Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 18—Izy tsy maintsy mitombo

    Nisy fotoana izay nahatonga ny hery miasa mangina amin’ ny firenena avy amin’ i Jaona Mpanao batisa, ho lehibe noho izay teo amin’ ny mpanapaka, na ny mpisorona, na ny andriandahy aza. Raha ohatra ka nilaza ny tenany ho Mesia izy, ary nitarika fikomiana hanohitra an’ i Roma, dia ho nanao andiany maro ny mpisorona sy ny vahoaka teo ambanin’ ny fanevany. Efa vonona i Satana hamporisika an’ i Jaona Mpanao batisa ho amin’ ny zavatra rehetra izay mitarika ho amin’ ny hambom-pon’ ny mpanafika eo amin’ izao tontolo izao. Nazava teo anatrehany ny heriny, nefa nolaviny ankitsirano izao ny fanolokolena marevaka. Notarihiny ho amin’ ilay Anankiray ny saina nifantoka taminy. 1Mifototra amin ny’ Jao. 3 : 21-36.IFM 175.1

    Hitany izao fa niala taminy ny hafanan’ ny fitiavan’ ny vahoaka azy ka nifindra ho amin’ ny Mpamonjy. Nihena isan’ andro isan’ andro ny olona marobe nanodidina azy. Rehefa tonga avy tany Jerosalema Jesosy ho any amin’ ny faritra manodidina an’ i Jordana, dia nanao andiany marobe ny vahoaka handeha hihaino Azy. Nitombo isan’ andro ny isan’ ny mpianany. Betsaka no tonga mba hatao batisa. Tsy nanao batisa Jesosy nefa nekeny ny nanaovan’ ny mpianany izany. Toy izany no nametrahany ny tombo-kaseny tamin’ ny asa nanirahana ilay mpialoha lalana Azy. Nialona kosa ny mpianatr’ i Jaona nahita ny fitomboan’ ny fitiavan’ ny vahoaka an’ i Jesosy. Vonona ny hanakiana ny asany izy ireo ary tsy ela dia nahita fotoana mety ho amin’ izany izy. Nisy fanontaniana nipetraka teo aminy sy ny Jiosy mikasika ny batisa ilaina mba hanadiovana ny fanahy amin’ ny fahotana; notanany fa samy hafa tanteraka amin’ ny an’ i Jaona ny batisan’ i Jesosy. Vetivety dia nifanditra tamin’ ny mpianatr’i Kristy izy mikasika ny teny tsara ampiasaina amin’ ny batisa, ary farany dia mikasika ny zon’ ity faharoa hanao batisa mihitsy aza.IFM 175.2

    Tonga nanatona an’ i Jaona ny mpianany nitondrany alahelony, ka nanao hoe : «Raby ò, Ilay tany aminao tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy». Tamin’ ny alalan’ ireo teny ireo no nitondran’ i Satana fakam-panahy tamin’ i Jaona. Na dia efa hifarana aza ny asa nanirahana an’ i Jaona, dia mbola azony natao ny nanakana ny asan’ i Kristy. Raha nangoraka ny tenany izy ka nampiseho ny alahe-lony na ny fahadisoam-panantenany tamin’ izy voasongona, dia ho namafy ny voan’ ny fisarahana izy ka, namporisika ny fitsiriritana sy ny fialonana, ary ho nanakana be dia be ny fandrosoan’ ny filazantsara.IFM 176.1

    Nanana ny fahadisoana sy ny fahalemena nikambanan’ ny taranak’ olombelona i Jaona amin’ ny nofo, fa efa nanova azy kosa ny fanendren’ ny fitiavan’ Andriamanitra. Nitoetra tao amin’ ny rivo-piainana tsy voaloton’ ny fitiavan-tena sy ny hambom-po tamin’ ny tsy fahafaham-pon’ ny mpianany izy. Nasehony kosa fa mazava taminy ny fifandraisany tamin’ ny Mesia, ary nasehony taminy ny fifaliany nandray Ilay nomaniny ny lalany.IFM 176.2

    Hoy izy: «Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. Ianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha lalana Azy aho. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra». Nasehon’ i Jaona ho sakaiza izy izay toy ny mpitondra hafatra eo amin’ ny mpifamofo, ka manomana ny lalana ho amin’ ny fampakarambady. Rehefa mandray ny ampakarina ny mpampakatra, dia vita ny asa nanirahana ny sakaiza. Faly izy noho ny fahasambaran’ ireo izay nampiraisiny. Toy izany no efa niantsoana an’ i Jaona hitarika ny vahoaka ho eo amin’ i Jesosy, ary ny fifaliany dia ny manatri-maso ny fahombiazan’ ny asan’ ny Mpamonjy. Hoy izy: «Ary efa tanteraka izany fifaliako izany. Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena».IFM 176.3

    Nijery ny Mpanavotra tamim-pinoana i Jaona ka nahatratra ny fara-tampon’ ny fandavana ny tenany. Tsy nitady izay hisarihana ny olona ho eo aminy izy, fa ny hanandratra ny fisainan’ izy ireny ho ambony kokoa hatrany, mandra-pahitany fialan-tsasatra eo amin’ ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Feo ihany izy, antso tany an-efitra. Ekeny amim-pifaliana izao ny fahanginana sy ny haizina mba ho afaka hitodika any amin’ Ilay Fahazavan’ aina ny mason’ ny rehetra.IFM 176.4

    Izay mahatoky amin’ ny fiantsoana azy amin’ ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy, dia tsy hitady voninahitra ho an’ ny tenany. Ho safotra ao amin’ ny fitiavana an’ i Kristy ny fitiavana ny tena. Tsy hisy fandrafiana hanapentina ny filazantsara sarobidy. Hoekeny fa asany ny mitory, tahaka ny nataon’ i Jaona Mpanao batisa hoe : «Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»2Jao. 1 : 29 Hanandratra an’ i Jesosy izy, ary ho tafasandratra miaraka Aminy ny taranak’ olombelona. «Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany : ao amin’ ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo»3Isia. 57 : 15.IFM 177.1

    Afaka tamin’ ny «izaho» ny fanahin’ ny mpaminany ka fenon’ ny fahazavan’ Andriamanitra. Raha nahita maso ny voninahitry ny Mpamonjy izy dia saiky setrin’ ny teny izay nataon’ i Kristy tamin’ Izy niresaka tamin’ i Nikodemosy ny teny nataony. Hoy i Jaona : «Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra . . . Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny ; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy». Ary Kristy dia afaka niteny hoe : «Fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy»4Jao. 5 : 30 Izao no teny nanambarana Azy hoe : «Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka ; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao efa nanoso-diloilo fifaliana anao, mihoatra noho ny namanao»5Heb. 1 : 9 Tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra Azy ny Fanahy.IFM 177.2

    Toy izany koa ny mpanaraka an’ i Kristy. Tsy azontsika atao ny mandray ny fahazavan’ ny lanitra raha tsy vonona ny hanafoana ny «izaho» isika. Tsy azontsika atao ny mahafantatra ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra, na ny manaiky an’ i Kristy amin’ ny finoana raha tsy manana ny hambaboana ny eritreritra rehetra, hankato an’ i Kristy isika. Omena tsy misy fetra ny Fanahy Masina izay rehetra manao izany. Ao amin’ i Kristy no «itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra, ary hianareo dia tanteraka ao aminy» 6Kol. 2 : 9, 10.IFM 177.3

    Nambaran’ ny mpianatr’ i Jaona fa mankany amin’ i Kristy ny olona rehetra ; mazava kokoa anefa ny fahitan’ i Jaona niteny hoe : «tsy misy mandray ny fanambarany» ; vitsy izany no ho vonona handray Azy ho Mpamonjy amin’ ny fahotana. Fa «izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay». Tsy ilaina ny adi-hevitra mba hahafantarana na ny batisan’ i Kristy na ny batisan’ i Jaona no manadio amin’ ny fahotana. Ny fahasoavan’ i Kristy no manome aina ny Fanahy. Raha tsy eo amin’ i Kristy, dia endrika ivelany tsy misy vidiny tahaka ny fanompoam-pivavahana hafa rehetra ny batisa. «Izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana».IFM 178.1

    Ny fahombiazan’ ny asan’ i Kristy, izay efa noraisin’ i Jaona Mpanao batisa tamim-pifaliana toy izany, dia nisy nanao tatitra tany amin’ ny manam-pahefana tany Jerosalema koa. Nialona ny hery mangina avy amin’ i Jaona niasa teo amin’ ny vahoaka ny mpisorona sy ny raby raha nahita azy niala ny synagoga ka nanao andiany marobe ho any an-efitra ; nefa ity misy Anankiray izay manan-kery mbola lehibe kokoa hisarika ny vahoaka marobe. Ireo mpitarika tao Isiraely dia tsy vonona hiara-miteny amin’ i Jaona hoe : «Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena». Nitsangana - izy ireo tamin’ ny fanapahan-kevitra vaovao fa hampitsahatra izay - asa mety hitarika ny vahoaka hiala Aminy.IFM 178.2

    Fantatr’ i Jesosy fa tsy hitandro hasasarana izy ireo hahatonga fisarahana eo amin’ ny mpianany sy ny an’ i Jaona. Fantany fa niangona izao ny tafiotra izay hifofofofo sy hamono ny anankiray amin’ ny mpaminany lehibe indrindra tsy mbola nisy teo amin’ izao tontolo izao. Nirin’ i Jesosy ny hiala amin’ izay rehetra mety hiteraka tsy fifankazahoana na fisarahana, koa najanony moramora ny asany ka nisintona tany Galilia Izy. Isika koa, sady mahatoky amin’ ny fahamarinana, no tokony hiezaka hiala amin’ izay rehetra mety hitarika adi-hevitra sy tsy fifanarahana. Isaka ny miseho mantsy ireo, dia fahaverezan’ ny fanahy no vokany. Na oviana na oviana misy toe-javatra miseho izay mananontanona hiteraka fisarahana, dia tokony hanaraka ny ohatra nomen’ i Jesosy sy Jaona mpanao batisa isika.IFM 178.3

    Nantsoina ho mpanao asa fanavaozana i Jaona. Noho izany dia notandindomin-doza hampifantoka ny sainy taminy ny mpianany. Tsapany fa niankina tamin’ ny fiezahana mafy nataony ny fahombiazan’ ny asa, ka very tsy teo imasony ny maha-fitaovana azy fotsiny izay ahazoan’ Andriamanitra miasa. Tsy ampy anefa ny asan’ i Jaona hametrahana ny fototry ny fiangonana kristiana. Rehefa nahatanteraka ny asa nanirahana azy izy, dia nisy asa hafa mbola hatao, izay tsy vitan’ ny filazana nataony. Tsy azon’ ny mpianany izany. Rehefa nahita an’ i Kristy tonga handray ny asa izy ireo. dia sady nialona no diso fanantenna.IFM 179.1

    Mbola misy ihany ny loza toy izany. Miantso olona iray hanao asa voafaritra tsara Andriamanitra, ary rehefa manao izany araka izay fahaizana natolotra azy hanatanterahana izany izy, dia homen’ ny Tompo ny hafa izany, mba hotohizany. Nefa tahaka ny mpianatr’ i Jaona, dia maro no mahatsapa fa miankina amin’ ilay mpiasa voalohany ny fahombiazan’ ny asa. Mifantoka amin’ ny olombelona fa tsy amin’ Andriamanitra ny saina. Tonga ny fialonana, ary simba ny asan’ Andriamanitra. Ny olona izay omem-boninahitra tsy tokony ho azy toy izany dia voan’ ny fakam-panahy hatoky tena. Tsy tsapany ny fiankinany amin’ Andriamanitra. Ny vahoaka ampianarina hiankina amin’ ny olona dia latsaka ao amin’ ny fahadisoan-kevitra, ary voatarika hiala amin’ AndriamanitraIFM 179.2

    Tsy tokony hitondra ny endrika sy ny dian-tanan’ olombelona ny asan’ Andriamanitra. Indraindray Andriamanitra dia manangana mpiasa hafa izay afaka hanatanteraka tsara kokoa ny fikasany. Sambatra izay manaiky hanetry ny «izaho», ka hilaza toa an’ i Jaona Mpanao batisa hoe : «Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena».IFM 179.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents