Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 7—Jesosy Zaza

    Tanàna kely eny an-tendrombohitra no nandanian’ i Jesosy ny fahazazany sy ny fahatanorany. Tsy nisy toerana teto an-tany izay tsy ho heni-boninahitra noho ny fanatrehany. Nety ho voninahitra manokana ho an’ ireo lapan’ ny mpanjaka ny nandray Azy ho vahininy. Nefa tsy nahoany ny fonenan’ ny mpanankarena, ny kianjan’ ny mpanjaka ary ny toerana malaza misy ny manampahaizana, ka Nazareta toerana maizimaizina sy nohamavoina no nonenany. Misy heviny mahafinaritra tokoa ny tantaram-piainany fony kely.IFM 55.1

    «Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena ; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy»1Ny Lioka 2 : 39, 40, 52 no nakana ity toko ity. Teo amin’ ny fahazavan’ ny masoandro avy amin’ ny endriky ny Rainy no «nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona» Jesosy. Navitrika sy matsilo ny sainy. ary nanana fisainana sy fahendrena mihoatra ny taonany izy. Kanto sy mirindra anefa ny toetra amam-panahiny. Nitombo miandalana ny hery teo amin’ ny sainy sy ny tenany, tamin’ ny fitandremany ny lalàn’ ny fahazazana.IFM 55.2

    Fony zaza Jesosy dia nampiseho toetra mahateho tia manokana. Vonona mandrakariva ny hanompo ny hafa an-tsitrapo Izy. Nampiseho faharetana izay tsy azon’ ny na inona na inona nokorontanina Izy, sy toetra mahatoky izay tsy hanao sorona na oviana na oviana ny fahadiovana. Mafy tahaka ny vatolampy Izy tao amin’ ny foto-keviny, ary ny fiainany dia nanambara toetra tsara eo amin’ ny fahaizana manaja tsy mikendry .soa ho an’ ny tena.IFM 55.3

    Nanara-maso akaiky sy tamim-pitandremana fatratra ny fivelatry ny heriny ny renin’ i Jesosy ary nibanjina ny mariky ny fahatanterahana teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Nahafinaritra azy ny niezaka hampirisika ity saina maranitra sy misokatra ity. Nandray fahendrena tamin’ ny alalan’ ny Soratra Masina izy mba hiara-miasa amin’ ireo anjelin’ ny lanitra eo amin’ ny fitomboan’ ity zaza ity, izay afaka milaza fa Andriamanitra tokana no Rainy.IFM 56.1

    Hatry ny taloha indrindra dia efa nikarakara betsaka ny fanabeazana ny tanora ny olona mahatoky tao Isiraely. Efa nanome toromarika Jehovah fa raha vao menavava ny zaza dia tokony hampianarina ny fahatsarany sy ny fahalehibeazany, indrindra araka izay nambara tao amin’ ny lalàny, sy naseho tao amin’ ny tantaran’ ny Isiraely. Ny hira sy ny vavaka ary ny lesona avy amin’ ny Soratra Masina dia nampifanarahana tamin’ ny sainy vao misokatra. Ny ray sy ny reny dia tokony hampianatra ny zanany fa fanehoana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra ny lalàna, ary raha mandray ny foto-kevitry ny lalàna ao am-po izy, dia misoritra ao amin’ ny sainy sy ny fanahiny ny endrik’ Andriamanitra. Am-bava ny ankabeazan’ ny fampianarana; nefa nianatra ny hamaky ny asa soratra hebreo koa ny tanora; ary novelarina hianarany ireo horonantaratasy fahiny mirakitra ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha.IFM 56.2

    Tamin’ ny andron’ i Kristy, ny tanàna na ny vohitra izay tsy nitsinjo ny fampianarana ny tanora eo amin’ ny lafiny ara-pivavahana, dia noheverina ho voaozon’ Andriamanitra. Nanjary fombafomba fotsiny anefa ny fampianarana. Naka betsaka ny toeran’ ny Soratra Masina ny lovan-tsofina. Tokony hitarika ny tanora «mba hahatsapa ka hahita Azy»2Asa 17 : 27. ny tena fanabeazana marina. Nefa ny fombafombam-pivavahana no nifantohan’ ny sain’ ireo mpampianatra Jiosy. Feno zavatra izay tsy ilain’ ny mpianatra ny saina, ary zavatra izay tsy hoekena any amin’ ny sekoly ambony any an-danitra. Tsy nanana toerana tao amin’ ny rafitry ny fanabeazana ny fanandramana azo avy amin’ ny fandraisan’ ny tena ny tenin’ Andriamanitra. Variana amin’ ny zavatra ivelambelany tsy misy farany ny mpianatra ka tsy nahita ora mangingina iarahana amin’ Andriamanitra. Tsy reny ny feony miteny amin’ ny fo. Noho ny fitadiavany fahalaiana dia niala tamin’ ny loharanon’ ny fahendrena izy ireo. Natao an-tsirambina ireo zavatra tena nilaina tamin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra. Nohamaizinina ireo foto-kevitry ny lalàna. Izay noheverina ho fanabeazana ambony indrindra no sakana lehibe indrindra teo amin’ ny tena fitomboana marina. Nahavoasakantsakana ny herin’ ny tanora ny fitaizana nataon’ ny raby. Nanjary nandringandringa sy teritery ny sainy.IFM 56.3

    Tsy nandray fampianarana tamin’ ny sekolin’ ny synagoga Jesosy zaza. Ny reniny no olombelona mpampianatra Azy voalohany. Avy tamin’ ny molony sy avy tamin’ ny horonan-taratasin’ ny mpaminany no nianarany izay mikasika ny lanitra. Ny teny, izay Izy mihitsy no niteny izany tamin’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely, dia nianarany teo am-pofoan-dreniny ankehitriny. Raha nandroso avy amin’ ny fahazazana ho amin’ ny fahatanorana Izy, dia tsy nikatsaka ny sekolin’ ny raby tsy akory. Tsy nilainy ny fanabeazana notovozina avy tamin’ ny loharano toy izany ; Andriamanitra mantsy no mpampianatra Azy.IFM 57.1

    Ny fanontaniana nipetraka nandritra ny asan’ ny Mpamonjy hoe : «Ahoana no nahaizan’ Ilehity soratra. nefa tsy mba nianatra Izy ?»3Jao. 7 : 15. dia tsy milaza tsy akory fa tsy nahay namaky teny Jesosy. fa milaza fotsiny izany fa tsy nahazo fanabeazana tamin’ ny raby Izy. Satria nandray fahalaiana tahaka ny ataontsika Izy, dia hita eo amin’ ny fifankazarany amin’ ny Soratra Masina ny zotom-pony teo amin’ ny fianarana ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahazazany. Nivelatra teo anatrehany ilay tahirim-boky lehibe eo amin’ ny asa noforonin’ Andriamanitra. Ilay nanao ny zavatra rehetra no mianatra ny lesona izay efa nosoratan’ ny tanany ihany teo atnin’ ny tany sy ny ranomasina ary ny lanitra. Lavitry ny lalan’ izao tontolo izao tsy misy fahamasinana. no nanangonany tahirin’ ny fahalaiana ara-tsiansa avy amin’ ny zava-boahary. Nandinika ny fiainan’ ny zava-maniry sy ny biby Izy, ary ny fiainan’ ny olombelona. Hatramin’ ny taona voalohany indrindra niainany dia fikasana tokana no nameno ny fony ; velona hitahy ny hafa Izy. Ho an’ izany dia nahita hevitra teo amin’ ny zava-boahary Izy ; nisy hevi-baovao nahitany lalana sy fomba nitosaka tao an-tsainy raha nandinika ny fiainan’ ny zava-maniry sy ny fiainan’ ny biby Izy. Nitady hatrany izay hisintonana sary avy amin’ ny zavatra hita hoenti-maneho ny teny velona avy amin’ Andriamanitra Izy. Ireo fanoharana izay tiany nampianarana ny leson’ ny fahamarinana nataony nandritra ny fotoana niasany, dia mampiseho fa tena nisokatra ny fanahiny handray ny hery miasa mangina avy amin’ ny zava-boahary, ary nanangona fampianarana ara-panahy avy amin’ ny zavatra manodidina ny fiainana andavanandro Izy.IFM 57.2

    Toy izany no namelarana tamin’ i Jesosy ny dikan’ ny teny sy ny asan’ Andriamanitra, raha niezaka ny ahafantatra ny antony niavian’ ny zavatra Izy. Ny anjelin’ ny lanitra no mpanampy Azy, ary ny fikojokoloana ny hevitra masina sy ny fìraisana amin’ Andriamanitra dia tao aminy tokoa. Hatramin’ ny nihiratan’ ny sainy voalohany, dia tsy nitsahatra nitombo teo amin’ ny fahasoavana ara-panahy sy ny fahalaiana ny fahamarinana Izy.IFM 58.1

    Azon’ ny zaza rehetra atao ny mandray fahalaiana tahaka ny nataon’ i Jesosy. Raha miezaka ny mifandray amin’ ny Raintsika any an-danitra amin’ ny alalan’ ny teniny isika, dia hanatona ny anjely, hahazo hery ny saintsika, ary hasandratra sy hatsaraina ny toetra amam-panahintsika. Hanahaka bebe kokoa ny Mpamonjintsika isika. Ary raha mibanjina ny hakanton’ ny zava-boahary sy ny fahalehibeazany isika, dia hitady an’ Andriamanitra ny fitiavantsika. Raha feno fanajana ny saina, ny fanahy kosa mandray hery amin’ ny fifampikasohany amin’ ny Tsy voafetra amin’ ny alalan’ ny asany. Ny firaisana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fivavahana dia mampitombo ny fahaizana ara-tsaina sy ara-pitondrantena, ary mihamatanjaka ny hery ara-panahy rehefa kolokolointsika ny fisainana momba ny zavatra ara-panahy.IFM 58.2

    Fiainana nifandrindra tamin’ Andriamanitra ny fiainan’ i Jesosy. Fony zaza Izy, dia nisaina sy niteny toy ny zaza; nefa tsy nisy soritry ny fahotana izay nanimba ny endrik’ Andriamanitra tao Aminy. Tsy hoe tsy niharan’ ny fakam-panahy Izy anefa. Natao oha-pitenenana mihitsy ny mponina tao Nazareta noho ny faharatsiany. Ny fanontaniana napetrak’ i Natanaela hoe : «Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta ?»4Jao.1:46. dia mampiseho fa ny besinimaro dia nihevitra ireo mponina ireo ho ambany. Napetraka teo amin’ ny toerana izay hisedrana ny toetra amam-panahiny Jesosy. Nilainy ny niambina mandrakariva mba hiarovany ny fahadiovany. Nihatra taminy ny ady rehetra mety hosetraintsika mba hahatonga Azy ho ohatra ho antsika teo amin’ ny fahazazany, ny fahatanorany ary ny maha-lehilahy lehibe Azy.IFM 58.3

    Tsy nety sasatra i Satana teo amin’ ny ezaka nataony handresena Ilay Zaza tao Nazareta. Hatramin’ ny taona voalohany indrindra dia nambenan’ ny anjelin’ ny lanitra Jesosy, nefa ny fiainany dia tolona lava tamin’ ny herin’ ny maizina. Izany hoe fisian’ ny fiainana iray tsy voaloton’ ny ota teto an-tany izany, dia toy ny fitenenan- dratsy ny andrianan’ ny haizina ka nahavery hevitra azy. Tsy nisy fomba tsy nandramany namandrihana an’ i Jesosy. Tsy mbola nisy zaza teo amin’ ny taranak’ olombelona nantsoina hivelona fiainana masina teo anivon’ ny ady mangotraka tamin’ ny fakam-panahy tahaka ny Mpamonjy.IFM 58.4

    Nahantra ny ray aman-drenin’ i Jesosy ary ny hohanina androany tadiavina androany. Nifankazatra tamin’ ny fahantrana, ny fahafoizantena, sy ny fihafiana Izy. Fiarovana Azy io fanandramana io. Teo amin’ ny fiainany feno fahazotoana dia tsy mba nisy fotoana nipetrapetrahany foana izay nitarika ho amin’ ny fakam-panahy. Tsy nisy ora tsy niasana izay nanokatra lalana ho amin’ ny fikambanana manimba. Araka izay azo atao, dia nakatony tsy hidiran’ ny fakam-panahy ny varavarana. Na tombon-tsoa, na fahafinaretana, na fanasohasoana, na fanakianana, dia samy tsy nahatarika Azy hanaiky hanao zavatra tsy mety. Nanana fahendrena hoenti-manavaka ny ratsy Izy ary nanan-kery hoenti-manohitra azy.IFM 59.1

    Kristy ihany no velona tety an-tany tsy nanota ; nefa sahabo ho telopolo taona no niainany niaraka tamin’ ireo mponina ratsy fanahy tao Nazareta. Izany dia fanomezan-tsiny an’ ireo izay mihevitra fa miankina amin’ ny toerana misy ny tena na ny fananana na ny fanambinana. no ahazoana mivelona amin’ ny fiainana tsy misy hokianina. Ny fakam-panahy, ny fahantrana, ny fahoriana, no fifehezan-tena ilaina mba hampitombo ny fahadiovana sy ny fijoroana.IFM 59.2

    Velona tao amin’ ny tokantranon’ ny tantsaha Jesosy, ary nanao ny anjarany tamim-pahatokiana sy tamim-pifaliana Izy teo amin’ ny fitondrana ny enta-mavesatra tao amin’ ny ankohonana. Efa Komandin’ ny lanitra Izy, ary fifaliana ho an’ ny anjely ny manatanteraka ny teniny, ankehitriny dia mpanompo an-tsitrapo Izy, zanaka tia sy mankatò. Nianatra asa Izy, ary ny tanany mihitsy no niasa tao amin’ ny fandrafetana niaraka tamin’ i Josefa. Fitafian’ ny mpiasa tsotra no nanaovany teny amin’ ny araben’ ilay tanàna kely, raha nandeha niasa Izy sy niverina avy any amin’ ny asa feno fanetrentena nataony. Tsy nampiasa ny hery maha-Andriamanitra Azy Izy mba hampihena ny enta-mavesatra teo Aminy na hanamaivana ny asa mafy nataony.IFM 59.3

    Raha niasa Jesosy tamin’ ny fahazazany sy ny fahatanorany dia nitombo ny saina sy ny tenany. Tsy nampiasainy tamin-kasahiana foana ny heriny ara-batana, fa nampiasainy amin’ ny fomba izay ihazonana azy amin’ ny fahasalamana, mba ahazoany manao asa tsara indrindra amin’ ny lafiny rehetra. Tsy nekeny mihitsy ny tsy fahalavorariana na dia eo amin’ ny fitazonana ny fiasana aza. Tonga lafatra ny naha-mpiasa tanana Azy, tahaka ny naha-tonga lafatra Azy teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Tamin’ ny ohatra nomeny dia nampianariny fa adidintsika ny ho mazoto, ary tokony hatao tsara sy lavorary avokoa ny asantsika. ary mendri-kaja ny asa vita toy izany. Ny fampiasana izay mampianatra ny tanana hahasoa sy mitaiza ny tanora hitondra ny anjarany eo amin’ ny enta-mavesatry ny fiainana, dia manome hery ara-batana, sy mampitombo ny fahaizana rehetra. Tokony hahita zavatra atao izay hitondra tombontsoa ho an’ ny tenany sy hanampy ny hafa ny rehetra. Nanendry ny asa ho fitahiana Andriamanitra. ary ny mpiasa mazoto ihany no hahita ny tena voninahitra sy fifaliana marina eo amin’ ny fiainana. Ny fankasitrahan’ Andriamanitra dia mitoetra amim-pitiavana feno toky eo amin’ ny zaza sy ny tanora izay mandray ny anjarany amim-pifaliana eo amin’ ny adidy izay ao amin’ ny ankohonana, ka miara-mitondra ny entana mitambesatra amin’ ny ray sy ny reny. Ny zaza toy izany, rehefa mivoaka avy ao an-tokantrano, dia ho olona hahavita soa eo amin’ ny fiaraha-monina.IFM 59.4

    Nandritra ny fiainany teto an-tany dia mpiasa mazoto sy tsy miato amin’ ny asany Jesosy. Efa nanampo izany Izy ; noho izany dia nanao zavatra betsaka. Rehefa nanomboka ny asany Izy dia niteny toy izao : «Tsy maintsy manao ny asan’ Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro; avy’ ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona»5Jao.9:4. Tsy mba nandositra adidy aman’ andraikitra tahaka ny ataon’ ny maro izay misora-tena ho mpanaraka Azy Jesosy. Satria mitady izay hialana amin’ io fifehezana io ny maro no mahatonga azy ho osa sy tsy mahomby. Mety manana toetra sarobidy sy mahafinaritra izy, nefa tsy manana herin-tsaina, ary tsy misy ilàna azy, rehefa misy zava-tsarotra atrehina na zava-misakana horesena. Ny toetra mahasoa sy ny fahavitrihana, ny toetra amampanahy sy matanjaka hita teo amin’ i Kristy, dia tokony hitombo ao amintsika, amin’ ny alalan’ ny fifehezan-tena izay niaretany. Ary ho antsika ny fahasoavana izay noraisiny.IFM 60.1

    Raha mbola niaina teo anivon’ ny olona ny Mpamonjintsika, dia nitovy lenta tamin’ ny mahantra ny fiainany. Fantany, satria efa nihatra taminy, ny ahiahin’ izy ireo sy ny zava-tsarotra mahazo azy, koa noho izany dia afaka mampionona sy mampahery ny mpiasa feno fanetren-tena rehetra Izy. Izay manana fahatsapana marina ny fampianarana eo amin’ ny fiainany dia tsy hihevitra na oviana na oviana fa misy fanavahana tokony hatao amin’ ny sokajin’ olona; koa hoe ny manankarena dia tokony hohajaina mihoatra noho ny mahantra.IFM 60.2

    Fahamiramiranana sy fahaizana mifandray amin’ ny hafa no nentin’ i Jesosy teo amin’ ny asany. Mitaky faharetana sy toetra ara-panahy betsak ny mampiditra ny fivavahan’ ny Baiboly ao amin’ ny fiainan’ ny tokantrano sy ao amin’ ny toeram-piasana, ny manaraka ny fizotry ny asa aman-draharaha eo amin’ izao tontolo izao nefa tsy hijery afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra. Eo amin’ izany toerana izany no miseho ny maha-mpanampy antsika an’ i Kristy. Tsy ho feno ny ahiahin’ izao tontolo izao na oviana na oviana Izy ka tsy nanam-potoana hieritreretana momba ny zavatry ny lanitra. Matetika no naneho ny hafalian’ ny fony Izy tamin’ ny fanaovany hira Salamo sy hiran’ ny lanitra. Nandre ny feony nisandratra nidera sy nisaotra an’ Andriamanitra ny mponina tao Nazareta. Niray tamin’ ny lanitra tamin’ ny alalan’ ny hira Izy ; ary raha nitaraina ny namany noho ny fahavizanany amin’ ny asa. dia nanome fifaliana azy ireo ny feon-kira mamy nipololotra avy tamin’ ny molony. Toa nandroaka ny anjely ratsy ny fiderana nandrasany. ary hamtra mani-pofona tahaka ny emboka no nanenika izany toerana izany. Voasintona hiala avy ety an-tany naha-sesi-tany azy ny sain’ ireo mpihaino Azy, ka nitodika ho any amin’ ny tanindrazana any an-danitra.IFM 61.1

    Jesosy no loharanon’ ny famindrampo manasitrana ho an’ izao tontolo izao; ary nandritra ireo taona rehetra nitokanany tany Nazareta. dia nikoriana avy eo Aminy ny onja mitory firaisam-po sy fitiavana. Ny antitra. ny malahelo am-po sy ny vesaram-pahotana, ny zaza nilalao ao anatin’ ny fifaliana tsy manan-tsiny, ireo biby madinika sy vaventy mpitondra enta-mavesatra, - ireo rehetra ireo dia samy nahatsiaro fahasambarana teo anatrehany. Ilay mitana izao tontolo izao amin’ ny teniny, dia nanaiky hietry hitsimpona voronkely maratra. Tsy misy na inona na inona izay tsy nanintona ny sainy, tsy nisy izay nataony ho zavatra bitika ka tsy notompoiny.IFM 61.2

    Toy izany, araka ny nitomboany saina sy tena no nandrosoany fitia koa tamin’ Andriamanitra sy ny olona. Ny fivelaran’ ny fony tamin’ ny olon-drehetra no nahababoany ny fo rehetra. Ny rivopiainana nitory fanantenana sy herim-po izay nanodidina Azy dia nahatonga Azy ho fitahiana ho an’ ny tokantrano rehetra. Ary matetika no nantsoina Izy tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata mba hamaky tapatapany amin’ ny lesona avy ao amin’ ny mpaminany, ka nangitakitaka ny fon’ ny mpihaino raha namirapiratra avy amin’ ny teny mahazatra ao amin’ ny Soratra Masina ny fahazavana vaovao.IFM 61.3

    Nefa nialan’ i Jesosy reheta mety ho fisehoana ivelany. Nandritra ny taona rehetra nitoerany tao Nazareta, dia tsy nampidera ny heriny nanao fahagagana Izy. Tsy nikatsaka toerana ambony Izy ary tsy nisalotra anaram-boninahitra. Ny fiainany tony sy tsotra, ary na dia ny fanginan’ ny Soratra Masina mikasika ny fahazazany aza, dia mampianatra lesona mavesa-danja. Arakaraka ny maha-tony sy ny maha-tsotra ny fiainan’ ny zaza. - arakaraka ny tsy fisian’ ny fanaitairana tsy voajanahary, sy arakaraka ny hirindrany amin’ ny zava-boahary - arakaraka izany no mahasoa kokoa ny tanjany ara-batana sy ara-tsaina ary ny heriny ara-panahy.IFM 62.1

    Jesosy no ohatra ho antsika. Maro ireo olona no liana amin’ ny fotoana niasany teo amin’ ny besinimaro, nefa tsy manintona ny sainy ny fampianarana avy amin’ ny taona nahazaza Azy. Tao amin’ ny fiainany tao an-tokantrano anefa no naha-ohatra Azy ho an’ ny zaza sy ny tanora rehetra. Nampietry ny tenany hatramin’ ny fahantrana ny Mpamonjy mba ahazoany mampianatra ny fomba nety handehanantsika akaiky amin’ ny fanetren-tena miaraka amin’ Andriamanitra. Velona mba hahafaly sy hanaja ary hanome voninahitra ny Rainy Izy teo amin’ ny fiainana andavanandro. Nanomboka teo amin’ ny fanokanana ny asa tsotra fanaon’ ny mpiasa madinika mitady ny haniny isan’ andro ny asany, ary tsapany tamin’ izany fa samy fanompoana an’ Andriamanitra na ny asa nataony teo amin’ ny latabatra fandrafetana, na ny fahagagana notanterahiny ho an’ ny vahoaka tatý aoriana. Ary ny tanora rehetra izay manaraka ny ohatry ny fahatokiana sy ny fankatoavana nomen’ i Kristy tao amin’ ny tokantranony tsotsotra, dia mahazo mitaky ireo teny nolazain’ ny Ray tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina hoe : «Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko»6Isa.42:1..IFM 62.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents