Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 36—Ny finoana mitarika hanendry

    Raha niverina avy tany Gadarena Jesosy ka nankany amin’ ny moron-drano andrefana, dia nahita vahoaka marobe nivory handray Azy, koa tamim-pifaliana no niarahabany Azy. Nijanona fotoana kely teo amoron-dranomasina Izy, nampianatra sy nanasitrana, dia niainga ho any amin’ ny tranon’ i Levi-Matio hihaona amin’ ny mpamory hetra any amin’ ny fanasana. Tao i Jaïro mpanapaka tao amin’ ny synagoga no nahita Azy. 1 Mifototra amin’ ny Matio 9 : 18-26 ; Marka 5 : 21-43 ; Lioka 8 : 40-56 ity toko ity.IFM 361.1

    Ory dia ory ity loholon’ ny Jiosy ity nanatona an’ i Jesosy, koa niankohoka teo anatrehany izy sady niloa-bava hoe : «Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tànanao aminy, dia ho velona izy».IFM 361.2

    Niainga avy hatrany niaraka tamin’ ilay mpanapaka Jesosy ho any amin’ ny tokantranony. Na dia efa nahita be dia be tamin’ ny asam-pamindrampo nataony aza ny mpianatra, dia talanjona izy tamin’ ny faneken’ i Jesosy ny fiangavian’ ilay raby be avonavona; niaraka tamin’ ny Tompony izy anefa, ary nanaraka ny vahoaka nafana fo sady feno fanantenana. Tsy lavitra ny tranon’ ilay mpanapaka, nefa niadana ny famindran’ i Jesosy sy ireo mpiaradia taminy; nanery Azy hatraiza hatraiza mantsy ny vahoaka. Nitebiteby ilay ray tsy mahazaka ny fotoana mihemotra; nefa nangoraka ny vahoaka Jesosy ka nijanona tetsy sy teroa hanasitrana olona mijaly, na hampionona fo malahelo.IFM 361.3

    Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy mpitondra hafatra nanavatsava ny vahoaka nifanizina, nilaza ny vaovao tamin’ i Jaïro fa maty ny zanany vavy, ka tsy ilaina intsony ny manahirana ny Tompo. Tonga tao an-tsofin’ i Jesosy izany teny izany. «Aza matahotra, hoy Izy, minoa fotsiny ihany dia ho velona izy».IFM 362.1

    Nanatona akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy i Jaïro ka niaraka nandeha haingana ho any amin’ ny tranon’ ny mpanapaka. Efa tao ny mpitomany nokaramaina sy ny mpitsoka sodina, izay nameno ny tanàna tamin’ ny antsoantsony. Nanelingelina ny sain’ i Jesosy ny vahoaka sy ny tabataba. Niezaka nampangina azy Izy nanao hoe : «Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany ? Tsy maty razazavavy, fa matory». Tezitra tamin’ ny tenin’ ity Vahiny ireo. Efa hitany teo am-pelatanan’ ny fahafatesana ny zaza, ka nihomehy sy nanaraby Azy izy. Nangatahin’ i Jesosy hivoaka ny trano izy rehetra, ary nentin’ i Jesosy niaraka taminy ny ray sy ny renin-drazazavavy, sy mpianatra telo, dia i Petera sy Jakoba ary’Jaona ; ary niara-niditra tao amin’ ny efitra nisy ny maty izy ireo.IFM 362.2

    Nanatona ny fandriana Jesosy, dia nataony tao amin’ ny Azy ny tanan’ ilay zaza, ary niteny moramora tamin’ ny fiteny mahazatra tao an-tokantrano Izy hoe : «Ry zazavavy, hoy Izaho aminao : Mitsangàna».IFM 362.3

    Avy hatrany dia nangovitra ilay vatana tsy nisy aina. Nitempo indray ny fo mitondra aina. Nisokatra ny molotra ka nitsiky. Nihiratra ny maso, nivandravandra toy ny avy natory, ka gaga razazavavy nijery ny olona teo akaikiny. Nitsangana izy, ary nofihinin’ ny ray aman-dreniny izay nandrotsa-dranomasom-pifaliana.IFM 362.4

    Teny an-dalana ho any amin’ ny tranon’ ilay mpanapaka, dia nihaona tamin’ ny vehivavy iray tao anatin’ ny vahoaka, izay efa nijaly nandritra ny roa ambin’ ny folo taona noho ny aretina izay nahatonga ny fiainany ho enta-mavesatra Jesosy. Nandany ny fananany rehetra tamin’ ny dokotera sy ny fanafody izy, nefa dia nolazaina fotsiny fa tsy mety hositrana. Nitambelona anefa ny ny fanantenany rehefa reny ny fanasitranana vitan’ i Jesosy. Azony antoka fa raha afaka mankeo Aminy izy, dia ho sitrana. Nalemy sy nijaly izy raha nankeo amoron-dranomasina izay nampianarany, ka niezaka nanavatsava ny vahoaka. nefa tsy afaka. Narahiny indray Jesosy hatrany amin’ ny tranon’ i Levi-Matio, nefa mbola tsy afaka nahatratra Azy ihany izy. Efa nanomboka namoy fo izy raha indro, fa nanavatsava tao anaty vahoaka Jesosy, ka tonga teo akaikin’ ny nisy azy.IFM 362.5

    Tonga ny fotoam-bolamena. Teo anatrehan’ ny marary Ilay Dokotera lehibe ! Tsy afaka niteny taminy izy anefa noho ny korontana, ary tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy ny nijery indray mitopi-maso ny endriny fotsiny. Natahotra izy sao very ny hany fanantenana hahasitrana azy, ka nandroso teo aloha izy nanao hoe : «Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho». Raha nandalo Jesosy dia naninjitra ny tanany ravehivavy ka afaka nikasika kely ny sisin’ akanjony. Ary tamin’ izay fotoana izay anefa dia fantany fa sitrana izy. Nangoniny tao amin’ io fanendreny ny fitafiany io ny finoan’ ny fiainany. ka avy hatrany dia nisolo toerana ny fanaintainany sy ny faharerahany ny tanjaka avy amin’ ny fahasalamana tanteraka.IFM 363.1

    Feno fankasitrahana ny fony ary niezaka amin’ izay izy hiala amin’ ny vahoaka ; nefa nijanona tampoka Jesosy ary niara-niato taminy ny vahoaka. Nitodika Izy ka nijery manodidina Azy, nanontany tamin’ ny feo mazava sy re tsara tao anatin’ ny tabataban’ ny vahoaka hoe : «Iza no nanendry Ahy ?» Fijery nitory hagagana no nasetrin’ ny olona io fanontaniana io. Voatositosika hatraiza hatraiza Izy, ary voatery tetsy sy toroa, ka, araka izany, dia toa hafahafa ny fanontaniany.IFM 363.2

    Vonona ny hiteny mandrakariva i Petera ka hoy izy hoe : «Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao, ka hoy Hianao va : Iza no nanendry Ahy ?» Namaly Jesosy ka nanao hoe : Nisy olona nanendry Ahy ; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko». Hain’ ny Mpamonjy ny manavaka ny fanendrena avy amin’ ny finoana sy ny fikasohana kisendrasendra eo amin’ ny vahoaka tsy mihevitra izany. Ny fahatokiana toy izany dia tsy avelany handeha fotsiny amin’ izao. Te-hanao teny fampiononana ho an’ ilay vehivavy feno fanetren-tena izay loharanom-pifaliana ho azy Izy, — dia teny izay ho tonga fitahiana ho an’ ireo mpanaraka Azy hatramin’ ny fiafaran’ ny andro.IFM 363.3

    Nijery an-dravehivavy Jesosy ka nanantitrantitra ny hahalalany izay nanendry Azy. Hitan-dravehivavy fa tsy afaka miafina izy, ka nanatona tamim-pangovitana ary niankohoka teo an-tongony. Tamin’ ny ranomaso nitory fankasitrahana no nilazany ny tantaran’ ny fahoriany sy ny fomba nahitany fanasitranana. Niteny moramora Jesosy hoe : «Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao ; mandehana soa aman-tsara». Tsy tian’ i Jesosy hotohanana ny finoanoam-poana amin’ ny hoe fahasitranana azo avy amin’ ny fikasihana ny fitafiany fotsiny. Ny fahasitranana dia tsy azo avy amin’ ny fikasohana ivelany Aminy, fa amin’ ny alalan’ ny finoana izay mamikitra ny herin’ Andriamanitra.IFM 363.4

    Ny vahoaka be nitolagaga izay nifanizina nanodidina an’ i Kristy dia tsy nahatsapa hery mitondra aina avy Aminy. Fa rehefa naninjitra ny tanany kosa ilay vehivavy nijaly mba hanendry Azy, ka nino fa ho sitrana izy, dia tsapany ny hery manasitrana. Toy izany koa eo amin’ ny zavatra ara-panahy. Tsy misy antony ny miresaka fivavahana amin’ ny fomba kisendrasendra, ny mivavaka tsy misy hetahetam-panahy sy finoana velona. Ny finoana anarany fotsiny an’ i Kristy, izay manaiky Azy fotsiny ho Mpamonjy an’ izao tontolo izao, dia tsy hitondra fanasitranana ho an’ ny fanahy mihitsy. Ny finoana ho amin’ ny famonjena dia tsy faneken’ ny saina fotsiny handray ny fahamarinana. Izay miandry ny hanana fahalalana feno vao hampiasa finoana, dia tsy afaka handray Fitahiana avy amin’ Andriamanitra.IFM 364.1

    Tsy ampy ny mino ny amin’ i Kristy ; tsy maintsy mino Azy mihitsy isika. Ny hany finoana izay hitondra tombon-tsoa ho antsika dia izay mandray Azy ho Mpamonjin’ ny tena manokana sy izay maka ny fahamendrehany ho an’ ny tena. Betsaka no mandray ny finoana ho toy ny hevitra tazonina. Ny finoana mahavonjy dia fifanarahana, izay idiran’ izay mandray an’ i Kristy amin’ ny fanekena amin’ Andriamanitra. Fiainana ny tena finoana. Ny finoana velona rehetra dia mitondra fitomboan-kery, fitokiana mitoetra, izay mahatonga ny fanahy ho hery mandresy.IFM 364.2

    Rehefa nahasitrana an-dravehivavy Jesosy dia tiany hanaiky sy hilaza ny fitahiana efa noraisiny izy. Tsy tokony hotehirizina toy ny zavatra nangalarina na hifaliana mangingina ny fanomezana izay atolotry ny Filazantsara. Koa miantso antsika ny Tompo hanambara ny hatsarany. «Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra» 2Isaia. 43 : 12.IFM 364.3

    Ny fanambarantsika ny toetrany mahatoky no fitaovana nofidin’ ny lanitra mba hanehoana an’ i Kristy amin’ izao tontolo izao. Tokony hoekentsika ny fahasoavany araka izay nampahafantarany izany tamin’ ny alalan’ ny olona masina fahiny ; fa izay hisy vokany be indrindra dia ny fanambarana ny fanandramana nataon’ ny tenantsika manokana.IFM 364.4

    Vavolombelona ho an’ Andriamanitra isika rehefa maneho eo amin’ ny tenantsika ny asan’ ny hery avy amin’ Andriamanitra. Samy manana fiainana miavaka amin’ ny hafa rehetra sy fanandramana samihafa indrindra ny tsirairay. Tian’ Andriamanitra hiakatra ho any Aminy ny fiderantsika, araka izay maha-izy antsika avy. Ireny filazana sy fanekena sarobidy ireny dia ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, ary rehefa tohanan’ ny fiainana manampitoviana amin’ i Kristy, dia manana hery tsy hay tohaina hiasa famonjena ho an’ ny fanahy.IFM 365.1

    Rehefa nanatona an’ i Jesosy nitady fanasitranana ireo boka folo lahy, dia nibaiko azy Izy hiseho any amin’ ny mpisorona. Ny fankatoavana izany baiko izany no hahasitrana azy ireo. Sitrana izy teny an-dalana, saingy ny anankiray ihany no niverina nanome voninahitra Azy. Nandeha tany amin’ ny lalany ireo hafa, ary nanadino an’ Ilay nahasitrana azy. Firifiry akory no mbola manao toy izany ankehitriny ! Miasa tsy miato hanasoa ny taranak’ olom-belona Jehovah. Mizara mandrakariva ny mariky ny fitiavany Izy. Mampitsangana ny marary amin’ ny fandrian’ ny fanaintainana Izy, manafaka ny olona amin’ ny loza izay tsy hitany Izy, maniraka ny anjelin’ ny lanitra hamonjy azy amin’ ny antambo Izy, hiaro azy amin’ ny «areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina», sy amin’ ny «fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana» 3Salamo. 91 : 6 ; nefa tsy mba voatohina ny fon’ izy ireny. Nomeny azy ny haren’ ny lanitra rehetra mba hanavotana azy, nefa tsy tsaroany ny fitiavany lehibe. Nanidy ny fony tsy hidiran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ny tsy fahaizany mankasitraka. Tahaka ny anjavidy any an-tany hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa ; fa honina any amin’ ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ ny tany sira izay tsy onenana ny fanahiny.IFM 365.2

    Tombon-tsoa ho antsika ny hitahiry ny fanomezan’ Andriamanitra ho vaovao ao amin’ ny fitadidiantsika. Amin’ izay dia matanjaka ny finoana ka afaka hitaky bebe kokoa sy handray bebe kokoa. Misy fampaherezana lehibe ho antsika ao amin’ ny fitahiana kely indrindra raisintsika avy amin’ Andriamanitra, mihoatra noho izay rehetra azontsika vakiana mikasika ny finoana sy ny fanandraman’ ny hafa. Ny fanahy izay mamaly ny fahasoavan’ Andriamanitra dia ho tahaka ny saha vonton-drano. Hitombo haingana ny fahasalamany ; hiposaka ao amin’ ny haizina ny fahazavany, ary ho eo aminy ny voninahitr’ i Jehovah. Aoka ary isika hahatsiaro ny fitiavana sy ny fahatsaram-panahin’ ny Tompo sy ireo famindrampo marobe sy mamy indrindra. Tahaka ny vahoakan’ Isiraely, dia aoka isika hanangana ny tsangambatontsika ho vavolombelona, ka hanoratra amin’ ireo ny tantara sarobidy ny amin’ izay nataon’ Andriamanitra ho antsika. Koa rehefa miverina mijery ny fifandraisany tamintsika isika mandritra ny andro nivahinianantsika, dia aoka isika hiteny amin’ ny fo feno fankasitrahana hoe: «Inona no havaliko an’ i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko ? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’ i Jehovah. Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra» 4Salamo 116 : 12-14.IFM 365.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents