Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mikarakara ny Kamboty

    Ambara-pandresy tanteraka ny fahafatesana, dia hisy kamboty marobe hokarakaraina hatrany, izay hijaly amin’ny heviny maro raha tsy tezaina ho azy ny fiantrana sy ny fahalemempanahy ombam-pitiavana avy amin’ny mambran’ny fiangonana. Mandidy antsika ny Tompo: “ Ento ao an-tranonao ny ory manjenjena.” Tsy maintsy manolotra ray sy reny ho an’ireo tsy manan-kialofana ireo ny Kristianina. Ny fiantrana ny mpitondratena sy ny kamboty aseho amin’ny vavaka sy ny asa dia hotsaroana eo anatrehan’Andriamanitra, ka ho valiana soa hatrany hatrany. - RH, 27 Jona 1893 .FK 303.1

    Rehefa manampy ny mahantra, mangoraka ny malahelo sy ny ampahorina ianao, sy manao ny tenanao ho sakaizan’ny kamboty, dia mitondra ny tenanao ho amin’ny fifandraisana ety kokoa amin’i Jesôsy. - TFC, b. 2, t. 25 .FK 303.2

    Maro ireo kamboty azo karakaraina; kanefa maro no tsy haningotra ny tenany amin’ny fanaovana izany asa izany; satria mitaky asa be lavitra noho izay noheveriny hatao izany, ka tsy mamela afatsy fotoana kely hamalifaliany ny tenany. Kanefa rehefa hanao ny famotopotorana farany ny Mpanjaka, dia ho fantatr’ireo fanahy tsy nanao na inona na inona taminkalalahana sy tia tena fa ny lanitra dia ho an’ireo niasa sy ireo nanana fandavantena ho an’i Kristy. Tsy misy fanampiana manokana homena ireo manao izany fikarakarana manokana izany ho fitiavana sy fitsinjovana ny tenany. Ny famaizana ambaran’ny Mpanjaka amin’ireo eo ankaviany, amin’io lafiny io, dia tsy noho ny heloka bevava nataony. Tsy voaheloka noho ny zavatra nataony ireo, fa noho izay tsy nataony. Tsy notanterahiny ireo zavatra nankinin’ny lanitra hotanterahiny. Nampifaly ny tenany izy, ka naka ny anjarany tamin’ny fampiadanan-tena. - RH, 16 Aog. 1881 .FK 303.3

    Misy kamboty izay nanaovan’i Kristy baiko ho an’ny mpanaraka Azy horaisina sahala amin’ny tolotra hokarakaraina avy amin’Andriamanitra. Matetika loatra no lalovana fotsiny sy atao antsirambina izy ireny; mety ho rovi-drovitra fitafiana, tsy mahalala fomba, ary ny fijery azy dia tsy mahasintona amin’ny lafiny rehetra; nefa dia fananan’Andriamanitra izy ireny. Efa novidiny tamin’ny vidiny lafo izy ireny, ary sarobidy eo imason’Andriamanitra tahaka antsika koa. Anisan’ny ankohonan-dehiben’Andriamanitra izy ireny, ary tompon’ andraikitra aminy ny Kristianina amin’ny maha-mpitahiry fananana azy. « Hadiniko amin’ny tànanao ny fanahiny» - (Ezek. 3: 18) hoy Izy. - HF, t. 339 .FK 304.1

    Miantso anao mambran’ny fiangonana tsirairay ny Tompo hanao ny andraikitrao amin’ireo kamboty ireo. Kanefa, aza miasa ho azy ireny fotsiny noho ny fahatsapana andraikitra, fa satria tia azy ianao, sy maty hamonjy azy Kristy. Efa nividy ireo fanahy izay mila ny fikarakaranao ireo I Kristy, ka manantena anao Izy ho tia azy ireo toy ny nitiavany anao tao amin’ny fahotanao sy ny faniasiavanao. - RH, 27 Jona 1893.FK 304.2

    Tsy hihaino ny vavaky ny olony Izy raha manao tsinontsinona ny kamboty, ny tsy manan-dray, ny malemy, ny jamba, ary ny marary ireo. - TFC, b. 3, t. 518.FK 304.3

    Misy saha midadasika eo anoloan’ny rehetra izay hiasa ho an’ny Tompo amin’ny fikarakarana ireo ankizy sy tanora tsy mana-namana, ka mametraka azy eo amin’ny toerana ahazoany tombontsoa ho amin’ny famoronana toetra tsara, ka hahatonga azy ho zanak’Andriamanitra. Misy ireo ankizy toa tsy mahomby ary tsy ahitam-bokatra tsara izay mila katsahina amim-pitiavana. Maro ireo mety hitombo ao amin’ny tsy fahalalana, sy mifindra any amin’ny fiarahamonina hitarika ho amin’ny fitondran-tena maloto sy ny heloka bevava, no mety ho voatarika ho eo amin’ny mpiara-monina tsara sy mitovy amin’i Kristy. Ary noho ny fikarakarana azy amim-pitiavana dia ho voavonjy ho an’i Kristy izy (...) Mitaky ezaka sy fandavan-tena ary fahafoizan-tena io asa ho an’ny hafa io; kanefa inona moa izay fahafoizan-tena kely azontsika atao mitaha amin’ny fanomezan’Andriamanitra lehibe, dia ny Zanany Malalany lahitokana? Efa nomen’Andriamanitra ny tombontsoa ho tonga mpiara-miasa Aminy isika. - RH, 27 Jona 1893.FK 304.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents