Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 51—Ny fahazavan’ aina

    «Ary Jesosy niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina» 1Mifototra amin’ny Joana 8 : 12-59 ; 9 ity toko ityIFM 497.1

    Raha nanao izany teny izany Jesosy dia tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly izay nanaovana ny fanompoana teo amin’ ny Fetin’ ny Tabernakely. Nijoalajoala teo afovoan’ io kianja io ireo tongotra fanaovan-jiro roa avobe, izay nihantonan’ ny fitoeran-jiro lehibe dia lehibe. Taorian’ ny fanatitra hariva, dia narehitra ny jiro rehetra, ka nampitosaka ny fahazavany tamin’ i Jerosalema. Natao ho fahatsiarovana ilay andrian’ ny fahazavana izany fanompoam-pivavahana izany sady noheverina koa ho manondro ny fiavian’ ny Mesia. Ny hariva, rehefa narehitra ny jiro, dia tonga toeram-piravoravoana lehibe ny kianja. Ny lehilahy mihafotsy volo, ny mpisorona tao amin’ ny tempoly, sy ny mpanapaka ny vahoaka, dia niray tao amin’ ny dihy feno haravoana narahin’ ny feon-java-maneno sy ny hiran’ ny Levita.IFM 497.2

    Ny fanazavana an’ i Jerosalema dia nanehoan’ ny vahoaka ny fanantenany ny fiavian’ ny Mesia izay hanaparitaka ny fahazavany amin’ ny Isiraely. Ho an’ i Jesosy anefa dia nalalaka kokoa ny dikany. Toy ny jiro mamirapiratry ny tempoly izay manazava ny manodidina azy rehetra, dia toy izany koa Kristy, loharanon’ ny fahazavana ara-panahy, izay manazava ny haizina eo amin’ izao tontolo izao. Tsy tanteraka anefa ny tandindona. Ilay fahazavana lehibe izay napetraky ny tanany teo amin’ ny lanitra no mampiseho marina kokoa ny voninahitry ny asa nanirahana Azy.IFM 497.3

    Maraina ny andro ; vao niposaka indrindra teo amin’ ny tendrombohitra Oliva ny masoandro ka namirapiratra sy nanjelanjelatra teo amin’ ireo lapa vatosoa ny tara-pahazavany, ary nampitombo ny fahazavan’ ny rindrina volamenan’ ny tempoly, raha niteny Jesosy, sady nanondro izany ka nanao hoe : «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao».IFM 498.1

    Izay nandre ireo teny ireo dia nampanakoako izany elabe tatỳ aoriana tao amin’ izao lahatsoratra kanto indrindra izao : «Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona, ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina, fa ny maizina tsy nandray azy. Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao»2Jao. 1 : 4, 5. Taona maro taorian’ ny niakaran’ i Jesosy tany an-danitra, dia nanoratra koa teo ambanin’ ny fahazavana avy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra i Petera, ka nampahatsiaro ny tandindona efa nampiasain’ i Kristy : «Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika : Koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro»32 pet. 1 : 9.IFM 498.2

    Eo amin’ ny fanehoana an’ Andriamanitra amin’ ny vahoakany, dia tandindon’ ny fanatrehany mandrakariva ny fahazavana. Ny teny izay namoronana tany amin’ ny voalohany, dia nampamirapiratra ny mazava avy ao amin’ ny maizina. Voasarona tao amin’ ny andri-rahona noho ny andro sy tao amin’ ny andri-afo noho ny alina ny fahazavana, ka nitarika ireo tafik’ Isiraely marobe. Fahazavana nanjelanjelatra sy mahatahotra no manodidina ny fahalehibeazan’ ny Tompo teo amin’ ny tendrombohitr’ i Sinay. Nitoetra teo amin’ ny rako-panavotana tao amin’ ny tabernakely ny fahazavana. Nameno ny tempolin’ i Solomona ny fahazavana tamin’ ny fitokanana izany. Namirapiratra teo amin’ ny havoanan’ i Betlehema ny fahazavana fony ny anjely nitondra ny hafatry ny fanavotana ho an’ ireo mpiandry ondry niambina ny andian’ ondriny.IFM 498.3

    Andriamanitra dia fahazavana; ary tamin’ ny teny nataon’ i Kristy hoe : «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao», dia nambarany ny maha-iray Azy amin’ Andriamanitra sy ny firaisany amin’ ny fianakavian’ ny olombelona manontolo. Izy tamin’ ny voalohany no nahatonga «ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina»42 Kor. 4 : 6. Izy no fahazavan’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Izy no fahazavana ara-panahy izay efa namirapiratra teo amin’ Isiraely teo amin’ ny sary sy ny tandindona ary ny faminaniana. Tsy ho an’ ny Jiosy ihany anefa ny fahazavana nomena. Tahaka ny tarapahazavana tafiditra hatrany amin’ ny faritra lavitra indrindra eto an-tany, dia toy izany koa ny fahazavan’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana izay mamirapiratra amin’ ny fanahy tsirairay.IFM 498.4

    «Tao ny tena mazava izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao». Nanana mpampianatra ngezalahy izao tontolo izao, olona nanan-tsaina goavana sy nanao fikarohana mahagaga, olona izay nanao fanambarana manaitra ny saina, sy nanokatra saha midadasiky ny fahalalana ary ireny olona ireny dia nomem-boninahitra ho mpitari-dalana sy mpanao soa ny taranaka misy azy. Misy Anankiray mijoro ambony noho ireo anefa. «Izay rehetra nandray Azy, dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra». «Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy» 5Jao. 1 : 12,18.. Azontsika atao ny manoritra ny tantaran’ ireo mpampianatra lehibe teto amin’ izao tontolo izao araka izay tantara ela indrindra voarakitry ny olombelona; nefa mbola nialoha azy ireo ihany ny Fahazavana. Toy ny volana sy ny kintana eo amin’ ny rafitra misy ny masoandro izay mamirapiratra noho ny taratry ny fahazavan’ ny masoandro, dia tahaka izany koa ireo mpandalintsaina, raha mbola marina koa ny fampianarany, dia mandefa taratry ny Masoandron’ ny Fahamarinana izy. Avy amin’ ny Fahazavan’ izao tontolo izao avokoa ny hevitra sarobidy toy ny vatosoa rehetra, ny faharanitan-tsaina mamiratra rehetra. Amin’ izao fotoana izao. dia betsaka ny zavatra rentsika momba ny atao hoe «fanabeazana ambony». Ny tena fanabeazana ambony dia omen’ Ilay «iafenan ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra». «Izy no nisiampiainana ; ary ny fiainana no fanazavana ny olona» 6Jao. 1 : 4 ; Kol. 2 ; 3. Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina».IFM 499.1

    Tamin’ ny teny hoe «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao» no nanambaran’ i Jesosy ny tenany ho Mesia. Ingahibe Simeona dia efa nilaza Azy ho «fahazavana hahazava ny firenena rehetra, sady voninahitry ny Isiraely olonao» 7Lio 2 : 2 , tao amin’ ny tempoly izay nisy an’ i Kristy ankehitriny. Faminaniana nahazatra ny Isiraely manontolo no nampihariny taminy tamin’ ireo teny ireo. Tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia, dia nanambara ny Fanahy Masina hoe : «Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany»8Isa.49 : 6. Fantatry ny besinimaro fa milaza ny Mesia io faminaniana io, koa rehefa niteny Jesosy hoe : «Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao», dia tsy azo nosakanana ny olona tsy hahita fa Izy no voalazan’ ny tenany ho Ilay Nampanantenaina.IFM 499.2

    Toa fanandratan-tena feno fireharehana izany filazana izany amin’ ny Fariseo sy ny mpanapaka. Tsy azony noleferina izany olona tahaka azy nefa nihambo toy izany. Nodian’ izy ireo tsy fantatra ny teniny, dia nanontany izy hoe: «Iza moa Hianao ?» Niezaka izy ireo hanery Azy hanambara ny tenany ho Kristy. Ny fisehoany sy ny asany dia hafa indrindra noho izay nanampoizan’ ny vahoaka azy, hany ka, araka ny fiheveran» ireo fahavalony fetsy, dia hahatonga Azy ho lavina toy ny ho mpamitaka ny filazany mivantana ny tenany ho Mesia.IFM 500.1

    Ny fanontaniany hoe : «Iza moa Hianao ?» dia novalian’ i Jesosy hoe : «Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany». Izay nambaran’ ny teniny, dia nambara teo amin’ ny toetra amampanahiny koa. Fisehoana ara-batana ny fahamarinana nampianariny Izy. «Tsy mba manao na inona na inona ho Ahy Aho, hoy Izy nanohy, fa araka ny nampianarin’ ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary izay naniraka Ahy dia eto Amiko, tsy mandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva». Tsy niezaka ny hanaporofo ny filazan’ ny tenany ho Mesia Izy, fa nasehony kosa ny firaisany amin’ Andriamanitra. Raha nisokatra teo amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra ny sainy, dia ho nandray an’ i Jesosy izy.IFM 500.2

    Teo anivon’ ireo mpihaino Azy dia maro no voatarika teo Aminy tamin’ ny alalan’ ny finoana ary ireo no nilazany hoe : «Raha maharitra amin’ ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo».IFM 500.3

    Nanafintohina ny Fariseo ireo teny ireo. Tsy nojereny ny nileferan’ ny firenena ela tao ambanin’ ny ziogan’ ny vahiny ; koa niloa-bava tamin-katezerana izy hoe : «Taranak’ i Abrahama izahay fa tsy mba andevon’ olona hatrizay ela izay; koa nahoana no hataonao hoe : «Ho afaka hianareo?» Nijery ireto olona ireto Jesosy, izay andevon’ ny haratsiam-panahy, nanana saina nifantoka tamin’ ny valifaty, ka namaly tamin’ alahelo hoe : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ ny ota». Tao anatin’ ny karazam-panandevozana ratsy indrindra izy, izay fehezin’ ny fanahin’ ny ratsy.IFM 500.4

    Izay fanahy tsy manolo-tena hotapahin’ Andriamanitra dia ho eo ambany fitarihan’ ny hery hafa. Tsy ho tompon’ ny tenany intsony izy. Mety hiteny fahafahana izy ; nefa raha ny marina dia eo amin’ ny tobin’ ireo mpanompo ambany indrindra no misy azy. Tsy tsinjony ny hasoan’ ny fahamarinana fa i Satana no manapaka azy. Amin’ ny fotoana iheverany fa ny sainy ihany no mibaiko ny fanapahan-keviny no angejan’ ilay andrian’ ny aizina ny sitrapony. Tonga hanapatapaka ny fatoran’ ny fanandevozana izay mangeja ny fanahy Kristy. «Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa hianareo». «Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny alalan’ ny fahotana sy ny fahafatesana» 9Rom. 8 : 2.IFM 501.1

    Tsy misy fanerena eo amin’ ny asa fanavotana. Tsy misy hery avy etỳ ivelany afaka manelanelana. Avela malalaka hisafidy izay ho tompoiny ny olona, eo ambanin’ ny herin’ ny Fanahin’ Andriamanitra miasa mangina aminy. Amin’ ny fiovana hita rehefa milefitra eo amin’ i Kristy ny fanahy, dia mahatsapa fahafahana izany fanahy izany. Asa tanterahin’ ny fanahy mihitsy ny fandroahana ny fahotana. Raha ny marina dia tsy manan-kery isika hanafaka ny tenantsika tsy ho eo ambanin’ ny fanapahan’ i Satana ; nefa rehefa irintsika ny ho afaka amin’ ny fahotana, ary mitaraina isika ao anatin’ ny fahotantsika be, miantso hery ivelan’ ny tenantsika sy ambony noho isika, dia vontosan’ ny herin’ ny Fanahy Masina avy amin’ Andriamanitra ny fanahy, ho afaka mankatò ny baikon’ ny sitrapo izy amin’ ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra.IFM 501.2

    Ny fepetra tokana mahatonga ny fahafahan’ ny olona hisy dia ny maha iray azy amin’ i Kristy. «Ny marina hahafaka anareo» ary Kristy no fahamarinana. Tsy afaka mandresy ny fahotana raha tsy mandemy ny saina, sy manapotika ny fahafahan’ ny fanahy. Ny fileferana amin’ Andriamanitra dia famerenana ny maha- ny tena, ho amin’ ny tena voninahitra sy fahamendrehan’ ny olona. Ny lalàn’ Andriamanitra izay ampileferana antsika, dia «lalàn’ ny fahafahana» 10Jak. 2 : 12.IFM 501.3

    Nilaza ny tenany ho zanak’ i Abrahama ny Fariseo. Nambaran’ i Jesosy taminy fa tsy afaka hitoetra izany filazana izany raha tsy amin’ ny fanaovana ny asan’ i Abrahama. Ny tena zanak’ i Abrahama marina dia ireo izay mivelona toa azy amin’ ny fankatoavana an’ Andriamanitra. Tsy hiezaka ny hamono Ilay niteny ny fahamarinana nomena Azy avy amin’ Andriamanitra izy. Tsy nanao ny asan’ i Abrahama ny raby tamin’ ny fiokoany hamono an’ i Kristy. Tsy misy vidiny ny maha-taranak’ i Abrahama fotsiny ara-nofo. Raha tsy misy fifandraisana ara-panahy aminy, izay hiseho amin’ ny fananana toe-tsaina mitovy amin’ ny azy, sy amin’ ny fanaovana ny asa nataony, dia tsy zanany izy.IFM 502.1

    Manana lanja toy izany koa io foto-kevitra io eo amin’ ny zavatra izay nampisaritaka ela an’ izao tontolo izao kristiana, dia ny mikasika ny fifandimbiasan’ ny apostoly. Noporofoina ny maha-taranak’ i Abrahama, tsy tamin’ ny anarana sy ny razana nifandimby, fa tamin’ ny fitovian’ ny toetra amam-panahy. Toy izany koa, tsy miankina amin’ ny famindrana ny fahefana ara-pivavahana ny fifandimbiasan’ ny apostoly, fa miankina amin’ ny fifandraisana ara-panahy. Fiainana entanin’ ny toe-tsain’ ny apostoly, ny finoana sy ny fampianarana ny fahamarinana izay notoriany, izany no tena porofo marina ny fandimbiasana ny apostoly. Izany no nahatonga ny olona ho mpandimby ireo mpampianatra voalohany ny filazantsara.IFM 502.2

    Nolavin’ i Jesosy ny naha-zanak’ i Abrahama ny Jiosy. Hoy Izy : «Hianareo manao ny asan’ ny rainareo». Nentiny naneso ny valinteniny hoe : «Tsy mba teraka avy tamin’ ny fijangajangana izahay, iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany». Ireo teny ireo, izay mampahatsiahy ny momba ny nahaterahany, dia nataony ho famelezana an’ i Kristy eo anatrehan’ ireo izay vao nanomboka nino Azy. Tsy noraharahain’ i Jesosy ny hevitra mirefarefa nasisiny, fa hoy Izy : «Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin’ Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ».IFM 502.3

    Ny asa ataon’ izy ireo kosa dia vavolombelon’ ny fifandraisany amin’ ilay mpandainga sy mpamono olona. «Hianareo avy tamin’ ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ ny marina, satria tsy misy marina aminy. . . Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo !» Jesosy nilaza ny marina, sady feno fahatokiana Izy nilaza izany, izany no antony tsy nandraisan’ ny mpitarika jiosy Azy. Ny marina no nanafintohina ireo olona mpanamarin-tena ireo. Nampiharihary ny tsy fahamarinan’ ny fahadisoankeviny ny marina ; manameloka ny fampianaran’ izy ireo sy ny fomba fanaony izany, koa tsy noraisiny. Naleony nanakimpy ny masony tsy hijery ny marina toy izay hanetry tena. ka hiaiky fa efa diso izy. Tsy tia ny fahamarinana izy, tsy niriny izany, eny, na dia fahamarinana aza.IFM 503.1

    «Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota ? Raha ny marina no lazaiko, nahoana hianareo no tsy mino Ahy ?» Isan’ andro, isan’ andro, nandritra ny telo taona dia nanaraka an’ i Kristy ny fahavalony, niezaka ny hahita pentina teo amin’ ny toetra amampanahiny. Nilofo handresy Azy i Satana sy ny fikambanan’ ny ratsy rehetra ; nefa tsy nisy hitany teo Aminy izay nahazoany nandresy Azy. Na dia ny devoly aza dia voatery niaiky hoe : «Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra» 11Mar.1 : 24. Niainan’ i Jesosy ny lalàna teo ambanin’ ny fijerin’ ny lanitra, teo ambanin’ ny fijerin’ izao tontolo izao tsy lavo, ary teo ambanin’ ny fijerin’ ny olona mpanota. Teo anatrehan’ ny anjely, ny olona sy ny demonia, no nanaovany teny zary fiaikana tsy nisy sahy nisetra, ary ho fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra raha molotra hafa no nanao izany, ka niteny hoe : «Izaho manao izay sitrany mandrakariva».IFM 503.2

    Ny tsy nandraisan’ ny Jiosy an’ i Kristy na dia tsy nahita fahotana tao Aminy aza izy, no manaporofo fa tsy nifandray tamin’ Andriamanitra izy ireo. Tsy fantany ny feony teo amin’ ny hafatra nentin’ ny Zanany. Nihevitra izy fa namoaka didim-pitsarana hanameloka an’ i Kristy, nefa raha ny marina, tamin’ ny fandavany Azy dia nanameloka ny tenany ihany izy. «Izay avy amin’ Andriamanitra, hoy Jesosy, dia mihaino ny tenin’ Andriamanitra; izany no tsy inoanareo, satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra hianareo».IFM 503.3

    Marina amin’ ny fotoan’ andro rehetra io lesona io. Betsaka ny olona no finaritra manao teny betsaka, maninitsiny, mitady izay hisalasalana ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, ka mihevitra izy amin’ izany fa manaporofo ny tsy fiankinan’ ny sainy amin’ ny hafa sy ny faharanitan-tsainy. Mihevitra izy fa afaka mitsara ny Baiboly, nefa raha ny marina dia ny tenany ihany no tsarainy. Asehony ny tsy fahaizany mankasitraka ireo fahamarinana avy any an-danitra izay mahasahana hatrany amin’ ny mandrakizay. Tsy feno fanajana ny fanahiny, eo anatrehan’ ny fahamarinan’ Andriamanitra toy ny tendrombohitra lehibe. Manahiran-tena mitady tapa-kazo sy mololo izy, ary amin’ izany dia maneho toetra ety sy ara-nofo miafina, fo izay mahavery vetivety ny fahazoany mankafy an’ Andriamanitra. Izay, manana fo namaly ny asa nikasihan’ Andriamanitra azy dia hitady izay hampitombo ny fahalalany an’ Andriamanitra, ka hanatsara sy hanandratra ny toetra amam-panahiny. Tahaka ny voninkazo mitodika amin’ ny masoandro, mba hiasan’ ireo tarapahazavana mamirapiratra izay handoko azy moramora amin’ ny hakantony, dia toy izany koa ny fanahy izay hitodika amin’ ny Masoandron’ ny Fahamarinana, mba hahazoan’ ny fahazavan’ ny lanitra manainga ny toetra amam-panahy amin’ ireo toetra soa eo amin’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy.IFM 503.4

    Notohizan’ i Jesosy ny teniny ka nasehony ny fahasamihafana mazava eo amin’ ny toe-tsain’ ny Jiosy sy ny an’ i Abrahama : «Ravoravo Abrahama rainao, hahita ny androko ; ary nahita izy ka faly».IFM 504.1

    Lehibe ny fanirian’ i Abrahama hahita Ilay Mpamonjy nampanantenaina. Fivavahana mafana indrindra no nasandrany talohan’ ny nahafatesany mba hahazoany hahita ny Mesia. Koa nahita an’ i Kristy izy. Nahazo fahazavana manokana avy tany an-danitra izy, ka nahafantatra ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra eo amin’ i Kristy. Ravoravo izy raha nahita ny androny. Naseho azy ny sarin’ ny fanatitra nataon’ Andriamanitra ho an’ ny fahotana. Ny fanandramana nataon’ ny tenany dia sary velona nampiseho io fanatitra io. Tonga taminy ny baiko nanao hoe : «Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao . . . ary atero ... ho fanatitra odorana»12Gen. 22 : 2. Napetrany teo amin’ ny alitara fanaovana fanatitra ny zanaky ny teny fikasana, dia ny zanany izay nifantohan’ ny fanantenany rehetra. Rehefa izany, raha niandry teo akaikin’ ny alitara izy, efa nanandratra ny tanany mba hankatò an’ Andriamanitra, dia nandre feo avy tany an-danitra izy nanao hoe : «Aza maninjitra ny tànanao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao ; fa hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao»13Gen. 22 : 12. Nahatra tamin’ i Abrahama io fitsapana mahamay sy mahatsiravina io mba hahazoany mahita ny andron’ i Kristy, sy mahatsapa ny fitiavan-dehibe izay nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao lehibe indrindra ka mba hanandratana azy hiala avy amin’ ny fitotonganany, dia natolony ny Zanani-lahy tokana ho faty amin’ ny fahafatesana mahamenatra indrindra.IFM 504.2

    Nianaran’ i Abrahama tamin’ Andriamanitra ny lesona lehibe indrindra tsy mbola nomena ny olombelona mety maty. Nahazo valiny ny fivavahany mba hahita an’ i Kristy talohan’ ny nahafatesany. Hitany Kristy ; hitany izay rehetra mety ho hitan’ ny olombelona mety maty ka ho velona. Tamin’ ny fileferany tanteraka no nahatonga azy ho afaka hahafantatra ny fahitana an’ i Kristy, izay efa nomena azy. Naseho azy fa tamin’ ny nanomezan’ Andriamanitra ny Zanany lahy tokana mba hamonjena ny mpanota ho afaka amin’ ny fahafatesana mandrakizay, dia fahafoizan-tena lehibe sy mahagaga mihoatra noho izay mety ho vitan’ ny olona no nataony.IFM 505.1

    Ny fanandramana nataon’ i Abrahama dia mamaly ny fanontaniana hoe : «Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo ? Hanatona Azy mitondra fanatitra odorana sy ombilahy kely iray taona va aho ? Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina ? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko ?»14Mika 6 : 6, 7. Ny tenin’ i Abrahama hoe : «Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana»15Gen. 22 : 8 sy ny nanomanan’ Andriamanitra fanatitra ho solon’ Isaka, dia nanambarana fa tsy misy olona afaka manao fanavotana ho an’ ny tenany. Tsy ankasitrahan’ Andriamanitra na oviana na oviana ny fomba fanaovan’ ny jentilisa fanatitra. Tsy misy ray tokony hanolotra ny zanany lahy na ny zanany vavy ho fanatitra noho ny ota. Ny Zanak’ Andriamanitra irery ihany no afaka mitondra ny helok’ izao tontolo izao.IFM 505.2

    Tamin’ ny alalan’ ny fahorian’ ny tenany, dia azon’ i Abrahama atao ny mibanjina ny asa nanirahana ny Mpamonjy ho sorona. Tsy mety ho azon’ ny Isiraely anefa izay tsy nahafaly indrindra ny fony feno avonavona. Tsy nitondra dikany lalina ho an’ ny mpihaino Azy ny tenin’ i Kristy momba an’ i Abrahama. Zava-baovao natao ho fanazimbazimbana fotsiny indray no hitan’ ny Fariseo tamin’ izany. Novaliany henjana sady narahiny hanihany izany hoe : «Tsy mbola ampy dimam-polo taonaakory Hianao, ka dia efa nahita an’ i Abrahama va ?»IFM 505.3

    Novalian’ i Jesosy tamin’ ny fomba mendrika sy manetriketrika izany hoe : «Lazaiko aminareo marina tokoa : Fony tsy mbola ary Abrahama, dia IZY AHO».IFM 506.1

    Nangina ny mpivory. Ny anaran’ Andriamanitra nampahafantarina an’ i Mosesy mba hanambarana ny fanatrehany mandrakizay, dia nolazain’ ilay raby Galiliana fa anarany. Nilaza tena ho Ilay nisy ho azy Izy, dia Ilay Nampanantenaina an’ Isiraely (Ilay voalaza fa) «hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay»16Mika. 5 : 1.IFM 506.2

    Niantsoantso indray ny mpisorona sy ny raby nanohitra an’ i Jesosy ho mpiteny ratsy an’ Andriamanitra. Ny filazany ho iray amin’ Andriamanitra dia efa nitarika azy ireo talohan’ izao hanala ny ainy, ary volana vitsy tatỳ aoriana dia nambaran’ izy ireo mazava hoe : «Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra»17Jao. 10 : 33. Satria efa nisy Izy, ary Zanak’ Andriamanitra, dia niezaka ny hamono Azy izy. Betsaka izao ny olona teo amin’ ny vahoaka izay niandany tamin’ ny mpisorona sy ny raby no nandray vato hatoraka Azy. «Fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky teo afovoan’ ny olona ka lasa». «Ary ny mazava dia namirapiratra tao amin’ ny maizina, fa ny maizina tsy nandray azy»18Jao. 1 : 5.IFM 506.3

    «Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. Ary ny mpianany nanontany Azy hoe : Raby Ò, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy ? Jesosy namaly hoe : Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy. . . Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba. Ary hoy Izy taminy : Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra».IFM 506.4

    Ninoan’ ny besinimaro teo amin’ ny Jiosy fa faizina dieny eto amin’ ity fiainana ity ny fahotana. Noheverina ho sazy noho ny ratsy natao, na nataon’ ilay mijaly, na nataon’ ny ray aman-dreniny ny fahoriana rehetra, nefa efa nanjary niova io fahamarinana io. Satana, ilay niavian’ ny fahotana sy ny vokany rehetra, no efa nitarika ny olona hihevitra ny aretina sy ny fahafatesana ho avy amin’ Andriamanitra, — ho sazy ankianjoanjo ampiharina araka ny fahotana. Noho izany, izay nasian’ ny fahoriana lehibe na ny antambo, dia mbola nizaka koa, ho fanampin’ izany, entamavesatra noho ny fiheverana azy ho mpanota.IFM 507.1

    Noho izany dia voaomana ny lalana handavan’ ny Jiosy an’ i Jesosy. «Ilay nitondra ny aretintsika» sy «nivesatra ny fahoriantsika» dia noheverin’ ny Jiosy ho «nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahoriana», «ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy»19Isa. 53 : 4, 3.IFM 507.2

    Efa nanome lesona natao hisorohana an’ izany fiheverana izany Andriamanitra. Nasehon’ ny fahorian’ i Joba fa i Satana no nampihatra ny fijaliana, ary nampiasain’ Andriamanitra izany mba hanehoany famindrampo. Tsy azon’ Isiraely anefa ny lesona. Naverin’ ny Jiosy indray tamin’ ny nandavany an’ i Kristy ilay hevi-diso izay efa nanomezan’ Andriamanitra tsiny ny sakaizan’ i Joba.IFM 507.3

    Nitana ny finoan’ ny Jiosy mikasika ny fifandraisan’ ny fahotana sy ny fijaliana ny mpianatr’ i Kristy. Rehefa nanitsy ny hevi-disony Jesosy, dia tsy nohazavainy ny antony nahatonga ny fahoriandralehilahy fa nambarany taminy ny ho vokatr’ izany, satria haseho eo aminy ny asan’ Andriamanitra. «Raha amin’ izao tontolo izao Aho, hoy Izy, dia fahazavan’ izao tontolo izao». Ary rehefa nosorany ny mason’ ilay lehilahy jamba, dia nalefany izy hisasa any amin’ ny farihy Siloama, dia sitrana ny mason’ ilay lehilahy. Toy izany no namalian’ i Jesosy ny fanontanian’ ny mpianatra tamin’ ny fomba azo tsapain-tanana araka ny fomba mahazatra Azy rehefa misy mametraka fanontaniana taminy noho ny fitiavan-kahalala fotsiny. Tsy nantsoina hiady hevitra ny mpianatra ny amin’ izay nanota, na izay tsy nanota, fa nantsoina izy hahafantatra ny hery sy ny famindrampon’ Andriamanitra tamin’ ny nampahiratany ny jamba. Nazava fa tsy nisy hery mahasitrana teo amin’ ny fotaka na teo amin’ ny farihy izay nanirahana an’ ilay jamba hisasa, fa tao amin’ i Kristy ny hery.IFM 507.4

    Nahatalanjona ny Fariseo ity fahasitranana ity. Nefa vao mainka feno fankahalana noho ny teo aloha izy, satria natao tamin’ ny andro Sabata ny fahagagana.IFM 508.1

    Ny mpifanolobodirindrina tamin’ ilay tovolahy sy izay nahalala azy teo aloha fony izy jamba, dia niteny hoe : «tsy ity va ilay nipetraka nangataka?» Nisalasala izy nijery azy; rehefa nihiratra mantsy ny masony, dia niova ny endriny ka nihanazava ary toa olon-kafa izy. Nifindrafindra ny fanontaniana. Nisy nanao hoe : «Izy ity» ; ny sasany nanao hoe : «Tahaka azy ihany». Namaly ny fanontaniana ilay nandray fitahiana lehibe tamin’ ny nilazany hoe : «Izaho no izy». Dia nambarany azy amin’ izay ny amin’ i Jesosy, sy ny fomba nanasitranany azy, ary nanontany ireo hoe : «Aiza moa Izy ?» dia novaliany hoe : «Tsy fantatro».IFM 508.2

    Dia nentiny teo anatrehan’ ny filan-kevitry ny Fariseo izy. Nanontaniana an-dralehilahy indray ny fomba nampahiratra ny masony. «Dia hoy izy taminy : Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. Ary hoy ny Fariseo sasany : Tsy avy amin’ Andriamanitra izany lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy». Nanantena ny Fariseo fa hampiharihary ny mahampanota an’ i Jesosy, ary noho izany dia tsy Mesia Izy. Tsy fantatr’ izy ireo fa Ilay nanao ny Sabata ka mahafantatra ny tsy maintsy atao rehetra amin’ izany, no nanasitrana ilay jamba. Niseho ho mafana fo fatratra dia fatratra izy ny amin’ ny fitandremana ny Sabata, nefa namolavola drafitra hamonoana olona izy tamin’ iny andro iny indrindra. Betsaka kosa anefa no voahetsika mafy rehefa nandre ny amin’ ity fahagagana ity, ka resy lahatra fa mihoatra noho ny olon-tsotra Ilay nampahiratra ny mason’ ilay jamba. Ho valin’ ny fiampangana milaza fa mpanota Jesosy noho Izy tsy nitandrina ny Sabata, dia hoy izy hoe: «Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany ?»IFM 508.3

    Nantsoin’ ny raby indray ilay jamba : «Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy ? Dia hoy izy : Mpaminany Izy». Notoherin’ ny Fariseo tamin’ izay fa tsy teraka jamba izy ka nositranina. Nampanantsoiny ny ray aman-dreniny ka nanontaniany hoe : «Zanakareo moa ity izay lazainareo fa teraka jamba ?»IFM 508.4

    Ilay olona mihitsy no teo, nilaza fa jamba izy ary efa nahiratra izao ; nefa aleon’ ny Fariseo nandà izay tsapany sy hitan’ ny masony toy izay hanaiky ny fahadisoany. Mahery toy izany ny hevi-diso mibahana ao an-tsaina, ary mamitaka izaitsizy ny fahamarinan’ ny Fariseo.IFM 508.5

    Zavatra iray sisa no nantenain’ ny Fariseo, dia ny hampahatahotra ny ray aman-drenin-dralehilahy. Toa nadio fo erỳ izy ireo nanontany hoe : «Koa nahoana ary no nahiratany izao?» Natahotra ny hidi-kizo ny ray aman-dreniny ; efa nambara mantsy fa izay manaiky an’ i Jesosy ho Kristy dia «horoahina hiala amin’ ny Synagoga» ; izany hoe tsy mahazo miditra ny synagoga mandritra ny telopolo andro. Nandritra io fotoana io dia tsy nisy zaza azo noforana na faty azo nitomaniana tao an-tranon’ ilay nanao meloka. Noraisina ho toy ny antambo lehibe izany ; ary raha tsy mitarika ho amin’ ny fibebahana izany, dia hisy sazy mavesatra kokoa manaraka. Naharesy lahatra ny ray aman-dreniny ny asa lehibe natao ho an’ ny zanany, izao anefa no navaliny : «Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; fa tsy fantatray izay nahiratany izao ; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony ; izy ihany no anontanio ; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany». Nialany tamin’ izany fomba izany ny andraikitra rehetra ka nafindrany tamin-janany. satria tsy sahy niaiky an’ i Kristy izy.IFM 509.1

    Niharihary teo imason’ ny olona marobe, indrindra teo amin’ ny olon-tsotra ny zava-manahirana nisy ny Fariseo, dia ny fanontaniana napetrany sy ny hevitra nibahana tao am-pony, ny tsy finoany ny zava-misy momba io toe-javatra io. Matetika no efa nanao fahagagana niharihary teny an-dalambe Jesosy, ary fanamaivanana ny fahoriana mandrakariva no asa nataony. Ny fanontaniana tao an-tsain’ ny maro dia ny hoe : Andriamanitra ve hampanao asa mahery toy izao amin’ ny alalan’ ny mpisandaka. araka izay antitranterin’ ny Fariseo fa toetran’ i Jesosy ? Nafana dia nafana ny adihevitra teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany.IFM 509.2

    Hitan’ ny Fariseo fa nampahoraka ny asa nataon’ i Jesosy izy. Tsy azony nolavina ny fahagagana. Feno hafaliana sy fankasitrahana ilay lehilahy jamba; nibanjina ny zava-mahagaga eo amin’ ny voary izy, ka feno fahafinaretana nahita ny hankaton’ ny tany sy ny lanitra. Notantarainy tamin-kahalalahana ny fanandramany, ka niezaka ny hampangina azy indray ny Fariseo nanao hoe : «Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany». Izany hoe : aza averina intsony fa io Lehilahy io no nampahiratra anao ; Andriamanitra no nanao izany.IFM 509.3

    Namaly ilay jamba ka nanao hoe : «Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia, zavatra iray loha ihany no fantatro : jamba aho teo aloha, fa nahiratra aho izao».IFM 509.4

    Dia nanontany indray ireo hoe : «Inona no nataony taminao ? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?» Niezaka ny hampikorontana azy tamin’ ny alalan’ ny teny maro izy, mba hahazoany milaza fa very saina izy. Niandany tamin’ ny Fariseo i Satana sy ny anjeliny ratsy, ka nampiraisiny tamin-kafetsena tamin’ ny fomba fisainan’ olombelona ny heriny mba hoentimanohitra ny hery miasa mangina avy amin’ i Kristy. Nangeja ny finoana izay latsaka lalina tao amin’ ny saina maro izy ireo. Teo koa ny anjelin’ Andriamanitra nampahery an-dralehilahy izay nampahiratina ny masony.IFM 510.1

    Tsy tsapan’ ny Fariseo fa misy hafa noho ilay lehilahy teraka jamba tsy nahita fianarana no nifampikasoka taminy ; tsy fantany Ilay niadiany. Namirapiratra teo amin’ ireo efitrefitry ny fanahin’ ilay lehilahy jamba ny fahazavana. Raha niezaka ny hahatonga azy tsy hino ireto mpihatsaravelatsihy ireto, dia nanampy Azy Andriamanitra mba hanehoany, tamin’ ny fomba mahery vaika sy ny valinteniny mivantana, fa tsy voafandrika izy tsy akory. Namaly izy hoe : «Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino hianareo, nahoana no te-hihaino indray hianareo ? Moa te ho mpianany koa va hianareo ? Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe : Ialahy no mpianany, fa izahay mpianatr’ i Mosesy. Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra, fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay niaviany».IFM 510.2

    Fantatry ny Tompo Jesosy ny fitsapana mahamay izay nolalovan-dralehilahy ka nomeny fahasoavana sy fahafahana hiteny izy, hany ka nanjary vavolombelon’ i Kristy. Namaly ny Fariseo tamin’ ny teny izay fanomezan-tsiny mandratra an’ ireo mpanontany azy izy. Nilaza ny tenany ho mpanazava ny Soratra Masina izy ireo, ho mpitarika ara-pivavahana ny firenena; ity anefa misy Anankiray nanao fahagagana nefa dia manaiky ry zareo fa tsy mahalala ny loharanon’ ny heriny, sy ny momba ny toetra amam-panahiny ary ny momba izay lazainy ny amin’ ny tenany. «Mba mahagaga tokoa lahy izany ! hoy ralehilahy. Fa tsy fantatrareo izay niaviany — nefa nampahiratra ny masoko Izy. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa misy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona».IFM 510.3

    Ny toerana nisy ireo namotopototra azy ihany no nisetrandralehilahy azy. Tsy nisy iadian-kevitra ny fomba fisainany. Gaga ny Fariseo ka tsy nihetsika, finaritra tamin’ ny teny mivantana sy hentitra nataony. Nandritra ny fotoana fohy dia nisy fanginana.IFM 510.4

    Dia niketrona noho ny hatezerana ny handrin’ ny mpisorona sy ny raby ka nafintiny manodidina azy ny akanjony, toy ny matahotra sao haloto raha mikasika azy; nahintsany ny vovoka tamin’ ny tongony, ka nanao teny mafy niampanga azy : «Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va no mampianatra anay?» Dia noroahiny tsy ho an’ isan’ ny fiangonana izy.IFM 511.1

    Fantatr’ i Jesosy izay rehetra niseho; ary rehefa nahita azy Izy tao aoriana kely, dia hoy Izy : «Mino ny Zanak’ Andriamanitra va hianao ?»IFM 511.2

    Izao no voalohany nibanjinan’ ilay lehilahy jamba ny tavan’ ny Mpanavotra azy. Raha teo anoloan’ ny filan-kevitra izy dia nahita ny ray aman-dreniny sahiran-tsaina sy very hevitra; efa nahita koa ny endriky ny raby niketrona noho ny hatezerana izy ; izao ny Fijeriny dia nipetraka teo amin’ ny endrik’ i Jesosy — nitory fitiavana sy fiadanana. Efa nanao vy very izy tamin’ ny nanekeny Azy ho solontenan’ ny fahefan’ Andriamanitra, ary ankehitriny dia nomena fanambarana ambony kokoa izy.IFM 511.3

    Raha nanontany azy ny Mpamonjy hoe : «Mino ny Zanak’ Andriamanitra va hianao ?» dia namaly ralehilahy jamba tamin’ ny alalan’ ny fanontaniana hoe : «Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?» Ary hoy Jesosy taminy : «Efa nahita Azy hianao sady Izay miresaka aminao no Izy». Niankohoka teo an-tongotry ny Mpamonjy ralehilahy. Tsy ny masony ara-nofo ihany no sitrana, fa ny mason’ ny sainy koa nisokatra. Naseho tamin’ ny fanahiny Kristy, ka nandray Azy ho Ilay Irak’ Andriamanitra izy.IFM 511.4

    Nisy Fariseo vitsivitsy nivory teo akaiky teo, koa ny fahitan’ i Jesosy azy ireo dia niteraka tao an-tsainy ny fahasamihafana hita lalandava eo amin’ ny vokatry ny teniny sy ny asany. Hoy Izy : «Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra». Efa tonga Kristy hampahiratra ny mason’ ny jamba, hanome fahazavana ho an’ izay mipetraka ao amin’ ny haizina. Nanambara ny tenany ho fahazavan’ izao tontolo izao Izy, ary ny fahagagana vao nataony dia fanamarinana ny asa nanirahana Azy. Ny olona izay nahita ny Mpamonjy tamin’ ny fiaviany voalohany, dia nomena tombon-tsoa tamin’ ny fanehoana feno kokoa ny amin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, mihoatra noho izay tsy mbola niainan’ izao tontolo izao hatramin’ izay. Naseho tamin’ ny fomba feno kokoa ny fahalalana an’ Andriamanitra. Nefa teo amin’ io fanambarana io indrindra no nandalo teo amin’ ny olona ny fitsarana. Nosedraina ny toetra amam-panahiny, tapaka ny ho anjarany.IFM 511.5

    Ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra izay nanome fahiratana ara-nofo sy ara-panahy ilay jamba, dia namela ny Fariseo tao anatin’ ny haizina mikitroka kokoa. Nisy mpihaino an’ i Kristy nahatsapa fa nampiharina taminy ny tenin’ i Kristy, ka nanontany izy hoe : «Izahay koa va mba jamba ?» Namaly Jesosy hoe: «Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka». Raha nataon’ Andriamanitra ho tsy azonareo natao ny mahita ny fahamarinana, dia tsy hisy heloka ho anareo ny tsy fahalalanareo. «Nefa hoy hianareo ankehitriny : Mahiratra izahay». Mino ianareo fa afaka mahita, ka lavinareo ny hany fomba izay mety ahazoanareo mahita. Ho an’ izay rehetra mahatsapa ny fahantrany, dia tonga Kristy mitondra fanampiana tsy misy fetra. Tsy hiaiky ny fahantrany anefa ny Fariseo; nandà ny ho eo amin’ i Kristy izy ireo, ary hatreo dia navela tao amin’ ny fahajambany izy - fahajambana izay mahameloka ny tenany ihany. Hoy Jesosy : «Dia tsy afaka ny helokareo».IFM 512.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents