Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 5—Ny nanolorana Azy

    Tokony ho efa-polo andro tatý aorian’ ny nahaterahan’ i Kristy dia nentin’ i Josefa sy Maria Izy ho any Jerosalenia mba haseho eo anatrehan’ i Jehovah, ary dia hanolotra fanatitra koa izy ireo. 1— Ny Lioka 2 : 21-38 no (ototra nakanp ity toko it’ Nifanaraka amin’ ny lalana Jiosy izany. koa amin’ ny maha-solovaikan’ ny olona an’ i Kristy dia tsy maintsy mifanaraka amin’ ny lalàna amin’ ny antsipiriany rehetra Izy. Efa nampiharina taminy ny fombafomba mikasika ny famorana. toy ny antokin’ ny fankatoavany ny lalàna.IFM 39.1

    Ny fanatitra fanaon’ ny reny dia notakian’ ny lalàna mba ho zanak’ ondry herintaona no aterina ho fanatitra hodorana. ary zanaboromailala na domohina no atao fanatitra noho ny ota. Nefa misy fepetra ao amin’ ny lalàna izay milaza fa raha mahantra loatra ny ray aman-dreny ka tsy afaka mitondra zanak’ ondry, dia azo ekena ny zana-domohina roa na ny zana-boromailala roa, ny iray atao fanatitra hodorana, ary ny iray fanatitra noho ny ota.IFM 39.2

    Tsy misy kilema ny fanatitra natolotra ny Tompo. Mampiseho an’ i Kristy ireo fanatitra ireo, ka noho izany dia hita mazava fa tsy misy kilema ara-batana teo amin’ i Jesosy, Izy no «zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy nisy pentimpentina»21 Pet. 1 : 19. Tsy nisy lesoka nahasembana ny rafi-batany ; natanjaka sady salama ny tenany. Ary nandritra ny fiainany dia nivelona araka ireo lalàna mifehy ny zava-boahary Izy. Na teo amin’ ny ara-batana, na teo amin’ ny ara-panahy, dia ohatra Izy ny amin’ izay notendren’ Andriamanitra ho an’ ny taranak’ olombelona manontolo amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny lalàna nomeny.IFM 39.3

    Ny niavian’ ny fanolorana ny lahimatoa dia tamin’ ny andro laloha indrindra. Efa nampanantena Andriamanitra fa hanolotra ny Lahimatoan’ ny lanitra mba hamonjena ny mpanota. Ny unkohonana tsirairay avy, mba ho fankasitrahana io fanomezana io, dia nanolotra ny zanany lahimatoa. Natokana ho amin’ ny fisoronana io lahimatoa io ho solontenan’ i Kristy eo anivon’ ny olona.IFM 40.1

    Natao didy indray ny fomba fanolorana ny lahimatoa tamin’ ny nanafahana ny Isiraely avy tany Egypta, Raha nandevozin’ ny Egyptiana ny Zanak’ Isiraely. dia notarihin’ i Jehovah ho any amin’ i I arao mpanjakan’ i Egypta i Mosesy ka nanao hoe : «izao no lazain’ i Jehovah : Zanako lahimatoa Isiraely ; koa efa nolazaiko taminao hoe : Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy ; fa efa nandà tsy handefa azy hianao, ka indro. lzaho hamono ny zanakao lahimatoa»3Eks. 4: 22,23.IFM 40.2

    Nentin i Mosesy ny hafatru nampitondraina azy, nefa izao no valintenin ny mpanjaka miavonavona : «lza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely ? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely»4Eks. 5: 2.. Miasa ho an’ ny vahoakany amin’ ny alalan’ ny famantarana sy ny fahagagana Jehovah, ka nahatonga fitsarana mahatsiravina tamin’ i Farao. Nony farany dia nobaikoina ilay anjely mpandringana hamono ny lahimatoan’ ny olona sy ny biby teo amin’ ny Egyptiana. Mba tsy hahavoa ny Isiraelita. dia nasaina nataony teo amin’ ny tolant-baravarany ny ran’ ny zanak’ ondry novonoina. Tsy maintsy nasiana famantarana ny trano rehetra. koa rehefa tonga ny anjely hanatanteraka ny iraka nampanaovina azy hamono. dia ho dinganiny ny tranon’ ny Isiraelita.IFM 40.3

    Rehefa nampihatra io fitsarana io tamin’ i Egypta Jehovah dia hoy Izy tamin’ i Mosesy : «Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra. . . na olona na biby fiompy ; Ahy ireny», «Satria . . . tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra teo amin’ ny Isiraely ho Ahy. na olona. na biby fiompy: Ahy ireo; lzaho no Jehovah»5Eks. 13:2; Norn. 3 : 13. Taorian’ ny nananganana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ ny iabernakely. dia nifidy ny taranak’ i Levy Jehovah ho solon’ ny lahimatoan’ ny Isiraely tsy vaky volo mba hanao fanompoana ao amin’ ny fitoerana masina. Nefa mbola noheverina ho an’ i Jehovah ihany ny lahimatoa, ary tokony havotana amin’ ny alalan’ ny vola.IFM 40.4

    Tamin’ izany no nanehoana tamin’ ny fomba mazava indrindra ny lalàna momba ny fitondrana ny voalohan-teraka. Tsangambaton’ ny fanafahana mahagaga ny zanak’ Isiraely izany. sady maneho mialoha koa ilay fahafahana lehibe ho tanterahin’ ny Zanaka lahitokan’ Andriamanitra. Tahaka ny ra nafafy teo amin’ ny tolambaravarana izay nahavonjy ny lahimatoa tao Isiraely, dia toy izany koa ny ran’ i Kristy izay manan-kery hamonjy an’ izao tontolo izao.IFM 41.1

    Koa manao ahoana ary ny hevitra raketin’ io fanolorana an’ i Kristy io ? Tsy hitan’ ny mpisorona anefa ny tao ambadiky ny efitra lamba; tsy novakiany ny zava-miafina ankoatran’ izany. Toe-javatra fahita andavanandro ny fanolorana ny zaza minono. Isan’ andro isan’ andro dia mandray ny vola avotra ny mpisorona rehefa atolotra eo anatrehan’ ny Tompo izy ireo. Manao io asa io am-pahazarana izy isan’ andro isan’ andro, ka tsy nojereny firy akory na ny ray aman-dreny na ny zaza, raha tsy mahita famantarana ny amin’ ny haren’ ny ray aman-dreny na ny toerana ambony tazonin’ izy ireo izy. Nahantra i Josefa sy Maria; ary rehefa tonga izy nitondra ny zanany, dia lehilahy sy vehivavy manao fitafian’ ny Galiliana fotsiny, dia fitafiana tsotra indrindra izany, no hitan’ ireo mpisorona. Tsy nisy na inona na inona nanintona ny saina teo amin’ ny endriny ivelany. ary fanatitra fanaon’ ny antokon’ olona mahantra indrindra no natolony.IFM 41.2

    Notohizan’ ny mpisorona ny fombam-pivavahana teo amin’ ny asany. Noraisiny teny an-tanany ny zaza dia nasandrany teo anoloan’ ny alitara. Rehefa naveriny teo amin’ ny reniny izany. dia nosoratany teo amin’ ny boky misy ny lahimatoa ny anarany hoe : «Jesosy». Raha nitrotro ny zaza izy dia tsy nampoiziny kely akory fa Ilay Andrianan’ ny Lanitra, Ilay Mpanjakan’ ny Voninahitra izy io. Tsy nampoizin’ ny mpisorona fa io zazakely io no Ilay nosoratan’ i Mosesy hoe : «Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy ; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo»6Asa 3 : 22 Tsy nampoiziny fa io zazakely io no nirin’ i Mosesy ho hita ny voninahiny. Lehibe noho i Mosesy anefa Ilay trotroin’ ny mpisorona; ary rehefa nanoratra ny anaran’ ny zaza izy, dia nanoratra ny anaran’ Ilay anankiray izay fototra iorenan’ ny fanompoam-pivavahana Jiosy manontolo. Io anarana io no ahazoana antoka ny ahafatesan’ io fombam-pivavahana io; efa nihaantitra mantsy ny rafitry ny fisoronana sy ny fanatitra, efa hihaona amin’ ny tena izy ny tandindona ary hihaona amin’ ny tena zavatra ny aloka.IFM 41.3

    Efa niala tsy tao amin’ ny fitoerana masina intsony ny «shekinah» nefa notakonana tao amin’ Ilay Zazakely avy tany Betlehema ny .voninahitra izay iankohofan’ ny anjely. Io zaza tsy mbola mahalala na inona na inona io no taranaka nampanantenaina, io no notondroin’ ny alitara voalohany teo amin’ ny vavahadin’ i Edena. Io no Silo, mpitondra fiadanana. Io no nanambara ny tenany tamin’ i Mosesy ho Ilay Izy. Io no tao amin’ ny andri-rahona sy ny andri-afo, ka nitari-dalana ny Isiraely. Io no efa nambaran’ ireo mpahita hatry ny ela. Izy no irin’ ny firenena rehetra, Solofo sy taranak’ i Davida, Kintana mamirapiratra fitarik’ andro. Ny anaran’ io zazakely tsy manan-kery io, nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny Isiraely dia manambara azy ho rahalahintsika, fanantenan’ ny taranak’ olombelona lavo. Ilay zaza izay nandoavana ny vidin’ ny fanavotana, Izy no handoa ny onitra noho ny fahotan’ izao tontolo izao manontolo. Izy no «Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra», «manana fisoronana tsy dimbasana», mpanelanelana «eo amin’ ny tànana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny Avo»7Heb. 10 : 21 ;7 : 24 : 1: 3.IFM 42.1

    Amin’ ny ara-panahy no amantarana ny zavatra ara-panahy. Tao amin’ ny tempoly no nanolorana ny Zanak’ Andriamanitra hanao ny asa nahatongavany. Tahaka ny fijeriny ny zaza hafa rehetra no nijeren’ ny mpisorona Azy. Nefa na dia tsy nisy hafa noho ny mahazatra hitany sy tsapany aza, dia fantatra ihany ny fihetsika nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nanomezany ny Zanany ho an’ izao tontolo izao. Tsy lasa foana anefa izany fotoana izany fa nisy nahafantatra an’ i Kristy. «Ary, indro nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely, ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo».IFM 42.2

    Raha niditra tao an-tempoly i Simeona dia nahita fianakaviana iray nitondra ny zanany lahimatoa teo anatrehan’ ny mpisorona izy. Mitory fahantrana ny fijery azy ; azon’ i Simeona ny filazana avy amin’ ny Fanahy, ka tsapany lalina ao am-pony fa io zazakely nentina teo amin’ i Jehovah io no Fampiononan’ Isiraely, Ilay niriny mafy ho hita. Gaga ny mpisorona nahita an’ i Simeona toa ravoravo. Naverina teny amin’ i Maria ny zazakely, koa dia noraisiny sy notrotroiny ka nasehony tamin’ Andriamanitra, sady nisy fifaliana izay tsy mbola tsapany mihitsy niditra tao am-pony. Raha nanandratra Ilay Mpamonjy zaza nanatrika ny lanitra izy, dia niteny hoe :IFM 42.3

    «Tompo Ò, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao
    Amin’ ny fiadanana
    Araka ny teninao;
    Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
    Izay namboarinao teo anatrehan’ ny firenena rehetra,
    Dia fahazavana hahazava ny firenena
    Sady voninahitry ny Isiraely olonao».
    IFM 43.1

    Nanindry io lehilahin’ Andriamanitra io ny fanahin’ ny faminaniana, ary raha nijoro teo anilany i Josefa sy Maria, izay gaga noho ny teny nataony, dia nitahy azy ireo izy ka izao no nolazainy tamin’ i Maria : «Indro, ity zaza ity no voatendry ho fandavoana sy fananganana ny maro ao amin’ Isiraely ary ho famantarana holavina — ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro».IFM 43.2

    Tonga koa i Ana, mpaminany vavy ka nanamafy ny teny vavolombelona nataon’ i Simeona mikasika an’ i Kristy. Raha niteny i Simeona dia namirapiratry ny voninahitr’ Andriamanitra ny tavan’ i Ana, ka nitosaka ny fisaorana tsapany tao am-pony satria navela hahita an’ i Kristy Tompony izy.IFM 43.3

    Tsy very maina ny nandinihan’ ireo mpaminany mpivavaka feno fanetren-tena ireo ny faminaniana. Fa ireo nitana toerana tahaka ny mpanapaka sy ny mpisorona tao amin’ ny Isiraely kosa, na dia teo anatrehan’ izy ireo koa aza ireo teny sarobidin’ ny faminaniana ireo, dia tsy nandeha tamin’ ny lalan ny Tompo, ary tsy nahiratra ny masony hahita ny Fahazavan’ aina.IFM 43.4

    Tahaka izany ihany koa ankehitriny. Ireo toe-javatra izay ifantohan’ ny mason’ ny lanitra manontolo, dia tsy hitan’ ireo mpitarika ara-pivavahana, sy ireo mpivavaka ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ary tsy hitan’ izy ireo akory ny fisehoan’ izany. Eken’ ny olona ny fisian’ i Kristy ara-tantara, nefa miodina hiala amin’ Ilay Kristy velona izy. Ilay Kristy izay miantso ao amin’ ny teniny fahafoizan-tena, eo amin’ ny mahantra sy ny mijaly mangataka fanampiana, eo amin’ ny fahamarinana izay mitarika fahantrana sy asa mafy ary fanomezan-tsiny, tsy vonona ny handray io Kristy io ny olona ankehitriny toy ny tsy nandraisana Azy ihany taonjato valo ambin’ ny folo lasa izay.IFM 43.5

    Noeritreretin’ i Maria ny faminaniana nataon’ i Simeona izay midadasika sady lasa lavitra. Raha nijery ny zaza teo an-trotroiny izy, ka nahatsiaro ny teny nataon’ ireo mpiandry ondry tany Betlehema, dia feno fifaliana sy fisaorana ary fanantenana mamirapiratra izy. Nampahatsiaro azy ny teny faminaniana nataon’ Isaia izay nolazain’ i Simeona : «Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ ny fàkany : ary ny Fanahin’ i Jehovah hitoetra eo aminy dia ny Fanahin’ ny Fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ary ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ ny fahatahorana an’ i Jehovah . . . Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehinkibony». «Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe, izay mitoetra amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava ... Fa Zaza no teraka ho antsika. Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina. Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay, Andrian’ ny fiadanana»8Isia 11 : 1 -5 ; 1 -6.IFM 44.1

    Na dia izany aza dia tsy azon’ i Maria ny hevitry ny asa nanirahana an’ i Kristy. Nilaza faminaniana ny Aminy i Simeona fa ho fahazavana hanazava ny Jentilisa Izy sady ho voninahitr’ Isiraely. Toy izany no nanambaran’ ny anjely ny fahaterahan’ ny Mpamonjy ho vaovao mahafaly ho an’ ny olona rehetra. Niezaka ny hanitsy ny hevitra teritery nananan’ ny Jiosy momba ny asan’ ny Mesia Andriamanitra. Tiany ny hibanjinan’ ny olona Azy, tsy amin’ ny maha-Mpanafaka an’ Isiraely fotsiny, fa amin’ ny maha-Mpanavotra an izao tontolo izao koa. Tsy maintsy hisy taona maro anefa vao ho azon’ ny renin’ i Jesosy ny asa nanirahana Azy.IFM 44.2

    Nanantena ny Mesia hanjaka eo amin’ ny seza Fiandrianan’ i Davida i Maria, tsy hitany anefa ny batisan’ ny fahoriana tsy maintsy handalovana mba hahazoana an’ izany. Nambara tamin’ ny alalan’ i Simeona fa tsy hoe tsy hisy hanakantsakana tsy akory ny lalan’ ny Mesia eto amin’ izao tontolo izao. Ny teny nataony tamin’ i Maria hoe : «ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra», dia fampilazana tsy mivantana nataon’ Andriamanitra noho ny famindrampony sy ny fitiavany ny amin’ ny fahoriana izay efa hozakainy sahady noho ny Aminy.IFM 44.3

    «Indro, hoy i Simeona, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ Isiraely ary ho famantarana holavina». Tsy maintsy ho potraka eo amin’ Ilay vatolampy isika ka ho torotoro vao azo asandratra ao amin’ i Kristy. Tsy maintsy alàna eo amin’ ny seza fiandrianana ny «izaho», tsy maintsy haetry ny avonavona, raha te-hahalala ny voninahitry ny fanjakana arapanahy isika. Tsy tian’ ny Jiosy ny hanaiky ny voninahitra azo avy amin’ ny fanetren-tena. Noho izany dia tsy tiany ny handray ny Mpanavotra azy. Famantarana holavina Izy.IFM 44.4

    «Mba haseho ny hevitry ny fo maro». Noho ny fahazavana eo amin’ ny fiainan’ ny Mpamonjy, dia aseho ny fon’ ny rehetra hatramin’ ny an’ ny Mpamorona ka hatramin’ ny an’ ny andrianan’ ny maizina. Nasehon’ i Satana ho tia tena sy mpanjakazaka Andriamanitra. mitaky ny zavatra rehetra, ary tsy manome na inona na inona, mitaky fanompoana amin’ ny voahariny ho voninahitry ny tenany. nefa tsy mahafoy na inona na inona mba hahasoa azy ireo. Ny nanomezany an’ i Kristy anefa dia manambara ny fon’ ny Ray. Vavolombelona izany fa «fiadanana, fa tsy loza»9Jer. 29: 11. no hevitra iheveran’ Andriamanitra antsika. Milaza izany fa mahery tahaka ny fahafatesana ny fankahalan’ Andriamanitra ny fahotana, fa ny fitiavany ny mpanota kosa dia mahery noho ny fahafatesana. Rehefa nanomboka ny fanavotana antsika Izy, dia tsy misy izay tsy ho foiny, na dia mamy toy inona aza, ka ilaina ho fanatanterahana ny asany. Tsy misy fahamarinana ilaina ho amin’ ny famonjena antsika ho tazonina. tsy misy fahagagan’ ny famindrampo atao an-tsirambina, tsy misy fomba ampiasain’ Andriamanitra avela amin’ izao. Miampy fahasoavana ny fahasoavana, miampy fanomezana ny fanomezana. Mivoha ho an’ izay rehetra milady famonjena ny tahirin-karenan’ ny lanitra manontolo. Rehefa nangoniny ny haren’ izao rehetra izao, dia navelany hisokatra ny loharanon’ ny hery tsy hita fetra, napetrany teo am-pelatanan’ i Kristy izany rehetra izany, ka hoy izy hoe : Ho an’ ny olombelona ireo rehetra ireo. Ampiasao ireo fanomezana ireo, mba hampiaiky azy fa tsy misy fitiavana lehibe noho ny Ahy eto an-tany na any an-danitra. Ho amin’ ny fitiavany Ahy no hahitany ny fahasambarany lehibe indrindra.IFM 45.1

    Nifanatrika teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary ny fitiavana sy ny fitiavan-tena. Teo no fara-tampon’ ny fisehoany. Tsy mivelona afa-tsy ho fampaherezana sy ho fitahiana Kristy ary raha namono Azy ho faty i Satana dia naneho ‘ny haratsiany sy ny fankahalany an’ Andriamanitra. Nasehony mazava fa ny tena zava-kendreny teo amin’ ny fikomiany dia ny hanongana an’ Andriamanitra avy eo amin’ ny seza fiandrianana sy handringana Ilay nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra.IFM 45.2

    Hita taratra koa ny fisainan’ ny olombelona teo amin’ ny fiainana sy ny fahafatesan’ i Kristy. Hatreo amin’ ny fihinanambilona ka hatrany amin’ ny hazo fijaliana. dia antso ho amin’ ny fampileferana ny tena sy ho amin’ ny firaisana amin’ ny fahoriana ny fiainan’ i Jesosy. Nanala sarona ny fikasan’ ny olombelona izany. Nitondra ny fahamarinan’ ny lanitra Jesosy ary izay rehetra nihaino ny feon’ ny Fanahy Masina dia voatarika ho eo Aminy. Anisan’ ny ao amin’ ny fanjakan’ i Satana izay manompo ny «izaho». Ny fihetsiky ny tsirairay amin’ i Kristy dia hampiseho izay iandaniany. Koa noho izany dia samy mitsara tena ny tsirairay.IFM 46.1

    Amin’ ny andro fitsarana farany dia ho azon’ ny fanahy very tsirairay ny anton’ ny nandavan’ ny tenany ny fahamarinana. Haseho ny hazo fijaliana, ka ho tsapan’ ny saina rehetra izay nohamaizinin’ ny fandikan-dalàna ny tena dikan’ izany. Hijoro eo ambany fanamelohana ny mpanota raha manatri-maso an’ i Kalvary sy Ilay nifono zava-miafina nianjadian’ ny fahoriana. Ho foana ny fialan-tsiny mandainga rehetra. Hiseho amin’ ny toetrany maharikoriko ny fihemoran’ ny olombelona. Ho hitan’ ny olona ny safidy nataony. Hazava amin’ izany ny olana rehetra nitranga momba ny fahamarinana sy ny hevi-diso nandritra izay fifanoherana naharitra ela dia ela izay. Eo amin’ ny fitsarana hataon’ izao rehetra izao dia tsy hisy hanome tsiny an’ Andriamanitra noho ny fisian’ ny ratsy na ny nitohizan’ izany. Haharihary fa tsy mba nankasitraka fahotana akory ny didim-pitsaran’ ny lanitra. Tsy nisy tomika ny fitondramoanjakan’ Andriamanitra, tsy nisy antony nahatonga fisarahambazana. Rehefa hiharihary ny fisainan’ ny fo rehetra. dia hiray feo izay mahatoky sy izay nikomy hoe : «Mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra ? Iza no tsy hankalaza ny anaranao Tompo ô? . .. Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao»10Apok. 15:3, 4.IFM 46.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents