Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 47—Asa fanompoana

    Lany tany an-tendrombohitra ny alina manontolo ; ary rehefa niposaka ny masoandro, dia nidina ho any amin’ ny lohasaha Jesosy sy ny mpianany 1 Mifototra amin’ Mat. 17 : 9, 21 ;Mar. 9 : 9-29 ; Lio. 9 : 37-45. Naharevo ny mpianatra ny eritreriny ka natahotra sady nangina izy. Na dia i Petera aza tsy nanan-kolazaina. Ho faly izy raha nijanonjanona teo amin’ io toerana masina io izay voakasiky ny fahazavan’ ny lanitra sy nanehoan’ ny Zanak’ Andriamanitra ny voninahiny ; nefa nisy asa tokony hatao ho an’ ny vahoaka izay efa nitady an’ i Jesosy hatraiza hatraiza.IFM 457.1

    Teo am-pototry ny tendrombohitra dia nisy vahoaka be nitangorona, notarihin’ ny mpianatra izay nijanona tany aoriana tany, nefa nahalala izay nalehan’ i Jesosy. Raha nanatona ny Mpamonjy, dia nasainy nangina izy telo lahy niaraka taminy momba izay efa natrehany maso, ka hoy Izy hoe : «Aza milaza amin’ ny olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty». Nasaina nosaintsainin’ ny mpianatra tao am-pony ihany ny fanambarana nomena azy ireo, fa tsy holazaina any ivelany. Ny fitantarana izany amin’ ny vahoaka dia hahatonga fanarabiana na fahagagana foana. Ary na dia ny apostoly sivy lahy aza dia tsy hahazo ny toejavatra raha tsy efa mitsangana amin’ ny maty Kristy. Endrey ! miadana fandray zavatra manao ahoana na dia ireo mpianatra telo lahy nomena tombom-pitia aza, izay hita teo amin’ izy nifanontany ny amin’ ny mety ho dikan’ ny fitsanganana amin’ ny maty, na dia teo aza izay rehetra efa nolazain’ i Kristy momba izay nanoloana Azy. Tsy nangata-panazavana tamin’ i Jesosy anefa izy. Efa nahafeno alahelo azy ny teniny mikasika ny ho avy ; tsy nitady fanambarana fanampiny izy momba izany zavatra heveriny tsy hitranga mihitsy izany.IFM 457.2

    Raha nahatazana an’ i Jesosy ny vahoaka tao an-dohasaha, dia nihazakazaka nitsena Azy, ka niarahaba Azy tamim-panajana sy tamim-pifaliana. Hitan’ ny masony kinga niaraka tamin’ izay fa nisy nahavery hevitra azy ireo mafy. Toa sahiran-kevitra ny mpianatra. Nisy toe-javatra nitranga izay nahatonga fahadisoampanantenana sy fahafaham-baraka mangidy tao amin’ izy ireo.IFM 458.1

    Raha mbola niandry teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo, dia nisy raim-pianakaviana nitondra ny zananilahy teo Aminy, mba hafahana amin’ ny fanahy moana izay nampijaly azy. Efa nomena ny mpianatra ny fahefana handroaka ny fanahy maloto raha naniraka azy roa ambin’ ny folo lahy hitoriteny manerana an’ i Galilia Jesosy. Raha nandeha tamim-pinoana mafy orina izy ireo, dia nankatò ny teniny ny fanahy ratsy. Ankehitriny, tamin’ ny anaran’ i Kristy, dia nibaiko ilay fanahy nampahory izy ireo hiala amin’ ilay nampijaliany, nefa nihomehezan’ ny demonia fotsiny tamin’ ny fanehoana indray ny heriny. Tsy afaka nilaza ny anton’ ny fahareseny ny mpianatra, ary tsapany fa afa-baraka ny tenany sy ny Tompony. Teo amin’ ireo vahoaka ireo dia nisy mpanora-dalàna izay nanararaotra io toe-javatra io mba hampietry azy ireo. Nifanery nanodidina ny mpianatra izy ka nofanininy tamin’ ny fanontaniana ireo, ary niezahany ny hanaporofo fa mpamitaka izy sy ny Tompony. Ito, hoy ny raby nirehareha, misy fanahy ratsy izay tsy resin’ ny mpianatra sy tsy resin’ i Kristy mihitsy. Nirona hiandany tamin’ ny mpanora-dalàna ny vahoaka, ary nisy fihetseham-po manaraby sy manamavo .nanenika ny vahoaka.IFM 458.2

    Nangina tampoka anefa ny fiampangana. Hita nanatona Jesosy sy ny mpianany telo lahy, koa nivadika haingana ny fihetsehampon’ ny vahoaka ka nitodika hitsena Azy izy. Namela soritra teo amin’ ny Mpamonjy sy ireo namany ny alina niraisany tamin’ ny voninahitry ny lanitra. Nisy fahazavana izay nampahatahotra ny nibanjina azy teo amin’ ny endriny. Nihemotra ny mpanora-dalàna noho ny tahotra, raha nandray tsara an’ i Jesosy ny vahoaka. Toy ny nanatri-maso izay rehetra nitranga ny Mpamonjy, raha nandroso teo amin’ ny sehatry ny ady. Nampifantoka ny masony tamin’ ny mpanora-dalàna Izy ka nanontany hoe : «Inona no iadianareo hevitra amin’ ireto ?»IFM 458.3

    Nangina anefa ankehitriny ireo feo nirehareha sy nihantsy ady teo. Nisy fahanginana lalina nilatsaka tamin’ ny olona rehetra. Nanavatsava lalana teo amin’ ny vahoaka izao ilay ray trà-pahoriana, ka niankohoka teo an-tongotr’ i Jesosy izy ary nampitosaka ny tantaran’ ny fahoriany sy ny fahadisoam-panantenany.IFM 459.1

    «Mpampianatra Ô, hoy izy, nentiko ety Aminao ny zanakolahy izay azom-panahy moana ; ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy ; ary niteny tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy hainy».IFM 459.2

    Nijery nanodidina azy Jesosy, nijery ny vahoaka marobe tratry ny tahotra Izy, ny mpanora-dalàna manesoeso, ny mpianatra very hevitra. Novakiany ny tsy finoana tao amin’ ny fo rehetra ; niloabava tamin’ ny feo feno alahelo Izy hoe : «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo ? mandra-pahoviana no handeferako aminareo ? Dia nobaikony ilay ray mahantra hoe : «Ento ety amiko izy».IFM 459.3

    Nentina ilay zazalahy, ary raha vao nifantoka taminy ny fijerin’ ny Mpamonjy, dia nazeran’ ny fanahy ratsy tamin’ ny tany izy dia nifanintontsintona mafy. Nitsinkasinkasina sy nandoa vory izy sady nameno ny rivotra tamin’ ny kiakiaka tsy fandre eto an-tany.IFM 459.4

    Nifanehatra teo amin’ ny tany fiadiana indray ny Andrianan’ ny fiainana sy ny andrianan’ ny herin’ ny maizina - Kristy nanatanteraka ny asa nanirahana Azy «hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo, . . . hanafaka izay nampahoriana»2Lio. 4 : 18, Satana kosa miezaka ny hihazona ny hazany ho eo ambanin’ ny fifehezany. Ny anjelin’ ny mazava sy ny tafiky ny anjely ratsy tsy hita maso, dia nifanatona akaiky hijery ny ady. Nisy fotoana. kely namelan’ i Jesosy ny fanahy ratsy hanehoany ny heriny, mba ahazoan’ ny mpitazana mahatsapa tsara ny fanafahana izay efa hatao.IFM 459.5

    Tsy nisy nahaloa-peo ny vahoaka nijery ny rain’ ilay zaza nitolona nihatra aman’ aina tamin’ ny fanantenana sy ny tahotra. Nanontany Jesosy hoe : «Hoatrinona izay no nahatongavan’ izao taminy ?» Notantarain’ ny rainy ny taona maro sy lava nijaliany, ary avy eo, toy ny tsy zakany intsony izany, dia niloa-bava izy hoe : «Raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay». «Hainao hoe ?» Na dia ilay ray aza ankehitriny dia mametra-panontaniana ny amin’ ny herin» i Kristy.IFM 459.6

    Namaly Jesosy hoe : «Ny zavatra rehetra dia hain’ ny mino». Tsy misy faritra tsy misy hery amin’ i Kristy ; miankina amin’ ny finoan’ ny rainy ny fanasitranana ilay zazalahy. Vaky nitomany ny rainy raha nahatsapa ny fahalemen’ ny tenany, ka niantoraka teo amin’ ny famindrampon’ i Kristy, sady niantsoantso hoe : «Tompo ô, mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ ny tsy finoako».IFM 460.1

    Nitodika tamin’ ilay nijaly Jesosy ka nanao hoe : «Ry fanahy moana sy marenina ! Izaho mandidy anao : Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony». Nisy antsoantso, tolona nihatra aman’ aina tamin’ izany. Raha niala ilay demonia, dia toa handrirotra ny aina hiala amin’ ilay hazany. Nitsitra tsy nahetsika ilay zazalahy ary toa tsy nisy aina. Nibitsika ny vahoaka hoe : «Maty». Noraisin’ i Jesosy anefa ny tanany, dia natsangany izy, salama saina sy vatana tanteraka, ka natolony an-drainy. Nidera ny anaran’ ilay Mpanafaka azy izy mianaka. «Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan’Andriamanitra», fa ny mpanora-dalàna kosa, resy sy niondrika noho ny fahamenarana ka lasa nandeha tamin’ ny endrika tezitra.IFM 460.2

    «Raha mba misy hainao, dia mamindra fo aminay, ka vonjeo izahay». Firy ny fanahy novesaran’ ny fahotana no nampanakoako io fivavahana io. Ary izao no valin-tenin’ ny Mpamonjy mangora-po azy rehetra : «Ny zavatra rehetra hain’ ny mino». Ny finoana no mampifandray antsika amin’ ny lanitra, ka mitondra hery ho antsika hoenti-mametra sy mandresy ny herin’ ny maizina. Ao amin’ i Kristy Andriamanitra no efa nanomana izay hoenti-mampilefitra ny endripahotana rehetra sy hoenti-manohitra ny fakam-panahy rehetra, na mafy toy inona aza izany. Betsaka anefa no mahatsapa fa tsy manana finoana, ka manalavitra an’ i Kristy. Aoka ireny fanahy ireny, ao amin’ ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany, hiantoraka eo amin’ ny famindrampon’ Ilay Mpamonjiny mangora-po. Aza ny tenanao no jerena, fa Kristy. Ilay nanasitrana ny marary sy namoaka demonia fony Izy nandeha teo anivon’ ny olona, no mbola Mpanavotra mahery ihany ankehitriny. Amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra no iavian’ ny finoana. Koa fikiro ny teny fikasany : «Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy»3Jao.6 : 37. Miantoraha eo an-tongony ary miantsoa hoe : «Tompo ô, mino aho ; Ianao no aoka hamonjy ahy amin’ ny tsy finoako». Tsy mety ho faty mihitsy ianao, raha manao izany, eny : na oviana na oviana.IFM 460.3

    Tao anatin ny fotoana fohy dia nahita ny faratampon’ ny voninahitra sy ny faratampon’ ny fampietrena ireo mpianatra nahazo tombom-pitia. Nahita ny maha-olombelona izy dia ilay voaova araka ny endrik’ Andriamanitra sy ilay nosimbana hanam-pitoviana amin i Satana. Nahita an’ i Jesosy izy ireo nidina avy tao an-tendrombohitra izay niresahany tamin’ ireo iraka avy tany an-danitra sy ny nanambaran’ ilay feo avy tany an-danitra. tao amin’ ny famirapiratan’ ny voninahitra ho Zanak’ Andriamanitra. nahita an’ i Jesosy nidina avy teo izy hifanehatra amin’ ny toe-javatra mampahory sy maharikoriko indrindra, dia ilay zazalahy nanana demonia. amin’ izato endrika niolanolana. nikitro-nify noho ny ady nihatra aman’ aina nampifanintontsintona azy. hany ka tsy nisy herin’ olombelona afaka nanasitrana azy. Ary io Mpanavotra mahery io Izay nijoro nomemboninahitra vao ora vitsivitsy talohan» izao teo anatrehan’ ireo mpianatra nitolagaga. dia niondrika mba hanarina ny hazan’ i Satana hiala amin’ ny tany izay nikisinany ka namerina azy salama saina sy vatana tamin’ ny rainy sy ny ankohonany.IFM 461.1

    Lesona azo tsapain-tanana momba ny fanavotana izany, — Ilay Andriamanitra avy eo amin’ ny voninahitry ny Ray, nidina nanetry tena hamonjy ny very. — Mampiseho koa ny asa nanirahana ny mpianatra izany. Tsy eny an-tampon-tendrombohitra hifaly arapanahy miaraka amin’ i Jesosy ihany no iantsoana ny mpanompon’ i Kristy, fa misy asa hataony aty amin’ ny lohasaha ambany. Misy fanahy izay nandevozin» i Satana. miandry ny tenin’ ny finoana sy ny fivavahana hanafaka azy.IFM 461.2

    Mbola nandanjalanja ilay fanandramana mangidy tamin’ ny tsy fahombiazana ireo mpianatra sivy lahy ; koa rehefa irery niaraka taminy indray Jesosy, dia nanontany izy hoe : «Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy ?» Namaly azy Jesosy hoe : «Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany ; fa lazaiko aminareo marina tokoa, raha manana finoana ohatra ny voatsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe : Mifindrà erỳ dia hifindra izy ; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy havoaka amin’ ny fivavahana sy ny fifadian-kanina». Ny tsy finoany, izay nanakana azy tsy hiray fo lalina kokoa amin’ i Kristy, sy ny fanaovany an-tsirambina izay nandraisany ny asa masina nankinina taminy. no nahatonga ny tsy fahombiazany teo amin’ ny ady nifanaovany tamin’ ny herin’ ny maizina.IFM 461.3

    Ny tenin’ i Kristy izay nanondro ny fahafatesany, dia nitondra alahelo sy fisalasalana. Ary ny nifidianana ny mpianatra telo lahy mba hiaraka amin’ i Jesosy ho any an-tendrombohitra dia namoha- foha ny fialonan’ ny sivy. Tsy nampatanjaka ny finoany tamin’ ny fivavahana sy ny fandinihana ny tenin’ i Kristy izy, fa nitoetra teo amin’ ny fahakiviany sy ny alahelon’ ny tenany manokana. Teo amin’ izany toetra feno haizina izany no nidirany hiady amin’ i Satana.IFM 461.4

    Mba hampanjary ny asa ataony, dia tsy maintsy manana toetsaina hafa izy raha tiany ny hahita fahombiazana. Mila fampaherezana avy amin’ ny fivavahana mafana sy ny fifadian-kanina ary ny fietren’ ny fo ny finoany. Tsy maintsy foanany ny «izaho» ka hofenoin’ ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra. Ny fitalahoana mafana sy maharitra amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny finoana, — dia finoana izay mitarika ho amin’ ny fiankinana tanteraka amin’ Andriamanitra, sy fanoloran-tena tsy misy fepetra ho amin’ ny asany, — ireny ihany no mahasoa ka hitondra ny fanampian’ ny Fanahy Masina ho an’ ny olona eo amin’ ny ady amin’ ny fanapahana sy ny hery. dia ny mpanapaka ny haizina eo amin’ izao tontolo izao, sy ny Fanahy ratsy any amin’ ny fitoerana avo.IFM 462.1

    «Raha manana finoana ohatra ny voatsinapy iray aza hianareo, hoy Jesosy, ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe : «Mifindrà erỳ, dia hifindra izy». Na dia kely dia kely aza ny voatsinapy, dia misy fototry ny aina mifono zava-miafina ao aminy, izay mampitombo azy ho hazo lehibe. Rehefa atao ao amin’ ny tany ny voatsinapy, dia mandray izay rehetra nomanin’ Andriamanitra ho sakafony ilay tsiry marefo, ka mitombo haingana ho zava-maniry matanjaka. Raha manana finoana tahaka izany ianao, dia hamikitra amin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fiasana rehetra notendreny hanampy anao. Amin’ izay dia hihamatanjaka ny finoanao, ka hitondra ny herin’ ny lanitra hanampy anao. Ireo fisakanana izay atangoron’ i Satana eo amin’ ny lalanao, na dia toa tsy azo ihoarana tahaka ny havoana mandrakizay aza, dia hanjavona amin’ ny fangatahan’ ny finoana. «Tsy hisy tsy ho hainareo hatao».IFM 462.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents