Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Fanompoana Kristianina

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Tsiambaratelon’ny Fahombiazana

    Ho hita ao amin’fiasan’vahoakantsika mirindra ny tsiambaratelon’fahombiazantsika amin’asan’ Andriamanitra. Tsy maintsy misy asa atao amim-piraisan-kina. Ny mambra tsirairay avy ao amin’tenan’i Kristy dia tsy maintsy manao ny anjarany ao amin’asan’Andriamanitra, araka ny fahafaha-manao nomen’Andriamanitra azy. Tsy maintsy mivondrona hanohitra ny zava-manakana sy ny zavatsarotra izy ireo ho soroka miara-milanja sy fo miara-mitepo. - RH, 2 Des. 1890 .FK 105.2

    Raha miasa miaraka ny Kristianina, mandroso toy ny olona tokana, eo ambany fitarihan’Hery anankiray, ho amin’fanatanterahana zava-kendrena iray, dia hanozongozona izao tontolo izao. - TFC, b. 9, t. 221.FK 105.3

    Miasa amim-pirindrana ny anjely Filaminana tanteraka no mampiavaka ny fihetsehany rehetra. Arakaraka ny hanahafantsika akaikikaiky kokoa ny firindrana sy filaminan’ny tafiky ny anjely no haha-feno fahombiazana kokoa ny ezak‘ireo solontenan‘ny lanitra ho antsika ireo. Raha tsy hitantsika ny liana ny asa mirindra, fikorontanana sy tsy fifehezana, ary tsy milamina ny fomba fiasantsika, dia tsy ho afaka ny hiasa amimpahombiazana ho antsika ireo anjely, izay milamina tokoa sy mihetsika amim-pirindrana tanteraka. Miodina amin’alahelo izy ireo satria tsy mahazo alalana hitahy ny fikorontanana, ny tsy fifantohana sy ny tsy filaminana. Izay rehetra maniry ny fiaraha-miasan‘ny mpitondra hafatry ny lanitra dia tsy maintsy miasa mitovy amin‘ny tadin-dokangan‘izy ireo. Ireo izay nandray ny hosotra avy any ambony dia hampirisika amin‘ny heriny rehetra ny filaminana sy ny fifehezana ary ny firaisan-kina, ary amin’izay ny anjelin‘Andriamanitra vao afaka ny hiara-miasa amin‘izy ireo. Kanefa tsy hametraka mihitsy ny fankasitrahany eo amin‘ny tsy fanarahana fitsipika sy ny tsy filaminana ary ny fikorontanana ireo mpitondra hafatry ny lanitra. - TFC, b.1, tt. 649,650.FK 105.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents