Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 63—Avy ny mpanjakanao

    «Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy1Mifototra amin’ny Mat. 21 : 1-11 ; Mar. 11: 1-10 ; Lio. 19 : 29-44 ; Jao. 12 : 12-19 ; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy. Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao ; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora»2Zak.99 : 99.IFM 607.1

    Diman-jato taona talohan’ ny nahaterahan’ i Kristy, dia nambaran’ ny mpaminany Zakaria nialoha araka izany ny fiavian’ ny Mpanjaka ho amin’ Isiraely. Ho tanteraka io faminaniana io ankehitriny. Ilay nandà hatry ny ela dia ela ny voninahitry ny mpanjaka, ankehitriny dia mankany Jerosalema amin’ ny mahampandova ny seza fiandrianan’ i Davida nampanantenaina Azy.IFM 607.2

    Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny herinandro Kristy no niditra tamin’ ny fomba manetriketrika tao Jerosalema. Vahoaka marobe izay nanao an diany mba hahita Azy tany Betania no miaraka Aminy ankehitriny, maniry mafy ny hanatri-maso ny fandraisana Azy. Betsaka ny olona no teo an-dalana ho any an-drenivohitra hanatrika ny Paska, koa nanampy ny vahoaka nanotrona an’ i Jesosy ireny. Toa miravoravo ny zavaboary rehetra. Mitafy zavamaitso ny hazo, ary mandraraka fofo-manitra malefaka amin’ ny rivotra iainana ny voniny. Fiainana sy fifaliana vaovao no manetsika ny vahoaka. Mitsiry in dray ny fanantenana fanjakana vaovao.IFM 607.3

    Nikasa ny hiditra ao Jerosalema nitaingina boriky Jesosy, ka nirahiny ny mpianany roa lahy haka boriky sy ny zanany. Niankina tamin’ ny fampiantranoan’ ny vahiny Azy ny Mpamonjy tamin’ ny nahaterahany. Toerana nindramina nialany sasatra ilay fihinanambilona nisy Azy. Ankehitriny, na dia Azy aza ny biby fiompy arivoarivo any an-tendrombohitra, dia niankina tamin’ ny hatsarampanahin’ ny vahiny ny biby izay nitaingenany hidirany ao Jerosalema amin’ ny maha-Mpanjaka an’ io tanàna io Azy. Naseho indray anefa ny maha-Andriamanitra Azy, na dia eo amin’ ny toro-marika amin’. ny antsipiriany nomeny ny mpianany ho amin’ izany raharaha izany aza. Araka ny nambarany mialoha, dia nekena avy hatrany ny fangatahana hoe : «Misy raharaha analan’ ny Tompo azy». Zanaboriky izay tsy mbola nitaingenan’ olona no nofidin’ i Jesosy ampiasainy. Tamin-kafanam-po sy fifaliana no namelaran’ ny mpianatra ny fitafiany teo amin’ ilay biby, sy nametrahany ny Tompony teo. Hatramin’ izao dia nandeha tongotra mandrakariva Jesosy, koa gaga aloha ny mpianatra raha nifidy ny hitaingina biby Izy izao. Namirapiratra tao am-pony anefa ny fanantenana ka feno eritreritra maharavo fa handeha hiditra ny renivohitra Izy hilaza ny tenany ho Mpanjaka ary hanantitrantitra ny fahefany amin’ ny maha-mpanjaka Azy. Raha nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy izy, dia nambarany tamin’ ny sakaizan’ i Jesosy ny zavatra ampoiziny efa manangasanga, koa niparitaka lavitra sy akaiky ny fihetsiketsehana, ary nanandratra ny fanantenan’ ny vahoaka ho amin’ ny faritra ambony indrindra.IFM 608.1

    Nanaraka ny fomba Jiosy teo amin’ ny fidiran’ ny Mpanjaka Kristy. Ny biby izay notaingenany dia mitovy amin’ ny an’ ny Mpanjakan’ Isiraely. ary ny faminaniana dia efa nanambara mialoha fa toy izany no hidiran’ ny Mesia amin’ ny fanjakany. Raha vao nipetraka teo amin’ ny zana-boriky Izy dia nisy akoram-pandresena mafy namakivaky ny lanitra. Niarahaba azy ho Mesia. ho Mpanjakany ny vahoaka. Neken’ i Jesosy ankehitriny ny fanajana fatratra izay tsy nekeny mihitsy teo aloha, koa noraisin’ ny mpianatra izany ho porofo fa ho tanteraka ny fanantenany maharavoravo dia ny hahita Azy hapetraka eo amin’ ny seza fiandrianana. Resy lahatra ny vahoaka fa akaiky ny fotoana fanafahana azy. Azony sary antsaina ny tafika Romana tarihina hivoaka an’ i Jerosalema, ary Isiraely lasa firenena mahaleo tena indray. Sambatra sy ravo ny rehetra. Nifaninana ny vahoaka naneho fanajana ho Azy. Tsy afaka naneho zavatra mirentirenty sy mamirapiratra izy. nefa ny fideran’ ny fony feno hasambarana no natolony Azy. Tsy afaka nanolotra fanomezana sarobidy ho Azy izy, fa ny fitafiana ivelany no novelariny ho karipetra teo amin’ ny lalany, ary naparitany teo amin’ ny lalany koa ny sampan’ oliva be ravina sy sampan-drofia. Tsy afaka nitarika ilay famindram-pandresena toy ny fanaon’ ny mpanjaka izy, fa notapahany kosa ny sampan-drofia misandrahaka, izay tandindon’ ny fandresen’ ny voary, ka nahofahofany niaraka tamin’ ny antsoantso mafy sy ny hosana.IFM 608.2

    Rehefa nandroso izy, dia nitombo hatrany ny vahoaka nandre ny. amin’ ny fiavian’ i Jesosy ka niolomay nanampy ny mpilahatra. Nifangaro hatrany tamin’ ny vahoaka koa ny mpitazana ka nanontany hoe: «Inona no dikan’ izao fihetsiketsehana rehetra izao?» Efa samy nandre ny amin’ i Jesosy izy, ary nanampo ny hahita Azy ho any Jerosalema ; fantany anefa fa hatramin’ izao dia nampihemotra ny ezaka rehetra hametrahana Azy eo amin’ ny seza fiandrianana Izy, koa gaga dia gaga ireo nandre fa Izy io. Nanontany tena izy ny amin’ izay nahatonga io fiovana io tao Aminy dia Izay nanambara fa tsy avy amin’ ity izao tontolo izao ity ny fanjakany.IFM 609.1

    Misy antsom-pandresena mampangina ny fanontanian’ izy ireo. Averimberin’ ny vahoaka mafana fo imbetsaka izany, raisin’ ny olona any lavitra, dia manakoako avy amin’ ny havoana sy ny lohasaha manodidina. Tafahaona amin’ ny vahoaka marobe avy any Jerosalema izao ny mpilahatra. An’ arivony no tonga hiarahaba an’ i Jesosy tonga soa avy tamin’ ireo olona marobe tafavory hanatrika ny Paska. Niarahaba Azy izy sy nanofahofa ny sampan-drofia ary niredona hira masina. Nampaneno ny trompetra ho amin’ ny fanompoam-pivavahana hariva ny mpisorona ao amin’ ny tempoly, nefa vitsy no namaly ka taitra ny mpanapaka nifampilaza hoe : «Efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao».IFM 609.2

    Tsy mbola neken’ i Jesosy mihitsy teo amin’ ny fiainany teto an-tany hatramin’ izao ny fisehoana toy izao. Tazany mazava ny ho vokatr’ izany. Hitondra Azy ho eo amin’ ny hazo fijaliana izany. Fikasany anefa ny hiseho ampahibemaso toy izao ho Mpanavotra. Niriny ny hampifantoka ny saina amin’ ny sorona izay ho satroboninahitry ny asa nanirahana Azy ho amin’ izao tontolo izao efa lavo. Raha nivory tany Jerosalema ny vahoaka hankalaza ny Paska, Izy ilay Zanak’ ondry tena izy dia nanokana ny tenany ho sorona tamin’ ny fihetsika niniany. Ho zavatra ilain’ ny fiangonany amin’ ny taonjato mifandimby rehetra ny hanao ny fahafatesany ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao ho loha-hevitra hoeritreretina sy hodinihina lalina. Tokony ho hamarinina tsy hisy isalasalana ny toe-javatra rehetra mifandray amin’ izany. Ilaina ary ny itarihana tamin’ izany ny mason’ ny vahoaka rehetra ho Aminy. Ny toe-javatra izay nialoha ny fanatitra lehibe nataony dia tsy maintsy hahatarika ny saina ho amin’ ny fanatitra mihitsy. Taorian’ ny fisehoana toy izay nitranga tamin’ ny fidirany tao Jerosalema, dia hanaraka ny fizotrany haingana ho amin’ ny toe-javatra farany ny maso rehetra.IFM 609.3

    Ny toe-javatra mifandray amin’ ity dian’ ny mpandresy nataony nitaingina boriky ity, dia ho ambentin-tenin’ ny olona rehetra, ka hametraka an’ i Jesosy ho ao amin’ ny saina rehetra. Rehefa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia betsaka no nahatsiaro ireo toe-javatra nifandray tamin’ ny fitsarana Azy sy ny fahafatesany. Ho voatarika handinika ny faminaniana izy, ka ho resy lahatra fa Jesosy no Mesia ; ary hitombo isa ny miova ho amin’ ny finoana amin’ ny tany rehetra.IFM 610.1

    Teo amin’ ity toe-javatra iray izay mitory fandresena ity teo amin’ ny fiainany teto an-tany, dia nety ho toy ny notronin’ ny anjelin’ ny lanitra Izy, ary nety ho nanambara ny fiaviany ny trompetran’ Andriamanitra ; nefa ho nifanohitra tamin’ ny zavatra nokendren’ ny asa nanirahana Azy ny fisehoana toy izany, ho nifanohitra tamin’ ny lalàna izay manjaka eo amin’ ny fiainany. Nijanona ho mahatoky tamin’ ny anjara feno fanetren-tena izay nekeny Izy. Tsy maintsy hoentiny ny enta-mavesatry ny mahaolombelona mandra-panolony ny ainy ho fiainan’ izao tontolo izao.IFM 610.2

    Io andro io, izay toa andro namiratra teo amin’ ny fiainany ho an’ ny mpianatra, dia hosemban-drahona maloka raha fantany fa fampidirana ho amin’ ny fahoriana sy ny fahafatesan’ ny Tompony ity toe-javatra feno hafaliana ity. Na dia efa nolazainy miverimberina taminy aza ny amin’ ny sorona tsy azo sakanana hihatra Aminy, dia hadinon’ izy ireo ny teny nitory alahelo nataony tao amin’ izao faharavoravoana sy fandresena izao. ka nibanjina ny fanjakany feno fanambinana eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida izy ireo.IFM 610.3

    Nisy olona vao tonga hatrany nanampy ny mpilahatra, ary ankoatry ny olom-bitsy, dia nanaraka ny fihetseham-po tamin’ io fotoana io izay rehetra tonga, ka nanampy ny fitomboan’ ny hosana izay nanakoako hatrany, nifamalivaly isaky ny havoana sy ny lohasaha. Niakatra tsy nijanona ny antsoantso nanao hoe : «Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida ! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah ! Hosana any amin’ ny avo indrindra !».IFM 610.4

    Tsy mbola nahita filaharam-pandresena toy izao mihitsy izao tontolo izao. Tsy tahaka ny an’ ireo mpitari-tafika malazan’ ny eto an-tany izany. Tsy nisy tariky ny babo nitoreo, izay nampiavaka an’ io toe-javatra io. Nanodidina ny Mpamonjy anefa dia nisy ireo porofo be voninahitry ny asam-pitiavana nataony ho an’ ny olona mpanota. Tao ireo babo novonjeny ho afaka tamin’ ny herin’ i Satana, izay nidera an’ Andriamanitra noho ny fahafahany. Ny jamba nampahiratiny no nitarika ny lalana. Ny moana izay novahany ny lelany, no niantsoantso ny hosana mafy indrindra. Ny kilemaina nositraniny dia nitsambikimbikina tamin-kafaliana. ary izy no nikofokofoka indrindra tamin’ ny fanapahana ny sampan-drofia sy ny fanofahofana azy teo anatrehan’ ny Mpamonjy. Nanandratra ny anaran’ i Jesosy noho ny asam-pamindrampony natao ho azy ny mpitondratena sy ny kamboty. Ny boka izay nodioviny, dia namelatra ny fitafiany tsy voapentina teo amin’ ny lalany, ka niarahaba azy ho Mpanjakan’ ny voninahitra. Izay natsangan’ ny feony hifoha avy tamin’ ny torimason’ ny maty dia tao amin’ io vahoaka io. Lazarosy izay efa tratran’ ny fahalovana tao am-pasana ny tenany, nefa ankehitriny miriaria amin’ ny herin’ ny mahalehilahy lehibe be voninahitra. no nitarika ilay zana-boriky nitaingenan’ ny Mpamonjy.IFM 611.1

    Betsaka ny Fariseo no nanatri-maso ny toe-javatra, ka nirehitry ny fialonana sy ny faharatsiana. sy nitady ny hanodina ny fizotry ny fihetseham-pon’ ny olona. Niezaka ny hampangina ny olona tamin’ ny fahefana rehetra nananany izy ; nefa vao mainka nampitombo ny hafanam-po ny antsoantso sy fandrahonana nataony. Natahotra izy sao hanangana an’ i Jesosy ho Mpanjaka ity vahoaka marobe ity izay nanan-kery noho ny hamaroany. Farany azony natao. dia nisisika tao amin’ ny vahoaka izy mba ho eo amin’ izay misy ny Mpamonjy, ka nanatona Azy tamin’ ny teny faniniana sy ny fandrahonana hoe : «Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao». Nambarany fa tsy ara-dalana ny fisehoana sy ny tabataba toy izao, ka tsy hoeken’ ny manam-pahefana. Nampangina azy anefa ny valintenin’ i Jesosy hoe: «Lazaiko aminao fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso». Zavatra notendren’ Andriamanitra mihitsy io fisehoana fandresena io. Voalazan’ ny mpaminany mialoha, koa tsy nanam-pahefana hanodina ny fikasan’ Andriamanitra ny olona. Raha tsy tanteraky ny olona ny fikasan’ Andriamanitra. dia ho nomeny feo ny vato tsy manan’ aina. ka ho niarahaba ny Zanany tamin’ ny antsoantsom-piderana. Rehefa nihataka ny Fariseo nampanginina, dia noraisin’ ny feo an-jatony ny tenin’ i Zakaria nanao hoe : «Mifalia indrindra ry Ziona zanakavavy ; indro, ny Mpanjakanao avy ho anao ; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky ; dia zana-boriky tanora».IFM 611.2

    Rehefa tonga teo amin’ ny sisin’ ny havoana ny mpilahatra, ka handeha hidina ao an-tanàna, dia nijanona Jesosy, ka niara-nijanona taminy ny vahoaka. Nanoloana Azy Jerosalema tamin’ ny voninahiny, rakotry ny fahazavan’ ny masoandro milentika. Nanintona ny maso rehetra ny tempoly.Miezinezina sy be voninahitra izy, ka manerinerina ambonin’ ny zavatra hafa rehetra, toa nanondro ny lanitra tahaka ny mitarika ny vahoaka ho amin’ ilay hany Andriamanitra marina sy velona. Efa ela no rehareha sy voninahitry ny firenena Jiosy ny tempoly. Nirehareha koa tamin’ ny voninahiny ny Romana. Nisy mpanjaka notendren’ ny Romana niray tamin’ ny Jiosy hanangana indray sy hanatsara azy, ary ny amperoran’ i Roma dia nampitombo ny hasarobidiny tamin’ ny fanomezany. Ny hamafiny, ny harenany sy ny hakantony dia nahatonga azy ho anankiray amin’ ireo zavakanto mampitolagaga eran’ izao tontolo izao.IFM 612.1

    Raha nidina niankandrefana ny masoandro ka nampiova loko ny lanitra sy nitaratra lokom-bolamena, dia niantefa teo amin’ ny vatosoa fotsy madio teo amin’ ny rindrin’ ny tempoly ny fahazavana mamirapiratra sy be voninahitry ny lanitra, ka nampanjelanjelatra ireo andry voatemitra volamena. Avy teo amin’ ny tampon’ ny havoana izay nisy an’ i Jesosy sy ny mpanaraka Azy, dia toa vaingan’ orampanala satroham-bolamena no fijery azy. Teo amin’ ny fidirana teo amin’ ny tempoly dia nisy voaloboka volamena sy volafotsy, misy raviny maitso sy salohy mavesatra nataon’ ny mpanao asa tanana mahay indrindra. Mampiseho an’ Isiraely ho voaloboka mahavokatra io sary io. Fahaiza-mitia zavatra vitsi-panana sy asa-tanana voakaly sy manify no hita teo amin’ ny fitambaran’ ny volamena, sy ny volafotsy ary ny ravina maitso ; miara-miolanolana izato bikany mahafinaritra manodidina ny andry fotsy sy manelatselatra, mamikitra ny haingony volamena ny tangolobahiny mamirapiratra, ary nandray ny voninahitry ny masoandro milentika izy, ka namirapiratra toy ny nindrana voninahitra avy tany an-danitra.IFM 612.2

    Nibanjina ny toe-javatra Jesosy, ka nangina ny horakoraky ny vahoaka marobe raha. nahita tampoka ny hankaton’ izany. Nitodika nankany amin’ ny Mpamonjy ny maso rehetra nanampo fa hahita eo amin’ ny endriny ny fahatalanjonana sy ny fifaliana tsapan’ ny tenany. Tsy izany anefa no hitany fa rahon’ alahelo. Gaga sy diso fanantenana izy ireo nahita ny masony diboky ny ranomaso, ary ny tenany nihovitrovitra toy ny hazo tsofin’ ny tafiodrivotra, sady nitosaka avy tamin’ ny molony nipararetra ny fahoriany sy ny fidradradradrany, toy ny niakatra avy tany amin’ ny ati-fony vakivaky. Manao ahoana izany toe-javatra izany teo imason’ ny anjely ! Ilay Mpitarika malalany niady tamin-dranomaso nihatra aman’ aina ! Manao ahoana izany toe-javatra izany teo imason’ ireo vahoaka ravoravo nifanizina izay nanotrona Azy niantsoantsompandresena sy nanofahofa sampan-drofia, hiditra ao amin’ ilay tanàna be voninahitra, izay nantenainy araka ny faniriany lalina fa efa hanjakany. Nitomany Jesosy teo amin’ ny fasan’ i Lazarosy, nefa alahelon’ Andriamanitra niray fo tamin’ ny fahorian’ olombelona izany. Fa ity ranomaso tampoka ity kosa dia toa feo nitaraina tao anatin’ ny hira rodobe miezinezina nitory fandresena. Tao anivon’ ny toe-javatra feno hafaliana, izay nanomezan’ ny rehetra voninahitra Azy, no nitomanian’ ny Mpanjakan’ Isiraely, tsy ranomasom-pifaliana mangina, fa ranomaso sy tolokon’ ny ady mihatra aman’ aina tsy hay tohaina. Resin’ ny alahelo tampoka ny vahoaka. Nangina ny horakorany. Betsaka no nitomany niray fo taminy noho ny alahelo izay tsy hainy fantarina.IFM 612.3

    Tsy fibanjinana mialoha ny fahorian’ ny tenany no nahatonga ny ranomason’ i Jesosy. Nanoloana Azy indrindra Getsemane, izay efa toerana handrakofan’ ny aloky ny haizim-be mampihorohoro ny fotoana fohy sisa. Taza-maso koa ny vavahadin’ ondry, izay nitarihana ny biby natao fanatitra nandritra ny taonjato maro. Efa hisokatra ho Azy io vavahady io, dia Ilay Fanatitra lehibe tena izy, ka tondroin’ ireo fanatitra rehetra ireo ny fanatitra nataony ho an’ izao tontolo izao. Teo akaiky teo Kalvary, ilay toerana hisehoan’ ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny efa manakaiky. Nefa tsy noho ireo zavatra mampahatsiahy ny fahafatesany mahatsiravina no nitomanian’ Ilay Mpanavotra sy nampitoreo Azy tao anatin’ ny tebitebin-tsaina. Tsy alahelo feno fitiavan-tena ny Azy. Tsy nampahatahotra ity fanahy mendrika, manao sorona ny tenany ny fieritreretany ny ady mihatra aman’ aina hatrehiny. Ny fahitana an’ i Jerosalema no nanindrona ny fon’ i Jesosy, — dia Jerosalema izay nandà ny Zanak’ Andriamanitra sy nanazimbazimba ny fitiavany, izay nandà ny ho resy lahatra, noho ny fahagagana lehibe nataony ka efa hanala ny ainy. Hitany fa meloka izy raha nandà ny Mpanavotra azy ; hitany koa ny tokony ho nisy azy raha nanaiky Ilay hany afaka manasitrana ny ratrany izy. Tonga hamonjy azy Izy ; ataony ahoana no fandao azy ?IFM 613.1

    Vahoaka nahazo tombom-pilia Isiraely. Nataon’ Andriamanitra fonenany ny tempoliny ; «avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra» 3Sal. 48 : 2 izy. Tao ny tatitra momba ny fikarakarana sy ny fiarovana ary ny fitiavana mamy nasehon’ i Kristy ho azy, tahaka ny fitondran’ ny ray ny zanany tokana, nandritra ny taona an’ arivony. Tao amin’ io tempoly io no niteny ny fampitandremany miezinezina ny mpaminany. Tao no nahofahofa ny fandoroana ditin-kazo manitra raha nasandratra ho amin’ Andriamanitra ny setroka mitondra ny fangatahan’ ny mpivavaka. Tao no nitobaka ny ran’ ny biby, izay tandindon’ ny ran’ i Kristy. Tao Jehovah no naneho ny voninahiny teo ambonin’ ny rako-panavotana. Tao no nanao fanompoana ny mpisorona, ary nitohy hatrany nandritra ny taona nifandimby ny rentirentin’ ny tandindona sy ny fanompoam-pivavahana. Tsy maintsy misy fiafarana anefa izany rehetra izany.IFM 614.1

    Nasandratr’ i Jesosy ny tanany, — dia ilay tanana izay efa nitahy matetika ny marary sy ny mijaly, — ka nahofahofany nanondro ilay tanàna tandindomin-doza, no niloa-bava Izy, nanao teny tapatapaky ny alahelo : «Raha mba nahafantatra mantsy hianao na dia amin’ ity andro ity aza, izay momba ny fiadanana !» — Niato ny Mpamonjy teto, ka tsy nolazainy izay nety ho toetran’ i Jerosalema, raha nanaiky ny fanampiana tian’ Andriamanitra nomena izy, — dia ny nanomezany ny Zanany malala. Raha fantatr’ i Jerosalema izay tombon-tsoany ny nahafantatra izany, ka nitandrina ny fahazavana izay efa nalefan’ ny lanitra ho azy izy, dia nety ho nijoro hatrany ao amin’ ny fahombiazany nireharehany, ho toy ilay mpanjakavavin’ ny fanjakana nanana malalaka ny hery teo amin’ ny fahefana nomen’ Andriamanitra azy. Tsy hisy miaramila mitampiadiana mijoro eo am-baravarany, tsy hisy faneva Romana mihofahofa eo amin’ ny mandany. Nijoro nanoloana ny Zanak’ Andria-manitra ny anjara be voninahitra izay nety ho fitahiana ho an’ i Jerosalema raha nanaiky ny Mpanavotra azy izy. Hitany fa nety ho sitrana tamin’ ny aretina mafy manjo azy izy tamin’ ny alalany, ho afaka amin’ ny fanandevozana izy, ary ho tafatsangana ho renivohitry ny tany matanjaka. Avy ao amin’ ny mandany no hanidina ho amin’ ny firenena rehetra ny voromailala mitory fiadanana. Izy no ho satroboninahitr’ izao tontolo izao.IFM 614.2

    Nanjavona teo imason’ ny Mpamonjy anefa ny sary mamirapiratr’ izay nety ho toetran’ i Jerosalema. Zava-misy ho azy ny mahaambanin’ ny ziogan’ ny Romana an’ i Jerosalema izay mitondra ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra, tandindomin’ ny fitsarana famaliana azy. Notohizany ilay fitarainany tapaka teo hoe : «Raha mba nahafantatra mantsy hianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana ! — fa ankehitriny, miafina amin’ ny masonao izany. Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao amin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato hifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao».IFM 614.3

    Tonga hamonjy an’ i Jerosalema sy ny zanany Kristy ; saingy nanakana Azy tsy hanatanteraka ny fikasany ny avonavon’ ny Fariseo, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana sy ny haratsiam-panahy. Fantatr’ i Jesosy ny valiny mahatsiravina izay hamangiana ilay tanàna tandindomin-doza. Hitany Jerosalema hodidinin’ ny tafika, ny mponina ao tratran’ ny fahirano ka voatarika ho faty noana sy ho amin’ ny fahafatesana, ary ny reny mihinana ny nofon-janany maty, ary ny ray aman-dreny sy ny zaza mifandrombaka ny sakafo indraimbava farany, satria efa levon’ ny hanoanana mikiky ny fitiavana voajanahary. Hitany fa ny fahamafisan-katoky ny Jiosy, izay niseho mazava teo amin’ ny fandavany ny famonjena, dia hitarika azy koa handà tsy hilefitra amin’ ny tafika manafotra azy. Notazaniny Kalvary, izay hanandratana Azy, feno hazo fijaliana mifanety toy ny hazo any an’ ala. Hitany ireo mponina mijaly ampahoriana sy homboana eo amin’ ny hazo fijaliana, ny lapa tsara tarehy simba, ny tempoly rava, ary tsy misy vato mifanongoa ireo mandany lehibe, ary ny tanàna asaina amin’ ny angadin’ omby tahaka ny saha. Tsy mahagaga raha nitomany mafy dia mafy ny Mpamonjy nanoloana izany toe-javatra nampahatahotra izany.IFM 615.1

    Zanany nokarakarainy Jerosalema ary tahaka ny ray be fitiavana mitomany ny amin’ ny zanany diso lalana, no nitomanian’ i Jesosy tamin’ ilay tanàna malala. Ahoana no ahafoizany azy ? Ahoana no ahitako anao voatokana ho amin’ ny faharavana ! Tsy maintsy havelako hameno ny kapoaky ny faharatsianao ve ianao ? Sarobidy indrindra ny fanahy iray, ka raha ampitahaina amin’ izany, dia tsy misy dikany izao tontolo izao rehetra, eto anefa, dia firenena iray manontolo no very. Rehefa tsy ho hita eo amin’ ny lanitra ny masoandro midina haingana any andrefana, dia ho tapitra ny andrompahasoavana ho an’ i Jerosalema. Raha niato teo amin’ ny sisin’ ny tendrombohitra Oliva ny mpilahatra, dia tsy mbola diso aoriana loatra ho an’ i Jerosalema ny mibebaka. Tamin’ izay dia nikopaka elatra ny anjelin’ ny famindrampo ka nidina niala ilay seza fian- drianana volamena ary nanome toerana ny fahamarinana sy ny fitsarana ho avy haingana. Fa ny fon’ i Kristy be fitiavana kosa dia mbola mitalaho ho an’ i Jerosalema ihany, izay nanao tsinontsinona ny famindrampony, nanamavo ny fampitandremana nataony ary efa handroboka ny tanany ao amin’ ny rany, Raha mety mibebaka mantsy Jerosalema, tsy mbola diso aoriana loatra izao. Raha mitaredretra ireo tara-pahazavana faran’ ny masoandro milentika teo amin’ ny tempoly, teo amin’ ny tilikambo, teo amin’ ny tafo, dia tsy hisy ve anjely tsara hitarika azy ho eo amin’ ny fitiavan’ ny Mpamonjy, ka hanodina ny loza mananontanona azy ? Ry tanàna kanto sy tsy masina, izay namono ny mpaminany, izay nandà ny Zanak’ Andriamanitra, izay nanidy ny tenany tao amin’ ny gadran’ ny fanandevozana noho ny tsy fetezany nibebaka, efa madiva ho tapitra ny andron’ ny famindrampo ho azy !IFM 615.2

    Niteny tamin’ i Jerosalema indray anefa ny Fanahin’ Andriamanitra. Alohan’ ny iafaran’ ny andro, dia nisy vavolombelona indray nijoro ho an’ i Kristy. Nisandratra ny feon’ ny vavolombelona, namaly ny antson’ ny mpaminany fahiny. Raha hihaino ny feony Jerosalema, raha handray ny Mpamonjy izay miditra ny vavahadiny izy, dia mbola azo vonjena.IFM 616.1

    Tonga tany amin’ ny mpanapaka tao Jerosalema ny tatitra nilaza fa manatona ny tanàna Jesosy miaraka amin’ ny vahoaka be dia be. Tsy nandray ny Zanak’ Andriamanitra anefa izy ireo. Natahotra izy ireo ka nandeha nivoaka nitsena Azy, ary nanantena ny hanaparitaka ny vahoaka. Raha nidina ny tendrombohitra Oliva ny mpilahatra, dia nosakanan’ ireo mpanapaka. Nanontany ny anton’ izao fifaliana mitabataba izao izy. Raha nanontany izy hoe : «Iza moa izao ?» dia namaly io fanontaniana io ny mpianatra, teo ambanin’ ny tsindrimandrin’ ny Fanahy. Naveriny tamin’ ny feonkira ireo faminaniana momba an’ i Kristy nanao hoe :IFM 616.2

    Hilaza aminareo i Adama, fa Izy no taranaky ny vehivavy hanorotoro ny lohan’ ny menarana.IFM 616.3

    Anontanio Abrahama, dia ambarany aminareo, fa Izy no «Melkizedeka, Mpanjakan’ i Salema, Mpanjakan’ ny fiadanana»4Gen. 14 : 18.IFM 616.4

    Hilaza aminareo Jakoba, fa Izy no Silo avy amin’ ny firenen’ i Joda.IFM 616.5

    Holazain’ i Isaia, fa Imanoela Izy, «Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery, Rain’ ny mandrakizay, Andrian’ ny fiadanana» 5Isa. 7 : 14 ; 9 : 5.IFM 617.1

    Hilaza aminareo Jeremia fa Izy no Rantsan’ i Davida, «Jehovah Fahamarinantsika» 6Jer. 23 : 6.IFM 617.2

    Hilaza aminareo Daniela, fa Izy no Mesia.IFM 617.3

    Hilaza aminareo Hosea, fa Izy no «Jehovah, Andriamanitry ny maro, — Jehovah no hahatsiarovana Azy» 7Hos. 12 : 6.IFM 617.4

    Hilaza aminareo Jaona Mpanao batisa, fa Izy no «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao» 8jao. 1 : 29.IFM 617.5

    Ilay Jehovah lehibe dia nanambara avy eo amin’ ny seza fiandrianany hoe : «Ity no Zanako, Malalako, izay sitrako» 9Mat. 3 : 17.IFM 617.6

    Izahay mpianany dia manambara fa Izy no Jesosy, Mesia, Andrianan’ ny fiainana, Mpanavotra an’ izao tontolo izao.IFM 617.7

    Ary ny andrian’ ny herin’ ny maizina aza dia manaiky Azy ka manao hoe : «Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao» 10Mar. 1 : 24.IFM 617.8

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents