Toko 65—Ny tempoly nodiovina indray
Ilay Fitiavana Mandresy
- Contents- Ala-sarona
- Toko 1—Amintsika Andriamanitra
- Toko 2—Ilay vahoaka voafidy
- Toko 3—Tonga ny fotoan’andro
- Toko 4—Mpamonjy no teraka ho anareo
- Toko 5—Ny nanolorana Azy
- Toko 6—Nahita ny kintana izahay
- Toko 7—Jesosy Zaza
- Toko 8—Ny nandalovany tamin’ny andro Paska
- Toko 9—Adim-piainana teo amin’ny fahazazana
- Toko 10—Ilay feo tany an-efitra
- Toko 11—Ny Batisa
- Toko 12—Ny fakam-panahy
- Toko 13—Ny fandresena
- Toko 14—Efa nahita ny Mesia izahay
- Toko 15—Teo amin’ny fanasana fampakaram-bady
- Toko 16—Tao amin’ny tempoliny
- Toko 17—Nikodemosy
- Toko 18—Izy tsy maintsy mitombo
- Toko 19—Teo amin’ ny fantsakan’ i Jakoba
- Toko 20—Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo
- Toko 21—Betesda sy ny Synedriona
- Toko 22—Ny nanagadrana an’ i Jaona sy ny nahafatesany
- Toko 23—Akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra
- Toko 24—Tsy Ilehity va Ilay Zanaky ny mpandrafitra ?
- Toko 25—Ny antso teo amoron’ ny ranomasina
- Toko 26—Tao kapernaomy
- Toko 27—Mahay manadio ahy Hianao
- Toko 28—Levy Matio
- Toko 29—Ny Sabata
- Toko 30—Nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy
- Toko 31—Ny toriteny teo an-tendrombohitra
- Toko 32—Ilay Kapiteny
- Toko 33—Iza no rahalahiko ?
- Toko 34—Ny fiantsoana
- Toko 35—Mangina, mitsahara !
- Toko 36—Ny finoana mitarika hanendry
- Toko 37—Ireo evanjelista voalohany
- Toko 38—Avia , miala sasatra kely
- Toko 39—Omeonareo hanina izy
- Toko 40—Indray alina teo amin’ ny farihy
- Toko 41—Ny zava-tsarotra tany Galilia
- Toko 42—Lovan-tsofina
- Toko 43—Fefy narodana
- Toko 44—Ny tena famantarana
- Toko 45—Ny aloky ny hazo fijaliana
- Toko 46—Niova tarehy Izy
- Toko 47—Asa fanompoana
- Toko 48—Iza no lehibe indrindra ?
- Toko 49—Tamin’ ny andro firavoravoana
- Toko 50—Tao anatin’ ny fandrika
- Toko 51—Ny fahazavan’ aina
- Toko 52—Ilay Mpiandry ondry tsara indrindra
- Toko 53—Ny dia farany avy tany Galilia
- Toko 54—Ny Samaritana tsara fanahy
- Toko 55—Tsy misehoseho
- Toko 56—Nitahy ny zaza
- Toko 57—Diso zavatra iray loha hianao
- Toko 58—Ry Lazarosy, mivoaha!
- Toko 59—Ny fiokoan’ ny mpisorona
- Toko 60—Ny lalàn’ ny fanjakana vaovao
- Toko 61—Zakaiosy
- Toko 62—Tao an-tranon’ i Simona
- Toko 63—Avy ny mpanjakanao
- Toko 64—Vahoaka tandindomin-doza
- Toko 65—Ny tempoly nodiovina indray
- Toko 66—Adihevitra
- Toko 67—Lozanareo Fariseo !
- Toko 68—Tao amin’ ny kianja ivelany
- Toko 69—Teo amin’ ny tendrombohitra Oliva
- Toko 70—Ny kely indrindra amin’ ny rahalahiko
- Toko 71—Mpanompon ‘ ny mpanompo
- Toko 72—Ho fahatsiarovana Ahy
- Toko 73—Aza malahelo ny fonareo
- Toko 74—Getsemane
- Toko 75—Teo anatrehan’ i Anasy sy teo amin ‘ ny lapan’ i Kaiafa
- Toko 76—Jodasy
- Toko 77—Tao amin’ ny fitsaran’ i Pilato
- Toko 78—Kalvary
- Toko 79—Vita
- Toko 80—Tao amin’ ny fasan’ i Josefa
- Toko 81—Nitsangana ny Tompo
- Toko 82—Nahoana hianao no mitomany ?
- Toko 83—Ny dia ho any Emaosy
- Toko 84—Fiadanana ho anareo
- Toko 85—Teo amoron-dranomasina indray
- Toko 86—Mandehana any amin’ ny firenena rehetra
- Toko 87—Ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo
Search Results
- Results
- Related
- Featured
- Weighted Relevancy
- Content Sequence
- Relevancy
- Earliest First
- Latest First
- Exact Match First, Root Words Second
- Exact word match
- Root word match
- EGW Collections
- All collections
- Lifetime Works (1845-1917)
- Compilations (1918-present)
- Adventist Pioneer Library
- My Bible
- Dictionary
- Reference
- Short
- Long
- Paragraph
No results.
EGW Extras
Directory
Toko 65—Ny tempoly nodiovina indray
Tamin’ ny fiantombohan’ ny asany dia navoakan’ i Kristy avy tao amin’ ny tempoly ireo izay nandoto izany tamin’ ny varotra tsy masina nataony ; ary niteraka horohoro tao am-pon’ ireo mpivarotra nioko ny fihetsiny henjana mitovy tamin’ Andriamanitra. Tamin’ ny fiafaran’ ny asa nanirahana Azy dia tonga teo amin’ ny tempoly indray Izy, ka hitany fa mbola maty hasina tahaka ny teo aloha ihany izany1Mifototra amin’ny Mat. 21 : 12-16,23-46 ; Mar. 11: 15-19, 27-33 ; 12 : 1-12 Lio. 19 : 45-48 ; 20 : 1-19. Ratsy noho ny teo aloha aza ny toe-javatra. Tahaka ny tsenan’ omby lehibe ny kianja ivelan’ ny tempoly. Nifangaro tamin’ ny fikiakiakan’ ny biby sy ny feon’ ny vola vy mikorintsana ny antsoantsoam-pahatezerana ataon’ ny mpivarotra sy ny mpividy, ary tao anatin’ izany no nandrenesana ny feon’ ny olona nanao ny asa masina. Ireo tompon’ andraikitra ambony teo amin’ ny tempoly mihitsy no niditra an-tsehatra tamin’ ny fividianana sy ny fivarotana ary ny fanakalozam-bola. Voafehin’ ny fitiavana hahazo tombony tamin’ ny fomba feno indrindra izy, hany ka teo imason’ Andriamanitra dia tsy tsara noho ny mpangalatra izy ireo.IFM 627.1
Tsy nahatsapa firy ny haja sy ny voninahitry ny asa napetraka ho adidiny ny manatanteraka izany ny mpisorona sy ny mpanapaka. Isaky ny Paska sy ny Andro firavoravoana amin’ ny Tabernakely, dia an’ arivony ny biby novonoina, ary noraisin’ ny mpisorona ny rany ka nararany teo amin’ ny alitara. Efa nahazatra ny Jiosy ny rà natao fanatitra, koa efa saiky very tsy teo imasony fa ny fahotana no nahatonga izao fandatsahana ny ran’ ny biby rehetra izao ho ilaina. Tsy hitany fa mampiseho mialoha ny ran’ ny Zanaka malalan’ Andriamanitra izany, izay hahidina ho fiainan’ izao tontolo izao, ary amin’ ny alalan’ ny fanatitra dia tokony hotarihina ho eo amin’ Ilay Mpanavotra voahombo ny olona.IFM 627.2
Nijery ireto biby tsy manan-tsiny natao fanatitra Jesosy, ary hitany ny nanaovan’ ny Jiosy ireny fivoriambe ireny ho sehatry ny fandatsahan-drà sy ny habibiana. Ho solon’ ny fibebahana noho ny fahotana feno fanetren-tena, dia nampitomboiny ny biby natao fanatitra, toy ny ho azo homem-boninahitra amin’ ny fanompoana tsy atao amin’ ny fo Andriamanitra. Efa nanamafy ny fony tamin’ ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena ny mpisorona sy ny mpanapaka. Ny tandindona mihitsy izay manondro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra dia efa nataony fomba ahazoana tombony. Noho izany, dia simba tamin’ ny lafiny maro ny fahamasinan’ ny fanompoam-pivavahana fanatitra teo imason’ ny olona. Niseho ny fahatezeran’ i Jesosy, fantany fa tsy hankasitraka firy ny rany, izay efa hahidina ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao ny mpisorona sy ny loholona toy ny nataony tamin’ ny ran’ ny biby izay nakorinany tsy an-kijanona.IFM 628.1
Efa niteny nanohitra ireny fomba ireny Kristy tamin’ ny nampilazainy an’ i Samoela mpaminany hoe : «Sitrak’ i Jehovah moa ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’ Andriamanitra. He ! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ ondrilahy»21 Sam 15 : 20. Ary Isaia, raha nahita ny fihemoran’ ny Jiosy tamin’ ny alalan’ ny fahitana milaza ny ho avy, dia niteny tamin’ izy ireo amin’ ny maha-mpanapaka an’ i Sodoma sy Gomora azy hoe : «Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma, mihainoa ny lalàn’ Andriamanitra ry vahoakan’ i Gomora. Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra ? hoy Jehovah, efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra odorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, ary tsy sitrako ny ran’ ny vatotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy. Raha avy miseho eo anatrehako hianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako ? «Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo, mitsahara, fa aza manao ratsy ; mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena» 3Isa. 1 : 10-12 ; 16, 17.IFM 628.2
Ilay nanome mihitsy ireo faminaniana ireo, no mamerina farany ny fampitandremana ankehitriny. Ho fanatanterahana ny faminaniana dia efa nanambara an’ i Jesosy ho mpanjakan’ ny Isiraely ny vahoaka. Efa nandray ny fankalazana Azy Izy, ka nanaiky ny anarana amin’ ny maha-mpanjaka Azy. Araka izany toetra izany no tsy maintsy ho fihetsiny. Fantany fa tsy hisy vokany ny ezaka hanovana ny fisoronana efa simba ; na dia izany aza, tsy maintsy hatao ny asany ; tsy maintsy haseho amin’ ny vahoaka tsy mino ny porofo mazava ny amin’ ny asa nanirahan’ Andriamanitra Azy.IFM 629.1
Nitety indray ny kianjan’ ny tempoly maty hasina ny maso matsilon’ i Jesosy. Nitodika tany Aminy ny fijery rehetra. Ny mpisorona sy ny mpanapaka, ny Fariseo sy ny jentilisa, samy gaga sy natahotra nijery an’ Ilay nijoro teo anatrehany tamin’ ny fahalehibeazan’ ny Mpanjakan’ ny lanitra. Namirapiratra avy tao amin’ ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra, ka nanarona an’ i Kristy tamin’ ny fahamendrehana sy ny voninahitra tsy mbola naseho mihitsy teo aloha. Izay teo akaikiny indrindra, dia nikisaka lavitra araka izay azo natao tao anatin’ ny vahoaka. Afa-tsy vitsivitsy tamin’ ny mpianany, dia nijoro irery teo ny Mpamonjy. Nangina ny feo rehetra. Toa tsy ho zaka izany fanginana lalina izany. Niteny taminkery izay nampitsingevaheva ny olona tahaka ny rivo-doza mahery Kristy hoe : «Efa voasoratra hoe : Ny tranoko dia trano fivavahana, fa hianareo kosa manao azy ho zohy fìeren’ ny jiolahy». Tahaka ny trompetra no fanenon’ ny feony tao amin’ ny tempoly. Tahaka ny afo mandevona ny fahasorenana teo amin’ ny endriny. Nibaiko tamim-pahefana Izy hoe :«Esory teto ireto zavatra ireto !»4Jao. 2 : 16.IFM 629.2
Telo taona talohan’ izao, dia menatra ny mpanapaka tao amin’ ny tempoly, nandositra rehefa nibaiko Jesosy. Hatramin’ izay dia nahagaga azy ny tahotra nanjo azy sy ny fankatoavany tsy nisy adi-varotra tamin’ ny olona tsotra dia tsotra iray monja. Tsapany fa tsy afaka hamerina izany fileferana tsy mendrika izany izy. Nefa ankehitriny dia raiki-tahotra noho ny tamin’ ny voalohany izy, ary vao mainka niolomay nankato ny baikony. Tsy nisy na dia iray aza sahy nanontany ny fahefany. Nandositra teo anatrehany ny mpisorona sy ny mpivarotra, sady nanosika ny bibiny teo anoloany. Raha nivoaka ny tempoly izy ireo dia nifanena tamin’ ny vahoaka marobe izay tonga nitondra ny marariny nitady Ilay Mpanasitrana lehibe. Ny zavatra nolazain’ ireo olona nandositra dia nahatonga ny sasany tamin’ ireny hiverin-dalana. Natahotra ny hifanena amin’ Ilay manan-kery toy izany izy, izay ny fijeriny fotsiny dia nitarika ny mpisorona sy ny mpanapaka hiala tsy ho eo anatrehany. Betsaka anefa no nibosesika tao anatin’ ny vahoaka miolomay, naniry mafy rty ho tonga eo amin’ Ilay hany fanantenana ho azy ireo. Rehefa nandositra ny tempoly ny olona marobe, dia betsaka no nijanona tao aoriana. Nanatona ny vao tonga Izy izao. Feno marary sy olona efa ho faty indray ny kianjan’ ny tempoly, ary nanompo azy ireo indray Jesosy.IFM 629.3
Rehefa afaka kelikely dia nanandrana niverina tao amin’ ny tempoly ny mpisorona sy ny mpanapaka. Rehefa nitony ny tahotra be nameno ny rehetra, dia nampangitakitaka azy ny ahafantatra izay ho fihetsik’ i Jesosy manaraka. Nanantena Azy handray ny seza fiandrianan’ i Davida izy. Niverina moramora tao amin’ ny tempoly izy ireo, ka nahare ny feon’ ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy madinika nidera an’ Andriamanitra. Raha niditra izy ireo dia tafatsofoka teo anatrehan’ ny toe-javatra mahagaga. Hitany ny marary sitrana, ny jamba nahiratra, ny marenina nalady, ny mandringa nitsambikimbikina tamim-pifaliana. Ny ankizy no tena faly indrindra. Efa nanasitrana ny aretiny Jesosy ; nofihininy teny an-trotroany izy ireny, nekeny ny horokoroka nataony izay nitory fitiavana sy fankasitrahana, ary nisy tamin’ ireny resy tory teo an-tratrany raha nampianatra ny vahoaka Izy. Ankehitriny, feom-pifaliana no nentin’ ny ankizy nihira ny fiderana Azy. Naveriny ny hosana nataony ny omalin’ iny, ary nahofahofany teo anatrehan’ ny Mpamonjy ny sampan-drofia, tamin’ ny fomba milaza fandresena. Nanakoako sy nanakoako hatrany ny tempoly feno antsoantsompiderany nanao hoe : «Hotahina anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah !» «Indro ny Mpanjakanao avy ho anao ; marina Izy sady manam-pamonjena !» 5Sal. 118 : 26 ; Zak.9 : 9 «Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida !»IFM 630.1
Nanafintohina ny mpanapaka ny tempoly ny nandre ireto feo nilaza fahasambarana tsy hay notohaina. Nihevitra ny hampijanona izany fampisehoana izany izy. Nasehony tamin’ ny vahoaka fa maty hasina ny tranon’ Andriamanitra noho ny tongotry ny ankizy madinika sy ny antsoantsom-pifaliany. Rehefa hitany fa tsy nandaitra tamin’ ny vahoaka ny teniny, dia niantso an’ i Kristy ny mpanapaka hoe : «Renao va izay lazain’ ireo ? Dia hoy Jesosy taminy : Eny, tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe : «Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana?» Efa nambaran’ ny faminaniana mialoha fa hatsangana ho mpanjaka Kristy, ary tsy maintsy ho tanteraka io teny io. Nandà ny hilaza ny voninahiny amin’ ny feo avo ny mpisorona sy ny mpanapaka tao amin’ Isiraely, ka nohetsehin’ Andriamanitra ny zaza mba ho vavolombelona ho Azy. Raha nangina ny feon’ ny zaza, dia ny andrin’ ny tempoly mihitsy no nihira ny fiderana ny Mpamonjy.IFM 630.2
Very hevitra tanteraka ny Fariseo ka tsy hitany izay hatao. Ilay tsy azony hampitahorina no nibaiko. Naka ny toeran’ ny mpiambina ny tempoly Jesosy. Tsy mbola nandray fahefan’ ny mpanjaka toy izao mihitsy Izy. Tsy mbola nanan-kery lehibe toy izao mihitsy ny teniny sy ny asany talohan’ izao. Efa nanao asa mahagaga Izy nanerana an’ i Jerosalema, nefa talohan’ izao dia tsy mbola nanao izany tamin’ ny fomba manetriketrika sy manaitra toy izao Izy. Teo anatrehan’ ny vahoaka dia nijoro ho vavolombelon’ ny asany mahagaga Izy, ka tsy sahy nampiseho fankahalana mivantana Azy ny mpisorona sy ny mpanapaka. Na dia naharomotra azy sy nahatonga azy hitsanga-menatra aza ny valinteniny, dia tsy afaka nanao zavatra hafa izy tamin’ iny andro iny.IFM 631.1
Ny ampitso maraina dia nandinika indray izay fihetsika hatao amin’ i Jesosy ny Synedriona. Telo taona talohan’ izao, dia nangataka famantarana ny amin’ ny maha-Mesia Azy izy ireo. Hatramin’ io fotoana io dia nanao asa nisehoan’ ny hery manerana ny tany Izy. Nanasitrana ny marary Izy, nahavoky olona an’ arivony tamin’ ny fomba mahagaga Izy, nandeha teo ambonin’ ny rano manonja Izy, ary nampitony ny ranomasina nisamboaravoara. Efa imbetsaka Izy no namaky ny tao am-pon’ ny olona toy ny amin’ ny boky mivelatra ; namoaka demonia Izy, ary nanangana ny maty. Teo anatrehan’ ny mpanapaka ny porofo mazava ny maha-Mesia Azy. Izao izy ireo dia tsy manapa-kevitra ny hangataka famantarana ny amin’ ny fahefany, fa ny hampanaiky Azy na ny hampiteny Azy zavatra izay hahazoana manameloka Azy.IFM 631.2
Niverina nankany amin’ ny tempoly izay nampianaran’ i Jesosy izy ireo, ka nanomboka nanontany Azy hoe : «Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao ? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany ?» Nantenain’ izy ireo hilaza Izy fa avy amin’ Andriamanitra ny fahefany. Fanambarana toy izany no nokasainy hotsipahana. Notsenain’ i Jesosy tamin’ ny fanontaniana izay toa mikasika zavatra hafa anefa izy, ary nataony fepetra hanomezany valin-teny ny famalian’ izy ireo io fanontaniana io. «Ny batisan’ i Jaona», hoy Izy, «avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona ?» Hitan’ ny mpisorona fa tafiditra tao amin’ ny kizo izy ka tsy hisy fahaizana mandahatra ahatafavoaka azy amin’ izany. Raha milaza izy fa avy any an-danitra ny batisan’ i Jaona, dia ho hita mazava ny tsy fanarahany ny ataony amin’ ny lazainy. Hiteny Kristy hoe : «Nahoana ary no tsy nino azy hianareo ?» Jaona dia nanao vavolombelona ny amin’ i Kristy hoe : «Indro ny Zanak’ Ondrin’ Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»6Jao. 1 : 29. Raha nino ny teny vavolombelona nataon’ i Jaona ny mpisorona, ataony ahoana no fandà ny maha-Mesia an’ i Kristy ? Raha manambara izay tena inoany izy, fa avy amin’ olombelona ny asa fanompoan’ i Jaona, dia hatezerana mifofofofo no hipoaka ny tenany ; ninoan’ ireo vahoaka ho mpaminany mantsy i Jaona.IFM 631.3
Liana dia liana ny vahoaka niandry ny fanapahan-kevitra. Fantany fa nilaza ny tenany ho nanaiky ny asa fanompoan’ i Jaona ny mpisorona, koa nantenainy izy ireo fa hanaiky tsy misy fihambahambana fa avy amin’ Andriamanitra i Jaona. Nefa rehefa nifampidinika mangina izy ireo, dia nanapa-kevitra ny tsy hilaza ny heviny. Tamin’ ny fihatsarambeiatsihy no nilazany fa tsy fantany ka hoy izy hoe : «Tsy fantatray». «Izaho kosa, hoy Kristy, tsy hilaza aminareo izay fahefana hanaovako izao zavatra izao».IFM 632.1
Ny mpanora-dalàna, ny mpisorona sy ny mpanapaka dia samy nangina avokoa. Menatra sy diso fanantenana izy ireo, ka nitanondrika tsy sahy nametraka fanontaniana hafa intsony, tamin’ i Kristy. Ny fahakanosan’ izy ireo sy ny tsy fahatapahan-keviny no azo lazaina fa nanimba ny fanajan’ ny vahoaka azy, izay nijoro teo, nihomehy nahita ireto lehilahy nirehareha sy nanamarin-tena resy.IFM 632.2
Zava-dehibe avokoa ireo teny rehetra nolazain’ i Kristy ireo sy ny nataony, ka ho tsapa hitombo fatra hatrany ny hery miasa mangina avy amin’ izany taorian’ ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana sy ny niakarany tany an-danitra. Betsaka tamin’ ireo izay nitebiteby niandry ny vokatry ny fanontaniana an’ i Jesosy, no nanjary mpianany tamin’ ny farany, voatarika voalohany ho eo Aminy tamin’ ny teniny tamin’ “iny andro nisehoan-java-dehibe iny. Tsy afaka tao an-tsain’ izy ireo mihitsy ny toe-javatra nitranga tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly. Voamarika ny fahasamihafan’ i Jesosy sy ny mpisoronabe raha niresaka izy ireo. Nitafy fitafiana sarobidy sy lafo ity olo-manan-kajan’ ny tempoly feno fireharehana. Nisy satroboninahitra intelo miantoana namirapiratra teo an-dohany. Mendri-kaja ny bikany. fotsy ny volon-dohany sy ny volombavany lavabe noho ny taonany. Niteraka tahotra sy fanajana teo amin’ ny mpitazana ny fisehoany. Nanoloana ity olona be voninahitra ity Ilay Andrianan’ ny lanitra, tsy nanana haingo na izay hoentimiseho. Naloto noho ny dia nataony ny fitafiany ; hatsatra ny endriny, sady nampiseho alahelo nombam-paharetana ; voasoratra teo anefa ny haja sy ny halemem-panahy izay nifanohitra tamin’ ny fomba mahagaga tamin’ ny fireharehana, ny fahatokian-tena sy ny endrika vinitra teo amin’ ny mpisoronabe. Betsaka tamin’ izay vavolombelon’ ny teny sy ny fihetsika nataon’ i Jesosy tao amin’ ny tempoly, no nirakitra tao am-pony ny fanekena Azy ho mpaminanin’ Andriamanitra hatramin’ io fotoana io. Rehefa nanjary nankasitraka an’ i Jesosy anefa ny fihetseham-pon’ ny vahoaka, dia nitombo ny fankahalan’ ny mpisorona an’ i Jesosy. Ny fahendrena izay nentiny niala ny fandrika novelarina teo an-tongony mantsy, dia porofo vaovao indray ny amin’ ny maha-Andriamanitra Azy, ka nampidedadeda ny fahatezeran’ izy ireo.IFM 632.3
Tsy fikasan’ i Kristy ny hampietry ny mpanohitra Azy tamin’ Izy niady hevitra tamin’ ny raby. Tsy nahafaly Azy ny nahita Azy ireo sanganehana. Nanana lesona lehibe ampianarina Izy. Nahatonga ny fahavalony hitsanga-menatra Izy tamin’ ny namelany Azy ho voafatotra ao amin’ ny harato efa novelarin’ ny tenany ihany. Ny faneken’ izy ireo ny tsy fahalalany mikasika ny toetry ny batisan’ i Jaona, dia nanome azy fotoana tsara nitenenana, ary nohararaotiny izany fotoana izany tamin’ ny fanehoany teo anatrehany ny tena toerana nisy azy ireo, ka nampiany fampitandremana hafa indray ireo maro efa nomeny.IFM 633.1
«Fa ahoana kosa no hevitrao ?» hoy Izy. «Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy, dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe : Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanimboaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe : Tsy handeha aho ; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe : Handeha aho, tompoko, kanjo tsy nandeha izy. Iza moa amin’ izy. mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy ?»IFM 633.2
Nanampoka ireo mpihaino an’ i Jesosy io fanontaniana tsy nampoizina io. Nanaraka akaiky ny fanoharana izy ireo ary izao izy dia namaly avy hatrany hoe : «Ny lahimatoa». Nafantok’ i Jesosy mafy taminy ny masony, dia namaly tamin’ ny feo henjana sy manetriketrika Izy hoe : «Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Fa Jaona nankany aminareo tamin’ ny lalan’ ny fahamarinana nefa tsy nino azy hianareo ; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy ; fa hianareo kosa, na dia efa nahita izany azar-dia mbola tsy nibebaka mba hinoanareo azy».IFM 633.3
Tsy afaka ny tsy hanome valinteny marina ny fanontanian’ i Kristy ny mpisorona sy ny mpanapaka, ary tamin’ izany dia azon’ i Kristy ny valintenin’ izy ireo izay mankasitraka ny lahimatoa. Io zanany io dia mampiseho ny mpamory hetra, dia ireo izay nohamavoina sy nankahalain’ ny Fariseo. Nivandravandra ny faharatsiampitondratenan’ ny mpamory hetra. Mazava fa mpandika ny didin’ Andriamanitra izy, ary naneho fanoherana mivantana ny fepetra takiany. Sady tsy mahay mankasitraka izy no ratsy fanahy ; rehefa nasaina nandeha hiasa ao an-tanimboaloboky ny Tompo izy, dia fandavana sy fanarabiana no nasetriny. Nefa rehefa tonga i Jaona, ka nitory ny fibebahana sy ny batisa, dia nandray ny hafatra nentiny ny mpamory hetra ka natao batisa.IFM 634.1
Ilay faralahy dia mampiseho ireo mpitarika teo amin’ ny firenena Jiosy. Nisy Fariseo efa nibebaka sy nandray ny batisan’ i Jaona ; nefa tsy neken’ ireo mpitarika ho avy amin’ Andriamanitra izy. Tsy nitondra azy ho eo amin’ ny fanavaozana ny fampitandremana sy ny fiampangana nataony. «Nandà ny fikasan’ Andriamanitra izy» satria «tsy mba nanatona hataon’ i Jaona batisa» 7Lio.7 : 30. Nozimbazimbain’ izy ireo ny hafatra nentiny. Tahaka ilay faralahy izay niteny hoe : «Handeha aho, tompoko», rehefa nantsoina, nefa tsy nandeha, ny mpisorona sy ny mpanapaka izay nisora-tena ho nankatò nefa nanao asa tsy fankatoavana. Be filaza ny amin’ ny fitiavambavaka izy ireo, ka nihambo ho mankato ny lalàn’ Andriamanitra, nefa sandoka fotsiny ny fankatoavany. Na dia nampangain’ ny Fariseo ho olona tsy mahatoky aza ny mpamory hetra ka nozoniny, dia nasehon’ izy ireo kosa tamin’ ny finoana sy ny asany fa nialoha ireto olona mpanamarin-tena ireto izy, izay efa nomena fahazavana lehibe, efa nanao asa tsy nifanaraka tamin’ ny toetra amam-panahy araka an’ Andriamanitra ivavahany.IFM 634.2
Tsy te-handre ireo fahamarinana mahay mamantatra ny ao am-po ireo ny mpisorona sy ny mpanapaka ; nangina izy, nanantena ihany anefa fa hilaza zavatra izay ho azony ampiasaina hamelezana ny tenany Jesosy ; mbola handre zavatra hafa koa izy ireo.IFM 634.3
«Mihaínoa fanoharana hafa koa», hoy Kristy : «Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana tao anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy. Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra. Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo ; fa nataony toy izany koa ireny. Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe : Hanaja ny zanako izy. Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe : Ity no mpandova ; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanimboaloboka, dia namono azy. Koa raha tonga ny tompon’ ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany ?»IFM 635.1
Ny vahoaka rehetra nanatrika teo no nitenenan’ i Jesosy ; ny mpisorona sy ny mpanapaka anefa namaly : «Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany», hoy ireo, «ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin’ ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ izay fotoana avy». Tsy hitan’ ireo niteny avy hatrany ny fampiharana ny fanoharana, fa hitany kosa ankehitriny fa nanambara ny fanamelohana ny tenany izy. Nampiseho an’ Andriamanitra ilay tompon-trano tao amin’ ny fanoharana, nampiseho ny firenena Jiosy ny tanimboaloboka, ary ny fefy dia ny lalàn’ Andriamanitra izay fiarovana azy. Ny tilikambo dia tandindon’ ny tempoly. Efa nanao ny zavatra rehetra ilaina hampiroborobo ny tanimboaloboka, ny tompony. «Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanimboaloboko, hoy Izy, ka tsy efa nataoko taminy ?» 8Isa.5 : 4 Toy izany no nanehoana ny fikarakaran’ Andriamanitra tsy mety sasatra an’ Isiraely. Ary toy ireo mpiasa tany tokony hamerina amin’ ny tompony ny ampahan’ ny vokatry ny tanimboaloboka amin’ ny fotoany, dia toy izany koa ny vahoakan’ Andriamanitra izay tokony hanome voninahitra Azy amin’ ny fiainana mifanaraka amin’ ny tombon-tsoa masina noraisiny. Nefa toy ireo mpiasa tany namono ny mpanompo nalefan’ ny tompony haka ny vokatra, dia toy izany koa ny Jiosy namono nahafaty ny mpaminany izay nalefan’ Andriamanitra mba hiantso azy ho amin’ ny fibebahana. Nasesiny novonoina tsirairay ny mpitondra hafatra. Tsy misy isalasalana ny fampiharana ny fanoharana hatramin’ izao, ary mazava toy izany ihany koa izay manaraka. Ilay zanany malala izay nalefan’ ny tompon’ ny tanimboaloboka tamin’ ny farany tany amin’ ireo mpanompony tsy mankato, ka nosamboriny sy novonoiny, dia nahatsinjovan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka an’ i Jesosy sy ny loza mananontanona Azy. Efa nanao drafitra ireo hamonoana an’ Ilay nirahin’ ny Ray teo aminy hanao antso farany aminy. Ny famaliana nampiharina tamin’ ireo mpiasa tany tsy mahay mankasitraka ireo dia nampiseho ny loza hanjo an’ izay hamono an’ i Kristy.IFM 635.2
Nangoraka azy ireo Jesosy nijery azy ka hoy ny tohin’ ny teniny: «Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masina hoe : Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano dia izy no efa natao fehizoro ; avy tamin’ i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika ? Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe : Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo».IFM 636.1
Efa naverimberin’ ny jiosy matetika tao amin’ ny synagoga ity faminaniana ity, ary nampihariny tamin’ ny Mesia ho avy. Kristy no Ilay vato fehizoron’ ny fivavahana Jiosy, sy ny drafitry ny fanavotana manontolo. Io vato fanorenana io ankehitriny no lavin’ ireo mpanorina ny firenena jiosy, dia ny mpisorona sy ny mpanapaka tao Isiraely. Nanintona ny sainy tamin’ ireo faminaniana izay tokony hampiseho azy ny loza mananontanona azy ny Mpamonjy. Ny fomba rehetra azon’ ny heriny ampiasaina dia niezahany hanazavana aminy ny toetry ny zavatra efa ataony ankehitriny.IFM 636.2
Nisy anton-javatra hafa koa nokendren’ ny teniny. Raha nanontany Kristy hoe : «Raha tonga ny tompon’ ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany ? dia nokendreny hamaly toy izay nataon’ izy ireo ny Fariseo. Nokendreny hanameloka ny tenany izy. Raha tsy manainga azy ho amin’ ny fibebahana ny fampitandremana ataony, dia hanisy tombo-kase ny loza hanjo azy, koa nirin’ i Kristy ny hahitan’ izy ireo fa mahatonga loza ho an’ ny tenany ihany izy. Nokendreny ny hahitan’ izy ireo ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny hisintonany. ny tombontsoany teo amin’ ny fireneny, zavatra izay efa nanomboka, ary hifarana tsy amin’ ny fandravana ny tempoly sy ny tanànany ihany, fa amin’ ny fiparitahan’ ny fireneny koa.IFM 636.3
Azon’ ny mpihaino ny fampitandremana. Nefa na dia ny mpisorona sy ny mpanapaka mihitsy aza no niteny namoaka ny didim-pitsarana, dia vonona izy ireo hameno ny sary naseho ka niteny hoe : «Ity no mpandova ; handeha hovonointsika». «Nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka satria nataon’ ny vahoaka ho mpaminany Jesosy». Nankasitraka an’ i Kristy ny vahoaka.IFM 637.1
Raha nampiasa ny faminaniana momba ilay vato nolavina Kristy, dia nilaza momba ny toe-javatra nisy tokoa tamin’ ny tantaran’ Isiraely Izy. Nifandray tamin’ ny fanorenana ny tempoly voalohany io toe-javatra io. Nisy fampiharana manokana tamin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany izany, ary tokony hanan-kery manokana ho fiantsoana ny Jiosy, sady misy lesona ho antsika koa. Fony natsangana ny tempolin’ i Solomona, dia efa voaomana daholo sy efa nopehana ireo vato goavam-be hatao rindrina sy fototra. Rehefa nentina teo amin’ ny toerana hanorenana azy izy ireo, dia tsy nisy fiasana nampiasaina intsony ; nametraka azy teo amin’ ny toerany fotsiny ny mpiasa. Nisy vato iray lehibe noho ny fahita sy nanana bika manokana nentina atao fototra ; tsy nahita toerana ho azy anefa ny mpiasa, ka tsy nekeny. Nahasorena azy ireo ny namela azy tsy misy mampiasa eo amin’ ny lalana falehany. Navela ela teo ilay vato nolavina. Nefa rehefa tonga teo amin’ ny fametrahana ny vato fehizoro ny mpanao trano, dia ela no nitadiavany vato ampy habe sy hamafisana, sy nanana ny bika ilaina, ho eo amin’ ny toerana manokana, ka hahazaka ny lanja be hitambesatra aminy. Raha tsy tsara fidy izay hataony eo amin’ ny toeran-dehibe io, dia hidiran-doza sy tsy ho azo antoka ny trano manontolo. Tsy maintsy mahita vato afaka hahazaka ny herin’ ny masoandro, ny fanala sy ny tafio-drivotra izy. Betsaka ny vato nofidina tamin’ ny fotoana samihafa, nefa potipotika izy rehefa nitambesaran’ ny lanja be makadiry. Ny sasany tsy hahazaka ny sedran’ ny fiovan’ ny toetr’ andro tampoka. Nony farany anefa dia voasintona teo amin’ ilay vato nolavina hatry ny ela dia ela ny saina. Niharihary teo amin’ ny rivotra, teo amin’ ny masoandro sy ny tafio-drivotra izy, nefa tsy nahitana triatra na dia kely toy inona aza. Nodinihin’ ny mpanao trano ilay vato. Nahatanty ny sedra rehetra izy afa-tsy ny anankiray. Raha mahatanty ny sedra amin’ ny fizakana vesatra betsaka izy, dia tapa-kevitra ny mpiasa hanaiky azy io ho vato fehizoro. Natao ny fisedrana. Nekena ilay vato, napetraka teo amin’ ilay toerana voatokana ho azy, ary hita fa tena mifanaraka tsara. Naseho an’ Isiraely tao amin’ ny fahitana arapaminaniana fa tandindon’ i Kristy io vato io. Hoy izy :IFM 637.2
«Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino ; ary aoka Izy no hangovitanareo. Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa amin’ ny firenena roa amin’ Isiraely, sady fandrika sy tonta amin’ ny mponina any Jerosalema. Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho làvo sy ho ringana ary ho voafandrika sy ho voasambotra». Rehefa nentina tamin’ ny fahitana ara-paminaniana teo amin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany ny mpaminany, dia naseho azy fa hizaka fisedrana sy fitsapana Izy ary tandindon’ izany ny natao tamin’ ilay vato fehizoro tao amin’ ny tempolin’ i Solomona. «Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo : Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino»9Isa.8 : 13-15 ; 28 : 16.IFM 638.1
Tamin’ ny fahendrena tsy misy fetra, no nifidianan’ Andriamanitra ilay vato fehizoro, ka Izy ihany no nametraka Azy. Nantsoiny ho «fanorenana mafy» izany. Azon’ izao tontolo izao manontolo ny mametraka ny entany mavesatra sy ny alahelony eo aminy, zakany avokoa izany. Mahazo matoky tanteraka izy manorina eo amboniny. Kristy no Ilay «vato voazaha toetra». Izay mitoky Aminy dia tsy ho diso fanantenana mihitsy. Nahatanty ny fisedrana rehetra Izy. Nahazaka ny vesatry ny fahadisoan’ i Adama Izy, sy ny fahadisoan’ ny taranany, ary nivoaka nihoatra noho ny mpandresy tamin’ ny herin’ ilay ratsy. Nitondra ny enta-mavesatra napetraky ny mpanota mibebaka rehetra Izy. Ao amin’ i Kristy no ahitan’ ny fo meloka fahatoniana. Izy no fanorenana mafy. Izay rehetra miankina Aminy, dia mitoetra ao amin’ ny fiadanana tanteraka.IFM 638.2
Ao amin’ ny faminanian’ Isaia, dia lazaina ho sady fanorenana mafy no vato mahatafintohina koa Kristy. Nasehon’ ny apostoly Petera na ho an’ iza no ho fanorenana mafy Kristy, ary ho an’ iza Izy -no ho vatolampy mahasolafaka, raha nanoratra teo ambanin’ ny fitarihan’ ny Fanahy Masina izy.IFM 638.3
Raha tahiny nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo, Izay hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ ny olona, fa voafidin’ Andriamanitra sady soa, ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanatipanahy, sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy. Fa misy teny ao amin’ ny Soratra Masina manao hoe :«Indro, nametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara ; ary izay mino Azy tsy ho menatra. Ka ny fahatsarana dia ho anareo izay mino ; fa amin’ izay tsy mino kosa ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin’ ny teny izy»101 Pet. 2 : 3-5.IFM 638.4
Ho an’ izay mino, Kristy no fanorenana mafy. Ireo dia izay mianjera amin’ ilay vatolampy ka torotoro. Ny fileferana amin’ i Kristy sy ny finoana Azy no aseho eto. Ny mianjera amin’ Ilay Vatolampy sy ny torotoro, dia ny miala amin’ ny fanamarinantena sy ny manatona an’ i Kristy amin’ ny fahatsoran’ ny zaza ary ny mino ny fitiavany mamela heloka. Ary toy izany koa amin’ ny alalan’ ny finoana sy ny fankatoavana no iorenantsika eo amin’ i Kritsy ho fanorenana ho antsika.IFM 639.1
Eo amin’ io vato velona io, ny Jiosy sy ny Jentilisa no samy afaka manorina. Io no hany fanorenana izay ahazoantsika manorina amin’ ny fomba azo antoka. Ampy ho an’ ny rehetra ny halehibeny, ary ampy ny hamafiny hizaka ny lanjan’ ny havesatr’ izao tontolo izao manontolo. Koa rehefa mifandray amin’ i Kristy Ilay vato velona, izay rehetra miorina eo amin’ io fanorenana io, dia manjary vato velona. Betsaka ny olona no voapaipaika, voalambolambo sy manjary tsara tarehy noho ny ezaka ataon’ ny tenany ; nefa tsy mety ho tonga «vato velona» izy, satria tsy mifandray amin’ i Kristy. Raha tsy io fifandraisana io, dia tsy mety misy olona ho voavonjy na dia iray aza. Raha tsy ao amintsika ny fiainan’ i Kristy, dia tsy afaka hahajoro amin’ ny tafio-drivotry ny fakam-panahy isika. Miankina amin’ ny fiorenantsika amin’ ny fanorenana mafy ny antoka mandrakizay ho antsika. Vahoaka marobe ankehitriny no manorina eo ambonin’ ny fanorenana izay tsy voazaha toetra. Rehefa milatsaka ny orana, ka mifofofofo ny tafiotra, ary tondraka ny rano, dia hianjera ny tranony, satria tsy miorina eo ambonin’ Ilay Vatolampy mandrakizay, Ilay vato fehizoro, dia Jesosy Kristy.IFM 639.2
Vatolampy mahasolafaka Kristy ho an’ izay «tafintohina tamin’ ny teny», «satria tsy nanaiky». Fa «ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano no efa tonga fehizoro». Tahaka ilay vato nolavina, dia tsy nisy mpihevitra sady nampahoriana Kristy fony Izy niasa teto an- tany. «Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy ; Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana . . . natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika»11Isa. 53 : 3. Akaiky anefa ny fotoana hanomezam-boninahitra Azy. «Naseho tamin-kery ho Zanak’ Andriamanitra»12Rom. 1: 2 Izy tamin’ ny alalan’ ny fitsanganana amin’ ny maty. Amin’ ny fiaviany fanindroany dia haseho ho tompon’ ny lanitra sy ny tany Izy. Hanaiky ny fahalehibeazany ireo izay efa hanombo Azy amin’ ny hazo fijaliana. Eo anatrehan’ izao rehetra izao ilay vato nolavina no hanjary vato fehizoro.IFM 639.3
Ary «izay hianjerany, dia ho mongomongo». Ny vahoaka izay nandà an’ i Kristy dia hanatri-maso tsy ho ela ny faharavan’ ny tanànany sy ny fireneny. Ho potipotika ny voninahiny, ary haparitaka tahaka ny vovoka eny amin’ ny rivotra. Ary inona no nitondra fandringanana ho an’ ny Jiosy ? Noho ny vatolampy, izay noheveriny hiorenana ka hanjary antoka ho azy. Fa ny fahatsaran’ Andriamanitra kosa nataony tsinontsinona, ny fahamarinany nozimbazimbaina, ny famindrampony nohamaivanina. Nijoro hanohitra an’ Andriamanitra ny olona, ary izay rehetra tokony ho famonjena ho azy dia nivadika ho fandravana azy. Izay rehetra noheverin’ Andriamanitra ho fiainana, dia lasa fahafatesana ho azy. Voafono tao amin’ ny nanomboan’ ny Jiosy an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana ny faharavan’ i Jerosalema. Ny ra nalatsaka tao Kalvary no vesatra nampilentika azy tao amin» ny fahafatesana ny amin’ ity izao tontolo izao ity sy ny izao tontolo izao ho avy. Ho toy izany koa amin’ ny andro farany, rehefa hilatsaka amin’ izay nandà ny fahasoavan’ Andriamanitra ny fitsarana. Kristy, Ilay vatolampy mahasolafaka, dia hiseho aminy toy ny tendrombohitra mpamaly faty. Ny voninahitry ny endriny, izay fiainana ho an’ ny marina, dia ho afo mandevona ho an’ ny ratsy fanahy. Noho ny fitiavana nolavina sy ny fahasoavana nozimbazimbaina, dia ho faty ny mpanota.IFM 640.1
Nasehon’ i Kristy tamin’ ny alalan’ ny sary sy ny fampitandremana miverimberina, ny mety ho vokatry ny fandavan’ ny Jiosy ny Zanak’ Andriamanitra. Ireo teny ireo dia miantefa amin’ ny fotoan’ andro rehetra izay mandà ny handray Azy ho Mpanavotra azy. Ho azy ireo ny fampitandremana rehetra. Ny tempoly very hasina, ny zanaka tsy mpankato, ny mpiasa tany sandoka, ny mpanorin-trano mpanimbazimba : manana ny akony eo amin’ ny fanandraman’ ny mpanota tsirairay ireo fa, raha tsy mibebaka izy, dia ho azy ny fanamelohana efa voalaza.IFM 640.2