Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 84—Fiadanana ho anareo

    Raha tonga tany Jerosalema 1Mifototra amin’ny Lioka 24 : 33-48 ; Jaona 20 : 19-29 ity toko ity. ny mpianatra roa lahy dia niditra tao amin’ ny vavahady atsinanana, izay mivoha amin’ ny alina, amin’ ny fotoan’ ny andro firavoravoana. Maizina sy mangina ny trano, nefa manohy ny lalany eny amin’ ny lalana tery ny mpandeha hazavain’ ny volana vao miposaka. Nankany amin’ ny efitra ambony izy, izay nandanian’ i Jesosy ora maro tamin’ ny hariva farany talohan’ ny fahafatesany. Tao no fantany fa hahitana ny rahalahiny. Na alina toy izao aza dia fantany fa tsy mbola matory ny mpianatra mandra-pahazoany antoka izay nanjo ny fatin’ ny Tompony. Hitany fa tsara hidy tamin’ ny tsivalan-kazo ny trano. Nandondòna izy nangataka hiditra; tsy misy valiny anefa. Mangina ny tontolo. Nomeny indray ny anarany. Nalana moramora ny tsivalan-kazo, niditra izy, ary niara-niditra taminy Ilay Anankiray, tsy hita maso. Nohidiana mafy indray ny varavarana hiarovana amin’ ny mpitsikilo.IFM 859.1

    Nahita an’ izy rehetra nihorohoro sy gaga ireto mpandeha. Nisandratra ho fisaorana sy fiderana ny feon’ ireo tao amin’ ny efitrano nanao hoe : «Tena nitsangana tamin’ ny maty tokoa ny Tompo ary niseho tamin’ i Simona». Mbola sempotra dia sempotra ireto mpandeha roa lahy noho ny hazakazaka teny an-dalana, raha nilaza ny tantara mahagaga momba ny nisehoan’ i Jesosy taminy. Vao vita izany, dia nisy nilaza fa tsy afaka hino izany, satria tsara loatra ka tsy azo inoana, no indro nisy olona anankiray nijoro teo anatrehany. Nifantoka tamin’ Ilay vahiny ny maso rehetra. Tsy nisy nandondòna nangataka hiditra, tsy nisy dian’ olona nandeha re. Nitsamboatra ny mpianatra, gaga ny amin’ ny dikan’ izao. Dia reny ny feo izay tsy hafa fa feon’ ny Tompony. Mazava sy miavaka tsara ny teny mivoaka ny molony : «Fiadanana ho anareo».IFM 859.2

    «Dia taitra sady raiki-tahotra izy satria nataony fa nahita matoatoa izy. Nefa hoy Jesosy taminy : Nahoana no taitra hianareo ? ary nahoana no miahanahana ny fonareo ? Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy ; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izay ahitanareo Ahy izao. Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony».IFM 860.1

    Nojereny ny tanany sy ny tongony simban’ ny fantsika lozabe. Fantany ny feony, izay tsy mbola nisy reny toy izany : «Ary raha tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy : Manan-kanina atỳ va hianareo ? Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy. Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany»2Lio.24 : 41-43. «Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo». Nisolo toerana ny tsy finoana ny finoana sy ny fifaliana, ary fihetseham-po izay tsy hain’ ny teny hambara no nanekeny ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty.IFM 860.2

    Tamin’ ny nahaterahan’ i Jesosy dia nilaza ny anjely hoe : «Fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany ary fankasitrahana ho amin’ ny olona». Ary izao amin’ ny fisehoany voalohany amin’ ny mpianatra taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia nanao teny feno fitahiana ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Fiadanana ho anareo». Vonona mandrakariva Jesosy hilaza fiadanana amin’ ny fanahy vesaran’ ny fisalasalana sy ny tahotra. Miandry antsika Izy hamoha ny varavaran’ ny fo idirany ka hanao hoe : «Mitoera atỳ aminay». Hoy Izy : «Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ary hiara-misakafo aminy, azy izy Amiko»3Apok. 3 : 20.IFM 860.3

    Tandindon’ ny fitsanganan’ izay rehetra matory ao amin’ i Jesosy amin’ ny andro farany ny nitsanganany tamin’ ny maty. Samy nahazatra ny mpianatra ny endriky ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty, ny fombany, ny fiteniny. Toy ny nitsanganan’ i Jesosy tamin’ ny maty, dia toy izany koa no hitsanganan’ izay matory ao Aminy indray. Ho fantatsika ny namantsika, toy ny mpianatra nahafantatra an’ i Jesosy koa. Mety ho simba ny bikany, ny fahasalamany, na ny tarehiny teto amin’ ity fiainana misy fahafatesana ity, hitsangana amin’ ny fahasalamana tanteraka sy ny tena mifandrindra tanteraka izy, nefa ho voatahiry tanteraka ny maha-izy azy na dia ao amin’ io tena be voninahitra io aza. Amin’ izay dia ahafantatra toy ny ahafantarana antsika isika.41 Kor.13 : 12 Ho fantatsika ao amin’ ny endrika manjelanjelatra noho ny fahazavana mamirapiratra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy izay mampiavaka ireo olon-tiantsika.IFM 860.4

    Rehefa nihaona tamin’ ny mpianany Jesosy, dia nampahatsiahiviny azy ny teniny izay nolazainy taminy talohan’ ny fahafatesany, fa tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ao amin’ ny mpaminany ary ao amin’ ny Salamo mikasika Azy. «Dia nanokatra ny sain’ ireo izy hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy : Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo ; ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelankeloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Ary hianareo no vavolombelon’ izany».IFM 861.1

    Nanomboka tsapan’ ny mpianatra ny toetran’ ny asany sy ny velarany. Natao hitory amin’ izao tontolo izao ireo fahamarinana mahagaga izay efa nankinan’ i Kristy taminy izy. Ny toe-javatra teo amin’ ny fiainany, ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ ny maty, ireo faminaniana izay manondro ireo toe-javatra ireo, ny fahamasinan’ ny lalàn’ Andriamanitra, ny zava-miafin’ ny drafitry ny fanavotana, ny fahefan’ i Jesosy hamela heloka, — ny amin’ ireo zavatra rehetra ireo no hahavavolombelona azy, ary hampahafantatra ireo amin’ izao tontolo izao izy. Hitory ny filazantsaran’ ny fihavanana sy ny famonjena amin’ ny alalan’ ny fibebahana sy ny fahefan’ ny Mpamonjy izy.IFM 861.2

    «Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy : Raiso ny Fanahy Masina; na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na helok’ iza na helok’ iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany. Tsy mbola niseho tamin’ ny heriny feno anefa ny Fanahy Masina satria tsy mbola nomem-boninahitra Kristy. Tsy nisy ny fanomezana bebe kokoa ny Fanahy raha tsy taorian’ ny niakaran’ i Kristy tany an-danitra. Raha tsy voaray izany dia tsy afaka nahatanteraka ny iraka hitory ny filazantsara amin’ izao tontolo izao nampanaovina azy ny mpianatra. Antony manokana anefa izao no nanomezana ny Fanahy. Talohan’ ny nahazoan’ ny mpianatra nanatanteraka ny adidiny ara-dalàna mifandray amin’ ny fiangonana, dia nitsoka ny Fanahiny taminy Kristy. Fahamarinana masina indrindra no nankininy taminy, ka tiany ho latsaka lalina ao am-pony izao zavatra izao : fa raha tsy ny Fanahy Masina dia tsy mety ho vita io asa io.IFM 861.3

    Ain’ ny fiainana ara-panahy ao amin’ ny fanahy ny Fanahy Masina: Fizarana ny fiainan’ i Kristy ny fizarana ny Fanahy. Mamonto ny mandray izany amin’ ny toetra mampiavaka an’ i Kristy izany. Izay nampianarin’ Andriamanitra toy izany ihany, izay manana ny asan’ ny Fanahy ao anatiny ihany, ary ao amin’ izay anehoana ny fiainan’ i Kristy ihany, ireo ihany no mendrika hijoro hampiseho ny Fiangonana sy hiasa hanabe voa azy.IFM 862.1

    «Na helok’ iza na helok’ iza, hoy Kristy, no avelanareo dia voavela izany ; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany». Eto Kristy dia tsy manome fahafahana na iza na iza hitsara ny hafa. Nandrara izany Izy teo amin’ ny toriteny teo an-tendrombohitra. Anjara asan’ Andriamanitra izany. Ny fiangonana kosa amin’ ny maha-voalamina azy, ka ahazoany manao izany, dia nametrahany ny andraikitra ho an’ ny mambra tsirairay. Manana adidy ny fiangonana, amin’ izay lavo ao amin’ ny fahotana, hananatra, hampianatra, ary raha azo atao, dia hanarina ireo izay latsaka amin’ ny fahotana. «Mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra»52 Tim. 4 : 2. Aoka ho mahatoky amin’ ny fikarakarana ireo izay manao ratsy. Ampitandremo ny fanahy rehetra tandindomin-doza. Aza misy avela hamitaka anareo. Antsoy amin’ ny tena anarany ny fahotana. Ambarao izay nolazain’ Andriamanitra momba ny lainga, ny fandikana ny Sabata, ny halatra, ny fanompoan-tsampy sy ny ratsy hafa rehetra. «Fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra»6Gal. 5 : 21. Raha mikiribiby amin’ ny fahotana izy, dia atao aminy any an-danitra ny fitsarana izay ataonareo aminy avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Amin’ ny fisafidianany hanota, dia mandà an’ i Kristy izy ; tsy maintsy asehon’ ny fiangonana fa tsy mankasitraka ny ataony izy, raha tsy izany dia izy mihitsy no manala baraka ny Tompony. Tsy maintsy milaza izay nolazain’ Andriamanitra ny amin’ ny fahotana izy. Tsy maintsy araka ny baikon’ Andriamanitra no ifandraisany sy hiadiany amin’ ny fahotana, dia hamafisin’ ny lanitra ny asany. Izay manamavo ny fahefan’ ny fiangonana, dia manamavo ny fahefan’ i Kristy mihitsy.IFM 862.2

    Misy lafiny mamirapiratra kokoa anefa ny sary. «Na helok’ iza na helok’ iza avelanareo dia voavela». Aoka ho ambony indrindra hatrany io fisainana io. Aoka ho voatarika eo amin’ i Kristy ny maso rehetra eo amin’ ny asa atao rehetra ho an’ ny mania. Aoka ny mpiandry ondry hikarakara amim-pitiavana ny andian’ ondry eo amin’ ny fiandrasan’ ondrin’ ny Tompo. Aoka izy hilaza ny famindrampon’ ny Mpamonjy mamela heloka amin’ ny mania, hamporisika ny mpanota hibebaka, sy hino Ilay afaka mamela heloka. Aoka izy hanambara noho ny fahefan’ ny tenin’ Andriamanitra hoe : «Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy. ka mamela ny helotsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra»71 Jao. 1 : 9. Izay rehetra mibebaka dia manana toky fa «hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, eny. harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra»8Mika. 7 : 19.IFM 863.1

    Aoka heken’ ny fiangonana amin’ ny fo feno fankasitrahana ny fibebahan’ ny mpanota. Aoka ho tarihina hiala ny haizin’ ny tsy finoana izay mibebaka ka ho eo amin’ ny fahazavan’ ny finoana sy ny fahamarinana. Aoka hipetraka ao amin’ ny tanam-pitiavan’ i Jesosy ny tanany mangovitra. Ny famelan-keloka toy izany dia eken’ ny lanitra.IFM 863.2

    Amin’ izany dikany izany ihany no hananan’ ny fiangonana fahefana hanafaka ny mpanota. Ny fahamendrehan’ i Kristy irery ihany no mety ahazoana ny famelana ny fahotana. Tsy misy olona, tsy misy antokon’ olona, nomena hery hanafaka ny fanahy amin’ ny fahadisoana. Napetrak’ i Kristy tamin’ ny mpianany ny hitory ny famelana ny fahotana amin’ ny anarany eo anivon’ ny firenena rehetra ; fa izy tenany kosa dia tsy nomena fahefana hanala na dia pentin’ ota iray aza. Ny anaran’ i Jesosy no hany «anarana nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena»9 Asa. 4 : 12.IFM 863.3

    Raha nihaona voalohany tamin’ ny mpianatra Jesosy tao amin’ ny efitrano ambony, dia tsy niaraka tamin’ izy ireo i Tomasy. Reny ny tatitra nataon’ ny hafa, ary betsaka ny porofo voarainy fa efa nitsangana tamin’ ny maty Jesosy ; nefa feno alahelo sy tsy finoana ny fony. Raha nandre ny mpianatra nilaza ny amin’ ny fisehoana mahagaga momba ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty izy, dia nandentika azy tao amin’ ny fahadisoam-panantenana lalina izany. Raha tena nitsangana tamin’ ny maty tokoa Jesosy, dia tsy mety hisy fanantenana hafa ny amin’ ny fitsanganana ara-bakiteny ara-nofo. Nandratra ny hambompony koa ny hevitra fa niseho tamin’ ny mpianatra rehetra afa-tsy taminy ihany ny Tompony. Tapa-kevitra ny tsy hino izy, ary nandritra ny herinandro dia namisavisa ny fahoriany, izay toa maizina indrindra raha mitaha amin’ ny fanantenana sy ny finoan’ ny rahalahiny.IFM 863.4

    Nandritra io fotoana io dia naverimberiny ny hoe : «Raha tsy hitako eo amin’ ny tànany ny holatry ny nohomboana ka ataoko eo amin’ ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin’ ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho». Tsy tiany ny hahita amin’ ny alalan’ ny mason’ ny rahalahiny, tsy tiany koa ny hampiasa finoana miankina amin’ ny fanambaran’ izy ireo. Niredareda ny fitiavany ny Tompony, nefa navelany nanjaka tamin’ ny sainy sy ny fony ny fialonana sy ny tsy finoana.IFM 864.1

    Nisy mpianatra vitsivitsy tamin’ izay fotoana izay nanao ilay efitrano ambony nahazatra azy ho trano ipetrahana vonjimaika, koa tafavory tao izy rehetra afa-tsy Tomasy. Indray hariva i Tomasy nanapa-kevitra ny hihaona amin’ ny mpianatra hafa. Na dia teo aza ny tsy finoany, dia nanana fanantenana nanjavozavo izy fa marina ny vaovao mahafaly. Raha teo am-pisakafoanana hariva ny mpianatra, dia niresaka ny amin’ ny porofo mazava nomen’ i Kristy azy ao amin’ ny faminaniana izy. «Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe : «Fiadanana ho anareo».IFM 864.2

    Nitodika tany amin’ i Tomasy Izy ka hoy Izy hoe : «Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ ny lanivoako, ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa». Nasehon’ ireo teny ireo fa efa nahazatra Azy tsara ny eritreritr’ i Tomasy sy ny teniny. Fantatr’ ilay mpianatra be fisalasalana fa tsy nisy tamin’ ireo namany nahita an’ i Jesosy nandritra ny herinandro. Tsy afaka nilaza ny tsy finoany tamin’ ny Tompo izy. Fantany fa ny Tompony Ilay eo anatrehany. Tsy nila porofo hafa izy. Nidobobodoky ny fifaliana ny fony, ka niankohoka teo an-tongotr’ i Jesosy izy niantsoantso hoe : «Tompoko sy Andriamanitro !»IFM 864.3

    Noraisin’ i Jesosy ny fiaikena nataony, nefa niteny azy mora ny amin’ ny tsy finoany Izy : «Ry Tomasy, satria nahita Ahy hianao, dia nino, sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino». Nety ho nahafinaritra an’ i Kristy bebe kokoa ny finoan’ i Tomasy raha nety nino izy noho ny fanambarana nataon’ ny rahalahiny. Raha manaraka ny ohatra nomen’ i Tomasy izao tontolo izao ankehitriny, dia tsy hisy hino ho amin’ ny famonjena.IFM 865.1

    Maro no mirona ho amin’ ny fisalasalana ka manala tsiny ny tenany amin’ ny filazana fa raha nanana ny porofo noraisin’ i Tomasy avy amin’ ny namany izy, dia hino. Tsy tsapany fa tsy io porofo io ihany no ananany, fa mihoatra lavitra noho izany. Maro no tahaka an’ i Tomasy, miandry ny hialan’ izay rehetra mampisalasala azy, izay tsy hahatsapa na oviana na oviana izay ilainy. Mihamitombo miandalana ny tsy finoany. Izay mitaiza ny tenany hijery ny lafiratsin’ ny zavatra, ka mimenomenona sy mitaraina dia tsy mahalala izay ataony. Mamafy voan’ ny tsy finoana izy, ka hanana vokatry ny fisalasalana hojinjana. Amin’ ny fotoana izay tena ilana ny finoana sy ny fahatokiana, dia maro no hahita fa tsy manan-kery hanantenana sy hinoana izy.IFM 865.2

    Tamin’ ny fomba nitondran’ i Jesosy an’ i Tomasy dia nanome lesona ny mpanaraka Azy Izy. Asehon’ ny ohatra nomeny ny fomba tokony hitondrantsika izay malemy finoana, sy izay mampiseho mandrakariva ny fisalasalany. Tsy nototofan’ i Jesosy fanomezantsiny i Tomasy, na niditra hiady hevitra taminy Izy. Niseho tamin’ ilay nisalasala Izy. Tena tsy ara-drariny mihitsy ny fepetra notakian’ i Tomasy ahazoany mino, nefa noho ny fitiavany azy sy ny fiheverany be famindrampo, dia narodan’ i Jesosy ny fefy rehetra. Mahalana no resin’ ny adihevitra ny tsy finoana. Mitarika ho amin’ ny fiarovantena kokoa izany, ary mahita mpanohana sy fialan-tsiny vaovao. Aoka kosa anefa haseho Jesosy, ao amin’ ny fitiavany sy ny famindrampony, amin’ ny maha-Mpamonjy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana Azy, dia ho re avy amin’ ny molotra maro tsy te-hanao izany teo aloha ny faneken’ i Tomasy hoe : «Tompoko sy Andriamanitro».IFM 865.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents