Toko 9—Adim-piainana teo amin’ny fahazazana
Hatramin’ ny taonany voalohany indrindra dia voahodidin’ ireo fitakian’ ny raby ny zaza Jiosy. Nisy lalàna henjana natao momba ny zavatra rehetra. hatramin’ ny antsipiriany madinika indrindra eo amin’ ny fiainana. Teo ambanin’ ny saokan’ ireo mpampianatra tao amin’ ny synagoga no nampianarana ny tanora momba ireo fitsipika tsy hita isa, izay noheverina fa tokony hankatoaviny amin’ ny maha-Isiraelita manaraka ny fomba fanao azy. Tsy mba nahaliana an’ i Jesosy anefa izany zavatra izany. Hatramin’ ny fahazazany dia tsy niankina tamin’ ireo lalàna nataon’ ny raby Izy. Ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha no nianarany lalandava, ary teo am-bavany mandrakariva ny teny hoe : «lzao no lazain’ i Jehovah».IFM 73.1
Rehefa nanomboka niharihary teo amin’ ny sainy ny toetoetry ny vahoaka nanodidina azy. dia hkany fa nifanohitra mandrakariva ireo fitakian’ ny fiaraha-monina sy ireo fitakian’ Andriamanitra. Niala tamin’ ny tenin’ Andriamanitra ny olona ka nanandratra laha-kevitra noforonin’ ny tenany ihany. Nanaraka fombam-pivavahana nentin-drazana izay tsy nisy hery izy ireo. Fanompoampivavahana tsy mahasoa akory no nataony; nafenina tamin’ ny mpivavaka kosa ireo fahamarinana masina izay notendrena hampianarin’ ireny fanompoam-pivavahana ireny. Hitan’ i Jesosy fa tsy nahita fiadanana ny olony tao amin’ ireo fanompoam-pivavahana tsy misy finoana ireo. Tsy fantany izany fahafahana ara-panahy ho tonga avy amin’ ny fanompoany an’ Andriamanitra amin’ ny fahamarinana. Tonga hampianatra ny dikan’ ny fanompoana an’ Andriamanitra Jesosy, koa tsy azony natao ny manaiky ny fampifangaroaroana ny fitakian’ ny olombelona amin’ ny fitsipik’ Andriamanitra. Tsy namelively ny fitsipikanomen’ ireo mpampianatra manam-pahaizana na ny fomba fanaon’ izy ireo Izy ; nefa kosa rehefa nisy nanome tsiny Azy noho ny fomba mahazatra tsotra teo Aminy, dia nasehohy ny tenin’ Andriamanitra ho fanamarinana ny fitondrantenany.IFM 73.2
Tamin’ ny fomba feno halemem-panahy sy fandeferana no niezahan’ i Jesosy hahafaly ireo izay nifampikasoka taminy. Satria nalemy fanahy Izy sady tsy be fanoherana, dia noheverin’ ireo mpanora-dalàna sy loholona fa hiasa mangina mora Aminy foana ny fampianaran’ izy ireo. Nampirisihiny Izy handray ireo teny fahendrena sy lovan-tsofina izay efa nampitain’ ireo raby taloha, nefa nanontanian’ i Jesosy azy ireo kosa ny fahefan’ izany araka ny Soratra Masina. Tiany ny nihaino ny teny rehetra mivoaka avy amin’ ny vavan’ Andriamanitra ; tsy azony ankatoavina kosa izay noforomporonin’ ny olona. Toa nahalala ny Soratra Masina hatrany amin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany Jesosy. ary nasehony ny tena maha-zava-dehibe izany. Menatra ny raby nampianarinjazakely. Nolazain’ izy ireo fa anjara asany ny manazava ny Soratra Masina. ary anjaran’ i Jesosy kosa ny manaiky ny fanazavana ataon’ izy ireo. Nahatezitra azy ny nijoroan’ i Jesosy hanohitra ny teniny.IFM 74.1
Fantany fa tsy misy fahefana mety ho hita ao amin’ ny Soratra Masina momba ireo lovan-tsofiny. Tsapany fa nihoatra lavitra azy ireo Jesosy raha ny fahalalany ny ara-panahy. Nefa dia tezitra izy ireo satria tsy nankatò ny lalàna nataony Izy. Tsy naharesy lahatra Azy izy ireo ka nitady an’ i Josefa sy Maria ary nasehony azy ireo ny toetrany tsy mety manaraka izay ampanaovina Azy. Noho izany dia niaritra faninitsiniana sy famaizana Izy.IFM 74.2
Hatramin’ ny faha-keliny indrindra Jesosy dia efa nanomboka niasa samirery ho famolavolana ny toetra amam-panahiny ary na dia ny fanajana sy ny fitiavany ny ray aman-dreniny aza dia tsy nampiala Azy tamin’ ny fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra. «Voasoratra hoe» : izany no anton’ ny fihetsiny rehetra izay tsy nitovy tamin’ ny fomba amam-panaon’ ny fianakaviany. Nampangidy ny fiainany anefa ny hery miasa mangina avy amin’ ny raby. Na dia teo amin’ ny fahatanorany aza dia nianatra ny lesona sarotra momba ny fanginana sy ny fahari-po Izy.IFM 74.3
Ireo rahalahiny, izany no niantsoana ireo zanak’ i Josefa, dia niandany tamin’ ireo raby. Nohantitranterin’ izy ireo fa tsy maintsy hankatoavina tahaka ny fitakiana nataon’ Andriamanitra ny lovan-tsofina. Noheverin’ izy ireo ho ambony lavitra noho ny tenin’ Andriamanitra aza ireo fitsipik’ olombelona, ary nahasorena azy mafy ny fahalalinan’ ny sain’ i Jesosy manavaka mazava ny diso sy ny marina. Ny fankatoavany hentitra ny lalàn’ Andriamanitra dia nomelohin’ izy ireo ka nolazainy fa ditra. Talanjona izy ireo nahita ny fahalalana sy ny fahendrena nasehony tamin’ ny namaliany ny raby. Fantany fa tsy nandray fampianarana avy tamin’ ireo olonkendry Izy, nefa tsy afaka ny tsy hahita izy ireo fa Jesosy no nampianatra azy ireo izao. Nekeny fa karazana ambony noho izay azon’ izy ireo ny fanabeazana noraisiny. Tsy hitany anefa fa afaka nanatona ny hazon’ aina Izy. dia ilay loharanom-pahalalana tsy mba fantatr’ izy ireo.IFM 75.1
Tsy nanavakavaka Kristy, koa nanafintohina ny Fariseo tamin’ ny fomba manokana Izy raha niala ireo fitsipika henjana nataon’ izy ireo momba izany. Ny nahitany ny fiainana ara-pivavahana dia voaefitrefitry ny fefy avo mampisaratsaraka. toa masina loatra ka tsy azo ampiharina amin’ ny fiainana andavanandro. Narodany ireny efitra fampisarahana ireny. Raha nifandray tamin’ ny olona Izy dia tsy nanontany hoe : Inona no finoanao ? Fiangonana aiza ianao ? Nampiasainy ho an’ izay rehetra nila ny fananipiany ny heriny afaka nanampy. Tsy nitokana tao amin’ ny efitra kely toy ny fanaon’ ny mpitoka-monina Izy mba hanehoany ny toetra amam-panahiny avy any an-danitra, fa niasa mafy sy tamin-kafanam-po ho an’ ny taranak’ olombelona. Nampidiriny ny foto-kevitra milaza fa tsy ny fampijaliana ny vatana akory no atao hoe fivavahan’ ny Baiboly. Nampianariny fa ny fivavahana madio sady tsy misy pentimpentina dia tsy natokana fotsiny ho amin’ ny fotoana voafaritra sy ny toe-javatra manokana. Nampiseho fitiavana liana ny amin’ ny olona hatrany lzy tamin’ ny toerana rehetra, ka nanaparitaka manodidina Azy ny lahazavana avy amin’ ny fitiavam-bavaka nitory hafaliana teo Aminy. Fanomezan-tsiny ho an’ ny Fariseo avokoa izany rehetra izany. Nasehon’ izany fa tsy fitiavan-tena tsy akory ny fivavahana, ary ny fitiavany mahery vaika zary aretina, ny tombon-tsoan’ ny tenany dia lavitry ny tena toe-panahy marina araka an’ Andriamanitra. Nampirongatra ny fandrafiany an’ i Jesosy izany, hany ka niezaka izy ireo hanery Azy hanaraka ny fitsipi-pitondrany.IFM 75.2
Niasa Jesosy hanamaivana ny fahoriana rehetra hitany. Tsy nanam-bola firy omena Izy, nefa matetika dia nahafoy ny tsy hihinan-kanina. mba hanamaivanany ny fahorian’ ireo izay hitany fa sahirana noho Izy. Tsapan’ ireo rahalahiny fa afaka manohitra marina ny hery miasa mangina avy amin’ izy ireo ny avy amin’ i Jesosy. Nanana fahaizana mifandray amin’ ny hafa izay tsy nananan’ izy rehetra Izy, na niriny hananana akory. Rehefa nanao teny henjana tamin’ ny mahantra sy ny olona mivarilavo izy ireo, dia notadiavin’ i Jesosy ireo olona ireo indrindra, ka nanaovany teny fampaherezana. Izay sahirana dia nomeny rano mangatsiaka iray kapoaka ary napetrany tamim-pahalemem-panahy teo an-tanan’ izy ireo ny anjara haniny. Raha nanamaivana ny fahorian’ izy ireo Izy, dia niaraka tamin’ ny asam-pamindrampo nataony ny fahamarinana nampianariny, koa noho izany dia tafalentika lalina tao an-tsain’ izy ireo izany.IFM 76.1
Nahasosotra ny rahalahiny avokoa izany rehetra izany. Zokin’ i Jesosy izy ireo ka nahatsapa fa tokony ho ambanin’ ny fifehezany Izy. Nampangainy ho nihevitra ny tenany ho ambony noho izy ireo Izy, ka nanome tsiny Azy satria nametraka ny tenany ho ambonin’ ny mpaminany, sy ambonin’ ny mpisorona ary ny mpifehy ny vahoaka. Matetika izy ireo no nandrahona sy nampitahotra Azy ; nefa dia tsy niraika tamin’ izany Izy fa ny Soratra Masina no nataony mpitarika Azy.IFM 76.2
Tia ny rahalahiny Jesosy ary nandray azy ireo tamin’ ny fahalemem-panahy tsy nety ritra ; nialona Azy anefa izy ireo ka naneho tsy finoana sy faniniana hentitra indrindra. Tsy nahafantatra marina ny amin’ ny fitondrantenany izy ireo. Nisy fifanoheranjavatra maro hitany tao amin’ i Jesosy. Sady Andriamanitra Zanak’ Andriamanitra Izy no zaza tsy manan-kery. Mpamorona an’ izao rehetra izao Izy, Azy ny tany, nefa ny fahantrana dia nanamarika ny fanandramana teo amin’ ny fiainana isaky ny indray mandingana. Nanana toetra mendrika sy nanana ny maha-Izy Azy miavaka tanteraka tamin’ ny avonavona sy ny fiheverana ara-nofo Izy ; tsy niady hahazo fahalehibeazana araka izao tontolo izao Izy ary afa-po na dia teo amin’ ny toerana ambany indrindra aza. Nahatezitra ny rahalahiny izany. Tsy hain’ izy ireo hazavaina ny nahatony Azy hatrany teo anatin’ ny fitsapana sy ny tsy fisiana. Tsy fantatr’ izy ireo fa tonga nahantra ho antsika Izy, «mba hampanankarena antsika ny alahelony» Tsy takatr’ izy ireo ny zava-miafina fonosin’ ny iraka nampanaovina Azy. toy ny tsy fahatakaran’ ireo sakaizan’ i Joba ny fietreny sy ny fijaliany.IFM 76.3
Diso ny fahafantaran» ny rahalahin’ i Jesosy Azy satria tsy tahaka Azy izy ireo. Tsy tarigetran’ izy ireo ny tarigetrany. Nijery olona izy ireo ka niala lavitra an’ Andriamanitra. ary tsy nanana ny heriny tao amin’ ny fiainany. Ny fombam-pivavahana izay narahany dia tsy afaka nanova ny toetra amam-panahiny. Nandoa ny «fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina izy», nefa navelany izay lehibe amin’ ny lalàna. dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana» Nanorisory azy mandrakariva ny ohatra nomen’ i Jesosy. Zavatra tokana no nankalialainy teto amin’ izao tontolo izao. dia ny fahotana izany. Tsy zakany ny mahita fihetsika ratsy ary nahatonga fahoriana tsy hainy nafenina izany. Tsy nisy nampisalasala ny fahasamihafana nisy teo amin’ ireo mpanaraka fomba ivelambelany izay nanarona ny fitiavany fahotana tamin’ ny endriky ny fahamasinana sy teo amin’ ny toetra amam-panahy izay nanao ny hafanam-po ho an’ ny voninahitr’ Andriamanitra ho ambony indrindra hatrany. Satria nanameloka ny ratsy ny fiainan’ i Jesosy, dia notoherina Izy tao an-tokantranony sy tany ivelany. Natao tiresaka sy fihomehezana ny tsy fiheverany ny tenany sy ny fahamarinan-toetrany. Nolazaina fa hakanosana ny faharipony sy ny halemem-panahiny.IFM 77.1
Tsy nisy izay tsy nandraman’ i Kristy ny zava-mangidy izay kapoaka anjaran’ ny taranak’ olombelona. Tao ireo izay nanamavo Azy noho ny fomba nahaterahany: ary na dia hatramin’ ny fahazazany aza dia tsy maintsy nisetra ny fijery maneso sy ny bitsibitsika manaratsy Izy. Raha namaly tamin’ ny tena na ny fijery nitory fahatezerana Izy. raha nilefitra tamin’ ireo rahalahiny Izy ka nanao fihetsika tsy mety na dia iray aza. dia tsy ho tanterany ny naha-ohatra tonga lafatra Azy. Noho izany dia tsy ho tanterany ny fanatontosana ny drafitry ny fanavotana antsika. Raha nekeny fotsiny aza ny hoe mety hisy fialan-tsiny amin’ ny fahotana, dia ho nandresy i Satana. ary ho very izao tontolo izao. Izany no antony niasan’ ilay mpaka fanahy ahatonga ny fiainany ho feno fanorisorenana araka izay azo atao. mba hahavoatarika Azy amin’ ny fahotana.IFM 77.2
Nefa valinteny tokana no nataony tamin’ ny fakam-panahy rehetra : «Voasoratia hoe . Mahalana no mba nitenenany ny zavatra tsy mety ataon’ ny rahalahiny, fa nanana teny avy amin’ Andriamanitra kosa Izy holazainy azy. Matetika no nampangaina ho kanosa Izy noho Izy nandà tsy hiaraka amin’ izy ireo amin’ ny zavatra tsy azo atao : «Voasoratra hoe», hoy anefa ny valinteniny. «Ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ ny ratsy no fahalalana»IFM 77.3
Tao ireo nitady ny fiarahana taminy, nahatsapa fiadanana teo anatrehany ; fa betsaka kosa no nandositra Azy, satria naninitsiny azy ireo ny fiainany tsy misy pentina. Nitaona Azy hanao ny fanaon’ izy ireo, ireo namany tanora Miramirana sady falifaly Izy ; ary nahita fifaliana tamin’ ny fanatrehany izy ireo. ka nandray tsara ireo sosokcvitra natolony ; nahasorena azy ireo anefa ny fanarahany ny feon’ ny fieritreretany, ary nolazainy fa tery saina sy be angeso Izy. Novalian’ i Jesosy hoe : Voasoratra hoe izany, «lnona no hiarovan’ ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fitandremana araka ny teninao», «Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako Aminao»IFM 78.1
Anontaniana matetika Izy hoe Nahoana lanao no miezaka hiavaka, tsy hitovy aminay rehetra Dia hoy Izy : Voasoratra hoe : «Sambatra ny mahitsy làlana. izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny leni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra ; eny, izay tsy manao ratsy, fa mandeha araka ny lalany»IFM 78.2
Rehefa anontaniana ny antony tsy hiarahany mikorana amin’ ny tanoran’ i Nazareta Izy. dia hoy Izy hoe : Voasoratra hoe : «Ny lalàn’ ny teny vavolombelonao no ifaliako, tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra. Ny didinao no hosaintsainiko ary hodinihiko ny lalànao, ny didinao no hiravoravoako, tsy hohadinoiko ny teninao» IFM 78.3
Tsy nitaky ny zony tamim-pahasarotana Jesosy. Matetika no sarotra, nefa tsy tokony ho izany akory ny asany satria vonona ny hanampy sy hanao izay hahafaly ny hafa Izy. Na izany aza anefa dia tsy rcraka Izy ary tsy nety kivy Nosetrainy. tahaka ny teo amin’ ny fahazavana avy amin’ ny tavan’ Andriamanitra ny zavatsarotra. Tsy namaly Izy rehefa anaovana toetra tsy zaka, fa nozakainy tamim-paharetana ny faniratsirana.IFM 78.4
Niverimberina ny fanontaniana Azy hoe : Nahoana lanao no milefitra amin’ ny fanaovana tsinontsinona toy izao, na dia avy amin’ ny rahalahinao aza ? Voasoratra hoe. hoy Izy : «Anaka. aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao. Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana ; afehezo eo am-bozonao izany, ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka, ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona hianao»IFM 78.5
Hatramin’ ny fotoan’ andro nahitan’ ny ray aman-drenin’ i Jesosy Azy tao amin’ ny tempoly dia zava-miafma ho azy ireo ny fihetsiny. Tsy fombany ny miditra amin’ ny adi-hevitra. nefa ahazoana lesona hatrany ny ohatra nomeny. Toa olona voatokana Izy. Ny ora nitondra fahasambarana indrindra ho Azy dia hitany tamin’ izy samirery teo amin’ ny zava-boahary niaraka tamin’ Andriamanitra. Isaka ny nanana izany tombon-tsoa izany Izy, dia nialany aloha ny toerana niasany ka nankany an-tsaha Izy, nieritreritra lalina tany amin’ ny lohasaha maitso. niray tamin’ Andriamanitra teny amin’ ny tendrombohitra na teny anivon’ ny hazo tao an’ ala. Matetika no hita tao amin’ ny toerana mangina Izy raha vao maraina be, nieritreritra lalina. nandinika ny Soratra Masina. na nivavaka. Rehefa avy nandany ireo ora feno fiadanana ireo Izy, dia niverina tany an-tokantranony mba handray ny adidiny indray sy hanome ohatra amin’ ny asa mafy natao tamim-paharetana.IFM 79.1
Nampiavaka ny fiainan’ i Kristy ny fanajana sy ny fitiavana ny reniny. Nino tao am-pony i Maria ta io zaza masina naterany io no Ilay Mesia nampanantenaina efa ela : nela tsy sahiny nambara ny finoany. Nandray anjara tamin’ ny fahorian-janany izy nandritra ny fiainany teto an-tany. Nalahelo izy raha nanatri-maso ny fitsapana nihatra tamin’ i Kristy teo amin’ ny tahazazany sy ny fahatanorany. Tafiditra teo amin’ ny toerana sarotra koa izy noho ny fiarovany izay fantany fa mety teo amin’ ny fitondrantenan’ i Kristy. Noheveriny fa tena zava-dehibe iankinan’ ny aina amin’ ny lamolavolana toetra amam-panahy ny fifandraisana ao an-tokantrano sy ny fanarahan’ ny reny maso amim-pitiavana ny zanany. Fantatr’ ireo zanakalahy sy zanakavavin’ i Josefa izany, koa niezaka ny hanitsy ny fomban’ i Jesosy hifanaraka tamin’ ny tarigetrany izy ireo tamin’ ny famohazana ny tebitebin’ i Maria.IFM 79.2
Matetika no nananatra an’ i Jesosy i Maria ka namporisika Azy hanaraka ny fomba amam-panaon’ny raby. Nefa tsy nety resy lahatra lzy hanova ny fahazarany tamin’ ny fandinihana ny hakanton’ ny asan’ Andriamanitra sy tamin’ ny fiezahany hanamaivana ny fahorian’ ny olona ary na dia ny fahorian’ ny biby tsy mahay miteny aza. Rehefa nangataka an’ i Maria hanampy azy amin’ ny fifehezana an’ i Jesosy ny mpisorona sy ny mpampianatra. dia sahirana mafy izy ; nefa tony ny fony rehefa nasehon’ i Jesosy azy ny tenin’ ny Soratra Masina izay nanamarina ny fomba fanaony.IFM 79.3
Indraindray dia tratran’ ny fisalasalana izy ny amin’ izay hombany na Jesosy na ireo rahalahiny, izay tsy nino fa Izy no Ilay Nirahin’ Andriamanitra. Betsaka anefa ny porofo mazava fa manana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra Izy. Hitany nanao sorona ny tenany hahasoa ny hafa Izy. Nitondra rivo-piainana madio kokoa tao an-tokantranony ny fanatrehany. ary zary masirasira tsara niasa teo amin’ ny fiaraha-monina ny fiainany. Tsy nanao ratsy Izy sady tsy voaloto raha nifanerasera tamin’ ny olona tsy miraika, mahery setra sy tsy mahay manaja, raha nandeha teo anivon’ ny mpamory hetra tsy marina, ny mpandanilany vola foana, ny samaritana tsy marina, ny miaramila jcntilisa. ny tantsaha mahery fihetsika sy ny vahoaka marobe mifangaro. Nilaza teny mitory fangorahana tetsy sy teroa Izy, raha nahita ny olona trotraky ny havizanana. nefa voatery hitondra enta-mavesatra. Niara-nitondra ny entany mavesatra Izy, ka naveriny taminy ireo lesona nianarany tamin’ ny zava-boahary, dia lesona momba ny fitiavana, ny fahalemem-panahy ary ny fahatsaran’ Andriamanitra.IFM 80.1
Nampianariny ny rehetra hihevitra fa nomena talenta sarobidy ny isam-batan’ olona, izay raha ampiasaina tsara dia hahazo harena maharitra mandrakizay ho azy. Nongotany toy ny ahi-dratsy hiala amin’ ny fiainany izay rehetra fireharehana ary nampianariny tamin’ ny ohatra nomeny fa samy mitondra vokatra ho amin’ ny mandrakizay ny fotoana rehetra ; fa tokony hankamamiana toy ny harentsarobidy ny fotoana rehetra ary ampiasaina ho amin’ ny fikasana masina. Tsy nisy olombelona noheveriny ho tsy misy vidiny, fa niezaka kosa lzy hampiasa ny fanafody antonona ny fanahy tsirairay. Na iza na iza niarahany dia nampisehoany lesona izay nifanaraka tamin’ ny fotoana sy ny toe-javatra nitranga. Niezaka Izy hampitsiry fanantenana tao amin’ izay mahery fihetsika sy tsy misy antenaina indrindra, ka nasehony teo anatrehany ny toky, fa mety ho tonga olona tsy manan-tsiny sy malemy fanahy izy, ka hahatratra toetra amam-panahy izay mitory ny maha Zanak’ Andriamanitra azy. Matetika Jesosy no nifanehatra tamin’ ireo izay tafiditra tao ambany fahefan’ i Satana, ary tsy nanan-kery hialana amin’ ny fandrika novelariny. Ny olona kivy, marary, tratry ny fakam-panahy sy lavo toy ireny dia nilazan’ i Jesosy teny feno fangorahana tena mamy, teny nilaina sy nety ho azo ny heviny. Nisy hafa koa nifanehatra taminy izay teo am-pitolomana mivantana tamin’ ilay fahavalon’ ny fanahy Nampahereziny haharitra ireny, ary nomeny toky fa handresy; eo anilany mantsy ny anjelin’ Andriamanitra ka hanome azy ny fandresena. Niaiky marina ireo izay nampiany toy izany fa azony atao ny mitoky tanteraka Aminy ; sady tsy hamadika ny tsiambaratelony izay naborany tao an-tsofiny be fitiavana Izy.IFM 80.2
Sady mpanasitrana ny vatana Jesosy no mpanasitrana ny fanahy koa. Nahaliana Azy rehefa mety ho fahoriana tsikariny, ary nampiononiny ny fanahy mijaly, satria balisama mampitony ny fo ny feony mahate ho tia. Tsy misy afaka nilaza fa nanao fahagagana Izy ; fa ny fahatsaram-panahiny kosa - dia ilay herim-pitiavana mahasitrana — dia nipololotra avy Aminy ho amin’ ny marary sy ny fadiranovana. Toy izany no niasany tamin’ ny fomba mangingina ho an’ ny vahoaka hatramin’ ny andron’ ny fahazazany. Ary izany no antony naneken’ ny olona marobe toy izany Azy tamim-pifaliana. rehefa nanomboka ny asany ampahibemaso Izy.IFM 81.1
Nandritra ny fahazazany. ny fahatanorany sy ny naha-lehibe Azy izany dia nanirery Jesosy. Tamim-pahadiovana sy toetra mahatoky no nanosihoseny ny famihazam-boaloboka irery, fa tsy mba nisy niaraka taminy ny avy tamin’ ny firenena na dia iray akory aza. Nitondra ny andraikitra mavesatra sy tsy zakan’ ny aina ho famonjena ny olona lzy. Fantany fa raha tsy misy fiovana hentitra eo amin’ ny foto-kevitra ijoroana sy ny zava-kendren’ ny taranak’ olombelona, dia ho very ny rehetra. Io no enta-mavesatra teo amin’ ny fanahiny ary tsy nisy olona na dia iray aza afaka nahalala ny lanjan’ entana nitambesatra taminy. Niredareda tao Aminy ny fikasana, koa notanterahiny ny zava-nokendreny tao amin’ ny fiainany, dia ny ho tonga fahazavan’ ny olona.IFM 81.2