Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 15—Teo amin’ny fanasana fampakaram-bady

    Tsy tamin’ ny fanaovana asa lehibe teo anatrehan’ ny Synedriona tany Jerosalema tsy akory no nanombohan’ i Jesosy ny fanompoany. Tao amin’ ny ankohonana iray nivory tao amin’ ny tanàna kely tany Galilia, no nanehoany ny heriny mba hampitomboana ny fifaliana teo amin’ ny fanasana fampakaram-bady.1Mifototra amin’ ny Jaona 2 : 1-11 ity toko ity. Nasehony tamin’ izany ny firaisam-pony tamin’ ny olona, sy ny faniriany hahasambatra azy. Ny tenany mihitsy no efa nisotro ny kapoaky ny fahoriana tany an-efitra fakam-panahy. Tonga izy hanome ny kapoaky ny fitahiana ho an’ ny olombelona mba hanamasina ny fifandraisana eo amin’ ny fiainan’ olombelona tamin’ ny alalan’ ny fitahiany.IFM 137.1

    Avy tany Jordana Jesosy dia niverina ho any Galilia. Hisy fampakaram-bady any Kana, tanàna kely tsy lavitra an’ i Nazareta ; havan’ i Josefa sy Maria ny andaniny sy ny ankilany ; koa raha fantatr’ i Jesosy io fivoriam-pianakaviana io dia nankany Kana Izy, fa nasaina niaraka tamin’ ny mpianany ho amin’ ny fanasana.IFM 137.2

    Nihaona tamin-dreniny indray Izy, izay misy fotoana nahatafasaraka Azy taminy. Efa ren’ i Maria ny zavatra niseho tany Jordana, tamin’ ny batisan’ i Jesosy. Efa tonga tany Nazareta ny vaovao mahafaly, ary namerina tao an-tsainy indray ireo toejavatra efa nafeniny tao am-pony nandritra ny taona marobe tokoa. Tahaka ny Isiraely manontolo, dia nanetsika lalina an’ i Maria koa ny asa nanirahana an’ i Jaona Mpanao batisa. Tsaroany tsara ny faminaniana nomena tamin’ ny nahaterahany. Namelona ny fanantenany indray izao ny fifandraisany tamin’ i Jesosy. Reny koa anefa ny vaovao mifono zava-miafina momba ny nandehanan’ i Jesosy ho any an-efitra, ary nisy fambara nampahory sy nampatahotahotra azy.IFM 137.3

    Hatramin’ ny andro nandrenesany ny filazana nataon’ ny anjely tao an-tokantranony tany Nazareta, dia nangonin’ i Maria toy ny haren-tsarobidy ny porofo rehetra fa Jesosy no Mesia. Ny fiainany mamy, tsy nombam-pitiavan-tena dia nanome toky azy fa tsy mety ho olon-kafa afa-tsy Ilay nirahin’ Andriamanitra Izy. Nefa tonga taminy koa ny fisalasalana sy ny fahadisoam-panantenana, ary naniry mafy ny fotoana izay hanambarana ny voninahiny izy. Nampisaraka azy tamin’ i Josefa izay niara-nahalala taminy ny zava-miafina tamin’ ny nahaterahan’ i Jesosy, ny fahafatesana. Ankehitriny dia tsy misy na iza na iza intsony azony anankinana ny fanantenany sy ny tahony. Mafy indrindra taminy ny roa volana farany teo. Tafasaraka tamin’ i Jesosy izy izay ny firaisam-pony no nahitany fampiononana ; nosaintsaininy ny tenin’ i Simeona hoe : «ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra»2Lio. 2: 35. ; tsaroany ireo hateloana niaretany ady mihatra aman’ aina rehefa noheveriny fa very tsy hita Jesosy ; koa feno tebiteby ny fony niandry ny fiverenany.IFM 138.1

    Tao amin’ ny fanasana fampakaram-bady no nahitany Azy indray mbola ilay zanaka . be fitiavana, mahatsiaro andraikitra ihany. Nefa tsy toy ny teo aloha Izy. Niova ny endriny ; hita soritra teny ny tolona natrehiny tany an-efitra, ary ny fisehoan’ ny fahamendrehana sy ny hery vaovao teo Aminy, dia nanambara mazava ny iraka nampanaovin’ ny lanitra Azy. Niaraka taminy dia nisy tovolahy vitsivitsy nanara-maso Azy tamim-panajana, ary niantso Azy hoe Mpampianatra. Notantarain’ ireo namany ireo indray tamin’ i Maria izay hitany sy reny tamin’ ny batisany sy tamin’ ny toerana hafa. Ho fehin-teny dia nambarany hoe : «Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany»3Jao. 1 : 45.IFM 138.2

    Raha tafavory ny nasaina dia nisy maro toa sahirana tamin’ ny resaka nahavariana sy nahaliana. Nisy zavatra tsy hainy nafenina nanaitra azy rehetra. Nitsitokotoko niresaka moramora sy taminkafanam-po, ary nitopy matetika teny amin’ ny zanak’ i Maria ny fijeriny nitory fahagagana. Raha nahare ny teny vavolombelona nataon’ ny mpianatra momba an’ i Jesosy i Maria, dia natoky fa tsy very maina ireo fanantenana nankamamiany ela. Nefa ho nihoatra noho ny olombelona izy raha tsy niaro tamin’ io fifaliana io ny soritry ny rehareha voajanahary ao am-pon’ ny reny be fitiavana. Raha nahita ny fijery maro nitopy tamin’ i Jesosy izy, dia naniry mafy ny hanaporofoan’ i Jesosy tamin’ ny olona teo fa Izy tokoa no Ilay nomen’ Andriamanitra voninahitra. Nanantena izy fa hisy fotoana mety ahazoany manao fahagagana eo anatrehany.IFM 138.3

    Fomba tamin’ izany andro izany ny lanonam-panambadiana mitohy mandritra ny andro maromaro. Tamin’ io fotoana io, talohan’ ny hifaranan’ ny fanasana, dia hita fa tsy ampy ny divay nomanina. Nahavery hevitra sy nampalahelo fatratra ny nahitana izany. Tsy fomba ny mametra ny divay amin’ ny fotoan-danonana, ary ny tsy fisian’ izany dia toa manambara tsy fahaiza-mandray olona. Fianakaviana i Maria ka nandray anjara tamin’ ny fikarakarana ny fanasana, ary indro izy niteny tamin’ i Jesosy nanao hoe : «Tsy manana divay izy. Tsipi-teny mba hanomezany izay ilainy ny teny nataony. Namaly anefa Jesosy hoe : «Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy Hianao ? Tsy mbola tonga ny fotoako».IFM 139.1

    Na dia toa nivantana aza io valinteny io amintsika, dia tsy mitory fangatsiahana na tsy fifanajana. Nifanaraka tamin’ ny fomba amam-panao tatsinanana ny fomba fitenin’ ny Mpamonjy tamin’ ny reniny. Nampiasaina tamin’ ny olona tiana hanehoana fanajana izany. Ny fihetsik’ i Kristy tamin’ ny fiainany teto an-tany dia nifandrindra tamin’ ny foto-kevitra efa nomen’ ny tenany ihany : «Manajà ny rainao sy ny reninao»4Eks. 20 : 12. Teo ambonin’ ny hazo fijaliana raha nampiseho ny fihetsika farany mitory titiavana tamin’ ny reniny Izy, dia fomba toy izany indray no nitenenan’ i Jesosy taminy, raha nankininy tamin’ ny mpianany tiany indrindra ny fikarakarana azy. Teo amin’ ny fampakaram-bady sy teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nidika ho fitiavana, nasehon’ ny feony sy ny fijeriny ary ny fihetsiny, ny teny nataony.IFM 139.2

    Raha tany amin’ ny tempoly Izy fony zaza, ka nivelatra teo anatrehany ny zava-miafina eo amin’ ny asa mandritra ny fiainany, dia hoy Kristy tamin’ i Maria : «Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?»5...Ireo teny ireo no nibaiko ny fiainany sy ny asa fanompoany manontolo. Nampandeferiny ny zavatra rehetra teo anatrehan’ ny asany, dia Ilay asa lehibe fanavotana izay nahatongavany teto amin’ izao tontolo izao hotanterahina. Mamerina ny lesona Izy izao. Loza ho an’ i Maria ny mihevitra fa manome azy alalana manokana Aminy ny fifandraisana misy aminy sy Jesosy, dia zo hitarika Azy eo amin’ ny asa nanirahana Azy. Nandritra ny telopolo taona dia zanakalahy be fitiavana sy nankatò Izy teo anatrehany, ary tsy niova ny fitiavany, nefa tsy maintsy mandeha manao ny asan’ ny Rainy Izy izao. Zanaky ny Avo Indrindra Izy, sady Mpamonjy an’ izao tontolo izao, ka tsy tokony hisy fatorana araka izao tontolo izao manakana Azy tsy hanao ny asa nanirahana Azy, na hiasa mangina amin’ ny fomba fitondrany ny tenany. Tsy maintsy malalaka ny fijoroany hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Ho antsika koa io lesona io. Ny fitakian’ Andriamanitra no ambony indrindra na dia eo amin’ ny fatorana misy amin’ ny fifandraisan’ ny olombelona aza. Tsy tokony hisy zavatra hisarika ny tongotsika hiala amin’ ny lalana izay hibaikoany handehanantsika.IFM 139.3

    Ny hany fanantenana fanavotana ho an’ ny taranaka lavo dia ao amin’ i Kristy ; na dia i Maria aza dia tsy afaka nahita famonjena tsy amin’ ny alalan’ ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Raha eo amin’ ny tenany dia tsy manana fahamendrehana mihitsy izy. Ny fihavanany amin’ i Jesosy dia tsy mametraka azy hanana fifandraisana ara-panahy hafa Aminy, mihoatra noho izay amin’ ny fanahin’ olombelona hafa. Asehon’ ny tenin’ ny Mpamonjy izany. Asehony mazava aminy ny fahasamihafan’ ny fifandraisany Aminy sy ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. Ny fatorana arapihavanana teo amin’ izy ireo dia tsy nahatonga an’ i Maria hitovy Aminy mihitsy tsy akory.IFM 140.1

    Ny teny hoe : «Tsy mbola tonga ny fotoako», dia manambara fa ny fihetsik’ i Kristy teto an-tany, dia fanatanterahana ny drafitra izay efa nisy hatrizay hatrizay. Talohan’ ny nahatongavany teto an-tany dia efa nivelatra teo anatrehany ny drafitra teo amin’ ny fahatanterahan’ ny antsipiriany rehetra. Nefa raha nandeha teo anivon’ ny olona Izy, dia notarihin’ ny sitrapon’ ny Ray isaky ny indray mandingana. Tsy nisalasala ny niasa Izy rehefa tonga ny fotoana voatondro. Nilefitra toy izany ihany Izy niandry mandrapahatongan’ ny fotoana.IFM 140.2

    Tamin’ ny nilazany tamin’ i Maria fa tsy mbola tonga ny fotoany dia namaly ny eritreriny tsy niloaka Izy, dia izay zavatra nandrasany sy nankamamiany niaraka tamin’ ny vahoaka. Nanantena izy fa hampiseho ny tenany ho Mesia Jesosy ary hanjaka amin’ ny Isiraely. Nefa tsy mbola tonga ny fotoany. Tsy amin’ ny mahaMpanjaka Azy, fa amin’ ny maha-Lehilahy ory sady zatra fahoriana no naneken’ i Jesosy ny anjaran’ ny maha-olombelona.IFM 140.3

    Na dia tsy nazava tamin’ i Maria aza ny asa nanirahana an’ i Kristy, dia natoky Azy amin’ izao izy. Io finoana io no novalian’ i Jesosy mba hanomezam-boninahitra ny fitokisan’ i Maria, sy hanatanjahana ny finoan’ ny mpianany, no nanaovana ny fahagagana voalohany. Hisetra fakam-panahy maro sy lehibe izay mety hitarika azy tsy hino ny mpianatra. Nazava tamin’ izy ireo tsy nisy adihevitra mihitsy, tamin’ ny alalan’ ny faminaniana, fa Jesosy no Mesia. Nibanjina ireo mpitarika ara-pivavahana izy ireo handray Azy amimpahatokiana mihoatra noho ny azy ireo aza. Nambarany teo amin’ ny vahoaka ny asa mahagaga nataon’ i Kristy sy ny toky nananany tamin’ ny asa nanirahany Azy, nefa talanjona sady tratry ny fahadisoam-panantenana mangidy izy ireo noho ny tsy finoana, ny hevitra nibahana sady lalim-paka teo an-tsain’ ny mpisorona sy ny raby, ary ny fandrafiana Azy nasehon’ izy ireo. Ny fahagagana voalohany nataon’ ny Mpamonjy dia nampahery ny mpianatra hijoro sy hisetra io fanoherana io.IFM 141.1

    Tsy nahasanganehana an’ i Maria velively ny tenin’ i Jesosy, ka hoy izy tamin’ ireo nandroso sakafo teo amin’ ny latabatra : «Ataovy izay asainy ataonareo». Tamin’ izany no nanaovany izay azony natao mba hanomanana ny lalana ho an’ ny asan’ i Kristy.IFM 141.2

    Teo akaikin’ ny varavarambe dia nisy siny vato enina, ary nasain’ i Jesosy nofenoin’ ny mpanompo rano izy ireo. Natao izany. Ary rehefa nisy nangataka divay hosotroina avy hatrany, dia hoy Izy : «Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana». Tsy ny rano izay namenoana ny siny no tao, fa divay no nivoaka avy tao. Na ny mpandahatra ny fanasana, na ny ankabeazan’ ny olona nasaina, dia samy tsy nahalala fa tsy ampy ny divay nomanina. Rehefa nandraman’ ilay mpandahatra ny fanasana izay nentin’ ny mpanompo, dia hitany fa tsara lavitra noho izay tsy mbola nosotroiny izany, ary hafa indrindra noho izay naroso tamin’ ny fiantombohan’ ny fanasana. Nitodika tany amin’ ny mpampakatra izy ka nanao hoe : «Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona dia vao izay ratsiratsy kokoa, fa hianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny».IFM 141.3

    Tahaka ny olona manolotra ny divay tsara kokoa aloha, dia izay vao ny ratsy kokoa, tahaka izany koa no ataon’ izao tontolo izao amin’ ny fanomezany. Mety hahafinaritra ny maso sy manintona ny retsika izay arosony, nefa hita mazava fa tsy mahafa-po. Miova ho mangidy ny divay, ary ho alahelo ny fifaliana. Izay nanomboka tamin’ ny hira sy ny fahasambarana dia miafara amin’ ny havizanana sy ny rikoriko. Ny fanomezana avy amin’ i Jesosy dia tsara sy vaovao mandrakariva. Ny fanasana izay homaniny ho an’ ny fanahy, dia tsy mba diso mihitsy amin’ ny fanomezana fahafahampo sy fifaliana. Ny fanomezana vaovao tsirairay dia samy mampitombo ny fahazoan’ ny mpandray mankasitraka ny fitahian’ ny Tompo sy mifaly amin’ izany. Fahasoavana no omeny ho solon’ ny fahasoavana. Tsy mety lany ny tahiriny. Raha mitoetra ao aminy ianao, ny nahazoanao fanomezana sarobidy androany, dia manome toky ho amin’ ny handraisanao fanomezana sarobidy kokoa rahampitso. Ny tenin’ i Jesosy tamin’ i Natanaela dia manambara ny lalàn’ ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ ny finoan’ ny zanany. Ny fanambarana vaovao rehetra momba ny fitiavany dia samy ilazany amin’ ny fo mandray izany hoe : «Hahita zavatra lehibe noho izany hianao»6Jao. 1: 50.IFM 142.1

    Tandindona ity fanomezan’ i Kristy ho an’ ny fanasana fampakarambady ity. Nampiseho ny batisa ho amin’ ny fahafatesana ny rano; ny ra nalatsaka noho ny fahotan’ izao tontolo izao, ny divay. Ny rano namenoana ny siny dia nentin’ ny tanan’ olombelona, fa ny tenin’ i Kristy ihany no afaka nanome izany hery mitondra aina izany. Tahaka izany koa ireo fanompoam-pivavahana manondro ny fahafatesan’ ny Mpamonjy. Ny herin’ i Kristy irery ihany, izay miasa amin’ ny alalan’ ny finoana, no afaka mamelona ny fanahy.IFM 142.2

    Ny tenin’ i Kristy no nanomana tahiry betsaka ho amin’ ny fanasana. Betsaka toy izany koa ny fahasoavany nomaniny hikosehana ny fahadisoan’ ny olombelona sy hanavaozana ary hanohanana ny fanahy.IFM 142.3

    Tamin’ ny fanasana voalohany natrehin’ i Jesosy niaraka tamin’ ny mpianany, dia natolotr’ i Jesosy azy ireo ny kapoaka izay tandindon’ ny asa ataony ho famonjena azy ireo. Nomeny indray izany tamin’ ny fanasana farany nataony, tamin’ ny nanorenany ilay fanompoam-pivavahana masina izay ho fanehoana ny fahafatesany «mandra-piaviny»71 Kor. 11 : 26. Raha nalahelo ny mpianatra tamin’ ny fisarahana tamin’ ny Tompony, dia fiononana ho azy ireo ny teny fikasana milaza fihaonana, raha hoy Izy hoe : «Tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandrapiavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko»8Mat. 26 29.IFM 142.4

    Ny divay izay namboarin’ i Kristy ho an’ ny fanasana sy ilay nomeny ny mpianatra ho tandindon’ ny ran’ ny tenany, dia ranomboaloboka madio. Io no lazain’ ny mpaminany Isaia raha milaza ny amin’ ny divay vaovao «ao an-tsapahony», ka hoy izy hoe : «Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny»9Isa. 65 : 8.IFM 143.1

    Kristy no nampitandrina an’ Isiraely ao amin’ ny Testamenta Taloha hoe : «Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry»10oha. 20 : 21. Koa ny tenany dia tsy nanome zava-pisotro toy izany. Maka fanahy ny olona i Satana amin’ ny fampanaranam-po, izay manamaizina ny saina mandanjalanja sy manadombo ny fandrenesana ara-panahy, fa Kristy kosa mampianatra antsika hampandefitra ny fironana ambany. Ohatry ny fahafoizan-tena ny fiainany manontolo. Mba hahazoany manapaka ny hatendan-kanina, dia niaritra ny fitsapana mafy indrindra azon’ ny olombelona zakaina ho antsika Izy. Kristy no nitari-dalana an’ i Jaona Mpanao batisa tsy hisotro na divay na zava-pisotro mahamamo mahery. Izy ihany koa no nibaiko fifadiana toy izany tamin’ ny vadin’ i Manoa, ary nanozona ny lehilahy izay mampitohoka ny tavoahangy eo amin’ ny molotry ny namany. Tsy nanohitra ny fampianarana nataon’ ny tenany mihitsy Kristy. Zava-pisotro mahasalama sy mamelombelona ny divay tsy nilona izay nomeny ho an’ ireo nasaina tamin’ ny fampakarambady. Ny vokatr’ izany dia ny hampifandrindra ny lela’ ', ny amin’ ny fitiavan-komana mahasalama.IFM 143.2

    Rehefa tsapan’ ireo nasaina tamin’ ny fanasana ny hatsaran’ ny divay dia nipetraka ny fanontaniana izay nitarika ny mpanompo hitantara ny fahagagana. Zendana loatra aloha ny olona ka tsy afaka nihevitra Ilay nahatanteraka asa mahagaga toy izany. Nony farany, rehefa nitady Azy izy, dia indro efa lasa moramora Izy ka na dia ny mpianany aza tsy nahita Azy. Nitodika nankany amin’ ny, mpianatra izao ny sain’ ny olona. Voalohany izao no ahazoan’ izy ireo mampahafantatra ny finoany an’ i Jesosy. Nolazainy izay efa hitany sy reny tao Jordana, ka nitsiry tao am-pon’ ny maro ny fanantenana fa efa nanangana mpanafaka ho an’ ny vahoakany Andriamanitra. Niparitaka nanerana iny faritany manontolo iny io fahagagana io ka tonga tany Jerosalema. Liana indray ny mpisorona sy ny loholona nandinika ireo faminaniana manondro ny fiavian’ i Kristy. Nisy faniriana marina hahalala ny asa nanirahana ity mpampianatra vaovao, izay niseho teo amin’ ny vahoaka tamin’ ny fomba tsy dia manaitra firy.IFM 143.3

    Niavaka tanteraka tamin’ ny asa fanompoan’ ireo loholona jiosy ny an’ i Kristy. Nanimba ny tena fahafahana marina hihevitra na hiasa malalaka, ny fitiavan’ izy ireo ny lovan-tsofina sy ny fanao ivelambelany. Feno tahotra ny fahalotoana lava izao ny fiainany. Ny tsy fikasihana ny «maloto» no nasandrany avo, tsy izay avy amin’ ny jentilisa fotsiny, fa ny avy amin’ ny ankabeazan’ ny vahoakany koa aza, koa tsy nikatsaka izay hahasoa azy izy ireny na izay itiavany azy. Ireny zava-poana ireny hatrany no noheveriny, hany ka nambotry ny sainy sy nahatery ny faritra niainany izany. Namporisika ny fiheveran-tena ho zavatra sy ny tsy fahaizamandefitra teo amin’ ny saranga rehetra teo amin’ ny vahoaka ny ohatra nomeny.IFM 144.1

    Nanomboka ny asa fanavaozana tamin’ ny firaisam-po akaiky tamin’ ny taranak’ olombelona Jesosy. Nampiseho fanajana ambony indrindra ny lalàn’ Andriamanitra Izy, ary nanameloka koa ny fitiavam-bavaka feno fireharehana nasehon’ ny Fariseo, ka niezaka ny hanafaka ny vahoaka amin’ ireo lalàna tsy misy dikany izay namatotra azy. Nitady izay hampirodana ny fefy nampisaraka ireo saranga samihafa teo amin’ ny fiaraha-monina Izy, mba hampifandraisany ny olona ho toy ny fianakaviana tokana amin’ ny mahazanak’ Andriamanitra. Natao ho dingana hanatanterahana izany ny nanatrehany ny fanasana fampakaram-bady.IFM 144.2

    Nitarika an’ i Jaona Mpanao batisa tany an-efitra Andriamanitra mba hiarovana azy amin’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny mpisorona sy ny raby, sy hanomanana azy amin’ ny asa manokana hanirahana azy. Tsy ohatra ho an’ ny vahoaka anefa ny hamafin’ ny fiainany sy ny nitokanany monina. I Jaona koa tsy nitarika ny mpihaino azy handao ny adidiny teo aloha. Nobaikoiny hampiseho mazava ny fibebahany izy ireo, tamin’ ny toetrany mahatoky amin’ Andriamanitra eo amin’ ny toerana izay efa niantsoany azy.IFM 144.3

    Nanameloka ny fampanaranam-po ny tena amin’ ny endriny rehetra Jesosy, toetrany anefa ny mahay miara-monina amin’ ny hafa. Nanaiky ny hiantrano tany amin’ ny sarangan’ olona rehetra Izy, nitsidika ny tokantranon’ ny manankarena sy ny mahantra, ny avara-pianarana sy ny tsy nahita fianarana, ka nokatsahiny ny hanondrotra ny fihevitr’ izy ireny hiala amin’ ny toe-javatra mikasika ny fiainana andavanandro, hisandratra amin’ izay arapanahy sy mandrakizay. Tsy nanome alalana kely akory ny fandaniam-poana Izy, ka tsy nisy aloky ny toetra maivamaivana nandoto ny fitondrantenany; nahita fifaliana teo amin’ ny fisehoan’ ny fahasambarana tsy manan-tsiny anefa Izy, ka nanamasina ny fivoriana teo amin’ ny fiaraha-monina tamin’ ny fanatrehany izany. Toejavatra manaitra tokoa ny fanambadiana jiosy, koa naharavoravo ny Zanak’ olona ny fifaliana teo amin’ izany. Nanome voninahitra ny fanambadiana ho zavatra naorin’ Andriamanitra Jesosy tamin’ ny nanatrehany io fanasana io.IFM 145.1

    Ao amin’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao, dia ampiasaina ny fatoram-panambadiana mba hanehoana ny firaisana mamy sy masina misy amin’ i Kristy sy ny vahoakany. Ho an’ i Jesosy, ireo lanonana tamin’ ny fampakaram-bady dia nandroso tao an-tsainy ny haravoana amin’ ilay andro izay hitondrany ny vadiny hody ao an-tokantranon’ ny Rainy, ka hiara-mipetraka amin’ ny Mpanavotra amin’ ny fanasana fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry ny voavotra. Hoy Izy : «Tahaka ny fifalian’ ny mpampakatra amin’ ny ampakariny no hifalian’ Andriamanitra aminao». «Hianao tsy hatao intsony hoe Nafoy ... fa hianao hatao hoe Ilay sitrako ... fa sitrak’ i Jehovah hianao». «Hiravoravo anao amin’ ny fifaliana Izy ; ho sondriana amin’ ny fitiavany Izy ; hifaly anao amin’ ny fihobiana Izy»11Isa. 63 : 5, 4 ;Zef. 3 :17. Raha nomena ny apostoly Jaona ny fahitana ny zavatra any an-danitra, dia izao no nosoratany : «Dia nahare feo tahaka ny an’ ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ ny ranobe ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe : Haleloia ! Fa ny Tompontsika, dia ny Tsitoha no Mpanjaka. Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy fa tonga ny fampakaram-badin’ ny Zanak’ Ondry, ka efa niomana ny vadiny». «Sambatra izay nantsoina ho amin’ ny fanasana fampakaram-badin’ ny Zanak’ Ondry»12Apok.19 : 6,7,9.IFM 145.2

    Teo amin’ ny fanahy tsirairay avy dia nahitan’ i Jesosy olona tsy maintsy handefasana ny antso ho amin’ ny fanjakany. Nahatratra ny fon’ ny vahoaka Izy satria nandeha teo anivony toy ny olona izay maniry ny soa ho azy ireo. Notadiaviny teny an-dalambe Izy, tany an-tranon’ ny tsirairay, teny ambonin’ ny sambo, tao amin’ ny synagoga, teny amoron’ ny farihy sy tao amin’ ny fanasana fampakaram-bady. Nihaona taminy teo amin’ ny asa niantsoana azy andavanandro Izy, ka nasehony fa nahaliana Azy ny asa amandraharahany ara-nofo. Nentiny tao amin’ ny ankohonana ny fampianarany ka tao ambanin’ ny hery miasa mangina avy tamin’ ny fanatrehany — Izy Andriamanitra — ireo fianakaviana tao amin’ ny ankohonany avy. Nanampy tamin’ ny fahazoana ny fo ny firaisam-po matanjaka tao Aminy. Matetika Izy no nankany an-tendrombohitra mba hivavaka samirery, nefa fiomanana ho amin’ ny asa mafy nataony teo anivon’ ny olona izany. Rehefa miverina avy amin’ izany Izy, dia lasa mba hanamaivana ny marary, hampianatra ny tsy manampahalalana ary hanapaka ny fatorana amin’ ireo babon’ i Satana.IFM 145.3

    Fifandraisana sy fiaraha-miasa tamin’ ny tenany manokana no nitaizan’ i Jesosy ny mpianany. Indraindray nampianatra azy Izy, raha niara-nipetraka teo an-tendrombohitra, indraindray teo amoron’ ny ranomasina, na raha niara-nandeha taminy teny an-dalana, teny no nanambarany ireo zava-miafin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy teny lava reny toy ny fanaon’ ny olona ankehitriny no nataony taminy. Na taiza na taiza nisy fo nisokatra handray ny hafatr’ Andriamanitra, dia novelariny ireo fahamarinana milaza ny lalan’ ny famonjena. Tsy mibaiko ny mpianany hanao an’ izao sy izao Izy. fa hoy Izy hoe : «Manaraha Ahy». Nentiny niaraka taminy izy ireo tamin’ ny dia nataony nitety tanàna sy vohitra, mba hahitany ny fomba fampianarany ny vahoaka. Nakambany tamin’ ny Azy ny tombon-tsoany, koa niray taminy izy ireo teo amin’ ny asa.IFM 146.1

    Ny ohatra nomen’ i Kristy tamin’ ny nanakambanany ny tenany tamin’ ny tombon-tsoan’ ny taranak’ olombelona dia tokony harahin’ izay rehetra mitory ny teniny, sy izay rehetra nandray ny filazantsaran’ ny fahasoavany. Tsy tokony hahafoy ny firaisana eo amin’ ny fiaraha-monina isika. Tsy tokony hitokantokana tsy hiaraka amin’ ny hafa isika. Mba hahazoantsika mahatratra ny sarangan’ olona rehetra, dia tsy maintsy mihaona aminy eo amin’ izay misy azy isika. Raha izy tenany ihany dia mahalana vao hitady antsika izy. Tsy avy eny amin’ ny polipitra ihany no hanohina ny fon’ ny olona ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Misy sahan’ asa hafa koa, na dia ambany kokoa aza, izay feno sy mampanantena betsaka. Ao an-tokantranon’ ny olon-tsotra no ahitana izany, sy ao amin’ ny lapan’ ny olona ambony ; eo amin’ ny fiarahamisakafo iantsoana anao sy eo amin’ ny fivorian’ ny mpiara-monina noho ny fifaliana madio.IFM 146.2

    Amin’ ny maha-mpianatr’ i Kristy antsika dia tsy tokony hifangaro amin’ izao tontolo izao isika noho ny fitiavana fahafinaretana fotsiny, ka hiray hadalana aminy. Ratsy ihany no mety ho vokatry ny fikambanana toy izany. Tsy tokony hanome vahana ny fahotana mihitsy isika amin’ ny teny na ny fihetsika ataontsika, amin’ ny fanginana na ny fanatrehantsika. Na aiza na aiza alehantsika, dia tokony hoentintsika miaraka amintsika Jesosy, ary tokony hambarantsika amin’ ny hafa ny hasarobidin’ Ilay Mpamonjintsika. Ireo izay miezaka hitahiry ny fivavahany kosa amin’ ny fanafenana izany ao anaty rindrim-bato, dia manary fotoan-tsarobidy nety hanaovana soa. Amin’ ny alalan’ ny fifandraisana eo amin’ ny fiaraha-monina, no ifampikasohan’ ny fivavahana kristiana amin’ izao tontolo izao. Izay rehetra nandray fanazavana avy amin’ Andriamanitra dia tokony hampamirapiratra ny lalan’ ireo izay tsy mahalala ny Fahazavan’ aina.IFM 147.1

    Samy tokony ho tonga vavolombelona ho an’ i Jesosy isika rehetra. Ny hery ananantsika eo amin’ ny fiaraha-monina, rehefa nohamasinin’ ny fahasoavan’ i Kristy, dia tsy maintsy hampitomboina eo amin’ ny fahazoana fanahy ho an’ ny Mpamonjy. Aoka ho hitan’ izao tontolo izao fa tsy variana samirery amin’ ny fitiavan-tena sy ny tombon-tsoa manokana isika, fa irintsika handray anjara amin’ ny fitahiana sy ny tombon-tsoa azontsika kosa ny hafa. Aoka ho hitany fa tsy mahatonga antsika ho tsy maha-te ho tia sy mahasorena ny fivavahantsika. Aoka izay rehetra nahita an’ i Kristy, hanompo tahaka ny nataony, hahasoa ny olona.IFM 147.2

    Tsy tokony havelantsika hanana fiheveran-diso mihitsy izao tontolo izao fa olona malahelo sady tsy sambatra ny kristiana. Raha mifantoka amin’ i Jesosy ny masontsika, dia Mpanavotra mangoraka no ho hitantsika, ary handray ny fahazavana avy amin’ ny endriny isika. Na aiza na aiza anjakan’ ny fanahiny, dia itoeran’ ny fiadanana. Hisy fifaliana koa eo, satria misy fitokisana tony sy masina an’ Andriamanitra.IFM 147.3

    Mahafaly an’ i Kristy ny mpanaraka Azy rehefa asehon’ izy ireo fa, na dia olombelona aza izy, dia mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra. Tsy tsangambato izy ireo, fa lehilahy sy vehivavy velona.IFM 147.4

    Ny fony, izay mahazo aina vaovao avy amin’ ny andon’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia misokatra sy mivelatra handray ny Masoandron’ ny Fahamarinana. Ny fahazavana izay mamirapiratra aminy dia alefany amin’ ny hafa amin’ ny alalan’ ny asa izay mazava noho ny fitiavan’ i Kristy.IFM 148.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents