Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 28—Levy Matio

    Tamin’ ireo mpiasam-panjakana tany Palestina, dia tsy nisy nankahalaina tahaka ny mpamory hetra. Satria firenena vahiny no mpampandoa hetra dia nahasorena mandrakariva ny Jiosy izany, ka nahatsiarovany fa efa very ny fiandrianam-pireneny. Tsy hoe fiasana fotsiny nentin’ ny Romana hampahory vahoaka ireo mpamory hetra, fa ireo mihitsy koa no nanao an-keriny tamin’ ny vahoaka ka nahavory harena ho an’ ny tenany. Noheverina ho mpamadika ny voninahitry ny fireneny izay Jiosy nanaiky handray io asa natolotry ny Romana io. Natao tsinontsinona izy ireny tahaka ny olona namadika ny finoana, ary nosokajiana ho anisan’ ny ambany indrindra teo amin’ ny mpiara-monina.IFM 279.1

    Tao amin’ io saranga io no nisy an’ i Matio; izy no nantsoin’ i Kristy hanaraka Azy nanarakaraka ny mpianatra efatra tany Genesareta. Ny asa aman-draharahany no nitsaran’ ny Fariseo an’ i Matio ho ratsy. Nefa kosa fo misokatra handray ny fahamarinana no hitan’ i Jesosy tao amin’ ity olona ity. Efa nihaino ny fampianaran’ ny Mpamonjy i Matio. Rehefa nandresy lahatra azy ny Fanahin’ Andriamanitra ka nasehony taminy ny maha-mpanota azy, dia naniry mafy ny hitady ny fanampiana avy amin’ i Kristy izy. Efa nahazatra azy ny nahita ireo Raby tsy azony ifandraisana ka tsy nampoiziny fa hiantefa eo aminy ny fiheveran’ ity Mpampianatra lehibe ity.1Mifototra amin’ ny Matio 9 : 9-17 ; Marka 2 : 14-22 ; Lioka 5 : 27-39 ;ity toko ityIFM 279.2

    Nipetraka teo am-pamorian-ketra izy indray andro raha nahita an’ i Jesosy nanatona. Akory ny hagagany nandre ny teny natao taminy hoe «Manaraha Ahy».IFM 279.3

    Dia «nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana dia nanaraka Azy». Tsy nisy fisalasalana, tsy nisy fanontaniana, tsy nisy fiheverana ny asa nidiram-bola be hatakalo fahantrana sy zava-tsarotra. Ampy ho azy ny miaraka amin’ i Jesosy, mba hahazoany nandre ny teniny, ka hiray Aminy amin’ ny asany.IFM 280.1

    Toy izany koa tamin’ ireo mpianatra nantsoina teo aloha. Rehefa nibaiko an’ i Petera sy ny namany Jesosy hanaraka Azy, dia nilaozany avy hatrany ny sambokeliny sy ny haratony. Nisy tamin’ ireo mpianatra nanana sakaiza niankina taminy teo amin’ ny fivelomana; rehefa nandray ny fiantsoan’ ny Mpamonjy anefa izy, dia tsy nisalasala nanontany hoe : «Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa hianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va ? Dia hoy ireo : Tsy nisy»2Lio. 22 : 25.IFM 280.2

    Nitovy ny fisedrana natao tamin’ i Matio teo amin’ ny harenany sy tamin’ i Andrea sy Petera teo amin’ ny fahantrany ; fanoloran-tena mitovy no samy nataony. Tamin’ ny fotoana nisian’ ny fahombiazana ka feno hazandrano ny harato ary mafy indrindra ny faniriany hiverina amin’ ilay fiainana taloha, dia nangataka ny mpianatra handao ny zavatra rehetra ho amin’ ny asan’ ny filazantsara Jesosy. Toy izany koa no hisedrana ny fanahy tsirairay avy mba hahitana izay mahery indrindra ao aminy na ny faniriana ny tombon-tsoa ara-nofo na ny fiarahana amin’ i Kristy.IFM 280.3

    Misy zavatra takin’ ny foto-kevitra mandrakariva. Tsy misy olona afaka hahita fahombiazana amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra afa-tsy ao amin’ ny fanolorany ny fony manontolo ho amin’ ny asa ka ahatsapany fa fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ ny fahalalana an’ i Kristy. Ny olona mametraka fepetra dia tsy mety ho mpianatr’ i Kristy ary tsy mety ho mpiara-miasa Aminy koa. Rehefa mankasitraka ny famonjena lehibe ny olona dia tsy maintsy hita eo amin’ ny fiainany ny fahafoizan-tena teo amin’ ny Tompo. Na aiza na aiza hitarihany azy dia ho faly hanaraka Azy ireo.IFM 280.4

    Niteraka fahatezerana be tamin’ ny Fariseo ny niantsoana an’ i Matio ho anisan’ ny mpianatr’ i Kristy. Raha mpampianatra arapivavahana no mifidy mpamory hetra ho mpanampy azy akaiky, dia fanafintohinana amin’ ny fomba amam-panao eo amin’ ny fivavahana sy eo amin’ ny fiaraha-monina ary eo amin’ ny firenena izany. Ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny vahoaka no nohetsehin’ ny Fariseo ary nanantena izy tamin’ izay fa hampiodina ny fandehan’ ny fihetsepam-pon’ ny besinimaro hanohitra an’ i Jesosy.IFM 280.5

    Nirehitra tao amin’ ilay mpamory hetra ny fahalianana naterak’ izany. Nihanjahanja teo amin’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra ny fony. Noho ny fifaliany tamin’ ny naha-mpianatra vaovao azy, dia nirian’ i Matio ny hitondra ireo mpiara-rniasa taminy teo aloha ho eo amin’ i Jesosy. Izany no antony nanaovany fanasana tao an-tranony ary nanasany ny havana aman-tsakaizany. Tsy ny mpamory hetra ihany no voasa tao, fa nisy koa olona maro hafa Izay tsy dia tsara laza loatra ary nihatakatahan’ ireo mpifanolobodirindrina sarotsarotiny.IFM 281.1

    Natao ho voninahitr’ i Jesosy ilay lanonana fandraisam-bahiny ary tsy nisalasala izy hanaiky izany fanajana azy izany. Fantany tsara fa hanafintohina ny antokon’ ny Fariseo izany ary mety hahatonga fisalasalana any Aminy eo amin’ ny vahoaka. Nefa tsy nisy resaka tetika fikomiana tamin’ ny fihetsika nataony.Tsy nisy lanjany taminy ny mari-boninahitra ivelany. Izay manintona ny fony dia fanahy mangetaheta ny ranon’ aina.IFM 281.2

    Vahiny hotoloran-kaja Jesosy tao amin’ ny latabatr’ ilay mpamory hetra; tamin’ ny firaisam-pony sy ny hatsaram-panahiny teo amin’ izay niaraka taminy no nanehoany ny fanajany ny fahambonian’ ny olombelona, ka noho izany dia naniry mafy ny ho mendrika ny fitokisany ny olona. Nitondra fitahiana sy hery manome aina ny teniny latsaka tao am-pon’ ireo nangetaheta. Nifoha ny hery manosika vaovao, ary nisokatra teo amin’ ireo nolavin’ ny tany ama-monina ny mety hahazoana fiainana vaovao.IFM 281.3

    Tamin’ ny fitoriana tahaka ity, dia tsy vitsy no nandatsaka tao am-pony ny fampianaran’ ny Mpamonjy, nefa tsy nety nanaiky Azy hatramin’ ny niakarany ho any an-danitra. Rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, ka telo arivo no niova fo indray andro monja, dia nisy maro tamin’ ireo izay nandre voalohany ny fahamarinana teo amin’ ny latabatry ny mpamory hetra, no nanjary mpitondra ny hafatry ny filazantsara. Lesona nitohy ho an’ i Matio ny ohatra nomen’ i Jesosy teo amin’ ny fanasana. Ilay mpamory hetra nohamavoina dia nanjary anankiray tamin’ ny evanjelistra nafana fo indrindra teo amin’ ny asa fanompoany ka nanaraka akaiky ny dian’ ny Tompony.IFM 281.4

    Rehefa ren’ ny raby ny nanatrehan’ i Jesosy ny fanasan’ i Matio, dia noraisiny ho fotoana mety hiampangana Azy izany. Nifidy ny hi,asa tamin’ ny alalan’ ny mpianatra anefa izy. Nofohaziny ny hevitra nibahana tao am-pon’ izy ireo, ary nanantena ny hampifanalavitra azy tamin’ ny Tompony izy. Tetika nampiasainy ny hiampanga an’ i Kristy tamin’ ny mpianany, ka nokendreny ho eo amin’ izay mety hahatonga ratra mafy indrindra ny zana-tsipika nalefany. Izany no fomba niasan’ i Satana hatramin’ ny fisarahankevitra tany an-danitra; ary izay rehetra niezaka ny hahatonga fisarahana sy fifanalavirana dia samy hetsehin’ ny fanahiny.IFM 282.1

    «Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota ?» hoy ny fanontanian’ ireo raby be fialonana.IFM 282.2

    Tsy nandrasan’ i Jesosy ho ny mpianatra no hamaly ny fiampangana Azy fa Izy mihitsy no niteny hoe : «Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ; tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka». Nihambo ho salama ara-panahy ny Fariseo, ary noho izany dia tsy nila mpanao fanafody, fa ny mpamory hetra sy ny jentilisa kosa no noheveriny ho efa maty noho ny aretin’ ny fanahiny. Ka moa ve tsy adidiny. araka ny amin’ ny maha-mpitsabo Azy, ny maneho fitiavana amin’ ny antokon’ olona mila ny fanampiany indrindra toy itony ?IFM 282.3

    Nefa na dia nihevitra ny tenany ho ambony toy izany aza ny Fariseo, dia tena teo amin’ ny toerana ratsy kokoa noho izay nohamavoiny izy. Tsy dia mpivavaka tonga ohatra loatra na nihevitra ny tenany ho ampy tahaka ny Fariseo sy ny mpamory hetra izy ireo ; ary noho izany dia nisokatra kokoa hiasan’ ny fahamarinana ny fony. Hoy Jesosy tamin’ ny raby : «Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe : «Famindrampo no sitrako. fa tsy fanatitra alatsa-dra».IFM 282.4

    Nasehony tamin’ izany ta raha nilaza ny tenany ho mpanazava ny tenin’ Andriamanitra izy, dia tsy nahalala velively ny ara-panahy eo amin’ ny lalàna notandremany.IFM 282.5

    Nangina fotoana fohy aloha ny Fariseo nefa izao vao mainka tapa-kevitra teo amin’ ny fandrafiany Azy izy. Notadiaviny ny mpianatr’ i Jaona Mpanao batisa mba ho taominy hanohitra ny Mpamonjy. Tsy nanaiky ny asa nanirahana an’ i Jaona Mpanao batisa ny Fariseo. Nataony fihomehezana ny fiainany feno fifadiana sy ny fahazarany tsotra, ny fitafiany tsizarizary, ary nolazainy aza fa mpitompo teny fantatra izy. Satria nopotsipotsirin’ i Jaona ny fihatsarambelatsihiny, dia nanohitra ny teniny ireo ary niezaka hanetsika ny vahoaka hanohitra azy. Niasa tao amin’ ny fon’ ireo mpanimbazimba ireo anefa ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nampiaiky azy ny amin’ ny fahotana; kanjo notsipahiny ny torohevitra avy amin’ Andriamanitra, ary nolazainy aza fa nanana demonia i Jaona.IFM 282.6

    Ankehitriny raha nifangaro tamin’ ny olona Jesosy, ka nihinana sy nisotro teo amin’ ny latabatra nisy azy, dia nampangainy ho tendan-kanina sy mamon-divay. Ireo nanao io fiampangana io indrindra no tena meloka. Tahaka ny mahadiso ny fanehoana an’ Andriamanitra sy ny niampangan’ i Satana Azy tamin’ ny toetra mampiavaka Azy indrindra, dia toy izany koa no hiampangan’ ny ratsy fanahy ny mpitondra hafatr’ i Jehovah.IFM 283.1

    Tsy tian’ ny Fariseo ny hihevitra fa matoa niara-nihinana tamin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota Jesosy dia ny mba hitondrany ny fahazavan’ ny lanitra ho an’ ireo izay nipetraka tao amin’ ny haizina. Tsy tian’ i Satana ho hita fa ny teny rehetra mikoriana avy tamin’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra dia voa velona hitsimoka sy hitondra voa ho voninahitr’ Andriamanitra. Efa nanapa-kevitra tsy hanaiky ny fahazavana izy ireo ; ka na dia efa nanohitra ny asan’ Ilay Mpanao batisa aza izy, dia vonona kosa ankehitriny hila sitraka amin’ ny mpianany sy handray azy ireo ho namana, ka hanantena fiaraha-miasa azo antoka amin’ ireo hoenti-manohitra an’ i Jesosy. Nasehony fa nanao tsinontsinona ny lovan-tsofina hatry ny ela Jesosy ; ary nampitahainy ny fitiavam-bavaka sarotiny dia sarotiny teo amin’ i Jaona sy ny fihetsik’ i Jesosy niaraka tamin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota teo amin’ ny fanasana.IFM 283.2

    Tao anatin’ ny alahelo mafy ny mpianatr’ i Jaona tamin’ izay fotoana izay, satria talohan’ ny nanatonany an’ i Jesosy hitondra hafatra avy tamin’ i Jaona io fotoana io. Tao an-tranomaizina ilay mpampianatra malalany ka nisaona nandritra ny andro izy ireo. Jesosy koa tsy niezaka ny hanafaka an’ i Jaona, ary toa nanala voninahitra ny fampianarany aza. Raha tena irak’ Andriamanitra tokoa i Jaona, nahoana Jesosy sy ny mpianany no manao izao fihetsika hafa lavitra izao ?IFM 283.3

    Tsy nanana fahalalana mazava ny amin’ ny asan’ i Kristy ny mpianatr’ i Jaona; koa dia noheveriny fa mety ho mari-pototra ny fiampangan’ ny Fariseo Azy. Nisy fitsipika maro nataon’ ny raby izay nankatoaviny fatratra ary nanantena aza izy fa hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna. Nataon’ ny Jiosy ny fifadiankanina satria noheveriny fa ho asa hanome fahamendrehana azy izany, ary sarotiny indrindra tamin’ izany izy ka nahavatra nifady hanina in-droa isan-kerinandro. Nifady hanina ny Fariseo sy ny mpianatr’ i Jaona raha tonga nanontany an’ i Jesosy ireo mpianatr’ i Jaona hoe : «Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady hanina ?»IFM 283.4

    Novalian’ i Jesosy malefaka dia malefaka izy ireo. Tsy niezaka hanitsy ny fiheverany diso momba ny fifadian-kanina Izy, fa niezaka fotsiny hampahafantatra ny marina momba ny asa nanirahana Azy. Ary ny nentiny nanao izany dia ny sary izay efa nampiasain’ ilay Mpanao batisa ihany hanambarana an’ i Jesosy. Hoy Jaona : «Izay manana ny ampakarina no mpampakatra: fa ny sakaizan’ ny mpampakatra izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra, ary efa tanteraka izany Fifaliako izany» 3Jao.3 : 29. Tsy hadinon’ ny mpianatr-’ i Jaona tsy akory ireo tenin’ ny mpampianatra azy ireo, raha noraisin’ i Jesosy io sary io ka hoy Izy hoe : «Moa mahay misaona va ny havan’ ny mpampakatra, raha mbola eo aminy ihany ny mpampakatra ?»IFM 284.1

    Teo anivon’ ny vahoakany ny Zanak’ Andriamanitry ny lanitra. Efa nomen’ Andriamanitra an’ izao tontolo izao ny fanomezana lehibe indrindra. Fifaliana ho an’ ny mahantra ; fa Kristy efa tonga hampiditra azy ho mpandova ny fanjakany. Fifaliana ho an’ ny manan-karena fa nampianatra azy ny fomba fitehirizana harena mandrakizay mantsy Izy. Fifaliana ho an’ ny kely fahalalana ny hampianarany azy ho hendry ho amin’ ny famonjena. Fifaliana ho an’ ny manam-pahalalana ny hanokatra zava-miafina lalina kokoa izay tsy mbola takatry ny sainy ; fahamarinana izay nafenina hatrizay nanorenana an’ izao tontolo izao no hovelarina ho an’ ny olona amin’ ny alalan’ ny asa nanirahana ny Mpamonjy.IFM 284.2

    Nifaly i Jaona Mpanao batisa raha nibanjina ny Mpamonjy. Antom-pifaliana manao ahoana ny an’ ny mpianatra izay nanana tombon-tsoa hiara-mandeha sy hiresaka amin’ ny Andrianan’ ny lanitra. Tsy fotoana tokony hisaonana sy hifadian-kanina izao. Tsy maintsy mampidanadana ny fony izy handraisany ny fahazavan’ ny voninahiny, mba hahazoany mandefa tara-pahazavana eo amin’ izay mitoetra ao amin’ ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana.IFM 284.3

    Sary mamirapiratra no nampahatsiarovan’ ny tenin’ i Kristy, kanefa hosembanin’ ny aloka mavesatra izany, ka ny mason’ Izy irery no afaka hahita izany : «Ho avy ny andro, hoy Izy, izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izay vao hifady izy». Rehefa hahita ny hamadihana sy hanomboana ny Tompony eo amin’ ny hazo fijaliana ny mpianatra, dia hitomany sy hifady izy. Hoy Jesosy tamin’ ny teny farany nataony ho azy ireo tao amin’ ny efitra ambony : «Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly ;ary hianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana»41 Jao.16 :19 ;20.IFM 285.1

    Rehefa hivoaka ny fasana Izy, dia hody fifaliana ny alahelon’ ny mpianatra. Aorian’ ny hiakarany any an-danitra, dia tsy ho eo intsony ny tenany ;fa mbola ho eo aminy kosa Izy amin’ ny alalan’ Ilay Mpananatra, dia ny Fanahy, ka tsy tokony handany andro hitomaniana izy. Io no irin’ i Satana haseho amin’ izao tontolo izao, dia ny fahatsapana fa voafitaka sy diso fanantenana izy ireo ; nefa kosa hijery ny fitoerana masina any ambony amin’ ny alalan’ ny finoana ny mpino izay hanaovan’ i Jesosy fanompoana ho azy ; ka ny tokony hataony dia ny hanokatra ny fony hiasan’ ny Fanahy Masina, ilay Solontenan’ i Kristy, ka hifaly eo amin’ ny fahazavan’ ny fanatrehany. Ho avy anefa ny andro fakam-panahy rehefa entina hifanefatra amin’ ny mpifehin’ ity izao tontolo izao ity izy ireo, ka hotsarain’ ny mpitarika eo amin’ ny fanjakan’ ny maizina ; rehefa tsy miaraka aminy intsony ny tenan’ i Kristy, ka tsy ho hainy ny mahafantatra Ilay Mpananatra, amin’ izay fotoana izay dia mety aminy kokoa ny mifady.IFM 285.2

    Nitady hanandratra ny tenany tamin’ ny alalan’ ny fanarahana hentitra ny fombafomba ivelany ny Fariseo, nefa ny fony feno fitsiriritana sy adilahy. «Indro, hoy ny Soratra Masina, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ ny ifadianareo ary ny hamely amin’ ny totohondrin’ ny faharatsiana; izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any aimin’ ny avo. Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako ? Dia andro hampahorian’ ny olona tena ? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany. — Moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah ? 5Isa. 58 : 4, 5»IFM 285.3

    Tsy fanompoam-pivavahana ivelambelany no tena fifadiana. Lazain’ ny Soratra Masina ny fifadiana ankasitrahan’ Andriamanitra, — «dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahoriana ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra, ny mahafoy ho an’ ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory» 6Isa. 58 : 6,10 . Aseho eto ny tena toe-tsaina sy ny toetry ny asan’ i Kristy. Ny fiainany manontolo dia fanaovana sorona ny tenany hamonjena an’ izao tontolo izao. Na ny fifadiana tany an-efitra fakam-panahy na ny fiarahana nihinana tamin’ ny mpamory hetra teo amin’ ny fanasan’ i Matio, dia samy nanomezany ny ainy ho fanavotana ny very. Tsy ny fitomaniana tsy misy vokany sy ny fanetren-tena ara-batana fotsiny na ny fanatitra alikisa akory no tena fisehoan’ ny toe-tsaina tia vavaka marina, fa hita izany eo amin’ ny fampileferana ny «izaho» ho amin’ ny fanompoana antsitrapo an’ Andriamanitra sy ny olona.IFM 286.1

    Nanohy ny valinteniny ho an’ ny mpianatr’ i Jaona Jesosy ka nanao fanoharana hoe: «Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ ny tapa-damba tsy mbola voalona ; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra». Ny hafatr’ i Jaona Mpanao batisa dia tsy tokony hifaningotra amin’ nylovan-tsofina sy ny finoanoam-poana. Raha andramana afangaro ny fihamboan’ ny Fariseo sy ny fitiavam-bavak’ i Jaona, dia vao mainka hampiharihary ny hantsana mampisaraka azy fotsiny izany.IFM 286.2

    Ny foto-kevitry ny fampianaran’ i Kristy koa dia tsy tokony hampiraisina amin’ ny fombafomban’ ny Fariseo. Tsy hanentsina ny banga niseho noho ny fampianaran’ i Jaona Jesosy. Hampiavaka bebe kokoa ny fisarahan’ ny taloha sy ny vaovao Izy. Mbola nohazavain’ i Jesosy ihany io toe-javatra io, ka hoy Izy hoe : «tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta ; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay sady ho simba ny siny hoditra». Ny siny hoditra nampiasaina mba hasiana divay vaovao, rehefa afaka kelikely dia manjary maina sy mora vaky izany ary tsy azo ampiasaina ho amin’ izany intsony. Nasehon’ i Jesosy tamin’ io sary mahazatra io ny toe-javatra nisy teo amin’ ny mpitarika Jiosy. Raikitra tao amin’ ny fanompoam-pivavahana sy ny lovantsofina efa nanjary volan-kakafotra ny mpisorona sy ny mpanora- dalàna. Nikainkona ny fony tahaka ny siny hoditra nihamaina ary fametrahana divay izay nihamaina. Nijanona ho afa-po tamin’ ny fivavahana fatra-panaraka lalàna izy, ka tsy azony atao ny ho tonga olona azo hametrahana ny fahamarinana velona avy any an-danitra. Noheveriny fa ampy ny fahamarinan’ ny tenany, ka tsy tiany hisy zava-baovao hampidirina ao amin’ ny fivavahany intsony. Tsy nekeny ho zavatra ho any ivelan’ ny tenany ny sitrapon’ Andriamanitra tsara ho an’ ny olona. Nampifandraisiny tamin’ ny fahamendrehan’ ny tenany izany noho ny asa tsara nataony. Ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana sy manadio ny fanahy dia tsy afaka mahita toerana hiraisany amin’ ny fivavahan’ ny Fariseo, izay fanompoam-pivavahana sy didin’ olombelona fotsiny. Ny ezaka atao hampiray ny fampianaran’ i Jesosy amin’ ny fivavahana nisy tamin’ izay, dia herim-po very foana: Ny fahamarinan’ Andriamanitra no mitondra aina, tahaka ny divay mandroatra, ka hampitriatra ny siny tonta efa simba, dia ny lovan-tsofin’ ny Fariseo.IFM 286.3

    Nihevitra ny tenany ho hendry loatra ny Fariseo, ka tsy nety handray fampianarana avy amin’ i Kristy, marina loatra izy ka tsy nila famonjena, ambony sy be voninahitra loatra izy ka tsy nila ny voninahitra avy amin’ i Kristy. Niala tamin’ izy ireo ny Tompo ka nitady olon-kafa hanaiky ny hafatry ny lanitra. Ireo mpanarato tsy nahita fianarana kosa sy ilay mpamory hetra teny an-tsena, ary koa ilay vehivavy tany Samaria, ny olon-tsotra toy ireny no nihaino Azy tamim-pifaliana, ka azo noharina tamin’ ny siny vaovao hasiana divay vaovao. Ny Fitaovana hampiasaina ao amin’ ny asan’ ny filazantsara dia ireo fanahy izay handray amim-pifaliana ny fahazavana alefan’ Andriamanitra ho azy. Ireo no mpiasa hizara ny fahalalana ny fahamarinana ho an’ izao tontolo izao. Raha tonga siny vaovao amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Kristy ny vahoakany, dia hameno azy amin’ ny divay vaovao Izy.IFM 287.1

    Tsy foto-pianarana vaovao ny fampianaran’ i Kristy, na dia naseho tamin’ ny alalan’ ny divay vaovao aza, fa fanambarana izay efa nampianarina hatramin’ ny voalohany. Ho an’ ny Fariseo anefa dia efa very ny dikan’ ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny hakantony tany am-boalohany, vaovao ho azy saiky tamin’ ny lafiny rehetra ny fampianaran’ i Kristy, ka tsy hainy fantarina sy ekena.IFM 287.2

    Nopotsirin’ i Jesosy ny herin’ ny fampianaran-diso ho mamono ny fitiavana ny fahamarinana sy ny faniriana azy. «Tsy misy olona hoy Izy rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao, fa hoy izy : Ny ela no tsara». Ny fahamarinana rehetra izay nomena an’ izao tontolo izao tamin’ ny alalan’ ny patriarka sy ny mpaminany no nanjary namirapiratra eo amin’ ny hatsaran-tarehy vaovao teo amin’ ny tenin’ i Kristy. Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo kosa dia tsy naniry ny divay vaovao sarobidy. Raha tsy afaka ny lovan-tsofina, ny fomba amam-panao eia, dia tsy misy toerana ho an’ ny fampianaran’ i Kristy ao an-tsainy, na ao am-pony. Nifikitra tamin’ ny fombafomba ivelany efa maty izy ka nialany ny fahamarinana velona sy ny herin’ Andriamanitra.IFM 287.3

    Io mihitsy no antony marina naharingana ny Jiosy, ary io ihany koa no handringana fanahy maro amin’ ny androntsika. An’ arivony no manao ny hadisoana izay nataon’ ny Fariseo nanameloka an’ i Kristy tao amin’ ny fanasan’ i Matio. Betsaka no mandà ny fahama-rinana nidina avy tamin’ ny Rain’ ny fahazavana, satria tsy foiny ny hevitra ankamamiany ary tsy hariany ny hevitra nataony sampy. Matoky ny «izaho» izy, ka miankina amin’ ny fahendren’ ny tenany ary tsy mahatsapa ny fahantrany ara-panahy. Antitranteriny ny mahavoavonjy azy amin’ ny fomba izay mety hahavitany asa lehibe. Rehefa hitany fa tsy misy fomba hampidirany ny «izaho» hotenomina ao amin’ ny asa, dia tsipahiny ny famonjena nomanina ho azy.IFM 288.1

    Tsy afaka hitarika ny fanahy ho eo amin’ i Kristy na ovivana na oviana ny fivavahana fatra-panaraka fitsipika; fivavahana kristiana tsy misy fitiavana mantsy izany. Ny fifadiana na ny fivavahana izay entanin’ ny toe-tsaina manamarin-tena dia fahavetavetana eo imason’ Andriamanitra. Ny fivoriana manetriketrika hanaovana fanompoampivavahana. ny fombam-pivavahana mifandimby marobe, ny fanetrentena ivelambelany, ny fanatitra lehibe sy mahagaga, ireo dia manambara fa mihevitra ny tenany ho marina sy manana zo ho any an-danitra ny mpanao ireo zavatra ireo; nefa fitaka avokoa izany rehetra izany. Tsy mahavidy famonjena mihitsy ny asan’ ny tenantsika.IFM 288.2

    Tahaka izay tamin’ ny andron’ I Kristy, dia toy izany koa ankehitriny; tsy mahafantatra ny fahantrany ara-panahy ny Fariseo. Tonga aminy ny hafatra manao hoe:«Fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory ; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hoiafianao mba tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahanao»7Apok.3 : 17, 18. Ny finoana sy ny fitiavana no volamena voadio tamin’ ny afo. Fa ho an’ ny maro dia nihamatroka ny volamena ary very ny harena sarobidy. Raha ny aminy, dia fitafiana tsy anaovany sy loharano tsy kasihiny ny fahamarinan’ i Kristy. Izao no voalaza ny aminy : «Manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany ianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo dia mibebaha ka manaova ny asa voalohany ; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao»8Apok. 2 : 4, 5.IFM 288.3

    «Ny tanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro;ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô tsy mba ataonao tsinontsinona» 9sal.51 ;17. Tsy maintsy foana ny «izaho» ao amin’ ny olona vao mety ho tonga mpino an’ i Jesosy amin’ ny heviny feno izy. Rehefa afoy ny «izaho», amin’ izay vao azon’ ny Tompo atao olom-baovao ny olona. Azo asiana divay vaovao ny siny vaovao. Hamelona ny mpino ho amin’ ny fiainana vaovao ny fitiavan’ i Kristy. Haseho ao amin’ izay mijery an’ i Kristy tompon’ ny finoantsika sy mpanefa azy ny toetra amam-panahin’ i Kristy.IFM 289.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents