Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 74—Getsemane

    Nizotra moramora niaraka tamin’ ny mpianany ho any amin’ ny sahan’ i Getsemane ny Mpamonjy. 1Mifototra amin’ny Matio 26 : 36-56 ; Marka 14 : 32-50 ; Lioka 22 : 39-53 ; Jaona 18 : 1-12 ity toko ity. Namirapiratra teny amin’ ny lanitra madio tsy semban-drahona ny volana baliaka sy fenomanana, tamin’ iny harivan’ ny Paska iny. Renoka tao amin’ ny fahanginana ilay vohitry ny mpivahiny an-dasy.IFM 737.1

    Niresaka tamin-kafanam-po tamin’ ny mpianany sy nampianatra azy ireo Jesosy ; nefa raha vao tonga tao Getsemane Izy, dia nangina hafahafa. Matetika no efa nankeo amin’ io toerana io Izy mba handinika sy hivavaka ; nefa tsy mbola feno alahelo toy ny tamin’ izao alin’ ny ady mihatra aman’ aina farany izao ny fony. Nandritra ny fiainany teto an-tany dia nandeha teo amin’ ny fahazavan’ ny fanatrehan’ Andriamanitra Izy, ary raha nifanehatra tamin’ ny olona izay voatosiky ny fanahin’ i Satana mihitsy Izy, dia afaka niteny hoe : «Izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva»2Jao. 8 : 29. Nefa ankehitriny kosa toa voasakana tsy ho eo Aminy ny fahazavan’ ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ankehitriny dia natao ho isan’ ny mpandika lalana Izy. Ny fahadisoan’ ny olombelona lavo no tsy maintsy hoentiny. Teo amin’ Ilay tsy nafialala fahotana, no tsy maintsy napetraka ny fahadisoantsika rehetra. Toa nahatsiravina Azy loatra ny fahotana, navesatra indrindra ny lanjan’ ny fahadisoana tsy maintsy nentina, ka nalaim-panahy Izy hatahotra sao hanakana Azy mandrakizay tsy ho eo amin’ ny fitiavan’ ny Ray izany. Raha nahatsapa ny hamafin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra tamin’ ny fandikan-dalàna Izy dia niantso hoe : «Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty».IFM 737.2

    Voamariky ny mpianatra ny fiovana teo amin’ ny Tompony, raha nanakaiky ny saha izy ireo. Tsy mbola nahita Azy feno alahelo sy nangina tanteraka toy izao izy ireo hatrizay. Raha nandroso Izy, dia nihalalina ihany io alahelohelo hafahafa io; nefa tsy sahy nanontany Azy izay antony izy ireo. Nivembena toa nila ho lavo Izy. Rehefa tonga teo amin’ ny saha, dia feno tebiteby ny mpianatra raha nahatazana ny toerana nahazatra ny Tompo nitokanana, mba hialany sasatra. Nitaky fiezahana mafy taminy ny dingana tsirairay nataony. Nitoloko mafy Izy, toy ny mijaly noho ny fitambesaran’ ny enta-mavesatra mahatsiravina. Indroa no nanohana Azy ireo mpiara-dia taminy, raha tsy izany dia lavo teo amin’ ny tany Izy.IFM 738.1

    Teo akaikin’ ny fidirana teo amin’ ny saha, dia nilaozan’ i Jesosy izy rehetra afa-tsy ny mpianatra telo, ary nobaikoiny hivavaka ho an’ ny tenany sy ho Azy. Niaraka tamin’ i Petera sy Jakoba ary Jaona Izy, nankao amin’ ny toerana mitokantokana fialana sasatra tao amin’ ny saha. Ireo mpianatra telo lahy ireo no mpiara-dia tamin’ i Kristy akaiky Azy indrindra. Nibanjina ny voninahiny teo amin’ ny tendrombohitra fiovan-tarehy izy ireo, nahita an’ i Mosesy sy Elia niresaka taminy sady nandre ny feo avy tany an-danitra; amin’ izao tolona mafy ataony izao, dia nirin’ i Kristy ny fanatrehan’ izy ireo teo anilany. Matetika no efa nandany ny alina manontolo niaraka taminy teo amin’ io fialokalofana io izy ireo. Tamin’ ireny fotoana ireny, rehefa avy niari-tory sy nivavaka’ izy ireo dia natory tsy voahelingelina tsy lavitra ny Tompony, mandrapamohany azy amin’ ny maraina mba handeha hiasa indray. Izao kosa anefa dia niriny handany ny alina amin’ ny vavaka miaraka Aminy izy ireo. Nefa tsy zakany na dia izany aza ny hanatrehany ny ady mafy mihatra aman’ aina izay hiaretany.IFM 738.2

    «Mitoera eto, hoy Izy, ka miareta-tory miaraka Amiko».IFM 738.3

    Nandeha lavidavitra azy ireo Izy — tsy dia lavitra loatra anefa mba hahitany sy handrenesany Azy — dia niankohoka tamin’ ny tany Izy. Tsapany fa noho ny fahotana dia tafasaraka tamin’ ny Rainy Izy. Lehibe loatra, maizina loatra, lalina loatra ny hantsana, ka nipararetra ny fanahy teo anatrehan’ izany. Tsy azony ampia- saina ny hery maha-Andriamanitra Azy handosirany io ady mihatra aman’ aina io. Amin’ ny maha-olombelona Azy no tsy maintsy hizakany ny vokatry ny fahotan’ ny olona. Amin’ ny maha-olombelona Azy no tsy maintsy iaretany ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny fandikan-dalàna.IFM 738.4

    Ankehitriny dia hafa noho ny tamin’ ny voalohany ny fijeriny an’ i Kristy. Ny tenin’ ny mpaminany no azo ilazana tsara indrindra ny fahoriany : «Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro!» 3Zakaria 13 : 7 Amin’ ny maha-Mpisolo toerana sy Antoka ho an’ ny olona mpanota Azy no hijalian’ i Kristy raha teo ambanin’ ny fitsaran’ Andriamanitra Izy. Hitany ny dikan’ izany hoe fitsarana. Hatramin’ izao dia mpanelanelana ho an’ ny hafa Izy ; ankehitriny kosa dia naniry koa Izy raha naniry ny hanana mpanelanelana ho Azy.IFM 739.1

    Raha tsapan’ i Kristy fa tapaka ny firaisany tamin’ ny Ray, dia natahotra Izy sao amin’ izao maha-olombelona Azy izao dia tsy haharitra ny ady ifanaovany amin’ ny herin’ ny maizina. Efa nitsingilahila izay ho anjaran’ ny taranak’ olombelona tany an’ efitry ny fakam-panahy. Mpandresy Kristy tamin’ izay. Ankehitriny dia tonga ny mpaka fanahy ho amin’ ny tolona farany mahatsiravina. Efa niomana ho amin’ izany i Satana nandritra ny telo taona niasan’ i Kristy. Mifanandrina aminy avokoa izao ny zavatra rehetra. Raha tsy mahomby eo izy, dia very ny fanantenany ho tompo : ho an’ i Kristy ary ny fanjakan’ izao tontolo izao, ary i Satana dia voazera sy voaroaka. Nefa raha mety ho resiny Kristy, dia hanjary fanjakan’ i Satana ny tany, ary ho ambanin’ ny fahefany mandrakizay ny taranak’ olombelona.IFM 739.2

    Teo anatrehan’ ny mety ho vokatry ny ady, dia feno tahotra ny fisarahana amin’ Andriamanitra ny fanahin’ i Kristy. Lazain’ i Satana taminy fa raha natao antoka ho an’ ity izao tontolo izao feno ota ity Izy, dia ho mandrakizay ny fisarahana. Hiray volo amin’ ny fanjakan’ i Satana Izy, ka tsy ho iray intsony amin’ Andriamanitra.IFM 739.3

    Ary inona no ho azony amin’ io sorona ataony io ? Fa manao ahoana, fa toa tsy misy anantenana azy ny fahadisoan’ ny olona sy ny tsy fahaizany mankasitraka ? Nasehon’ i Satana tamin’ ny Mpanavotra ny toe-javatra teo amin’ ny lafiny manjombona indrindra : «Nandà Anao ny vahoaka izay milaza fa ambonin’ ny hafa rehetra eo amin’ ny tombon-tsoa ara-nofo sy ara-panahy. Mitady hamono Anao izy, dia Ianao izay fototra, foibe sy tombokasen’ ny teny fikasana natao taminy amin’ ny maha-vahoaka manokana azy. Ny anankiray amin’ ny mpianatrao, izay nihaino ny fampianaranao, ary anisan’ ny voalohany teo amin’ ny asan’ ny fiangonana, dia hamadika Anao. Ny anankiray amin’ ny mpanaraka Anao mafana fo indrindra dia handà Anao. Handao Anao ny olona rehetra». Nampihorohoro ny tenan’ i Kristy manontolo hihemotra ny nieritreritra izany. Nandefona ny fanahiny tokoa izany hoe ireo izay niezahany hovonjena, ireo izay tiany. indrindra no hiray amin’ ny tetik’ i Satana. Nahatsiravina ny ady. Ny fahadisoan’ ny fireneny, ny fahadisoan’ ny mpiampanga sy ny mpamadika Azy, ny fahadisoan’ izao tontolo izao mitoetra eo amin’ ny faharatsiana no ahitana ny lanjan’ izany. Nitambesatra mafy teo amin’ i Kristy ny fahotan’ ny olona, ary nanamontsamontsana ny fiainany ny fahatsapany ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny fahotana.IFM 739.4

    Jereo Izy mandinika ny vidiny tsy maintsy naloa ho an’ ny fanahin’ ny olona. Noho ny hamafin’ ny ady dia mibanjina ny tany mangatsiaka Izy, toa hisarika Azy tsy ho voasarika lavidavitra kokoa indray an’ Andriamanitra. Nilatsaka teo amin’ ny tenany nihohoka teo amin’ ny tany ny andon’ ny alina mangatsiaka, nefa tsy noraharahainy izany. Nivoaka avy amin’ ny molony hatsatra ny antso feno fangidiana manao hoe : «Raiko Ò, raha azo atao, aokahoesorina Amiko ity kapoaka ity». Nefa dia nampiany ihany hoe : «nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao».IFM 740.1

    Maniry firaisam-po ny fon’ ny olombelona eo amin’ ny fahoriana. Tsapan’ i Kristy hatrany amin’ ny ati-fanahiny lalina indrindra izany. Teo amin’ ny fara-tampony indrindra amin’ ny ady nihatra aman’ aina niaretan’ ny fanahiny dia nankeo amin’ ny mpianany Izy fa naniry mafy indrindra handre teny fampaherezana avy amin’ ireo izay notahiny sy nampahereziny indrindra, sy narovany tamin’ ny alahelo sy ny fahoriana. Ilay nanana teny fampaherezana mandrakariva ho azy ireo, dia nijaly tamin’ ny fahoriana mihatra aman’ aina tsy zakan’ olombelona ankehitriny, ary naniry mafy ny hahalala fa mivavaka ho Azy sy ho an’ ny tenany izy ireo. Manao ahoana ity fahamaizinan’ ny faharatsian’ ny fahotana ! Mafy ny fakampanahy hamelany ny taranak’ olombelona hizaka ny vokatry ny hadisoana nataony ihany, fa Izy kosa hijoro tsy hanan-tsiny eo anatrehan’ Andriamanitra. Raha mba fantany fotsiny mantsy, fa azon’ ny mpianany izany sy nankasitrahany dia ho nahazo hery Izy.IFM 740.2

    Niarina Izy rehefa nanao fiezahana nampanaintaina Azy, ary nivembena nankeo amin’ ny toerana nandaozany ireo namany. Nefa «nahita azy natory» Izy. Raha mba nahita azy ireo nivavaka Izy, dia ho nihamaivana ny fijaliany. Raha mba nitady fialofana teo amin’ Andriamanitra izy ireo, mba tsy handresy azy ny anjelin’ i Satana, dia ho nampaherezin’ ny finoana mafy orina nananan’ izy ireo Izy. Nefa tsy noheveriny ny hafatra naverimberina hoe : «Miareta tory sy mivavaha». Tamin’ ny voalohany dia feno tebiteby mafy izy ireo nahita ny Tompony, izay tony sy mendrika ialandava hatramin’ izao, nitolona tamin’ ity alahelo izay tsy takatry ny saina mihitsy. Nivavaka izy ireo raha nandre ny antsoantso mafin’ Ilay nijaly. Tsy nikasa ny handao ny Tompony izy ireo, nefa toa voafatotry ny tahotra izay azony nakifika raha nitohy nitalaho tamin’ Andriamanitra. Tsy tsapany ny ilàny fiaretan-tory sy fiva vahana mafana mba hanoherany ny fakam-panahy.IFM 741.1

    Mialoha indrindra ny nizorany nankany amin’ ny saha, dia efa nilaza tamin’ ny mpianany Jesosy hoe : «Ho tafintohina avokoa hianareo rehetra». Nanome toky mafy indrindra izy ireo fa hiaraka Aminy ho any an-tranomaizina sy hatrany amin’ ny fahafatesana. Ary i Petera nampalahelo, ilay matoky tena mandrakariva, dia nanampy hoe : «Na dia ho tafintohina noho ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay»4Marka. 14 : 27, 29. Nefa natoky ny tenany ny mpianatra. Tsy nijery Ilay mpanampy mahery izy ireo araka ny torohevitra nataon’ i Kristy taminy. Koa rehefa nila firaisam-po sy fivavahana be indrindra ny Mpamonjy, dia hita natory izy ireo. Na dia i Petera aza dia natory.IFM 741.2

    Ary i Jaona, Ilay mpianatra malala izay niankina teo amin’ ny tratran’ i Jesosy, dia natory koa. Ny fitiavan’ i Jaona ny Tompony anefa dia tokony ho nitana azy hifoha. Ny fivavahany mafana dia tokony ho niharo tamin’ ny an’ ny Mpamonjiny malala teo amin’ ny fotoan’ ny fahoriany mafy indrindra. Nandany alina manontolo maro ny Mpanavotra hivavahana ho an’ ny mpianatra mba tsy ho levona ny finoany. Raha izao Jesosy no nametraka tamin’ i Jakoba sy Jaona ny fanontaniana izay nataony indray mandeha hoe : «Hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy», dia tsy ho sahy namaly izy hoe : «Hainay»5Matio 20 : 22.IFM 741.3

    Taitra ny mpianatra raha nandre ny feon’ i Jesosy, nefa saika tsy fantany Izy, niova loatra ny endriny noho ny fahoriam-panahiny. Niteny tamin’ i Petera Jesosy nanao hoe : «Ry Simona, matory va hianao ? Tsy nahazaka niara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza va hianao ? Miareta tory sy mivavaha hianareo mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery». Namohafoha ny fangorahan’ i Jesosy ny fahalemen’ ny mpianany. Natahotra Izy sao tsy ho afaka izy ireo hiaritra ny fisedrana izay ho tonga aminy eo amin’ ny famadihana Azy sy ny fahafatesany. Tsy nanameloka azy Izy, fa hoy Izy hoe : «Miareta tory sy mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy». Na dia teo amin’ ny ady mafy nihatra tamin’ ny. aina aza Izy, dia nitady hanala tsiny ny fahalemen’ izy ireo. «Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery».IFM 742.1

    Tratran’ ny ady mihatra aman’ aina tsy zakan’ olombelona indray ny Zanak’ Andriamanitra, ka fanina sy reraka, nivembena niverina ho eo amin’ ny toerana nitolomany voalohany. Mafy noho ny teo aloha ny fahoriany. Raha nihatra tamin’ ny fanahiny ny ady nihatra taman’ aina, dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ ny tany ny dininy. Ny hazo kypreso sy ny hazo rofia no vavolombelona manginan’ ny tebitebiny. Nitete avy amin’ ny sampany sy ny raviny ny ranonando mavesatra ka nilatsaka teo amin’ ny tenany voatorotoro, toa nitomany ny Mpanao azy niady irery tamin’ ny herin’ ny maizina ny zavaboary.IFM 742.2

    Fotoana fohy talohan’ izao dia nijoro toy ny hazo sedera matanjaka Jesosy, nanohitra ny tafiotry ny fanoherany nifofofofo namely Azy. Ny sitrapo kirina sy feno haratsiana sy hafetsena dia niezaka foana hahavery hevitra sy handresy Azy. Nijoro tamin’ ny fahalehibeazan’ Andriamanitra Izy tamin’ ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. Ankehitriny kosa dia toy ny volotara naondriky ny tafio-drivotra masiaka Izy. Nandroso teo amin’ ny fahatanterahan’ ny asany toy ny mpandresy Izy, nahazo fandresena tamin’ ny herin’ ny maizina isaky ny indray mandingana. Tahaka ny efa nomem-boninahitra sahady Izy. ka nitory ny maha-iray Azy amin’ Andriamanitra. Feo tsy nisy fisalasalana no nampipololotra hira fiderana. Niteny tamin’ ny mpianany tamin’ ny teny fampaherezana sy fitiavana Izy. Ankehitriny kosa tonga ny oran’ ny herin’ ny maizina. Ankehitriny, raha nitsoka mangina ny rivotry ny alina, dia re ny feony, tsy mitory fandresena fa feno tebitebin’ ny maha-olombelona. Tonga tao an-tsain’ ireo mpianatra sondrian-tory ny tenin’ ny Mpamonjy : «Raiko ô, raha tsy azo esorina ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no atao».IFM 742.3

    Ny hevitra voalohany nanosika ny mpianatra dia ny hankeo Aminy , nefa efa nobaikoiny hijanona eo izy ireo mba hiari-tory sy hivavaka. Rehefa nankeo aminy Jesosy, dia mbola hitany natory ihany izy ireo. Tsapany indray ny faniriana mafy hanana namana, handre teny avy amin’ ny mpianany izay hitondra fampaherezana, ka hanapaka ny herin’ ny, maizina izay mila hanafotra Azy. Nefa «nilondolondo ny masony», ka tsy hitany izay havaliny Azy. Nanaitra azy ireo ny fanatrehany. Nahita ny tavany voasoritry ny dinitra ra noho ny ady mihatra aman’ aina izy ireo ka raiki-tahotra. Tsy nety ho azon’ izy ireo ny tebitebin-tsainy. «Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona» 6Isa.52 : 14.IFM 743.1

    Niverina indray Jesosy, lasa namonjy ny toerana fialofany ka lavo nikarapoka tamin’ ny tany, resin’ ny haizim-be mampangorohoro. Nihovitrovitra ny maha-olombelona ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ io ora fitsapana io. Ankehitriny dia tsy nivavaka ho an’ ny mpianany intsony Izy mba tsy ho levona ny finoany, fa nivavaka ho an’ ny fanahiny iantefan’ ny fakam-panahy mihatra aman’ aina. Tonga ny fotoana mampihorohoro — ny fotoana izay hanapaka ny ho anjaran’ izao tontolo izao. Nangovitra teo amin’ ny lela-mizana ny hoavin’ ny olombelona. Azon’ i Kristy atao izao ny mandà ny hisotro ny kapoaka antonona ny olombelona. Tsy mbola diso aoriana loatra. Azony atao ny mamafa ny dinitra ra eo amin’ ny handriny, ka hamela ny olona ho faty ao amin’ ny fahadisoany. Azony atao ny miteny hoe : Aoka ny mpandika lalàna handray ny tambin’ ny fahotany, fa hiverina ho any amin’ ny Raiko Aho. Moa ve hisotro ny kapoaka mangidin’ ny fanetren-tena sy mihatra aman’ aina ny Zanak’ Andriamanitra ? Moa ve ny tsy manan-tsiny hiaritra ny vokatry ny ozon’ ny fahotana, mba hamonjy ny meloka ? Nipararetra ny teny avy amin’ ny molotra hatsatr’ i Jesosy : «Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao».IFM 743.2

    Intelo no namerenany io vavaka io. Intelo ny maha-olombelona no nihemotra teo amin’ ny sorona farany indrindra. Nefa izao dia tonga ao an-tsain’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao ny tantaran’ ny taranak’ olombelona.’ Hitany ireo mpandika lalàna tsy maintsy ho faty, raha ilaozany samirery. Hitany ny tsy fahazoan’ ny olona manampy ny tenany. Hitany ny herin’ ny fahotana. Mitranga eo anoloany ny loza sy ny fitarainan’ izao tontolo izao tandindomin’ ny fahafatesana. Natrehiny ny anjara miandry izao tontolo izao ka tapaka ny heviny. Hamonjy ny olona Izy na ho toy inona na ho toy inona vidin’ izany Aminy. Ekeny ny batisan’ ny ra, mba hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalany ny olona an-tapitrisany eo am-bavahaona. Nilaozany ny lapan’ ny lanitra, izay feno fahadiovana, fahasambarana ary voninahitra, mba hamonjy ilay ondry very iray, ilay izao tontolo izao iray lavo tamin’ ny fandikan-dalàna. Ary tsy hiamboho izany asa nanirahana Azy izany Izy. Izy no fanati-panavotana ho an’ ny taranaka izay ninia nanota. Fileferana ihany sisa no nientana teo amin’ ny fivavahany : «Raha tsy azo esorina ity kapoaka ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia hatao anie ny sitraponao».IFM 744.1

    Rehefa tapaka ny heviny, dia toa hiala aina Izy raha nikarapoka tamin’ ny tany fa tsy naharina toy ny teo aloha. Aiza izao ny mpianatra mba hametraka ny tanany amim-pitiavana eo ambanin’ ny lohan’ ny Tompony efa ho safotra, mba handena ity handrina simba kokoa noho ny an’ ny zanak olombelona ? Nanitsakitsaka irery ny famiazam-boaloboka ny Mpamonjy, ary tsy nisy tamin’ ny olona izay niaraka taminy.IFM 744.2

    Nefa niara-nijaly tamin’ ny Zanany Andriamanitra. Nibanjina ny ady mihatra aman’ aina niaretan’ ny Mpamonjy ny anjely. Hitany ny Tompony Voahodidin’ ireo legionan’ ny herin’ i Satana, hitany ny tenany nitambesaran’ ny tahotra tsy fantatra nampangovitra Azy. Nangina ny lanitra. Tsy nisy lokanga nokasihina. Raha azon’ ny olombelona mety maty natao ny nahita ny fahagagan’ ny tafiky ny anjely feno fahoriana mangina nanara-maso ny Ray izay nanala ireo taratry ny fahazavan’ ny fitiavana sy ny voninahitra tsy ho eo amin’ ny Zanany malalany, dia ho azon’ ny olona bebe kokoa ny mampaharikoriko ny fahotana eo imason’ Andriamanitra.IFM 744.3

    Liana indrindra ireo izao tontolo izao tsy lavo sy ny anjelin’ ny lanitra raha hifarana ny ady. Satana sy ny fitambaran’ ny ratsy, ireo legiona nihemotra, dia niambina fatratra ity zava-tsarotra lehibe teo amin’ ny asan’ ny fanavotana ity. Samy niandry ny herin’ ny tsara sy ny ratsy, hahita izay ho valin’ ny vavaka naverin’ i Kristy intelo. Nirin’ ny anjely mafy ny hampahery Ilay Andriamanitra ory indrindra, nefa tsy azo natao izany. Tsy nisy lalana azon’ ny Zanak’ Andriamanitra nidifiana. Teo amin’ ity zava-tsarotra mampihorohoro ity, rehefa nifamahofaho be ihany ny zavatra rehetra sy nangovitra teo amin’ ny tanan’ Ilay ory indrindra ilay kapoaka mifono zavatra saro-pantarina, dia nisokatra ny lanitra, ary nisy fahazavana namirapiratra teo amin’ ny haizina nisafotofoto tamin’ ny ora mafy indrindra, ary ny anjely mahery izay mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra, mitana ny toerana nahalavo an’ i Satana, no tonga teo anilan’ i Kristy. Tsy tonga hanala ny kapoaka teo an-tanan’ i Kristy ny anjely, fa hampahery Azy hisotro izany, ary nanome toky ny amin’ ny fitiavan’ ny Ray. Tonga izy hanome hery ity Andriamanitra-olona mitalaho. Nasehony Azy ny lanitra misokatra, nolazainy Azy ireo fanahy izay ho voavonjy noho ny fahoriany. Nomeny toky Izy fa lehibe sy mahery noho i Satana ny Rainy. Ny faharesen’ i Satana tanteraka no ho vokatry ny fahafatesany, ary homena ny olo-masin’ ny Avo indrindra ny fanjakan’ ity izao tontolo izao ity. Nolazainy Azy fa hahita ny isasaran’ ny fanahiny Izy, ka ho afa-po, satria vahoaka be avy amin’ ny taranak’ olombelona no ho voavonjy mandrakizay.IFM 744.4

    Tsy mbola vita ny ady mihatra aman’ aina natrehin’ i Kristy, nefa lasa ny faharerahana sy ny fahakiviana. Tsy nitsahatra velively ny tafio-drivotra, fa nahazo hery hoenti-manohitra ny hasiahany Ilay niantefan’ izany. Tony sy niadan-tsaina Izy. Fiadanan’ ny lanitra no hita teo amin’ ny tavany voapentin-dra. Nitondra izay tsy ho zakan’ ny olombelona na oviana na oviana Izy, satria nanandrana ny fahorian’ ny fahafatesana ho an’ ny olona tsirairay.IFM 745.1

    Taitra tampoka ny mpianatra natory raha nahita ny fahazavana nanodidina ny Mpamonjy. Hitany ny anjely niondrika teo amin’ ny Tompony nihohoka tamin’ ny tany. Hitany nampiankina ny lohan’ ny Mpamonjy teo amin’ ny tratrany izy, ka nanondro ny lanitra taminy. Reny ny feony, toy ny feon-java-maneno kanto indrindra, niteny fampaherezana sy fanantenana. Tsaroan’ ny mpianatra indray ireo toe-javatra nitranga teo amin’ ny tendrombohitra fiovan-tarehy. Tsaroany ny voninahitra izay nanodidina an’ i Jesosy tao amin’ ny tempoly, sy ny feon’ Andriamanitra niteny avy amin’ ny rahona. Ankehitriny miseho indray io voninahitra io, ka tsy natahotra intsony ho an’ ny Tompony izy. Andriamanitra no miahy Azy. Noho ny havizanany, dia niverina teo amin’ ny torimaso nahagaga izay nandresy azy ny mpianatra. Dia hitan’ i Jesosy natory indray izy ireo.IFM 745.2

    Nijery azy ireo tamin’ alahelo Izy ka nanao hoe : «Matoria ary ankehitriny ka mialà sasatra ; indro efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’ olona hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota».IFM 746.1

    Raha vao nanao ireo teny ireo Izy, dia nandre ny firodorodon’ ny vahoaka be nitady Azy ka nanao hoe : «Mitsangàna, andeha isika ; indro efa akaiky ilay mamadika Ahy».IFM 746.2

    Tsy nisy soritry ny ady nihatra aman’ aina vao natrehiny hita teo Aminy raha nandeha nitsena ny mpamadika Azy Izy. Nijoro teo alohan’ ny mpianany Izy dia nanao hoe ; «Iza moa no tadiavinareo?» «Jesosy avy any Nazareta», hoy ny navaliny Azy. «Izaho no Izy», hoy ny nasetrin’ i Jesosy. Raha vao vita ireo teny ireo, dia nandroso nanelanelana Azy sy ny vahoaka nitabataba ilay anjely nanompo an’ i Jesosy farany teo. Ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra dia nanazava ny tavan’ ny Mpamonjy, ary nisy tahaka ny voromailala nanaloka Azy. Teo anatrehan’ io voninahitr’ Andriamanitra io, dia tsy nahajanona ilay vahoaka lian-dra na dia kely aza. Nivembena niverina izy ireo. Ny mpisorona, ny loholona, ny miaramila ary na dia i Jodasy aza, dia nikarapoka toy ny maty tamin’ ny tany.IFM 746.3

    Niala ny anjely ary nanjavona ny fahazavana. Nisy fotoana nahazoan’ i Jesosy nandositra, nefa nijanona Izy, tony sady nifehy ny tenany. Toy ny olona homem-boninahitra Izy raha nijoro teo afovoan’ ireo tafika mafy fo, izay mihohoka amin’ ny tany izao sady tsy afaka manao na inona na inona eo an-tongony. Nijery ny mpianatra, nangina sady gaga no feno tahotra.IFM 746.4

    Nefa vetivety dia niova ny toe-javatra. Nitsangana ireo vahoaka. Ireo miaramila romana, ireo mpisorona sy Jodasy, dia samy nitangorona nanodidina an’ i Kristy. Toa menatry ny fahalemeny izy ireo sady natahotra sao mandositra Izy. Napetraky ny Mpanavotra indray ny, fanontaniana : «Iza moa no tadiavinareo?» Nazava tsara tamin’ ireo fa Ilay nijoro teo anatrehany dia Zanak’ Andriamanitra, nefa tsy nety niaiky izany izy ireo. Ilay fanontaniana hoe : «Iza moa no tadiavinareo ?» dia novaliany indray hoe: «Jesosy avy any Nazareta». Avy eo dia hoy ny Mpamonjy : «Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy. Koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto», sady nanondro ny mpianatra Izy. Fantany fa malemy indrindra ny finoan’ izy ireo ka nitady hiaro azy amin’ ny fakam-panahy sy ny fitsapana Izy. Vonona ny hanao sorona ny tenany ho an’ ireo Izy.IFM 746.5

    Tsy nohadinoin’ i Jodasy ilay mpamadika ny nanao ny anjarany. Rehefa niditra ny saha ireto vahoaka be dia izy no nitari-dalana, narahin’ ny mpisoronabe akaiky. Nanome famantarana ireo mpisambotra an’ i Jesosy izy hoe : «Izay horohako no Izy; sambory Izy»7Mat.26 : 48. Izao dia miseho ho tsy mifandray amin’ ireo izy, noraisiny ny tanany toy ny sakaiza mahazatra, niteny izy hoe : «Finaritra Raby» sady nanoroka Azy imbetsaka, toa hitomany noho ny fangorahany Azy tandindomin-doza hono.IFM 747.1

    Hoy Jesosy taminy ; «Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto». Nangovitry ny alahelo ny feony raha nampiany hoe : «Ry Jodasy, fanorohana va no hamadihanao ny Zanak’ olona ?» Tokony ho nampifoha ny feon’ ny fieritreretan’ ilay mpamadika io antso io, ka hanohina ny fony donto ; nefa efa nandao azy ny voninahitra, ny toetra nahatoky sy ny fitiavan’ olombelona. Feno hasiahana sy fihantsiana izy ka tsy nahitana fironana hiova akory. Nanolo-tena ho an’ i Satana izy, ka tsy nanan-kery hoenti-manohitra azy. Tsy nandà ny orok’ ilay mpamadika Jesosy.IFM 747.2

    Nihasihasy ihany ny vahoaka nahita an’ i Jodasy nikasika ny tanan’ Ilay vao nomem-boninahitra teo anoloany. Notazoniny izao Jesosy ka nanomboka namatotra ireo tanany sarobidy izay nampiasaina hatrany hanao soa izy ireo.IFM 747.3

    Noheverin’ ny mpianatra fa tsy hanaiky ny hosamborina ny Tompo. Satria ny hery izay nahalavo ny vahoaka tahaka ny maty dia afaka hampahalemy azy ireo mandra-pandositr’ i Jesosy sy ny namany. Diso fanantenana sady nisafoaka izy ireo raha nahita ny tady nentina mba hamatorana ny tanan’ Ilay tiany. Tezitra i Petera ka notsoahany tamim-paharomotana ny sabany ary niezaka niaro ny Tompony izy, nefa ny sofin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe ihany no tapany. Rehefa nahita ny nataony Jesosy, dia novahany ny tanany, na dia voatana mafin’ ny miaramila romana aza, dia hoy Izy : «Aoka ihany na dia izao aza», notendreny ilay sofina maratra ary avy hatrany dia sitrana. Dia hoy Izy tamin’ i Petera : «Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ ny sabatra. Ary ataonao va. fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho ety Amiko Izy ankehitriny ?» — legiona iray ho solon’ ny mpianatra tsirairay. Nahoana re, hoy ny eritreritry ny mpianatra, no tsy namonjy ny tenany sy isika Izy ? Namaly ny eritreriny tsy niloaka Jesosy ka nanampy hoe: «Raha izany dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina ?» — «Ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va ?»IFM 747.4

    Tsy nanakana ny mpitarika Jiosy hiaraka amin’ ny mpanenjika an’ i Jesosy ny hajan’ ny asany. Zava-dehibe loatra ny fisamborana an’ i Jesosy ka tsy azo avela amin’ ny olom-pehezina ; ireo mpisorona fetsilahy sy ireo loholona dia niaraka tamin’ ny mpiambina ny tempoly sy ireo vahoaka nisafoaka nanaraka an’ i Jodasy tany Getsemane. Ireo manan-kaja ireo dia niray tamin’ ny olona mora taitaitra sady mirongo izao karazam-piadiana rehetra izao, tahaka ny manenjika bibi-dia.IFM 748.1

    Nitodika tany amin’ ny mpisorona sy ny loholona Kristy ka nampifantoka ny fijeriny tamin’ ireo sady nandinika azy ireo. Tsy hohadinoiny na oviana na oviana ny teny izay nolazainy raha mbola misy koa ny ainy. Zana-tsipika maranitry ny Tsitoha izany. Niteny tamim-pahamendrehana Izy nanao hoe : «Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy, toy ny hisambotra jiolahy va hianareo ? Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tànana tamiko hianareo ; fa izao no fotoanareo sy ny herin’ ny maizina».IFM 748.2

    Tora-kovitra ny mpianatra raha nahita an’ i Jesosy nety horaisina sy hofatorana. Nahatafintohina azy ireo ny nanekeny io fahafahambaraka io ho an’ ny tenany sy ho azy ireo. Tsy azony ny fihetsiny. Tezitra sady natahotra izy ireo, ary nanipy hevitra i Petera hamonjena tena. Nanaraka io hevitra io izy ireo ary «samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra». Nefa efa nolazain’ i Jesosy io fandosirana io. «Indro, hoy Izy, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato Amiko»8jao.16 : 32.IFM 748.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents