Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 6—Nahita ny kintana izahay

    «Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’ i Jodia, tamin’ ny andron’ i Heroda mpanjaka. indreo. nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe : Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany»1Mifototra amin’ ny Mat. 2IFM 47.1

    Mpandalina ny filozofia ireo olon-kendry avy tany atsinanana ireo. Anisan’ ny antokon’ olona maro sy nanan-kery miasa mangina izy ireo. izay nahitana ireo ambony firazanana sady nitana ny betsaka tamin’ ny harena sy ny fahaizana teo amin’ ny firenena nisy azy. Betsaka tamin’ ireo olona ireo no nanararaotra ny vahoaka mora minomino foana. Ny sasany kosa dia olo-marina izay nandinika ny famantaran’ ny fitondran’ Andriamanitra teo amin’ ny zavaboary, ka henin-kaja noho ny fahitsian-toetrany sy ny fahendreny. Izany no toetra amam-panahy hita teo amin’ ireo olon-kendry tonga nijery an’ i Jesosy.IFM 47.2

    Mamirapiratra mandrakariva ao anatin’ ny haizin’ ny fanompoantsampy ny fahazavan’ Andriamanitra. Raha nandinika ny lanitra rakotry ny kintana ireto magy, ka nitady ny handalina ny zavamiafina eo amin’ ny diany mamirapiratra, dia nibanjina ny voninahitry ny Mpamorona izy. Nitady fahalaiana mazava kokoa izy, ka nitodika tamin’ ny Soratra Masina hebreo. Tao amin’ ny tanin’ izy ireo dia nisy faminaniana voasoratra nangonina izay nanambara mialoha ny fiavian’ ny Andriamanitra mpampianatra. Balama dia anisan’ ireo mpanao fankatovana, na dia efa nisy fotoana nahampaminanin’ Andriamanitra azy aza. Ny Fanahy Masina no nahatonga azy hanambara mialoha ny fanambinana an’ Isiraely sy ny fisehoan’ ny Mesia ; ary ireo faminaniana nataony ireo dia nafindran’ ny lovantsofina nandritra ny taonjato maro nifandimby. Voambara mazava kokoa ao amin’ ny Testamenta Taloha anefa ny fiavian’ ny Mpamonjy. Tamim-pifaliana no nahitan’ ireo magy fa akaiky ny fiaviany ka heniky ny voninahitr’ i Jehovah ny tany manontolo.IFM 47.3

    Nahita fahazavana mahagaga teo amin’ ny lanitra ireo olonkendry tamin’ ny alina nitosahan’ ny voninahitr’ Andriamanitra tamin’ ny havoanan’ ny Betlehema iny. Rehefa afaka ny fahazavana, dia nisy kintana namirapiratra niseho, ka naharitra teo amin’ ny lanitra. Tsy kintana nanana toerana raikitra izany na planeta, koa nanaitra sy nahaliana indrindra izany toe-javatra tsy fahita izany. Antokon’ anjely mamirapiratra teny lavitra teny io kintana io, nefa tsy fantatr’ ireo olon-kendry izany. Na dia izany aza dia tsapany fa nanana ny heviny mavesa-danja manokana ho azy ireo ilay kintana. Nanontaniany ny mpisorona sy ny mpanao filozofia. ary nodinihiny ny horonan-taratasy mirakitra ny tantara taloha. Izao no nambaran’ ny faminanian’ i Balama : «Misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba, sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely»2Nom. 24 : 7 Moa ve nalefa io kintana hafahafa io mba ho famantarana mialoha an’ Ilay Nampanantenaina? Efa noraisin’ ireo magy tsara ny fahazavan’ ny fahamarinana nalefa avy any an-danitra ; ankehitriny dia natosaka taminy ny tara-pahazavana mamirapiratra kokoa. Nasaina nandeha nitady Ilay Andriana vao teraka izy tamin’ ny alalan’ ny nofy.IFM 48.1

    Tahaka an’ i Abrahama niainga tamin’ ny alalan’ ny finoana rehefa nianjso azy Andriamanitra, «nefa tsy fantany izay alehany» , 3Heb. 11 : 8 tahaka an’ Isiraely nanaraka ilay andry rahona ho any amin’ ilay tany nampanantenaina tamin’ ny alalan’ ny finoana, toy izany koa no nataon’ ireto jentilisa ireto izay niainga hitady Ilay Mpamonjy nampanantenaina. Be ny zava-tsarobidy any amin’ ny tany atsinanana, koa tsy nitondra tanam-polo ny magy raha niainga. Fomba ny manolotra fanomezana ho fanomezam-boninahitra ny andriana na ny olona ambony hafa, koa ny fanomezana sarobidy indrindra nety ho hita teo an-toerana no nentina hatao fanomezana ho an’ Ilay hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany. Tsy maintsy amin’ ny alina vao mandeha mba hahitana ilay kintana hatrany, nefa tsy lava tamin’ ireo mpiara-dia ny ora, satria naverimberiny ireo teny voalazan’ ny lovan-tsofina sy ireo fanambarana ny faminaniana mikasika Ilay notadiaviny. Isaky ny mijanona hiala sasatTa izy. dia mandinika ny faminaniana ary mihalalina hatrany ny finoany fa Andriamanitra no nitari-dalana azy. Raha teo anoloany ny kintana ho famantarana ivelany, dia nisy koa fanambarana mazava tao anatiny avy ao amin’ ny Fanahy Masina, izay niasa tao am-pony ary nameno fanantenana azy. Na dia lavitra aza ny lalana, dia nahitan’ izy ireo fahasambarana.IFM 48.2

    Tonga tao amin’ ny tanin’ Isiraely izy, ka nidina ny tendrombohitra Oliva, ary raha nahatazana an’ i Jerosalema izy, dia indro, fa nijanona teo ambonin’ ny tempoly ilay kintana izay nitarika ny diany nanasatra. ary rehefa afaka kelikely dia nanjavona teo imasony. Nihamailaka ny diany sady nandroso izy, natoky fa hahita ny fahaterahan’ ny Mesia ho fifaliana mavesa-danja ho an’ ny samihafa fiteny rehetra. Tsy nisy vokany anefa ny fikarohana nataony. Raha niditra tao amin’ ilay tanàna masina izy, dia nitady ny tempoly. Akory ny hagagany tsy nahita olona toa mba nahalala ny amin’ Ilay Mpanjaka vao teraka. Tsy nahatonga fanehoam-pifaliana ny fanontaniana napetrany fa fahagagana sy tahotra kokoa aza no vokatr’ izany izay tsy nialan’ ny fanazimbazimbana.IFM 49.1

    Namerimberina ny lovan-tsofina ny mpisorona. Manandratra ny fivavahany sy ny fitiavam-bavaka eo aminy izy. raha nolazainy fa mpanompo sampy ny Grika sy ny Romana, ary mpanota mihoatra noho ny hafa. Tsy nivavaka tamin’ ny sampy ireto olon-kendry ireto, ary teo imason’ Andriamanitra dia ambony lavitra,noho iretsy nisora-tena ho mivavaka Aminy izy ireo; nefa noheverin’ ny Jiosy ho mpanompo sampy izy ireo. Na dia teo amin’ ireo notendrena ho mpiambina ny Teny Masina aza dia tsy nampihetsika ny fo hiray aminy akory ny fanontaniana mafana napetrany.IFM 49.2

    Vetivety dia niparitaka eran’ i Jerosalema ny nahatongavan’ ny magy. Nanaitra ny vahoaka ny vaovao hafahafa nentiny ka tonga hatrany amin’ ny lapan’ i Heroda Mpanjaka izany fahalianana izany. Nifoha ilay Edomita fetsy lahy raha nandre fa mety hisy haninana azy. Efa tsy hita isa ny vonoan’ olona nandoto ny lalany mankeo amin’ ny seza fiandrianany. Vahiny izy raha ny firazanany, ka nankahalain’ ny vahoaka nofeheziny. Ny hany antoka ho azy dia ny fankasitrahan’ i Roma azy. Nefa ambony noho izany no zavakendren’ ity andriana vaovao ity. Teraka mba hanjaka Izy.IFM 49.3

    Niahiahy ny mpisorona ho niara-nioko tamin’ ny vahiny i Heroda mba hahatonga korontana eo amin’ ny vahoaka ka hanongana azy tsy ho eo amin’ ny seza fiandrianany. Nafeniny izany tsy fitokisana izany, nefa dia nanapa-kevitra izy fa handrava ny fikasan’ izy ireo amin’ ny alalan’ ny hafetsena tsara rafitra kokoa. Nampanantsoiny ny lehiben’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nanontaniany azy ireo ny fampianaran’ ny boky masina teo aminy momba ny toerana hahaterahan’ ny Mesia.IFM 49.4

    Nanindrona ny hambom-pon’ ireo mpampianatra jiosy ny fanadihadian’ ilay naka an-keriny ny fanjakana sady nataony izany noho ny fangatahan’ ny vahiny. Naharomotra ity mpanjaka be fialonana ny tsy firaihan’ izy ireo nandinika ireo horonan-taratasy misy ny faminaniana. Noheverin’ i Heroda fa nataon’ izy ireo izay hanafenany ny fahalalany momba izany. Nataony izay hampatahotra azy ireo. ka nobaikoiny mba hanao fandinihana akaiky, sy hilaza aminy ny toerana hahaterahan’ Ilay Mpanjaka nandrasany. «Ary hoy ireo taminy : Ao Betlehema an’ i Jodia ; fa izao no voasoratry ny mpaminany : Ary hianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda hianao tsy akory ; Fa avy aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko»4Matio 2 : 6IFM 50.1

    Nampanantsoin’ i Heroda hihaona aminy manokana izao ireo Magy. Nifofofofo ny tafiotry ny hatezerana sy ny tahotra tao ampony, nefa tony dia tony izy teo ivelany ary noraisiny tamim-panajana ireto vahiny. Nanontaniany ny fotoana nisehoan’ ilay kintana, ary niseho ho diboky ny hafaliana izy raha nandre ny fahaterahan’ i Kristy. Nobaikoiny ireo mpamangy azy hoe : «Andeha, fotory tsara ny amin’ Ilay Zazakely ; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany». Rehefa nilaza izany izy, dia nalefany hanohy ny diany ho any Betlehema izy ireo.IFM 50.2

    Tsy hoe tsy nahalala na inona na inona mikasika ny fahaterahan’ i Kristy araka ny filazany tsy akory ny mpisorona sy ny loholona. Efa tonga tany Jerosalema ny tatitra momba ny namangian’ ny anjely ny mpiandry ondry. nefa noheverin’ ny raby fa tsy tokony hitana ny eritreriny akory izany. Ny tenan’ izy ireo mihitsy dia nety nahita an’ i Jesosy, ary nety ho vonona hitarika ny magy ho eo amin’ ny toerana nahaterahany; tsy izany anefa no niseho, fa ireto olon-kendry indray no tonga nampifantoka ny sain’ izy ireo tamin’ ny nahaterahan’ ny Mesia. «Aiza ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy» hoy izy, «fa nahita ny kintana teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany».IFM 50.3

    Tamin’ izay fotoana izay dia nanakatona ny varavarana tsy hidiran’ ny fahazavana ny avonavona sy ny fialonana. Raha ohatra ka inoana ny tatitra nataon’ ny mpiandry ondry sy ny olon-kendry, dia hametraka ny mpisorona sy ny raby amin» ny toerana faran’ izay tsy tiana indrindra, izay handavana ny filazan’ ny tenany ho mpamelabelatra ny fahamarinan’ Andriamanitra. Tsy hanambany tena ireto mpampianatra mahay ka handray fampianarana avy amin’ ireo lazainy fa jentilisa. Tsy azo heverina hoy izy, izany hoe nodinganin’ Andriamanitra izy ka ny mpiandry ondry bado na ny jentilisa tsy voafora no nifandraisany. Nanapa-kevitra izy fa hanao tsinontsinona ny tatitra izay nanaitra an’ i Heroda Mpanjaka sy an’ i Jerosalema iray vohitra. Tsy ho any Betlehema akory izy hijery raha nisy tokoa izany zavatra izany. Ary notarihiny ny vahoaka hihevitra fa fahataitairana foana vokatry ny fandraisana an-tendrony ny fahalianana momba an’ i Jesosy. Nanomboka hatreo ny nandavan’ ny mpisorona sy ny raby an’ i Kristy. Hatramin’ izay dia nitombo ny avonavona sy ny fahamafisana hatoka teo aminy ka nanjary fankahalana raikitra ny Mpamonjy. Nanokatra ny varavarana ho an’ ny Jentilisa Andriamanitra, ary tamin’ izay fotoana izay kosa dia nanakatona ny varavarana ho an’ ny tenany ireo mpitarika Jiosý.IFM 51.1

    Ireo olon-kendry ireo irery no niainga avy tao Jerosalema. Nidina ny aloky ny alina raha nivoaka ny vavahady izy, nefa faly aoka izany indray raha nahita ilay kintana, izay nitarika azy ho any Betlehema. Tsy nandray fanambarana mialoha ny amin’ ny toerana ambany nisy an’ i Jesosy tahaka izay nomena tamin’ ny mpiandry ondry izy. Lavitra ny lalana nalehan’ izy ireo nefa diso fanantenana izy tamin’ ny tsy firaihan’ ny mpitarika Jiosy ka nivoaka an’ i Jerosalema, sady nihena tsy tahaka ny fony izy niditra ny fahatokiany. Tao Betlehema dia tsy nahita miaramila niambina hiaro Ilay Mpanjaka vao teraka izy ireo. Tsy nisy na dia iray aza, ireo olona nomen’ izao tontolo izao voninahitra, nanatrika teo. Nandry tao amin’ ny fihinanam-bilona Jesosy. Ny ray aman-dreny izay tantsaha tsy nobeazina firy, no hany mpiambina Azy. Dia io tokoa ve Ilay nampanoratina fa «hanandratra ny firene’ i Jaloba», sy «hampody ny Isiraely sisa voaro» ; fa «ho fanazavana ny jentilisa» sy «ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany»4Isa. 49 : 6IFM 51.2

    «Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehanyo. Tsapany ny fisian’ ny maha-Andriamanitra nosaronan’ ny endrika ambany teo amin’ i Jesosy. Natolony ho Azy Mpamonjiny ny fony ary natosany teo Aminy ny fanomezany dia «volamena sy zava-manitra ary miora». Endrey izany finoany! Azo lazaina mikasika ireo olon-kendry avy any Atsinanana, tahaka ny nolazaina mikasika ilay kapiteny Romana taty aoriana hoe : «Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia teo amin’ Isiraely aza»IFM 51.3

    Tsy takatr’ ireo olon-kendry ny fikasan’ i Heroda momba an’ i Jesosy. Rehefa tanteraka ny anton-diany, dia niomana, ny hiverina any Jerosalema izy, nikasa ny hanambara ny fahombiazan’ ny diany taminy. Nefa nandray hafatra avy amin’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny nofy izy tsy hifandray aminy intsony. Nialany ary i Jerosalema. ka niverina ho any amin’ ny taniny tamin’ ny lalana hafa izy.IFM 52.1

    Tamin’ ny fomba toy izany koa no nandraisan’ i Josefa fampitandremana izay nilaza taminy handositra ho any Egypta miaraka amin’ i Maria sy ny zazakely. Ary hoy ny anjely : «Mitoera any ambara-pilazako aminao ; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny»..Nankato avy hatrany i Josefa, ka niainga tamin’ ny alina mba hisy antoka bebe kokoa.IFM 52.2

    Tamin’ ny alalan’ ireo olon-kendry ireo no nisarihan’ Andriamanitra ny sain’ ny firenena Jiosy ho amin’ ny fahaterahan’ ny Zanany. Ny fanadihadiana nataony tao Jerosalema. ny fahalianana teo amin’ ny vahoaka vokatr’ izany, ary na dia ny fialonan’ i Heroda aza. izay nanery ny mpisorona sy ny raby handinika. izany rehetra izany. dia mitarika ny saina ho amin’ ireo faminaniana mikasika ny Mesia. sy ho amin’ ilay toe-javatra lehibe vao niseho indrindra.IFM 52.3

    Niezaka mafy i Satana hanakana ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra tsy ho eo amin’ izao tontolo izao. ka nampiasainy ny hafetseny lalina indrindra mba handringanany ny Mpamonjy. Nefa Ilay tsy rendremana na matory, dia miambina sy manara-maso ny Zanany Malala. Ilay nampirotsaka ny mana avy any an-danitra ho an’ Isiraely, sy namahana an’ i Elia tamin’ ny andron’ ny mosary, Izy no nanomana fialofana ho an’ i Maria sy Jesosy zaza tany amin’ ny tany jentilisa. Ary tamin’ ny alalan’ ny fanomezana nentin’ ny magy avy tamin’ ny tany jentilisa, no nanomanan’ i Jehovah izay nilain’ izy ireo tamin’ ny diany tany Egypta sy ny fotoana nitoerany tany amin’ ny tany vahiny.IFM 52.4

    Anisan’ ny voalohany niarahaba ny Mpanavotra ny Magy. Ny fanomezana nentiny no voalohany indrindra napetraka teo antongony. Ary tombon-tsoa manao ahoana ho azy ny fanompoana nataony tamin’ ny alalan’ io fanomezana io! Ny fanomezana avy amin’ ny fo feno fitiavana dia tian’ Andriamanitra omem-boninahitra, ka fenoiny fahombiazana ambony indrindra eo amin’ ny fanompoana Azy. Raha nomentsika an’ i Jesosy ny fontsika, dia hoentitsika ho Azy koa ny fanomezantsika. Ny volamena sy ny volafotsintsika. ny fananantsika sarobidy indrindra eto an-tany, ny talentantsika ambony indrindra eo amin’ ny ara-tsaina sy ny ara-panahy dia hatokana amin-kalalahana ho an’ Ilay tia antsika ka nanolotra ny tenany ho antsika.IFM 52.5

    Tsindrian-daona be ihany Heroda tany Jerosalema niandry ny fiverenan’ ireo olon-kendry. Lasa ihany ny fotoana, iretsy tsy niseho, ka velona ny ahiahiny. Ny tsy fahazotoan’ ny raby nanondro ny toerana ahaterahan’ ny Mesia dia toa nanambara fa efa takatr’ izy ireo ny fikasany. ary nanambara fa ninian’ ireo Magy ny nandositra azy. Naharomotra azy izany eritreritra izany. Tsy nahomby ny hafetsena, nefa mbola tao ny fampiasana ny hery. Hataony ohatra ity zaza mpanjaka ity. Ho hitan’ ireo Jiosy mirehareha ireo ny miandry azy raha manandrana mametraka mpanjaka eo amin’ ny seza fiandrianana izy ireo.IFM 53.1

    Nisy miaramila nalefa avy hatrany tany Betlehema. nobaikoina hamono ho faty ny zaza rehetra roa taona latsaka. Ireo tokantrano nandry fahizay tao amin’ ny tanànan’ i Davida dia vavolombelon’ ireo toe-javatra mampihorohoro izay efa naseho tamin’ ny mpaminany, enin-jato taona talohan’ izao :IFM 53.2

    «Nisy feo re Uo Rama,
    Dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra ;
    Rahely nitomany ny zanany,
    Ary tsy azo nampiononina izy,
    satria lany ritra ireny».
    IFM 53.3

    Ny Jiosy no nahatonga io antambo io tamin’ ny tenany. Raha nandeha tamim-pahatokiana sy tamim-panetren-tena teo anatrehan’ Andriamanitra izy, dia ho nampiasa fomba mahagaga Andriamanitra izay ho nahatonga ny fahatezeran’ ny mpanjaka ho tsy nisy vokany taminy. Efa nampisaraka ny tenany tamin’ Andriamanitra noho ny fahotany izy, ary efa nandà ny Fanahy Masina, izay hany fiarovana ho azy. Tsy nandinika ny Soratra Masina tamin’ ny fo feno faniriana hifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra izy. Faminaniana izay azo adika ho fanandratana ny tenany no nokatsahiny sy ho fampisehoana ny fanaovan’ Andriamanitra tsinontsinona ny firenena hafa rehetra. Nireharehany fatratra ny Mesia izay ho avy amin’ ny maha-mpanjaka Azy, handresy ny fahavalony ka hanitsakitsaka ny jentilisa amin’ ny fahatezerany. Tamin’ izany fomba izany no nandrangitany ny fankahalan’ ireo mpifehy azy. Ny fomba diso nanehoany ny asa nanirahana an’ i Kristy, no nikendren’ i Satana handringanana ny Mpamonjy ; tsy izany anefa no niseho fa nitsimbadika ny toe-javatra ka nianjera tamin’ ny lohany ny loza.IFM 53.4

    Io fihetsika habibiana io no anisan’ ny farany tamin’ ireo izay nanamaizina ny fanjakan’ i Heroda. Fotoana fohy taorian’ ny nampamonoana ireo tsy manan-tsiny ireo, dia voatery ny tenany hanaiky ilay zava-doza izay tsy azo havily. Maty tamin’ ny fahafatesana mahatsiravina izy.IFM 54.1

    Mbola tany Egypta i Josefa tamin’ izay no nobaikoin’ ny anjelin’ Andriamanitra hiverina ho any amin’ ny tanin’ Isiraely. Nataon’ i Josefa ho mpandova ny seza fiandrianan’ i Davida Jesosy, ka niriny ny hipetraka any Betlehema ; rehefa reny anefa fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an-drainy, dia natahotra izy sao tanterahin’ ny zanany ny fikasan-dratsin’ ny rainy tamin’ i Kristy. I Arkelaosy no nitovy toetra indrindra tamin’ i Heroda tamin’ ny zanany rehetra. Raha nandimby toerana teo amin’ ny fanjakana izy dia efa nisy sahady korontana tao Jerosalema nanamarika izany Ary nisy Jiosy an’ arivony naringan’ ny miaramila Romana.IFM 54.2

    Notarihina ho amin’ ny toerana azo antoka indray i Josefa. Niverina nankany Nazareta izay nitoerany teo aloha izy, ary nonina tao tokony ho telopolo taona «mba hanatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe : Hatao hoe Nazarena Izy». Teo ambanin’ ny fanapahan’ ny zanak’ i Heroda iray Galilia, nefa be vahiny loatra noho i Jodia nonina tao. Noho izany dia tsy dia nahaliana firy ny zavatra mikasika ny Jiosy manokana, ary tsy dia hanaitra loatra ny fialonan’ ireo tompom-pahefana ny zo amamboninahitr’ i Jesosy.IFM 54.3

    Toy izany no nandraisana ny Mpamonjy fony Izy tonga teto an-tany. Toa tsy nisy toerana nialan-tsasatra na azo antoka ho an’ Ilay Mpanavotra mbola zaza. Tsy azon’ Andriamanitra nankinina tamin’ ny olombelona ny Zanany malalany, eny, na dia teo amin’ ny fanatanterahany ny asany teo amin’ ny famonjena azy ireo aza. Nirahiny ny anjely mba hiambina sy hiaro an’ i Jesosy mandra-pahatanterahany ny asa nanirahana Azy teto an-tany, ka novonoina matin’-ny tanan’ ireo izay tonga novonjeny.IFM 54.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents