niantsoantsoany an‘ilay olona mba hamaly raha toa ka mbola velona izy. Tonga ny valiny: « Mbola velona aho kanefa ataovy haingana fa tena mampatahotra ny toerana misy ahy”. Niaraka tamin‘ny hiakam-pifaliana no nanavaozany indray ny ezaka natao ary tamin‘ny farany dia tonga teo aminy, ary dia voavonjy izy, toa niakatra namaky ny lanitra ny hafaliana. Nanakoako nanerana ny lalana sy ny vohitra rehetra ny hoe: «voavonjy izy!”FK 132.2

    Moa ve be loatra ny fahazotoana sy fahalianana mafy ary hafanam-po goavana toy izany mba ho famonjena ain‘olona anankiray? Azo antoka fa tsia; ka inona moa no dikan‘ny fahafatesana amin‘ny fiainana mandalo miohatra amin‘ny fahaverezan‘ny fanahy mandrakizay? Raha ny fanahy iray tandindomin‘ny fahafatesana no manaitra ny fon’olombelona ho amin‘ny fahatsapana mahery vaika toy izany, moa ve ny fahaverezan‘ny fanahy iray tsy tokony hanaitra lalindalina kokoa ny fangorahan‘ireo izay milaza ho mahatsapa ny loza mitatao amin‘ireo izay lavitra an‘i Kristy? Moa ve ny Mpanompon‘Andriamanitra tsy tokony haneho fahazotoana lehibe amin‘ny asa famonjena fanahy, tahaka ny naseho tamin‘ny ain‘ilay lehilahy iray nilevina tao am-pantsakana? - GW, tt. 31,32.FK 133.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents