Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fivoriana Mahaliana

    Andeha hatao fitantarana ny fampianarana ny fomba fanaovana asa misiônera ny fivoriana misiônera. — AOC, t. 11.FK 296.3

    Tokony hisy fanampiana manokana sy fampaherezana ny fivoriam-bavaka sy ny fivoriana ara-tsôsialy rehetra. Manana andraikitra hotanterahina ny tsirairay avy hahatonga ireo fivoriana ireo ho mahaliana sy hahazoana tombontsoa araka izay tratra. Azo tanterahina amin’ny fomba tsara indrindra izany amin’ny alalan’ny fananana fanandramana vaovao isan’andro eo amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny tsy fisalasalana miresaka ny Fitiavany eo amin’ny fivorian’ny olony. Raha avelanareo tsy hisy haizina na tsy finoana hiditra ao am-ponareo, dia tsy hiseho eo amin’ny fivoriana izany. - SW, 7 Mar. 1905 .FK 296.4

    Tokony hatao mahaliana tanteraka ny fivoriantsika. Tokony ho hita ao anatin’ny rivo-piainan’ny lanitra izy ireny. Aza avela hisy tonteny lava sy mankaleo ary vavaka ivelambelany fotsiny intsony mba handaniana ny fotoana. Tokony ho vonona handray ny anjarany amin’ny fotoana rehetra tsy mitaredretra ny rehetra, ary rehefa vitany ny andraikiny, dia tokony hifarana ny fivoriana. Noho izany dia ho voahazona hatramin’ny farany ny fahalianana. Izany no fanati-piderana ankasitrahan’Andriamanitra. Tokony hatao mahaliana sy manintona ny fanompoana Azy, ka tsy avela hanjary hitondra fahasorenana. Tsy maintsy mivelona isa-minitra, isan’ora, isan’andro ho an’i Kristy isika; dia hitoetra ao amintsika I Kristy, ary rehefa mivory isika, dia ho ao am-pontsika ny Fitiavany izay miboiboika tahaka ny loharano any an’efitra, mampangatsiatsiaka ny rehetra, sy mahatonga ireo vonona ho faty ho dodona hisotro eo amin’ilay loharanon’aina. - TFC, b. 5, t. 609.FK 297.1

    Aza mihevitra hoe azonao atao ny manaitra ny fahalianan’ny tanora amin’ny fandehanana ao amin’ny fivoriana misiônera sy ny fanaovana toriteny lavabe. Mandrafeta fomba maro mety hanaitra ny fahalianana tanteraka. Isan-kerinandro isankerinandro dia tokony hitondra ny tatitra avy aminy ny tanora, ka hilaza izay efa nandramany hatao ho an’ny Mpamonjy sy ny fahombiazana efa azony Raha natao ho fotoana manokana hitondrana ny tatitra toy izany ny fivoriana misiônera, dia tsy hahasorena, sy tsy hanorisory, ary tsy hahatofoka. Fa ho feno fahalianana tanteraka izany ka ho maro ny mpanatrika. - GW, tt. 210, 211.FK 297.2

    Rehefa miorina eo amin’i Kristy ny fototry ny finoana, dia hitondra fahazavana eo amin’ny fanahy ny fahamarinana, ka tsy hahasorena sy tsy hankaleo ny fanompoam-pivavahana rehetra. Ny fivonana ara-tsôsialy ataonareo, izay mahazatra sy tsy ara-panahy ankehitriny dia ho velombelomin’ny Fanahy Masina; hanan-karem-panandramana isan’andro ianao rehefa mampihatra ny maha-Kristianina izay ekenao. - TFC, b. 6, t. 437.FK 298.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents