Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 26—Tao kapernaomy

    Tao Kapernaomy no nijanonan’ i Jesosy teny anelanelan’ ny diany nivezivezy, ka nanjary fantatra hoe «tanàanany izany». Teo amoron’ ny ranomasin’ i Galilia no falehany, teo akaikin’ ny sisin’ ny tany lemaka kanton’ i Genesareta, ary angamba teo mihitsy aza. Lempona lalina ny farihy ka nahatonga ny toe-tany teny amin’ ny lemaka teo an-tsisiny ho mafanafana antonontonona toy ny any atsimo.IFM 255.1

    Tamin’ ny andron’ i Kristy dia nandrobona tao ny hazo rofia sy ny hazo oliva ; nisy saha feno hazo fihinam-boa tao sy tanimboaloboka, saha maitso, ary voninkazo namelana kanto dia kanto sady tsara loko, izany rehetra izany dia notondrahin’ ny renirano velona nibosesika avy tany amin’ ny havoana misy hantsana. Ny moron’ ny farihy sy ny havoana teo amin’ ny toerana akaiky manodidina dia nisy tanàna sy vohitra miparitadritaka. Rakotry ny sambokelin’ ny mpanjono ny farihy. Hatraiza hatraiza dia nahitana fiainana mihetsiketsika sy be raharaha.IFM 255.2

    Antonona tsara ho foiben’ ny asan’ ny Mpamonjy i Kapernaomy. Teo amin’ ny lalambe avy any Damaskosy ho any Jerosalema sy Egypta ary ny Ranomasina Mediteranea no nisy azy, sady toerana midadasika nifamezivezena fatratra. Olona avy tamin’ ny faritany maro no nandalo tao an-tanàna, na nijanona kely tamin’ ny diany mba hiala sasatra tao. Tao no nahazoan’ i Jesosy nihaona tamin’ ny firenena rehetra sy ny sarangan’ olona rehetra, ny manankarena sy ny olona ambony, ny mahantra sy ny ambany, ary avy ao dia niparitaka tany amin’ ny tany hafa sy tany amin’ ny ankohonana maro ny fampianarany. Voahetsika tamin’ izany fomba izany hamotopototra ny faminaniana ny olona, voatarika ho eo amin’ ny Mpamonjy ny saina, ary ho nahafantatra ny asa nanirahana Azy izao tontolo izao.IFM 255.3

    Na dia teo aza ny asan’ ny Synedriona nanohitra an’ i Jesosy, dia naniry mafy sy niandry ny fitomboan’ ny asany ny vahoaka. Taitra sy voahetsika avokoa ny lanitra. Nanomana ny lalana ho an’ ny asa nanirahana an’ i Jesosy ny anjely, ka nampihetsika ny fon’ ny olona sy nitarika azy ho eo amin’ ny Mpamonjy.IFM 256.1

    Tao Kapernaomy dia vavolombelon’ ny herin’ i Kristy ny zanak’ ilay tandapa izay nositraniny. Ary ny mpanaraka ilay manam-boninahitra sy ny ankohonany dia nijoro tamim-pifaliana ho vavolombelon’ ny finoany. Rehefa fantatra fa Ilay Mpampianatra mihitsy no tonga teo anivon’ izy ireo, dia nifoha ny tanàna manontolo. Vahoaka marobe no nanao andiany ho eo anatrehany. Tamin’ ny Sabata dia nifanizina tao amin’ ny Synedriona ny olona, hany ka marobe no niverin-dalana, fa tsy nahita izay hidirany.IFM 256.2

    Izay rehetra nandre ny Mpamonjy dia «talanjona tamin’ ny fampianarany satria nisy fahefana ny teniny». «Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna sy ny loholona». 1aLioka 4 : 32 ; Matio 7 : 29. Nangatsiaka sady ivelambelany fotsiny ny fampianaran’ ny mpanora-dalàna, tahaka ny lesona miverimberina foana no nianarany azy. Tsy nanana hery hitondra aina ho azy ireo ny Tenin’ Andriamanitra. Nosoloiny ny fampianarana ny hevitry ny tenany sy ny lovantsofina notanany izany. Nilaza ny tenany ho mpanazava ny lalàna izy teo amin’ ny fanompoana nifandimby nahazatra azy, nefa tsy nisy ainga avy tamin’ Andriamanitra nanetsika ny fony na ny fon’ ny mpihaino.IFM 256.3

    Tsy noheverin’ i Jesosy na oviana na oviana ireo anton-javatra samihafa niadian-kevitra teo amin’ ny Jiosy. Ny asany dia ny mampiseho ny fahamarinana. Nampitosaka fahazavana be dia be teo amin’ ny fampianaran’ ny patriarka sy ny mpaminany ny teniny, ary toy ny fanambarana vaovao tamin’ ny olona ny Soratra Masina. Tsy mbola nahatsapa ny halalin’ ny dikan’ ny tenin’ Andriamanitra toy izao mihitsy ny mpihaino talohan’ izao.IFM 256.4

    Nihaona tamin’ ny vahoaka teo amin’ ny toerana nisy azy Jesosy ary nifankazatra tamin’ ny tebitebin-tsainy. Nasehony ny hankaton’ ny fahamarinana tamin’ ny fanehoany azy tamin’ ny fomba mivantana sy tsotra. Madio ny fiteniny, voafantina, ary mangarangarana tahaka ny kristaly. Toy ny feon-java-maneno ny feony ho an’ ireo izay efa zatra ny feo dridralavan’ ny raby. Na dia tsotra aza ny fampianarany dia niteny toy izay manana fahefana Izy. Io no toetra nampiavaka ny fampianarany sy tsy nampitovy azy tamin’ ny hafa. Nisalasala sy niahotrahotra kosa ny raby raha niteny, tahaka ny hoe sao mifanohitra amin’ ny tokony ho izy izay voalazan’ ny Soratra Masina. Isan’ andro dia voatarika ho amin’ ny fisalasalana hatrany hatrany ny mpihaino. Jesosy anefa dia nampianatra tamin’ ny fahefana tsy azo iadian-kevitra. Na inona na inona lohahevitra noraisiny, dia nasehony tamin-kery izany, ka tsy azo notoherina ny teniny.IFM 256.5

    Nafana fo Izy, nefa tsy nirehidrehitra foana. Niteny tahaka izay nanan-javatra nokendrena voafaritra tsara Izy. Nentiny teo ambanin’ ny maso ny zava-misy mandrakizay. Nasehony ao amin’ ny laha-kevitra rehetra Andriamanitra. Niezahan’ i Jesosy ny nanapaka ny fitompoan-teny fantatra teto an-tany. Napetrany teo amin’ izay tena tokony hisy azy ny zavatra momba ity fiainana ity, ka nabaribariny fa latsa-danja noho ny zavatra misy tombany maharitra mandrakizay ; tsy hoe tsy fantany anefa ny maha-zava-dehibe izany. Nampianariny fa mifamatotra ny lanitra sy ny tany ; ary ny fahalalana ný fahamarinan’ Andriamanitra dia manomana ny olona hahay manatanteraka kokoa ny adidy eo amin’ ny fiainana andavanandro. Niteny toy ny olona izay efa nifanerasera tamin’ ny lanitra Izy, nahafantatra tsara ny fifandraisany tamin’ Andriamanitra, nefa koa nahatsapa ny maha-iray Azy amin’ ny tsirairay ao amin’ ny fianakavian’ ny olombelona.IFM 257.1

    Niovaova ary nifanaraka tamin’ ny mpihaino Azy ireo hafatry ny famindrampo nentiny. Hainy ny «nanao teny hampahatanjaka» izay «reraka» 1bIsa. 50 : 4 ; fahasoavana no nitosaka avy teo amin’ ny molony mba hahazoany manolotra amin’ ny olona ny haren-tsarobidin’ ny fahamarinana amin’ ny fomba mahasarika indrindra. Nanana fahaizana miresaka tamin’ ireo olona nanana hevitra nibahana tao am-pony Izy ary gaga ireo noho ny fanazavana nataony izay nahásarika ny sainy. Nahatratra hatrany amin’ ny fo Izy tamin’ ny alalan’ ny sary an’ eritreritra. Ny zavatra teo amin’ ny fiainana andavanandro no nakany ohatra hoenti-manazava ny lesony ; ary na dia tsotra aza ireny, dia nisy heviny lalina mahagaga. Ny vorona eny amin’ ny habakabaka, ny lilia eny an-tsaha, ny voa, ny mpiandry ondry sy ny ondry, — ireny zavatra ireny no nanazavan’ i Kristy ny fahamarinana mandrakizay ; ary tatỳ aoriana, isaka ny sendra mahita ireny zavatra ireny eo amin’ ny zavaboary ny mpihaino Azy, dia mahatsiaro ny teniny, ary namerina hatrany tao an-tsainy ny lesona nataony tamin’ ny zavatra nentiny nanazava izany.IFM 257.2

    Tsy nandokadoka ny olombelona mihitsy Kristy. Tsy nanao teny mety hanandratra ny hevi-dravina foroniny na ny eritreriny Izy, na nidera azy noho ny fahakingany teo amin’ ny zavatra noforoniny ; nandray ny fampianarany anefa ireo nisaina lalina sady tsy nanana hevitra nibahana tao ám-pony ary hitan’ izy ireo fa nisedra ny fahendreny izany. Nampitolagaga azy ny fahamarinana ara-panahy izay nambara tamin’ ny fomba fiteny tsotra indrindra. Voasariky ny teniny ireo olona nandray fanabeazana ambony indrindra, ary izay tsy nobeazina kosa samy nandray tombon-tsoa mandrakariva. Nanana hafatra ho an’ ny tsy mahay mamaky teny Izy ; ary na dia ny jentilisa aza dia nataony izay ahatsapany fa nanana hafatra ho azy ireo koa Izy.IFM 258.1

    Ny fitiavany sy ny fangorahany no nentiny nanendry sy nanasitrana ny fo reraka sy sahirana. Na dia teo anivon’ ny tabataban’ ny fahavalo tezitra aza Izy, dia nohodidinin’ ny rivo-piainana feno fiadanana, ny endrika soa, ny toetra amam-panahiny mahate-ho tia, ary ambonin’ izany rehetra izany, ny fitiavana niseho teo amin’ ny fijeriny sy ny feony dia nitarika ho eo Aminy, izay rehetra tsy nohamafisin’ ny tsy finoana. Raha tsy noho ny toe-tsainy mamy sy nanam-pitiavana izay namirapiratra teo amin’ ny fijeriny sy ny teniny rehetra, dia ho tsy nahasarika olona marobe nivory mba hivavaka tahaka ny nataony Izy. Ny tra-pahoriana izay nanatona Azy dia nahatsapa fa nampifamatorany tamin’ ny tombon-tsoany ny azy ireo amin’ ny maha-sakaiza mahatoky sy mamy Azy, ary koa nirin’ izy ireo ny hahalala bebe kokoa ny amin’ ny fahamarinana izay nampianariny. Nanjary nanakaiky ny lanitra. Nirin’ ny olona tokoa ny hitoetra eo anatrehany, mba ho eo aminy mandrakariva ny fampiononana avy amin’ ny fitiavany.IFM 258.2

    Narahin’ i Jesosy maso sady nahaliana Azy fatratra ny fiovan’ ny tarehin’ ny mpihaino Azy. Nitondra fahafaham-po lehibe ho Azy ny endrika izay nampiseho fahalianana sy fahafinaretana. Rehefa manindrona ny fanahy ny zana-tsipikan’ ny fahamarinana, ka managorobaka ny fefin’ ny fitiavn-tena, mahatonga alahelo ary farany fankasitrahana, dia faly ny Mpamonjy. Rehefa manao indray mijery ny vahoaka mihaino Azy Izy, ka hitany ao ireo endrika efa hitany teo aloha, dia hazavain’ ny fifaliana ny endriny. Olona nahabe fanantenana Azy ho ao amin’ ny fanjakany no hitany teo amin’ ireo. Rehefa nanohina sampy nankamamiana ny fahamarinana nolazaina tamin’ ny fomba tsotra, dia voamariny ny fiovan’ ny endrika, teo amin’ ny fijery mangatsiaka ; ilay endrika kitokitonina dia manambara fa tsy noraisina tsara ny fahazavana. Rehefa mahita olona mandà ny hafatry ny fahazavana Izy. dia voantsindrona hatrany anatiny indrindra ny fony.IFM 258.3

    Tao amin’ ny synagoga Jesosy no niteny ny amin’ ny fanjakana izay haoriny, sy ny amin’ ny asa nanirahana Azy hanafaka ny babon’ i Satana. Nanapaka ny teniny ny kiakiakan’ ny olona raiki-tahotra iray. Nisy olona adala nihazakazaka nankeo amin’ ny vahoaka sady niantsoantso hoe: «Avelao izahay ; moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta ? Avy handringana anay va Hianao ? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao».IFM 259.1

    Samy nikorontana sy taitra avokoa ny olona. Niala teo amin’ i Kristy ny sain’ ny vahoaka ka tsy nohenoina intsony ny teniny. Izany no fikasan’ i Satana tamin’ ny nitarihany io hazany io tao amin’ ny Synagoga. Notenenin’ i Jesosy ary ilay demonia hoe : «Mangina hianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy».IFM 259.2

    Nohamaizinin’ i Satana ny sain’ ity olona mahantra sy mijaly ity, nefa teo anatrehan’ ny Mpamonjy dia nisy tara-pahazavana iray nahagorobaka ny haizina somambisamby. Tafatsangana izy ka naniry mafy ho afaka amin’ ny fifehezan’ i Satana; nanohitra ny herin’ i Kristy anefa ny demonia. Rehefa niezaka ilay lehilahy hiantso vonjy tamin’ i Jesosy, dia nasian’ ny fanahy ratsy teny tao am-bavany ka niantsoantso izy tao amin’ ny ady mihatra aman’ aina sy mahatahotra natrehiny. Nisy nahatsapan’ ilay demoniaka fa teo anatrehan’ Ilay mahay manafaka azy izy ; nefa rehefa niezaka ho tonga eo amin’ izay hahatraran’ ilay tana-mahery azy izy, dia nisy tanana hafa nitana azy, ary teny hafa tsy araka izay tao an-tsainy no nivoaka avy teo aminy. Nahatsiravina ny ady nifanaovan’ ny herin’ i Satana sy ny fanirian’ ny tenany ho afaka.IFM 259.3

    Ilay efa naharesy an’ i Satana tany an-efitry ny fakam-panahy no indro mifanatrika indray tamin’ ny fahavalony. Nampiasa ny heriny rehetra ilay demonia hitana ao ambany fifehezany ilay hazany. Ny mitsoak’ ady eto dia fanomezana ny fandresena an’ i Jesosy. Toa tsy maintsy ho afak’ aina mihitsy ilay olona mijaly mafy teo amin’ ny ady natao tamin’ ilay fahavalo izay efa nahatonga fahasimbana teo amin’ ny maha-olona azy. Niteny tamim-pahefana anefa ny Mpamonjy ka nahafaka ny babo. Nijoro teo anoloan’ ny vahoaka nitolagaga ilay lehilahy nisy demonia teo aloha, sambatra noho ny fahafahany teo amin’ ny fahazoany mifehy ny tenany. Na dia ny demonia aza dia vavolombelon’ ny herin’ Andriamanitra niseho tao amin’ ny Mpamonjy.IFM 259.4

    Nidera an’ Andriamanitra noho ny fanafahana azy ilay lehilahy. Ilay maso izay nandefa taratry ny hadalana fahiny izao, dia nanjary mamirapiratry ny saina hendry, ary diboky ny ranomasom-pankasitrahana. Sina noho ny hagagana ny vahoaka. Raha vantany vao afaka niteny izy, dia niloa-bava samy nifampilaza hoe : «Manao ahoana re izao ? Fampianarana vaovao misy fahefana izao ! fa ny fanahy maloto aza dia didiany, ka manaiky Azy».IFM 260.1

    Ny toetra miafina nananan’ ity lehilahy ity ihany no anton’ izao fahoriana izao izay nahatonga azy ho mahatahotra ny sakaizany ny mijery azy sy enta-mavesatra ho an’ ny tenany. Nambabo ny fony ny fahafinaretan’ ny fahotana, ary nihevitra ny hanao ny fiainany ho lanonam-be tsy miato izy. Tsy mba nonofinofisiny izany ho tonga fampitahorana an’ izao tontolo izao sy henatra ho an’ ny fianakaviany izany. Nihevitra izy fa azony atao ny mandany ny androny amin’ ny hadalana tsy mahadiso. Nefa raha vantany vao nitsontsorika ny diany, dia vetivety dia nidina ny tongony. Nanimba ireo toetra mendrika voajanahary tao aminy ny tsy fahalalana onony sy ny toetra maivamaivana, koa dia lasan-ko babon’ i Satana tanteraka izy.IFM 260.2

    Diso aoriana loatra ny nenina. Rehefa te-hanao sorona ny harenany sy ny fahafinaretana izy mba hahazoany indray ny mahaolona azy éfa veriny, dia efa nanjary malemy teo ambanin’ ny vahoan’ ilay ratsy izy. Nametraka ny tenany teo amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, ka noraisin’ i Satana ho fananany ny fahaizany rehetra. Efa nitaona azy tamin’ ny fisehoan-javatra maro mahasondriana ilay mpaka fanahy ; nefa raha vantany vao teo ambanin’ ny fahefany ilay olona mahantra, dia nanjary tsy nitsahatra ny fahasiahan’ ny demonia, ary nahatsiravina ny fitsidihany feno fahatezerana. Ho tahaka izany koa amin’ izay rehetra milefitra amin’ ny ratsy ; ny fahafinaretana mambabo ny fo amin’ ny dingana voalohany, dia miafara amin’ ny haizin’ ny famoizam-po, na amin’ ny fahadalan’ ny fanahy efa simba.IFM 260.3

    Ilay fanahy ratsy izay naka fanahy an’ i Kristy tany an-efitra sy izay niditra tao amin’ ilay demoniaka tany Kapernaomy ihany no nifehy ireo Jiosy tsy nino. Tamin’ izao anefa dia endriky ny fitiavambavaka no nentiny ; niezaka izy hamitaka azy mba hahitany antony hitsipahany ny Mpamonjy. Tsy nisy fanantenana noho ny an’ ilay demoniaka ny toerana nisy azy ; satria tsy nahatsapa intsony teo aminy ny filany an’ i Kristy izy, ka noho izany dia voatana mafy tao ambanin’ ny fahefan’ i Satana.IFM 261.1

    Ny vanim-potoana nanaovan’ i Kristy fanompoana teo amin’ ny olona dia fotoana niasan’ ny herin’ ny fanjakan’ ny maizina be indrindra. Nandritra ny taona maro Satana sy ny anjely ratsy no nitady hifehy ny tena sy ny fanahin’ ny olona, ka hitondra fahotana sy fahoriana eo aminy ; ary amin’ izay dia hazerany amin’ Andriamanitra ny antony nahatonga ireny. Jesosy no naneho tamin’ ny olona ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Nanorotoro ny herin’ i Satana Izy, ka nahafaka ny babony. Fiainana vaovao sy fitiavana ary hery avy any an-danitra no nampihetsika ny fon’ ny olona, ka voatery nitsangana ilay andrianan’ ny ratsy hiaro ny fiandrianany eo amin’ ny fanjakany. Navondron’ i Satana ny heriny rehetra, ka isaka ny indray mandingana dia nanohitra ny asan’ i Kristy izy.IFM 261.2

    Ho toy izany koa amin’ ny ady lehibe farany hifanatrehan’ ny fahamarinana sy ny fahotana. Raha midina avy any ambony ny aina vaovao sy ny fahazavana ary ny hery ho eo amin’ ny mpianatr’ i Kristy, dia misy koa hery mipoitra avy any ambany, izay mampahery ny anjelin’ i Satana. Tratran’ ny fitomboana tafahoatra ireo tsirairay hita eo amin’ ny zavaboary. Hafetsena azony noho ny ady nandritra ny taonjato maro no iasan’ ny andrianan’ ny ratsy ka hanovany ny endriny. Miseho mitafy toy ny anjelin’ ny mazava izy, ka marobe no «manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia»21 Tim. 4 : 1.IFM 261.3

    Tamin’ ny andron’ i Kristy dia tsy nanan-kery hanoherana ny asan’ i Satana ny mpitarika sy ny mpampianatra teo amin’ ny Isiraely. Nataony an-tsirambina ny hany hery azony hijoroana hanohitra ny fanahy ratsy. Tamin’ ny. alalan’ ny Tenin’ Andria- manitra no naharesen’ i Kristy ilay ratsy. Nilaza ny tenany ho mpamelabelatra ny tenin’ Andriamanitra ireo mpitarika teo amin’ ny Isiraely, nefa nianarany izany mba hanohanany ny lovan-tsofiny sy hanamafy orina ireo didididy nataon’ olombelona. Amin’ ny fanazavana ataony dia mamorona fihetseham-po izay tsy nananan’ Andriamanitra na oviana na oviana izy. Ny hevi-dalina arafidrafiny eo dia mifonofono zava-miafina ary mampanjavozavo izay efa naschon’ Andriamanitra mazava tsara. Niady hevitra mikasika ny fomban-javatra tsy dia misy heviny loatra izy, nefa raha ny tena izy dia mandà ireo fahamarinana lehibe indrindra izy ireo. Tamin’ izany no namafazana betsaka ny tsy finoana an’ Andriamanitra. Norobaina ny herin’ ny tenin’ Andriamanitra, ary miasa manao ny sitrapony ireo fanahy ratsy.IFM 261.4

    Miverina ny tantara. Maro ireo mpitondra fivavahana amin’ izao androntsika izao no manokatra ny Baiboly eo anatrehany, ary milaza fa feno fanajana ny fampianarany, nefa mandrava ny finoana amin’ ny maha-tenin’ Andriamanitra azy. Sahirana dia sahirana izy mandrasarasa ny teny, ary mametraka ny hevitry ny tenany ambonin’ ny fanambarana tsotra ataon’ ny Soratra Masina. Eo am-pelatanan’ izy ireo dia very ny hery manavao ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Izany no mahatonga ny tsy finoana ny fisian’ Andriamanitra hiroborobo fatratra ary hihabetsahan’ ny faharatsiana.IFM 262.1

    Rehefa voafongotr’ i Satana ny finoana ny Baiboly, dia tarihiny ho eo amin’ ny loharanom-pahazavana sy hery hafa ny olona. Amin’ izany dia ny tenany no asosony. Ireo izay miala amin’ ny fampianarana tsotran’ ny Soratra Masina sy ny hery afaka hampiaiky ao amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia miantso ny fifehezan’ ny demonia azy. Ny fanakianana sy ny fanombatombanana diso momba ny Soratra Masina dia mampidanadana lalana ho an’ ny fivavahana amin’ ny maty sy ny fivavahana manandratra ny tena ho Andriamanitra - izay endrika ankehitriny isehoan’ ny fivavahana amin’ ny sampy fahiny - ka nahazo vahana na dia eo amin’ ireo fiangonana misora-tena ho fiangonan’ i Jesosy Kristy Tompontsika aza.IFM 262.2

    Miara-dalana amin’ ny fitoriana ny filazantsara dia misy mpiasa izay miasa koa, nefa tsy inona fa mpanelanelana amin’ ny fanahy mandainga. Betsaka ny olona misangisangy ireny noho ny fitiavankahalala zavatra fotsiny, nefa eo am-pahitana ny asa mihoatra ny herin’ ny olombelona dia voafitaka, mandra-pahatongan’ ny sitrapony ho voafehin’ ny sitrapo mahery noho ny azy. Tsy afaka mandositra izany hery mifono zava-miafina izany izy.IFM 262.3

    Mirarakompana ireo fiarovan’ ny fanahy. Tsy manana fefy hisakanana ny fahotana izy. Rehefa lavina indray mandeha ireo fifehezan’ ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny, dia tsy fantatry ny olona ny halalin’ ny fahalavoana mety hilentehany. Ny fahotana miafina na ny filàna manjaka iray dia mety hitana azy ho babo tsy manan-kery toy ilay demoniaka tany Kapernaomy. Nefa ny fisehoan-javatra iray toy izany dia tsy hoe tsy misy fanantenana tsy akory.IFM 263.1

    Ny fomba hahazoantsika mandresy ilay ratsy dia ireo fomba nentin’ i Kristy : ny herin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Tsy mifehy ny saintsika Andriamanitra raha tsy manaiky isika; nefa raha irintsika ny hahalala sy hanao ny sitrapony, dia ho antsika ny teny fikasana «ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo». «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy»3Jaona. 8 : 32 ; Isaia 24 : 5. Noho ny finoana ireo teny fikasana ireo, dia mety ho afaka amin’ ny fandriky ny fahadisoan-kevitra sy ny fanapahan’ ny fahotana ny olona tsirairay. Mahazo mifidy malalaka izay hery tiany hanjaka aminy ny olona tsirairay. Tsy misy lavo ambany loatra, tsy misy ratsy loatra, ka tsy hahita fahafahana ao amin’ i Kristy. Rehefa nikasa hivavaka ilay demoniaka dia tsy nisy afa-tsy ny tenin’ i Satana ihany no notononiny, nefa re ilay antson’ ny fo tsy niloaka. Tsy misy antso avy amin’ ny fanahy sahirana iray, na dia tsy tafavoaka ho teny aza, ka tsy hohenoina. Izay hanaiky ny hiditra ao amin’ ny fifanarahana amin’ ny Andriamanitry ny lanitra dia tsy avela ho eo ambanin’ ny herin’ i Satana na eo amin’ ny fahalemen’ ny nofony. Miantso azy ny Mpamonjy hoe : «Aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana Amiko ; eny, aoka hihavana Amiko izy» 3Jaona. 8 : 32 ; Isaia 24 : 5. Ny fanahin’ ny fahamaizinana dia hiady mba hihazona ny fanahy iray ao ambanin’ ny fanapahany, fa ny anjelin’ Andriamanitra kosa hampiasa ny hery mandresy hamonjy azy. Hoy Jehovah : «Azo alaina eny amin’ ny mahery va ny sambotra ? na ho afaka va ny babo marina ? Nefa izao no lazain’ i Jehovah : Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandroba; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao»4Isaia 49 : 24, 25.IFM 263.2

    Raha mbola tsy nahateny noho ny.tahotra sy ny fanajana ny mpiangona tao amin’ ny synagoga, dia niala Jesosy ka nankany an-tokantranon’ i Petera hiala sasatra kely. Nisy rahona koa anefa tao. Narary ny rafozambavin’ i Petera ka nandry, «azon ’ ny tazo mafy». Notenenin’ i Jesosy ny aretina ka nitsangana ny marary ary nanompo ny Tompo sy ny mpianany.IFM 263.3

    Niparitaka haingana nanerana an’ i Kapernaomy ny vaovao mahafaly momba ny asan’ i Kristy. Tsy sahy nanatona hositranina tamin’ ny Sabata ny olona noho ny fahatahorany ny raby ; nefa raha vantany vao nilentika teny amin’ ny faravodilanitra ny masoandro dia nisy fihetsiketsehana be. Avy tany amin’ ny tokantrano, avy tany amin’ ny toeram-pivarotana, avy teny an-tsena ny mponin’ ny tanàna nidodododo ho any amin’ ilay trano tsotsotra nialofan’ i Jesosy. Nentina tamin’ ny fandriana ny marary, nisy nitondra tehina na notohanan’ ny sakaizany, nijaikojaiko moramora sady nangozohozo ho eo anatrehan’ ny Mpamonjy.IFM 264.1

    Nifamoivoy teo Aminy isan’ ora isan’ ora ireo ; tsy misy mahalala mantsy raha mbola ho eo aminy ihany Ilay Mpanasitrana ny ampitso. Tsy mbola nahita toe-javatra toy izao mihitsy Kapernaomy hatramin’ izay. Feno hiram-pandresena sy antsoantsom-pahafahana ny habakabaka. Ravoravo ny Mpamonjy noho ny fifaliana nafafiny manodidina Azy. Raha nahita maso ny fahorian’ ireo izay nanatona Azy Izy, dia onena ny fony, ary naharavo Azy ny nahazoany namerina ny fahasalamana sy ny fahasambarana ho azy ireo.IFM 264.2

    Tsy najanon’ i Jesosy ny asany raha tsy sitrana ny marary rehetra. Efa alimbe vao lasa ny vahoaka ary nanjaka tao an-tokantranon’ i Simona ny fahanginana. Lasa ilay andro lava nahatrotraka ka nitady fialan-tsasatra Jesosy. Raha mbola renoky ny torimaso ny tanàna dia «nifoha maraina alina koa ny Mpamonjy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany».IFM 264.3

    Toy izany no nandanian’ i Jesosy ny androny tamin’ ny fiainany teto an-tany. Matetika no nalefany hamangy ny tokantranony sy hiala sasatra ny mpianatra; fa notoheriny tamim-pitiavana kosa ny fiezahan’ izy ireo hisarika Azy hiala amin’ ny asa nataony. Niasa mafy Izy nandritra ny andro, nampianatra ny kely fahalalana, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary namahana ny vahoaka; ary amin’ ny hariva na amin’ ny maraina be, dia lasa mankany an-tendrombohitra Izy, toy ny fanao any amin’ ny fitoerana masina, hitady firaisana amin’ ny Rainy. Matetika Izy no nandany ny alina manontolo tamin’ ny fivavahana sy ny fandinihana lalina ka niverina rehefa niposaka ny masoandro, mba hanao ny asany eo amin’ ny vahoaka. Raha vao maraina koa, dia nankeo amin’ i Jesosy Petera sy ny namany nilaza fa efa nitady Azy sahady ny vahoakan’ i Kapernaomy. Nangidy ny fahadisoam-panantenan’ ny mpianatra tamin’ ny fomba nandraisana an’ i Kristy hatramin’ izao. Nitady izay hamonoana Azy ho faty ireo manam-pahefana tany Jerosalema ; na dia ny iray tanàna Aminy aza dia nitady handatsaka ny ainy ; fa tao Kapernaomy kosa dia noraisina tamim-pifaliana sy tamin-kafanam-po Izy, ka nitsiry indray ny fanantenan’ ny mpianatra. Mety ao amin’ ireo Galiliana tia fahafahana ireo no ahitana ny mpanohana ny fanjakana vaovao. Nefa gaga ny mpianatra nandre ny tenin’ i Kristy hoe : «Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy»IFM 264.4

    Tao anivon’ ny fihetsiketsehana nanenika an’ i Kapernaomy tamin’ izay dia nisy loza nananontanona mety hahavery tsy ho eo imaso ny anton’ ny asa nanirahana an’ i Kristy. Tsy nahafa-po an’ i Jesosy ny nanintona ny saina tamin’ ny tenany fotsiny amin’ ny maha-mpanao fahagagana na mpanasitrana ny aretina ara-nofo Azy. Niezaka ny hitarika ny olona ho eo Aminy Izy amin’ ny mahaMpamonjy Azy. Raha nafana fo ny olona, hino fa tonga amin’ ny maha-Mpanjaka Azy Izy, hanorina fanjakana ara-nofo, dia niriny ny hanodina ny sainy hiala amin’ ny ara-nofo ho eo amin’ ny ara-panahy. Mety hanakana ny asany ny fahombiazana araka izao tontolo izao fotsiny.IFM 265.1

    Nanorisory ny sain’ i Jesosy koa ny fitalanjonan’ ny vahoaka tsy miraika. Tsy nisy fizahozahoana mihitsy nifangaro tamin’ ny fiainany. Zavatra tsy fantatry ny Zanak’ olona izany voninahitra omen’ izao tontolo izao ny toerana ambony, na ny harena, na ny talenta. Tsy nisy nampiasain’ i Jesosy ireo fomba fanaon’ ny olombelona hitarihana ny olona hankatò sy hanaja ary hanaiky ny hevitra asehony. An-jatony taona talohan’ ny nahaterahany dia izao no voalazan’ ny faminaniana momba Azy : «Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony any an-dàlana. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy, Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany»5Isaia 42 : 2-4.IFM 265.2

    Nitady hanava-tena ny Fariseo tamin’ ny fanarahany ny fanompoam-pivavahana amin’ ny antsipiriany sy ny Fisehosehoany tao amin’ ny fivavahany sy ny asa soa nataony. Nasehony ny hafanam-pony ho amin’ ny fivavahana tamin’ ny fanaovany izany ho lohateny iadian-kevitra. Nahery vaika sy naharitra ny adi-hevitra tamin’ ireo antoko mifanohitra, ary zava-nahazatra ny nandre teny amin’ ny arabe, feo tezitry ny adi-hevitra teo amin’ ireo mpahay lalàna ngezalahy.IFM 265.3

    Nifanohitra tanteraka tamin’ izany rehetra izany ny fiainan’ i Jesosy. Tsy mba nisy tabataba sy fifandirana, tsy nisy fivavahana nisehoseho, tsy nisy fihetsika natao ahazoan-dera hita mihitsy teo Aminy. Niafina tao amin’ Andriamanitra Kristy, ary Andriamanitra dia naseho tao amin’ ny toe-panahin’ ny Zanany. Io fanambarana io no tian’ i Jesosy hitarihana ny sain’ ny vahoaka sy homena ny voninahitra entiny.IFM 266.1

    Tsy miparasaka amin’ izao tontolo izao eo amin’ ny famirapiratany ny Masoandron’ ny Fahamarinana mba hahajambena ny maso noho ny voninahiny. Izao no voasoratra momba an’ i Kristy : «Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany»6Hosea.6 : 3. Amin’ ny fomba mangina sy moramora no ahatongavan’ ny fahazavan’ ny andro eo amin’ ny tany, ka mampisava ny aloky ny haizina ary mamoha an’ izao tontolo izao ho eo amin’ ny fiainana. Toy izany koa no fiposahan’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana, «manana fanasitranana eo amin’ ny tanany»7Mal. 3 : 20IFM 266.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents