Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 59—Ny fiokoan’ ny mpisorona

    Akaiky dia akaiky an’ i Jerosalema i Betania ka vetivety dia tonga tany an-tanàna ny vaovao momba ny nananganana an’ i Lazarosy tamin’ ny maty.1Mifototra amin’ny Joana 11 : 47-54 Tamin’ ny alalan’ ny mpitsikilo izay nanatri-maso ny fahagagana, dia ren’ ny mpifehy Jiosy haingana dia haingana ny toe-javatra. Novoriana avy hatrany ny Synedriona hanapahana izay tokony hatao. Nasehon’ i Kristy tamin’ ny fomba feno izao ny fanapahany ny fahafatesana sy ny fasana. Io fahagagana mahery io no porofo fara-tampony nomen’ Andriamanitra ny olona fa naniraka ny Zanany teto amin’ izao tontolo izao Izy, ho famonjena azy. Io fanehoana ny herin’ Andriamanitra io dia ampy hampiaiky ny olona manan-tsaina izay fehezin’ ny saina mandanjalanja sy ny feon’ ny fieritreretana voazava. Betsaka ireo nanatrimaso ny fitsanganan’ i Lazarosy tamin’ ny maty no voatarika hino an’ i Jesosy. Nitombo anefa ny fankahalan’ ny mpisorona Azy. Efa nitsipaka ny porofo kelikely kokoa amin’ ny maha-Andriamanitra Azy izy, ka naharomotra azy fotsiny ity fahagagana vaovao ity. Natsangana tamin’ ny antoandrobe nanahary ny maty, ary teo anatrehan’ ny vavolombelona marobe. Tsy nisy fitapitaka azo nanazavana ny porofo toy izany ka hampanjavona azy. Noho io antony io indrindra no nahatonga ny fandrafian’ ny mpisorona hikendry bebe kokoa ny hahafaty Azy. Mihoatra noho ny hatramin’ izay dia tapa-kevitra izy hampijanona ny asan’ i Kristy.IFM 573.1

    Na dia tsy nankasitraka an’ i Kristy aza ny Sadoseo, dia tsy feno haratsiam-panahy taminy toy ny Fariseo izy. Tsy nangidy toy izany ny fankahalany. Izao anefa dia tena taitra marina tokoa izy. Tsy nino ny fitsanganan’ ny maty izy ireo. Niantehitra tamin’ izay nataony hoe «siansa» izy ireo ka araka ny fandanjalanjany, dia zavatra tsy mety hisy izany tena efa maty averina ho velona izany. Teny vitsy avy amin’ i Kristy anefa dia efa nampirodana ny hevitra notanany. Niharihary ny tsy fahalalany ny Soratra Masina sy ny herin’ Andriamanitra. Tsy hitany izay ahazoany mikosoka izay latsaka tao am-pon’ ny vahoaka tamin’ ny alalan’ ny fahagagana. Ahoana no ahazoana mampiodina ny sain’ ny olona hiala amm’ Ilay efa nandresy ka nandrombaka ny maty tsy ho eo am-pelatanan’ ny fasana ? Nisy tatitra nandainga naely ; tsy azo nolavina anefa ny fahagagana, ary tsy fantany hoe atao ahoana no fanoherana ny vokatr’ izany. Hatramin’ izao dia tsy namporisika ny drafitra natao hamonoana an’ i Kristy ny Sadoseo. Taorian’ ny nanangànana an’ i Lazarosy tamin’ ny maty kosa dia tapa-kevitra izy fa ny fahafatesan’ i Kristy ihany no ahazoana mampijanona ny fiampangana tsy amintahotra nataon’ i Kristy.IFM 574.1

    Nino ny fitsanganana amin’ ny maty ny Fariseo, ary tsy afaka ny tsy hahita izy fa porofon’ ny maha-eo anivon’ izy ireo ny Mesia io fahagagana io. Nanohitra mandrakariva ny asan’ i Kristy anefa izy. Hatramin’ ny voalohany dia efa nankahala Azy izy satria naharihariny ny fihamboany feno fihatsarambelatsihy. Efa norovitiny ny fitafiana nisalorany, tamin’ ny fanarahana hentitra ny fombampivavahana izay nanafenany ny haratsiam-bikany teo amin’ ny ara-pitondrantena. Ny fivavahana madio izay nampianarin’ i Kristy dia nanameloka ny fanambarany poak’ aty ho tia vavaka. Nampangetaheta azy ny hamaly faty Azy noho ny amin’ ny fanomezantsiny manindrona nataony. Efa niezaka izy nihantsy Azy hiteny na hanao zavatra izay ahazoany manameloka Azy, nefa niala mangingina Izy ka tsy hitany izay nalehany.IFM 574.2

    Ny fahagagana izay nataony tamin’ ny Sabata dia samy fanamaivanana ny tra-pahoriana avokoa, nefa nitady izay hanamelohana Azy ho mpandika lalàna ny Fariseo. Efa nanandrana ny hampirisika ny Herodiana hiady Aminy izy izao. Nasehony fa nitady ny hanangana fanjakana nandrafy ny azy ireo Izy. ary nila hevitra tamin’ izy ireo izy ny amin’ ny fomba hamonoana Azy. Mba hamporisihana ny Romana hanohitra Azy, dia naseho ho miezaka handrodana ny fahefany Izy. Efa nandramany ny anton-javatra rehetra hana- pahana ny heriny miasa mangina amin’ ny vahoaka. Nefa hatramin’ izay dia tsy nahomby ny fiezahany. Ny vahoaka marobe izay nahita maso ny asa famindrampony sy nandre ny fampianarany madio sy masina, dia nahafantatra fa tsy asa sy tenin’ ny mpandika Sabata na mpiteny ratsy an’ Andriamanitra izany. Na dia ny mpiandry raharaha nalefan’ ny Fariseo aza dia niasan’ ny herin’ ny teniny mangina ka tsy afaka naninjitra ny tanany taminy. Noho ny famoizam-pony, ny Jiosy dia namoaka didy nony farany fa izay Olona milaza fa mino an’ i Jesosy dia horoahina tsy ho anisan’ ny Synagoga.IFM 574.3

    Koa raha nivory nifampila hevitra ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny loholona, dia fanapahan-kevitra hentitra ny hampangina an’ Ilay nanao zava-mahagaga ka nampitolagaga ny olona rehetra no noraisina. Niray hina tsy mbola nisy toy izany ny Fariseo sy ny Sadoseo. Nisaraka izy hatramin’ izay, fa nanjary niray izy hoentimanohitra an’ i Kristy. Teo amin’ ny fivoriana teo aloha, dia nosakanan’ i Nikodemosy sy Josefa ny fanamelohana an’ i Jesosy ho faty, ary noho io antony io dia tsy nantsoina hivory izy ireo tamin’ izao. Nisy olon-kafa nino an’ i Jesosy nanan-kery miasa mangina koa tao amin’ ny fivoriana, nefa tsy nahahovoka na inona na inona izany heriny miasa mangina izany teo anatrehan’ ny faharatsian’ ny Fariseo.IFM 575.1

    Tsy niray feo avokoa anefa ny mambra tao amin’ ny filankevitra. Tamin’ izany dia tsy fikambanana ara-dalàna tsy akory ny Synedriona. Noleferina fotsiny ny fisiany. Nisy tamin’ izy ireo nanontany raha fahendrena ny mamono an’ i Kristy. Natahotra izy ireo sao hiteraka fikomiana eo amin’ ny vahoaka izany ka hahatonga ny Romana hihazona tombon-tsoa hafa tsy ho an’ ‘ny mpisorona indray, ka hanala ny fahefana mbola tazoniny. Na dia niray hina aza ny Sadoseo hankahala an’ i Kristy dia nanana fironana ho malina kokoa izy eo amin’ ny fihetsiny, satria natahotra izy sao halain’ ny Romana aminy ny toerana ambony nisy azy.IFM 575.2

    Teo amin’ io filan-kevitra io, izay nivory mba hanao drafitra hamonoana an’ i Kristy, dia nanatrika Ilay Vavolombelona izay nandre ny tenim-pireharehana nataon’ i Nebokadnezara, izay nanatri-maso ny fanasana fanompoan-tsampy nataon’ i Belsazara, ary nanatrika raha nilaza ny tenany ho Ilay Voahosotra Kristy tany Nazareta. Io vavolombelona io ankehitriny no nandatsaka tao ampon’ ny mpanapaka ny asa izay nataony. Ireo toe-javatra tamin’ ny andron’ i Kristy dia niseho teo anatrehany tamin’ ny fomba mazava izay nampahatahotra azy. Tsaroany ny toe-javatra tao amin’ ny tempoly, fony Jesosy zaza roa ambin’ ny folo taona tamin’ izay, nijoro teo anatrehan’ ireo mpampiana-dalàna tapi-pahaizana, ka nametraka ny fanontaniana izay nahagaga azy ireo.IFM 575.3

    Ny fahagagana vao natao teo dia vavolombelona fa tsy iza akory Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra. Ireo tenin’ ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha mikasika an’ i Kristy dia namirapiratra teo amin’ ny sainy, teo amin’ ny tena dikany marina. Very saina sy very hevitra ny mpanapaka tao amin’ ny filan-kevitra. Noho ny Fanahy Masina niasa taminy, dia tsy azon’ ny mpisorona sy ny mpanapaka natao ny handroaka tao antsainy ny fandresen-dahatra fa niady tamin’ Andriamanitra izy.IFM 576.1

    Raha teo amin’ ny fara-tampon’ ny fahaverezan-kevitra iny indrindra ny mpivory dia nitsangana Kaiafa mpisoronabe. Lehilahy mirehareha sy loza be izy, nanjakazaka sady tsy nahay nandefitra. Tao amin’ ny fianakaviany dia nisy Sadoseo, niavonavona, sahisahy ratsy, mpihantsy loza, feno hambom-po sy halozana, izay nanafina izany tao anatin’ ny fitafian’ ny fahamarinana nihamboany. Efa nianatra ny faminaniana i Kaiafa, ary na dia tsy nahalala ny tena dikan’ izany aza izy, dia tamim-pahefana sy tamim-pahatokiana no nitenenany hoe : «Hianareo tsy mahalala na inona na inona, na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity». Na dia tsy nanan-tsiny aza Jesosy, hoy ny fanantiranteran’ ny mpisoronabe, dia tsy maintsy hahilaka Izy. Nanorisory Izy, nitarika ny vahoaka ho eo amin’ ny tenany, ka hampihena ny fahefan’ ny mpanapaka. Olona tokana ihany Izy ; tsara kokoa raha maty Izy, toy izay ny fahefan’ ny mpanapaka no ahena. Raha ho very ny fitokisan’ ny vahoaka ny mpanapaka azy, dia ho rava ny fahefan’ ny firenena. Nanantitrantitra i Kaiafa fa aorian’ io fahagagana io dia mety hitarika fikomiana ny mpanaraka an’ i Kristy. Ho avy ny Romana, hoy izy, ka hanakatona ny tempolintsika, ary hanafoana ny lalàntsika, ka hanapotika antsika amin’ ny maha-firenena antsika. Inona moa ny ain’ ity Galiliana ity raha hampitahaina amin’ ny ain’ ny firenena ? Raha mijoro eo amin’ ny lalana hahasoa ny Isiraely izy ka manakana izany, moa ve tsy fanaovan-tsoa amin’ Andriamanitra ny manala Azy ? Tsara kokoa raha olona iray no maty toy izay ny firenena manontolo no rava.IFM 576.2

    Tamin’ ny nanambarany fa tokony ho faty ho an’ ny firenena ny olona anankiray, dia nasehon’ i Kaiafa fa nanana fahalalana ny amin’ ny faminaniana izy, na dia voafetra dia voafetra aza izany. Raha mitantara io toe-javatra io kosa i Jaona, dia mandray io faminaniana io izy ka hasehony ny fidadasika sy ny halalin’ ny dikany. Hoy izy : «Ary tsy hamonjy io firenena io ihany fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitro izay efa niely, ho antoko iray.» Manao ahoana ny fahajamban’ i Kaiafa be avonavona momba ny fahalalana ny asa nanirahana ny Mpamonjy !IFM 576.3

    Nanjary lainga io fahamarinana sarobidy indrindra io teo amin’ ny molotr’ i Kaiafa. Nifototra tamin’ ny foto-kevitra nindramina tamin’ ny fivavahana jentilisa ny fihetsika nolazainy fa mety. Teo amin’ ny jentilisa, ny fahatsapana manjavozavo fa tokony ho faty ho an’ ny taranak’ olombelona ny olona anankiray dia nitarika azy hanao fanatitra olombelona. Noho izany ny hevitra naposak’ i Kaiafa amin’ ny alalan’ ny fanaovana sorona an’ i Jesosy dia ny hamonjy ny firenena meloka, tsy ho afaka amin’ ny fahadisoany, fa ho ao amin’ ny fahadisoany ihany, mba hahazoany manohy manota hatrany. Ary nihevitra izy fa amin’ ny alalan’ izany dia hangina ny fanomezan-tsinin’ ireo izay sahy nilaza fa tsy misy na inona na inona hita eo amin’ i Jesosy hahazoana manameloka Azy.IFM 577.1

    Resy lahatra lalina ny fahavalon’ i Kristy tamin’ io fivoriana io. Niasa fatratra tao an-tsainy ny Fanahy Masina. Niezaka anefa i Satana hifehy azy. Nataony izay hanamarihana ny fahoriana izay efa nozakainy noho ny amin’ i Kristy. Ary manao ahoana ny hakelin’ ny nonomezany voninahitra ny fahamarinan’ izy ireo. Fahamarinana lehibe lavitra no nasehon’ i Jesosy, izay tsy maintsy hananan’ izay rehetra te-ho zanak’ Andriamanitra. Tsy noraharahainy ny fomba sy ny fanompoam-pivavahan’ izy ireo, fa nampirisika ny mpanota Izy amin’ ny maha-Ray be famindrampo Azy mba hanatona Azy mivantana ka hampahafantatra Azy izay ilainy. Noho izany, araka ny heviny dia nanilikilika ny fisoronana Izy. Nolaviny ny hanaiky ny fampianaran’ ny sekolin’ ny raby. Naharihariny ny fomba ratsin’ ny mpisorona ary narodany tsy ho azo arahina intsony ny hery mangina avy aminy. Nofoanany ny asan’ ny ohabolany sy ny lovan-tsofiny teo aminy, ka nambarany fa na dia hamafisin’ ny lalàna mikasika ny fombam-pivavahana aza ireo, dia manao tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra. Izany rehetra izany ankehitriny no ataon’ i Satana ao an-tsainy.IFM 577.2

    Nambaran’ i Satana azy fa mba hihazonan’ izy ireo ny fahefan’ ny tenany, dia tsy maintsy mamono mahafaty an’ i Jesosy izy. Narahiny io toro-hevitra io. Ny fahatahorany fa sao very ny fahefana eo am-pelatanany no antony ampy iheverany ny tokony handraisany fanapahan-kevitra. Afa-tsy ny olom-bitsy izay tsy sahy nilaza ny heviny, dia noraisin’ ny Synedriona ho tenin’ Andriamanitra ny tenin’ i Kaiafa. Maivamaivana ny mpivory. Nijanona ny tsy fifanarahan-kevitra. Tapaka fa hovonoina ho faty Kristy raha vantany vao misy fotoana mety. Tamin’ ny nandavan’ ireo mpisorona sy ireo mpanapaka ny porofon’ ny maha-Andriamanitra an’ i Jesosy, dia nanidy ny tenany tao amin’ ny haizina tsy azo nogorobahana izy. Nitoetra tanteraka tao ambanin’ ny fanjakan’ i Satana izy, ary hatosiny ho eo amoron-tevan’ ny fahafatesana mandrakizay. Nefa hain’ i Satana fatratra ny namitaka azy ireo ka afa-po tamin’ ny tenany izy. Nihevitra ny tenany ho tia tanindrazana mitady izay hamonjena ny firenena izy.IFM 577.3

    Na dia izany aza, dia natahotra ny Synedriona, ny haka haingana fepetra henjana hanamelohana an’ i Jesosy, sao mirehitra ny fahatezeran’ ny vahoaka, ka hianjera amin’ izy ireo indray ny herisetra novinavinainy hatao Aminy. Noho izany dia nahemotry ny filan-kevitra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana efa navoakany. Tsy niafina tamin’ ny Mpamonjy ny fiokoana nataon’ ny mpisorona. Fantany fa nirin’ izy ireo mafy ny hanala Azy. ary ho tanteraka haingana ny fikasany. Tsy anjarany anefa ny hanafaingana ny zavatsarotra, koa niala teo amin’ io faritra io Izy, ka nentiny niaraka taminy ny mpianatra. Araka izany dia nohamafisin’ i Jesosy tamin’ ny ohatra nataony ny ohatra efa nomeny ny mpianany : «Raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona, dia mandosira ho any amin’ ny hafa»2Mat. 10 : 23. Nisy saha midadasika izay nahazoan’ izy ireo niasa ho famonjem-panahy, ary tsy tokony hanao sorona ny ainy izy raha tsy notakian’ ny fijoroany ho vavolombelona mahatoky izany.IFM 578.1

    Telo taona izao ny asa ampahibemaso efa nomen’ i Jesosy an’ izao tontolo izao. Ny ohatry ny fahafoizan-tena sy ny fiantrana tsy mihevitra ny tenany dia teo anatrehan’ izy ireo. Ny fiainany feno fahadiovana, fijaliana sy fitiavam-bavaka marina, dia fantatry ny rehetra. Nefa io fotoana fohy telo taona io no faran’ izay zakan’ izao tontolo izao tamin’ ny fanatrehan’ ny Mpanavotra azy.IFM 578.2

    Feno fanenjehana sy fanevatevana ny fiainan’ i Jesosy. Nentina nivoaka avy tao Jerosalema Izy noho ny mpanjaka be fialonana, notsipahin’ ny vahoaky ny fireneny Izy tany Nazareta, nohelohina ho faty tsy tamin’ antony Izy tany Jerosalema, ka nahita toerankialofana vetivety tao amin’ ny tanàna tany ivelany Izy sy ireo mpianatra vitsivitsy mahatoky. Ilay voatohin’ ny fahorian’ ny olombelona mandrakariva, nanasitrana ny marary, nampahiratra indray ny jamba, nampalady ny marenina, sy nampiteny ny moana, Ilay namahana ny noana sy nampionona ny mahaleho, dia nentina niala tamin’ ny vahoaka izay nikelezany aina mafy ny hamonjy azy. Ilay nandeha teo amin’ ny onjan-drano nisamboaravoava, ary nampangina ny fisafoakany tamin’ ny teny indraim-bava, Ilay namoaka ny demonia sady nandidy hanaiky Azy ho Zanak’ Andriamanitra rehefa nandeha, Ilay nanapaka ny torimason’ ny maty, Ilay nitana olona an’ arivony ravoravo noho ny tenin’ ny fahendreny, dia tsy afaka nanohina ny fon’ ireo nohamaizinin’ ny hevitra nibahana tao an-tsainy sy ny fankahalana, ary izay nanamafy hatoka ka nandà ny fahazavana.IFM 578.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents