Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 35—Mangina, mitsahara !

    Andro nisehoan-javatra maro teo amin’ ny fiainan’ i Jesosy izany andro izany. Teo amoron’ ny ranomasin’ i Galilia Izy no nanambara ny fanoharana voalohany nataony, ka nampiasa sary mahazatra ho enti-manazava indray amin’ ny vahoaka ny toetran’ ny fanjakany sy ny fomba hanorenany azy. Nampitoviany tamin’ ny asan’ ny mpamafy ny asan’ ny tenany ; ary tamin’ ny fitomboan’ ny voan-tsinapy sy ny asan’ ny masirasira amin’ ny fatran’ ny koba ny fitomboan’ ny fanjakany. Notantarainy tao amin’ ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ary ny harato tarihina ny fampisarahana farany ny tsara sy ny ratsy. Ny toetra sarobidy manatombo eo amin’ ny fahamarinana nampianariny dia nohazavainy an-tsary tamin’ ilay harena nafenina sy ilay perila sarobidy ; ary ny fanoharana momba ny tompon-trano dia nampianariny ny mpianany ny fomba tokony hiasany amin’ ny maha-solontenany azy.IFM 351.1

    Nandritra ny andro dia nampianatra sy nanasitrana Izy ; ary rehefa hariva, dia mbola nifanizina taminy ihany ny vahoaka. Nanompo azy ireo isan’ andro Izy ary zara raha niato kely hisakafoanana na hialana sasatra. Nahatonga ny asany ho mafy sy manahirana lavitra ny faniniana mifono hasomparana sy ny fanehoana diso nataon’ ny Fariseo ka nanenjehany Azy mandrakariva; ary rehefa hariva ny andro dia vizana indrindra Izy ka tapa-kevitra hitady izay hisintonany kely amin’ ny toerana mangina any am-pitan’ ny farihy.IFM 351.2

    Tsy hoe tsy nisy mponina tsy akory teo amin’ ny morony atsinananan’ i Genesareta, fa nisy tanàna ihany tetsy sy teroa ; nefa na dia izany aza dia toerana tsy misy mponina izy raha ampitahaina amin’ ny ilany andrefana. Jentilisa no betsaka tao mihoatra noho ny Jiosy ary tsy nifandray firy tamin’ i Galilia io tany io. Tao izany no toerana nahazoana mitokana notadìavin’ i Jesosy, ka nibaiko ny mpianany Izy hiaraka Aminy ho any.IFM 351.3

    Rehefa nampirava ny vahoaka Izy dia nentin’ ny mpianatra tamin’ izao ihany ny sambokely nitondra an’ i Jesosy ka nampandehaniny haingana. Tsy nandeha irery anefa izy ireo. Nisy koa sambon’ ny mpanarato hafa teo amoron-drano, ary vetivety ireo dia feno olona nanaraka an’ i Jesosy, izay naniry ny mbola hahita sy hihaino Azy.IFM 352.1

    Nony farany dia afaka tamin’ ny faneren’ ny vahoaka Azy Jesosy ary resin’ ny havizanana sy ny hanoanana, ka nitsotra tao amin’ ny vodi-sambo ary vetivety dia natory. Tony sy nahafinaritra ny andro iny hariva iny, ary tsy nihetsika ny farihy. Tsy tapitapitr’ izay anefa dia nandrakotra ny lanitra ny haizina, nifofofofo tsy hay notohaina ny rivotra avy tany amin’ ny lohasaha teny amin’ ny tendrombohitra ka namely ny morona atsinanana ary niantefa tamin’ ny farihy ny tafiodrivotra masiaka. 1Jereo Mat. 8 :23, 24; Mar.4 : 35-41 ; 1-20; Lio.8: 32-39.IFM 352.2

    Nilentika ny masoandro, ary nandrakotra ny ranomasina nisamboaravoara ny haizin’ ny alina. Toy ny voavelin’ ny karavasin’ ny rivotra mitoreo mafy ny onja, ka romotra ary miantonta mafy amin’ ny sambon’ ny mpianatra, sy mandrahona ny hitelina azy mihitsy. Nandany ny fiainany teo amin’ ny farihy ireto mpanarato efa zatra ady, ary efa nitondra ny sambokeliny tody soamantsara nanavatsava tafiotra maro; izao anefa tsy misy dikany ny heriny sy ny fahaizany. Tsy nanan-kery izy tao anatin’ ny vahohon’ ny tafiotra, ary very ny fanantenany rehefa hitany fa feno rano ny sambony.IFM 352.3

    Variana niezaka hamonjy ny tenany izy ka adinony fa tao anaty sambo Jesosy. Rehefa hitany anefa fa tsy nisy vokany ny asany, ary fahafatesana ihany no nanoloana azy, dia tsaroany Ilay nibaiko azy hiainga ka hamaky ny ranomasina. Teo amin’ i Jesosy ny hany fanantenana ho azy. Tao amin’ ny fahatsapany fa tsy hahavita na inona na inona izy sy tratran’ ny fahakiviana, dia niantsoantso hoe : «Tompo ò ! Tompo ò !» Nanakona Azy tsy ho eo imason’ izy ireo anefa ny haizina mikitroka. Safotry ny fitreron’ ny tafiotra ny feony ary tsy nisy valin-teny azony. Namely azy ny fisalasalana sy ny tahotra. Nandao azy ve Jesosy ? Tsy manan-kery hanampy ny mpianany ve ankehitriny Ilay naharesy ny aretina sy ny demonia, ary na dia ny fahafatesana aza ? Tsy raharahainy ve ny fahoriany ?IFM 352.4

    Niantso indray izy, nefa tsy nisy valiny afa-tsy ny fifofofofon’ ny rivotra misafoaka. Efa ho rendrika ny sambo. Kely sisa dia toa ho voatelin’ ny rano misafoaka izy ireo.IFM 353.1

    Tsy tapitapitr’ izay dia nisy tselatra nanagorobaka ny haizina tamin’ ny hazavany, ka tazan’ ny mpianatra Kristy renoky ny tory, tsy voahelingelin’ ny fisavoritahana. Sady gaga izy ireo no kivy ka niantso hoe : «Mpampianatra Ò, tsy mampaninona anao va izao hahafatesanay izao?» Ahoana no ahazoany miala sasatra amimpiadanana toy izao, nefa tandindomin-doza sy miady amin’ ny fahafatesana izy ireo ?IFM 353.2

    Nanaitra an’ i Kristy ny antsoantsony. Hitan’ ny mpianatra tamin’ ny fahazavan’ ireo tsela-baratra mitsoriandriaka ny fiadanan’ ny lanitra teny amin’ ny salovan-tavany ; hita taratra teo amin’ ny fijeriny ny fitiavana manadino tena, feno halemem-panahy, ka nitodika tany Aminy tamin’ ny fony rehetra izy ireo niantso hoe : «Tompoko, vonjeo fa maty izahay».IFM 353.3

    Na oviana na oviana, tsy mbola nisy fanahy iray niantso toy izany ka tsy nohenoina. Raha nivoy mafy nanao fara-ezaka ny mpianatra, dia nitsangana Kristy. Nijoro teo afovoan’ ny mpianany Izy, ny rivo-mahery amin’ izany mbola mifofofofo ihany, ny onjandrano miantontatonta, ary ny hazavan’ ny tselatra mifanesy nahitana ny toetran’ ny endriny. Nanandratra ny tanany Izy, dia ilay tanana nampiasaina matetika hanao asam-pamindrampo, ka niteny ny ranomasina nisafoaka hoe : «Mangina, mitsahara !» IFM 353.4

    Nijanona ny tafio-drivotra. Nalefaka sady tony ny onjan-drano. Nisinda ny rahona ka lasa ary namirapiratra indray ny kintana; ary indro nisosa nilamina teo amin’ ny ranomasina ny sambo. Nitodika tamin’ ny mpianany Jesosy ka nanontany azy tamin’ alahelo hoe : «Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo ?» 2Marks.4:40IFM 353.5

    Nangina ny mpianatra. Na dia i Petera aza tsy sahy nanandrana hampiseho ny tahotra ombam-panajana nameno ny fony. Notandindomin-doza tahaka ny mpianatra koa ireo sambo izay niainga hanaraka an’ i Jesosy. Horohoro sy fahakiviana no nameno ireo olona tao anatiny ; nefa nitondra fahatoniana teo amin’ ny sehatra nisehoan’ ny korontana ny baikon’ i Jesosy. Nampifanakaiky ny sambo ny fisafoakin’ ny rivotra, ka samy nahita ny fahagagana izy rehetra. Hadino ny tahotra nony tonga ny fahatoniana manaraka. Nifampibitsibitsika ny olona nanao hoe : «Lehilahy manao ahoana re lo, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy ?»IFM 354.1

    Tony tanteraka Jesosy raha nofohazina tao anatin’ ny tafiodrivotra. Tsy nisy sombin-tahotra kely akory hita soritra tao amin’ ny fijeriny, satria tsy nisy tahotra tao am-pony. Nefa tsy niankina tamin’ ny fananany hery tsitoha Izy. Tsy ny maha-Tompon’ ny tany sy ny ranomasina ary ny lanitra Azy «no nialany sasatra tamimpiadanana. Iny fahefana iny dia napetrany ary ny tenany mihitsy no nanambara hoe : «Raha Izaho dia tsy mahay manao na inona na inona»3Jao.5;30. Natoky ny herin’ ny Rainy Izy. Tamin’ ny finoana, dia ny finoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fikarakarany Azy, no niankinan’ i Kristy ary ny herin’ Andriamanitra no nampitsahatra ny tafio-drivotra.IFM 354.2

    Tahaka ny niankinan’ i Kristy tamin’ ny finoana ny fikarakaran’ ny Rainy, no tokony hiankinantsika koa amin’ ny fikarakaran’ ny Mpamonjy antsika. Raha mba natoky Azy ny mpianatra, dia ho voaaro ka ho nitoetra tao amin’ ny fiadanana. Fa ny tahotra nasehony tamin’ ny fotoana nisian’ ny loza dia nampiharihary ny tsy finoany. Nahatonga azy hanadino an’ i’ Kristy ny fiezahany hamonjy tena. Ary tsy afaka namonjy azy Kristy raha tsy nitodika tany Aminy izy ireo tao amin’ ny famoizam-pony noho ny fiankinany tamin’ ny tenany.IFM 354.3

    Impiry impiry moa no manao izany fanandraman’ ny mpianatra izany koa isika. Rehefa mitambatra ny tafiotry ny fakam-panahy, ka masiaka ny tsela-baratra, ary mifaoka antsika ny onjan-drano, dia miady irery amin’ ny tafiotra isika, ary manadino fa ao Ilay Anankiray afaka hanampy antsika. Matoky ny herin’ ny tenantsika isika vao mahatsiaro an’ i Kristy, nefa raha miantso azy hamonjy antsika isika dia tsy hiantso foana tsy akory. Na dia manome tsiny amin’ alahelo ny tsy finoantsika sy ny fahatokiantsika tena aza Izy, dia tsy maintsy omeny antsika ny fanampiana ilaintsika. Na an-tanety na an-dranomasina, dia tsy misy tokony hatahorantsika, raha ao am-pontsika ny Mpamonjy. Hampitony ny ranomasin’ ny fiainana ny finoana velona ny Mpanavotra, ka hanafaka antsika amin’ ny loza eo amin’ ny lalana izay fantany ho tsara indrindra hizorantsika.IFM 354.4

    Misy lesona ara-panahy hafa koa eo amin’ ity fahagagana nampitsaharany ny tafio-drivotra ity. «Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara. . . . Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitra»4Isaia. 57 : 20. 21. Nanapotika ny fiadanantsika ny fahotana. Raha mbola tsy milefitra ny «izaho», dia tsy mety mahita fiadanana isika. Tsy misy herin’ olombelona afaka hifehy ireo fironana manjaka ao am-po. Tahaka ny mpianatra, dia tsy manan-kery hampitony ny tafiotra mifofofofo isika. Nefa Ilay nampitony ny onjan-dranomasin’ i Galilia, dia efa nanao teny mitondra fiadanana ho an’ ny fanahy tsirairay avy. Na masiaka toy inona aza ny rivotra, dia ho afaka amin’ izany izay rehetra mitodika eo amin’ i Kristy ka miantso hoe : «Tompo ò, vonjeo izahay». Ny fahasoavany izay mampihavana ny fanahy amin’ Andriamanitra. no mampitony ireo fironana mifandrirotra ao amin’ ny olona, ka hahitan’ ny fo fiadanana ao amin’ ny fitiavany. «Nampitony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany ; ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy»5Sal. 107 : 29.30. «Satria efa nohamarinina tamin’ ny finoana isika. dia manana fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika». «Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay»6Rom. 5 : 1 ; Isa 32:17.IFM 355.1

    Vao maraina koa ny andro dia tonga teo amoron-drano ny Mpamonjy sy ireo mpiara-dia taminy. ka ny fitahiana mitondra fiadanan’ ny fahazavan’ ny masoandro niposaka teo amin’ ny ranomasina sy ny tany. Nefa vao nidina teo amin’ ny tora-pasika Izy, dia zavatra mahatsiravina noho ny fisafoakin’ ny tafiotra no nitsena ny fijeriny. Nirohotra nankeo Aminy tahaka ny handrotika Azy ny olona roa very saina avy tamin’ ny toerana miafina any anatin’ ny fasana. Nikirazorazo teny aminy ny gadra tapaka tamin’ izy nandositra ny tranomaizina nametrahana azy. Rotidrotika sy naratra ny tenany izay izy ihany no nitetika azy tamin’ ny vato maranitra. Nanjopiaka avy tao anatin’ ny volony lava sy misavoritaka ny masony ; ny endriky ny maha-olombelona mihitsy no efa voakosoky ny demonia tao aminy, ary toy ny bibidia fa tsy olona no fijery azy.IFM 355.2

    Nihorohoro ny mpianatra sy ny mpiara-dia taminy ka nandositra, nefa rehefa afaka kelikely dia tsikariny fa tsy niaraka taminy Jesosy, ka nitodika izy nijery Azy. Nijanona teo amin’ ny toerana nandaozany Azy ihany Izy. Ilay nampitony ny tafio-drivotra, Day nifanehatra tamin’ i Satana ka naharesy azy, dia tsy mba nandositra teo anoloan’ ireo demonia ireo. Rehefa nanatona azy ireo demoniaka, nihidy vazana sy nandoa vory, dia natsangan’ i Jesosy ny tanany izay efa nibaiko ny onjan-drano hitsahatra, ka tsy afaka nanakaiky ireo olona ireo. Romotra izy, nefa tsy nanan-kery teo anatrehany.IFM 356.1

    Notenenin’ i Jesosy tamim-pahefana hivoaka tamin’ izy ireo ny fanahy maloto. Nanagorobaka ny sain’ ireto olona mahantra efa voasaron’ ny haizina ny teniny. Tsapany manjavozavo fa afaka hamonjy azy amin’ ny fampahorian’ ny demonia Day teo anilany. Niankohoka teo an-tongotry ny Mpamonjy izy ; nefa rehefa nisokatra ny vavany hitalaho famindrampo, dia niteny tamin’ ny alalany ny demonia, ka nikiakiaka mafy hoe : «Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ò! Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy».IFM 356.2

    Nanontany azy Jesosy hoe : «Iza moa no anaranao ?» Ary izao no navaliny : «Legiona no anarako, satria maro izahay». Nampiasainy ho mpanelanelana hanambata ny tenany ireo olona mahantra ireo ka niangaviany tsy hamoaka azy any ivelan’ ny tanàna Jesosy. Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny akaikin’ ny tendrombohitra. Nangataka ny havela hiditra ao amin’ izy ireo izy ka neken’ i Jesosy izany. Avy hatrany dia nandositra noho ny tahotra ny andiankisoa. Nitratrevatreva toy ny romotra teny amin’ ny hantsana izy ireo ary tsy tafajanona teo amoron’ ny rano fa lasa nivarina tany anatin’ ny farihy, ka maty.IFM 356.3

    Tamin’ izany fotoana izany dia nisy fiovana mahagaga teo amin’ ireo demoniaka. Namirapiratra tao an-tsainy indray ny fahazavana. Hita taratra teo amin’ ny fijeriny ny fifohazan’ ny sainy. Ny tarehiny efa simba ela sy naka ny endrik’ i Satana dia nanjary nalemy fanahy tampoka, ary ireo tanana nihosin-dra dia nanjary nipetraka tsara. Dia nanokatra ny vavany hidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo feno fifaliana izy roa lahy noho ny fahafahany.IFM 356.4

    Hitan’ ireo mpiandry kisoa avy teny an-kavoana izay rehetra nitranga ka lasa izy niolomay nilaza ny vaovao tamin’ ny mpampiasa azy sy tamin’ ny vahoaka rehetra. Natahotra sy talanjona ny mponina rehetra ka nirohotra nitsena an’ i Jesosy. Nampihorohoro ny tanàna ireo demoniaka roa lahy ireo. Tsy nisy afaka nandalo teo amin’ ny toerana nisy azy ka tsy niharan-doza, fa nitratrevatrevany ny mpandalo rehetra noho ny haromotan’ ny demonia tao anatiny. Nanjary nitafy lamba ireo olona ireo sady vory saina tsara, nipetraka eo an-tongotr’ i Jesosy, nihaino ny teniny ka nanome voninahitra an’ Ilay nanasitrana azy. Tsy nahafaly ny vahoaka anefa ny fahitana izao toe-javatra izao. Lehibe kokoa taminy ny fahaverezan’ ny kisoa noho ny fahafahan’ ireto babon’ i Satana.IFM 356.5

    Famindrampo ho an’ ireo tompon’ ny kisoa ny namelana io fatiantoka io hihatra taminy. Variana tamin’ ny zavatry ny tany izy ka tsy niraharaha ny tombon-tsoa lehibe teo amin’ ny fiainana arapanahy. Nirin’ i Jesosy ny hanapaka ny fanangolen’ ny tsy firaihana feno fitiavan-tena nianjady taminy, mba ahazoany manaiky ny fahasoavany. Nefa nanajamba ny masony tsy hahita ny famindrampon’ ny Mpamonjy ny alahelony sy ny fahatezerany vokatry ny fatiantoka ara-nofo.IFM 357.1

    Nampifoha ny finoanoam-poana teo amin’ ny vahoaka ny fisehoan’ ny hery lehibe lavitra noho izay hita amin’ ny zavaboary ka niteraka tahotra tao aminy. Mety hisy koa angamba antambo hafa mety hitranga raha mbola eo aminy ity Vahiny ity. Nampahatahotra azy ny fahavoazany ara-bola ka nanapa-kevitra izy hampiala Azy tsy ho eo anatrehany. Notantarain’ ireo izay namaky ny farihy niaraka tamin’ i Jesosy izay rehetra nitranga ny alin’ iny : ny loza nananontanona azy tao amin’ ny tafio-drivotra, sy ny fomba nampitonena ny rivotra sy ny ranomasina. Tsy nisy vokany anefa ny teniny. Nihorohoro ny vahoaka nanodidina an’ i Jesosy ka nitalaho taminy izy mba hiala tsy ho eo aminy, koa dia nekeny izany, ary niditra tao an-tsambo indray Izy ka nankany amin’ ny moron-drano teny am-pita.IFM 357.2

    Nanoloana ny mponina tao Gadarena ny porofo velona ny amin’ ny herin’ i Kristy sy ny famindrampony. Hitany ireo lehilahy izay efa nositranina ka niverina tamin’ ny sainy ; natahotra loatra izy ndrao dia hidiran-doza ny tombon-tsoany ara-nofo, ka nataony ho mpanelingelina Ilay naharesy ny andrianan’ ny haizina teo imasony, ary nesoriny tsy ho eo am-baravarany Ilay Fanomezan’ ny lanitra. Tsy manana fotoana ahazoana miala tsy ho eo amin’ ny tenan’ i Kristy tahaka ny mponina tany Gadarena isika; nefa mbola betsaka no mandà tsy hankatò ny teniny, satria ny fankatoavana dia midika ho fahafoizana tombon-tsoa sasan-tsasany araka izao tontolo izao. Raha hitarika fatiantoka ara-bola ny fanatrehany, dia betsaka no hitsipaka ny fahasoavany, ka handroaka ny Fanahiny tsy ho eo aminy.IFM 357.3

    Hafa lavitra anefa ny zavatra tsapan’ ireo demoniaka sitrana. Niriny ny hiara-dia amin’ ny Mpanafaka azy. Tsapany fa raha eo anatrehany mandrakariva Izy dia azo antoka tsy hiverina eo aminy intsony ny demonia izay efa nampitondra fahoriana ny fiainany, sy nanimba ny maha-olona azy. Rehefa niondrana an-tsambo Jesosy, dia nijanona teo akaikiny izy ireo, nandohalika teo an-tongony ka nangataka Azy hitana azy ireo ho eo akaikiny, mba hahazoany mandre mandrakariva ny teniny. Nibaiko azy anefa Jesosy hody, ary hilaza ny zava-dehibe efa nataon’ ny Tompo ho azy.IFM 358.1

    Misy asa tokony ataony eo, dia ny handeha any amin’ ny tokantrano jentilisa, ka hilaza ny fitahiana efa noraisiny tamin’ i Jesosy. Mafy tamin’ izy ireo ny ho tafasaraka tamin’ ny Mpamonjy. Azo antoka fa hisy zava-tsarotra lehibe miandry azy amin’ ny fikambanany amin’ ny mpiray tanindrazana jentilisa aminy. Ny fisarahany ela tamin’ ny mpiara-monina taminy koa toa nahatonga azy tsy hanana fahamendrehana hanao ny anjara asa tokony ataony. Nefa raha vao notondroin’ i Jesosy ny adidiny dia vonona ny hankatò izy. Tsy ny ankohonany sy ny mpifanolobodirindrina taminy ihany no nilazany ny momba an’ i Jesosy, fa nandeha nitety an’ i Dekapolisy izy nanambara hatraiza hatraiza ny heriny mamonjy, ka notantarainy ny nanafahany azy tamin’ ny demonia. Tamin’ ny nanaovany io asa io no nandraisany fitahiana lehibebe kokoa, toy izay nijanona teo anatrehany. ka tsy nandray tombon-tsoa afa-tsy ho an’ ny tenany ihany. Amin’ ny asa ataontsika hanaparitaka ny vaovao mahafalin’ ny famonjena no mety hahatonga antsika ho eo akaikin’ ny Mpamonjy indrindra.IFM 358.2

    Ireo demoniaka sitrana ireo no misionera voalohany nirahin’ i Kristy hitory ny Filazantsara tao amin’ ny faritanin’ i Dekapolisy. Fotoana fohy fotsiny ihany no nananan’ ireo olona ireo tombon-tsoa hihainoana ny fampianaran’ i Kristy. Tsy nisy akory toriteny iray avy amin’ ny vavany ren’ ny sofiny. Tsy afaka nampianatra ny vahoaka tahaka ny azon’ ny mpianatra natao, izay niaraka tamin’ i Kristy isan’ andro izy ireo. Teo amin’ ny tenany mihitsy anefa no nitondrany ny porofo mazava fa Jesosy no Mesia. Afaka nilaza izay fantany izy, izay efa hitany sy reny, ary tsapany ny amin’ ny herin’ i Kristy. Izany no asan’ izay rehetra manana fo voatohin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.IFM 358.3

    Izao no nosoratan’ i Jaona, ilay mpianatra malala : «Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay, efa notsapain’ ny tànanay, dia ny amin’ ny Tenin’ ny Fiainana ; . . . Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo»1Jaona 1 : 1-3. Amin’ ny maha-vavolombelona ho an’ i Kristy antsika, dia tokony hilaza izay fantatsika isika, izay eta hitan’ ny tenantsika sy re ary tsapa. Raha nanaraka an’ i Jesosy isaka ny indray mandingana isika, dia hanana zavatra masaka tsara holazaina momba ny lalana izay nitarihany antsika. Azontsika lazaina ny tomba nahatanterahan’ ny teny fikasany teo amintsika, ka nahitantsika fa marina izany. Azontsika atao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ izay fantatsika momba ny fahasoavan’ i Kristy. Hampiseho izany no iantsoan’ ny Tompo antsika, fa raha tsy misy izany dia ho very izao tontolo izao.IFM 358.4

    Na dia tsy nandray an’ i Jesosy aza ny mponina tany Gerasena, dia tsy navelan’ i Jesosy tao amin’ ny haizina izay nofidiny izy. Tsy mbola nandre ny teniny akory izy ireo dia nibaiko Azy hiala teo aminy. Tsy fantany mihitsy Izay nolaviny. Na dia izany aza dia nalefany taminy indray ny fahazavana, ary tamin’ ny alalan’ ireo izay tsy ho laviny ny hihaino azy.IFM 359.1

    Tamin’ ny nahafatesan’ ny kisoa no nikasan’ i Satana ny hampiodina ny vahoaka hiala amin’ ny Mpamonjy, ka hanakana ny fitoriana ny Filazantsara tao amin’ io faritra io. Io toe-javatra io indrindra anefa no nampifoha ny faritany manontolo ka tsy misy fomba hafa nahavitana toy izany, ary koa nitarika ny saina ho amin’ i Kristy. Na dia lasa aza ny tenan’ ny Mpamonjy, dia nitoetra teo ny olona izay nositraniny, ka nijoro ho vavolombelon’ ny heriny. Ireo izay nampiasain’ ny andrianan’ ny haizina ho mpanelanelana dia nanjary fantson’ ny fahazavana sy mpitondra hafatry ny Zanak’ Andriamanitra. Talanjona ny olona nandre ny vaovao mahagaga. Nisy varavarana mivoha ho an’ ny Filazantsara nanerana io faritany io. Rehefa niverina tany Dekapolisy Jesosy. dia nirohotra nanatona Azy ny olona, ka nandritra ny hateloana dia tsy ny mponina tao amin’ ny tanàna iray ihany, fa an’ arivony avy tamin’ ny faritra manodidina, no nandre ny hafatry ny famonjena. Na dia ny herin’ ny demonia aza dia teo ambanin’ ny fanaraha-mason’ ny Mpamonjintsika, ka azony fehezina hitondra soa ny asa ratsy ataony.IFM 359.2

    Nisy lesona ho an’ ny mpianatra iny fihaonana tamin’ ny demoniaka tany Gerasena iny. Asehony ny halalin’ ny fitotonganan’ ny toetra izay tadiavin’ i Satana hanjakana, sy ny fikasany hitarihana ny taranak’ olombelona manontolo; nibaribary kosa ny asa nanirahana an’ i Kristy hanafaka ny olona amin’ ny heriny. Ireo olona mahantra ireo, izay nipetraka teo am-pasana, nohandevozin’ ny firehetam-po tsy voafehy sy ny filana ambany maharikoriko, ireo no mampiseho izay ho nanjo ny taranak’ olombelona raha navela teo ambanin’ ny fanapahan’ i Satana izy. Miasa mandrakariva amin’ ny olona ny hery miasa mangina avy amin’ i Satana mba hanary dia ny nofo, hifehy ny saina ho amin’ ny ratsy, ary hamporisika ho amin’ ny herisetra sy ny heloka bevava. Mampahaosa ny vatana izy, manamaizina ny saina ary manambany ny fanahy. Na oviana na oviana ny olona no mandà ny antson’ ny Mpamonjy, dia mampilefitra ny tenany amin’ i Satana izy. Marobe no manao izany ankehitriny eo amin’ ny lafiny rehetra : na amin’ ny fiainana, na ao an-tokantrano, na ao amin’ ny asa aman-draharaha, ary na dia ao amin ny fiangonana aza. Noho izany no mahatonga ny herisetra sy ny heloka bevava hanerana ny tany; ary ny haizina eo amin’ ny ara-pitondrantena no manarona ny fonenan’ ny olona tahaka ny voaly maintin’ ny fahafatesana. Amin’ ny alalan’ ny fakam-panahy fetsy indrindra ataon’ i Satana no nitarihany ny olona ho amin’ ny ratsy mihaloza hatrany hatrany, mandra-pahatongan’ ny fahalotoana sy ny fandringanana tanteraka ho vokatr’ izany. Ny hany fiarovana azo antoka amin’ ny heriny dia hita eo amin’ ny fanatrehan’ i Jesosy. Teo anatrehan’ ny olona sy ny anjely i Satana no naseho ho fahavalon’ ny olona sy mpamono azy ; Kristy kosa dia sakaizan’ ny olona sy mpanafaka azy. Hampitombo izay rehetra hanandratra ny toetra amam-panahy sy hahamendrika ny mahanofo ao amin’ ny olona ny Fanahiny. Hanangana ny olona ho voninahitr’ Andriamanitra ao amin’ ny tena sy ny saina ary ny Fanahy Izy. «Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena»82 Tim. 1 : 7. Niantso antsika Izy hahazo «ny voninahitra» — dia ny toetra amam-panahin’ i Kristy Jesosy Tompontsika. «Niantso antsika Izy «hitovy endrika amin’ ny Zanany»92 Tes. 2 : 14 ;Rom. 8:29.IFM 359.3

    Ary ny fanahy izay nitotongana ho fitaovan’ i Satana, dia mbola amin’ ny alalan’ i Kristy ihany no hanovana azy ho mpitondra hafatry ny fahamarinana, ka irahin’ ny Zanak’ Andriamanitra mba hilaza «ny zava-dehibe nataon’ i Jehovah ho azy, sy ny namindrany fo taminy».IFM 360.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents