Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 20—Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo

    Nitondra ny tatitra momba ny asa mahagaga nataon’ i Jesosy ireo olona niverina tany Galilia izay avy nanatrika ny Paska. Ny faninian’ ireo lehibe sy mpitondra tany Jerosalema momba ny asa nataon’ i Jesosy dia nanokatra ny lalany tany Galilia. Betsaka ny vahoaka no nitaraina ny amin’ ny zavatra tafahoatra tao amin’ ny tempoly, ny amin’ ny fitiavan-karena sy ny avonavona nireharehan’ ny mpisorona. Nanantena izy ireo fa ity lehilahy ity, izay nampandositra ny mpanapaka, dia azo antenaina ho Ilay Mpanafaka. Tonga izao ny vaovao izay toa manamafy ny zavatra mamirapiratra indrindra niheverana Azy. Nolazain’ ny tatitra fa efa nanambara ny tenany ho Mesia ilay mpaminany.IFM 195.1

    Tsy nino azy anefa ny mponina tao Nazareta. Noho io antony io, dia tsy namangy an’ i Nazareta Jesosy raha nankany Kana. Nambaran’ ny Mpamonjy tamin’ ny mpianany fa tsy misy mpaminany manandaza eo amin’ ny taniny. Araka izay azon’ ny olona entina mankasitraka no ankasitrahany ny tena amin’ ny toetra amam-panahy. Ny nahaterahany feno fietrena, ny fitafiany tsotra, sy ny asa fanaony andavanandro, no nitsaran’ ireto olona tery saina sy araka an’ izao tontolo izao an’ i Kristy. Tsy hainy ny mankasitraka ny fahadiovan’ io fanahy io izay tsy voakasiky ny fahotana.IFM 195.2

    Vetivety dia niparitaka nanerana an’ i Galilia ny vaovao momba ny fiverenan’ i Kristy tao Kana ka nitondra fanantenana ho an’ ny mijaly sy ny tra-pahoriana. Tao Kapernaomy dia nisy andriandahy jiosy iray izay tandapan’ ny mpanjaka nanan-janakalahy voan’ ny aretina tsy azo sitranina. Afa-nenina taminy ny dokotera, fa rehefa nahare ny amin’ i Jesosy rainy, dia tapa-kevitra hitady fanampiana Aminy. Reraka dia reraka ny zaza, ka natahorana, sao tsy ho velona intsony izy mandra-piverin’ ny rainy ; tsapan’ io andriandahy io anefa fa tsy maintsy ny tenany mihitsy no manazava ny antonantony amin’ i Jesosy. Nanantena izy fa hanaitra ny fangorahan’ Ilay Dokotera Lehibe ny fiangavian’ ny ray1Mifototra amin ny’ Joana 4 : 43-54..IFM 195.3

    Rehefa tonga tao Kana izy dia nahita vahoaka betsaka nanodidina an’ i Jesosy. Feno tebiteby ny fony raha nisisika ho tonga eo anatrehan’ i Jesosy izy. Nihozongozona ny finoany rehefa tsy nahita afa-tsy olona miankanjo tsotra, mihosom-bovoka sy reraky ny dia. Nisalasala izy raha io olona io no ho afaka hanao izay nahatongavany hangatahana ; nefa nanao izay ahazoany mihaona amin’ i Jesosy izy ; nolazainy taminy ny anton-diany, ary niangavy ny Mpamonjy izy hiaraka aminy ho any an-tokantranony. Efa fantatr’ i Jesosy anefa ny nanjo azy. Raha mbola tsy niainga tao an-tokantranony ilay manam-boninahitra dia efa hitan’ ny Mpamonjy ny fahoriany.IFM 196.1

    Fantany koa anefa fa nisy fepetra tao an-tsain’ io raim-pianakaviana io momba ny finoany an’ i Jesosy. Raha tsy tanteraka ny fangatahany dia tsy handray Azy ho Mesia izy. Raha niandry izay ho valin’ izany ilay tandapa izay efa nangitakitaka sy nitebiteby mafy dia mafy, dia hoy Jesosy taminy : «Raha tsy nahita famantarana sy fahagagana hianareo tsy mba hety hino mihitsy».IFM 196.2

    Na dia teo aza ny porofo rehetra fa Jesosy no Kristy, dia nanapa-kevitra ity mpanao fangatahana fa hankininy amin’ ny faneken’ i Jesosy ny fangatahana nataony ny finoany Azy. Nampitahain’ ny Mpamonjy tamin’ ny finoana tsotra teo amin’ ny Samaritana, izay tsy nangataka fahagagana na famantarana io finoana misalasala io. Ny teniny, ny porofon ny maha-Andriamanitra Azy hita manatrika eo lalandava, dia nisy hery mandresy lahatra izay nahatratra ny fon’ izy ireny. Nampalahelo an’ i Kristy fa ny vahoakany indrindra indray, dia ilay efa nametrahana ny Soratra Masina no tsy handre ny feon’ Andriamanitra miteny aminy avy amin’ ny alalan’ ny Zanany.IFM 196.3

    Azo lazaina fa nanam-pinoana ihany anefa io andriandahy io, satria tonga nangataka izay noheveriny ho sarobidy indrindra tamin’ ny fitahiana rehetra izy. Nanana fanomezana sarobidy kokoa atolotra azy Jesosy. Tsy ny hanasitrana ny zanany ihany no nirin’ i Jesosy, fa ny hahatonga an’ ilay tandapa sy ny ankohonany ho mpandray anjara amin’ ny fitahian’ ny famonjena. sy ny hampirehitra ny fahazavana ao Kapernaomy, izay ho saha hiasany rehefa afaka fotoana fohy. Tsy maintsy ho tsapan’ io andriandahy io aloha izay ilainy vao afaka haniry ny fahasoavan’ i Kristy izy. Mampiseho olona maro tao amin’ ny fireneny io tandapa io. Fitiavan-tena no antony nahaliana azy ny amin’ i Jesosy. Nanantena ny handray tombontsoa manokana izy ireny amin’ ny alalan’ ny heriny, ka nataony ho famantarana ho an’ ny finoany ny fanomezana io tombontsoa ara-nofo io ; tsy fantany anefa ny momba ny aretiny ara-panahy ka tsy hitany ny nilany ny fahasoavan’ Andriamanitra.IFM 196.4

    Tahaka ny fahazavana mitselatra ny tenin’ ny Mpamonjy tamin’ ilay andriandahy ka nampihanjahanja ny fony. Hitany fa fitiavan-tena no antony nanosika azy hitady an’ i Jesosy. Niseho taminy araka ny tena toetrany marina ny finoany nangozohozo. Lalina ny alahelony nahatsapa fa mety hahavery ny ain’ ny zanany ny fisalasalany. Fantany fa teo anatrehan’ Ilay mahay mamaky ny eritreritra izy, sy mahay manao ny zavatra rehetra. Nihatra aman’ aina ny fitarainany manao hoe : «Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako». Namikitra an’ i Kristy tahaka ny nataon’ i Jakoba rehefa nitolona tamin’ ilay Anjely ny finoany izay niteny hoe : «Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho»2Gen. 32 : 27..IFM 197.1

    Tahaka an’ i Jakoba dia nandresy izy. Tsy azon’ ny Mpamonjy hialana ny fanahy izay mifikitra Aminy, mitaraina ny amin’ ny fahantrany lehibe. «Andeha mody, hoy Izy ; velona ny zanakao». Niala teo anatrehan’ ny Mpamonjy ilay andriandahy feno fiadanana sy fifaliana tsy mbola tsapany talohan’ izao. Tsy nino fotsiny izy fa ho sitrana ny zanany, fa nahery ny finoany ka natoky izy fa Kristy no Mpanavotra.IFM 197.2

    Tampoka foana teo ary tamin’ io ora io indrindra dia nahita fiovana mahagaga ireo niandry ny zaza teo am-bavahaona tao an-tranony tao Kapernaomy. Niala tsy ho eo amin’ ny endriky marary ny aloky ny fahafatesana. Ilay mena dorehitry ny tazo teo dia nanjary nalefadefaka nanambara fahasalamana miverina indray. Namirapiratra tao amin’ ny masony izay matromatroka teo ny saina matsilo ary niverina tao amin’ ilay vatana kely aina sy mahia ny hery. Tsy nisy izay namantarana ny aretina tafajanona teo amin’ ilay zaza. Nalefadefaka sy tsemboka ny nofony mahamay teo ka rendrika tao amin’ ny torimaso tony dia tony izy. Afaka ny tazo tamin’ ny fotoana nampigaingaina ny andro iny indrindra. Gaga ny fianakaviana, ary lehibe ny fifaliana.IFM 197.3

    Tsy dia lavitra loatra an’ i Kapernaomy i Kana ka azon’ io manamboninahitra io natao ny ho tody tany an-tranony ny harivan’ ny nihaonany tamin’ i Jesosy ; tsy nahamaika azy anefa ny diany nody tany an-tranony. Ny ampitso maraina vao nankany Kapernaomy izy. Nanao ahoana izany niverenany tany izany ! Navesatry ny alahelo ny fony tamin’ izy nandeha nitady an’ i Jesosy. Toa nasiaka taminy ny tanamasoandro, toa naneso azy ny hiran’ ny vorona. Samihafa manao ahoana ny zavatra tsapany izao ! Miravaka zavabaovao ny zavaboary rehetra. Maso vaovao no hijereny. Toa niaranidera an’ Andriamanitra taminy ny zavaboary rehetra raha nandeha izy tamin’ iny vao maraina tony iny. Raha mbola lavidavitry ny trano itoerany izy, dia nisy mpanompo nivoaka nitsena azy, may hanala ny fitaintainana noheveriny fa tsy maintsy ho tsapany. Tsy hita ho gaga izy tamin’ ny vaovao nentin’ izy ireo, fa nisy zavatra nahaliana azy fatratra ary tsy fantatry ny mpanompo izany, koa nanontany azy ny ora izay nanaretan’ ny zaza izy. «Omaly tokony tamin’ ny ora fahafito no niala taminy ny tazo», hoy ny navaliny. Tamin’ ny fotoana indrindra izany izay namikiran’ ny finoan’ ny ray ilay toky nomena azy hoe : «Velona ny zanakao», tamin’ izay no nikasika ilay zaza teo am-bavahaona ny fitiavan’ Andriamanitra.IFM 198.1

    Nihazakazaka rainy hiarahaba ny zanany. Nofihininy tamin’ ny fony toy izay nitsangana tamin’ ny maty izy ka nisaotsaotra an’ Andriamanitra noho io fanasitranana mahagaga io.IFM 198.2

    Naniry mafy ny hahalala bebe kokoa ny amin’ i Kristy ilay manamboninahitra. Rehefa nandre ny fampianarany izy, dia nanjary mpianatra izy sy ny ankohonany manontolo. Nohamasinina ny fahorian’ izy ireo ka nitarika ny fiovam-pon’ ny fianakaviana manontolo. Niparitaka ny vaovao mahafaly momba ny fahagagana; koa voaomana tao Kapernaomy, izay hanaovan’ i Kristy asa mahagaga be dia be tokoa, ny lalana ho an’ ny asa fanompoany.IFM 198.3

    Maniry ihany koa ny hitahy antsika Ilay nitahy ilay andriandahy tany Kapernaomy. Nefa matetika isika, tahaka io ray tra-pahoriana io, no voatarika hitady an’ i Jesosy noho ny faniriana zava-tsoa ara-nofo, ary ankinintsika amin’ ny fanatanterahana ny fangatahantsika ny fitokisantsika ny fitiavany. Maniry ny hanome antsika fitahiana lehibe noho izay angatahintsika ny Mpamonjy, ary maharitra ela ny famaliany ny fangatahantsika mba hahazoany maneho amintsika ny faharatsian’ ny fontsika, sy ny fahasoavany tena ilaintsika. Maniry antsika hahafoy ny fitiavan-tena izay mitarika antsika hitady Azy Izy. Rehefa miaiky ny tsy fahazoantsika manampy ny tenantsika sy ny fahatsapana mangidy izay ilaintsika isika, dia tokony hanankina ny tenantsika manontolo amin’ ny fitiavany.IFM 198.4

    Nirin’ ilay manamboninahitra ny hahita ny fahatanterahan’ ny fivavahany vao hino izy; nefa tsy maintsy ekeny ny tenin’ i Jesosy, fa efa nohenoina ny fangatahany, ary efa nomena azy ny fitahiana. Tokony hianarantsika koa io lesona io. Tsy noho ny ahitantsika na ahatsapantsika fa mihaino antsika Andriamanitra no tokony hinoantsika. Tokony hatoky ny teny fikasany isika. Rehefa manatona Azy amin’ ny finoana isika, dia miditra ao am-pon’ Andriamanitra ny fangatahana rehetra. Rehefa nangataka ny fitahiana isika, dia tokony hino fa nandray ary hisaotra Azy satria nandray izany. Rehefa izany dia tokony handeha hanao ny adidintsika isika, nahazo toky fa ho tanteraka ny fitahiana rehefa tena ilaina indrindra izany. Rehefa nianatra ny nanao izany isika, dia ho fantatsika fa voavaly ny fivavahantsika. Hanao ho antsika «mihoatra ny zavatra rehetra» Andriamanitra, «araka ny haren’ ny voninahiny», sy ny «fiasan’ ny herin’ ny faherezany»3Efes. 320 : 16; 1 : 19.IFM 199.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents