Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 10—Ilay feo tany an-efitra

    Avy tao amin’ ny olona mahatoky tao amin’ ny Isiraely, izay efa niandry ela ny fiavian’ ny Mesia, no nipoiran’ ilay mpialoha lalana an’ i Kristy.1Ity toko ity dia mifototra amin’ ny Lioka 1 : 5-23 ; 57-80 ; 3 : 1-18 ; Matio 3 : 1-12 ; Marka 1 :1-8.«Samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra» i Zakaria. mpisorona efa zokiolona sy Elizabeta vadiny ; ary namirapiratra tahaka ny kintana tao anatin’ ny haizina tamin’ ireo andro nanjakan’ ny faharatsiana ny fahazavan’ ny finoana teo amin’ ny fiainany tony sy masina. Izy mivady tia vavaka ireo no nomena teny fikasana fa hanana zanaka lahy izay «handeha hialoha ny Tompo ka hamboatra ny làlany. Tany amin’ ny «tany havoana tany Jodia» no nipetraka i Zakaria, nefa niakatra tany Jerosalema izy mba hanao ny anjara fanompoana herinandro ifandimbiasan’ ny mpisorona avy isan’ antokony indroa isan-taona. «Ary nony nanao raharahampisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra»IFM 83.1

    Nijoro teo anoloan’ ny alitara volamena tao amin’ ny fitoerana masina izy. Niakatra teo anatrehan’ Andriamanitra ny setroky ny ditin-kazo manitra niaraka tamin’ ny fivavahan’ ny Isiraely. Tsapany tampoka ny fanatrehan’ Andriamanitra. Nisy anjelin’ ny Tompo «teo ankavanan’ ny alitara». Fambara tsara ny toerana nisy ny anjely, anefa tsy tsikaritr’ i Zakaria izany. Nandritra ny taona maro no efa nivavahany hiavian’ ny Mpanavotra ; ankehitriny ary dia naniraka mpitondra hafatra ny lanitra hilaza aminy fa efa hovaliana ny fivavahany ; toa lehibe loatra ho azy anefa ny famindrampon’ Andriamanitra ka sarotra inoana. Nameno ny fony ny tahotra ary nahatsiaro meloka izy.IFM 83.2

    Nefa noharabaina tamin’ ny teny feno fifaliana sy toky izy manao hoe : «Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao. ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. Ary ho faly sy ho ravoravo hianao. Ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany. Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro na divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina . . . Ary maro amin’ ny zanak’ Isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny. Ary izy handeha eo anoloany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray amin’ ny zanaka. ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tompo. Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely : Ahoana no hahafantarako izany ? fa izaho efa antilra, ary efa antitra koa ny vadiko ?»IFM 84.1

    Fantatr’ i Zakaria tsara ny nanomezana zaza an’ i Abrahama teo amin’ ny fahanterany noho izy nino fa mahatoky Ilay manao ny teny fikasana. Nefa nampitodika kely ny fisainany tamin’ ny fahalemen’ ny taranak’ olombelona ilay mpisorona efa zokiolona. Hadinony fa izay nampanantenain’ Andriamanitra dia hainy tanterahina koa. Manao ahoana re ny fahasamihafan’ io tsy finoana io amin’ ny finoana toy ny an’ ny zaza teo amin’ i Maria, ilay zanakavavin’ i Nazareta, izay namaly toy izao ny fanambarana mahagaga nataon’ ny anjely : «Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao»2Lio.1:38IFM 84.2

    Ny nahaterahan’ ny zanakalahy ho an’ i Zakaria. tahaka ny nahaterahan’ ny zanak’ i Abrahama sy ny an’ i Maria, dia natao hampianatra fahamarinana ara-panahy lehibe, fahamarinana izay sarotra amintsika ny mianatra azy ary mora amintsika ny manadino azy. Raha ny tenantsika samirery dia tsy afaka manao zavatra tsara isika na dia iray aza; nefa izay tsy azontsika atao, dia hotanterahina amin’ ny alalan’ ny herin’ Andriamanitra ho an’ ny fanahy tsotra sy mino rehetra. Tamin’ ny alalan’ ny finoana no nanomezana ny zanaky ny teny fikasana. Amin’ ny alalan’ ny finoana no iforonan’ ny fiainana ara-panahy, ka mahatonga antsika ho afaka hanao ny asan’ ny fahamarinana.IFM 84.3

    Namaly ny fanontanian’ i Zakaria ny anjely nanao hoe : «Izaho no Gabriela izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany». Dimanjato taona talohan’ izao, dia nampahafantarin’ i Gabriela tamin i Daniela ilay fe-potoana ara-paminaniana izay mipaka amin ny fiavian’ i Kristy. Ny fahalalana fa efa akaiky ny fiafaran io fe-potoana io no nanosika an’ i Zakaria hivavaka ho an ny tiavian ny Mesia. Ankehitriny, ilay mpitondra hafatra izay nomena ny faminaniana mihitsy. no tonga nanambara ny fahatanterahan’ izany.IFM 85.1

    Ny tenin’ ny anjely hoe : «Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra», dia mampiseho fa mitana toerana be voninahitra any amin’ ny lapan’ ny lanitra izy. Raha nitondra hafatra ho an’ i Danielá izy, dia hoy izy hoe : «Tsy misy miaramisikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela, andriananareo»3Dan.10:21. Izao no nolazain’ ny Mpamonjy ny amin’ i Gabriela, ao amin’ ny Apokalypsy : «ary naniraka ny anjeliny lzy hanambara amin’ i Jaona mpanompony»4Apok.1:1. Ary hoy ny anjely tamin’ i Jaona : «fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao»5Apok.22;9.Eritreritra mahatalanjona : anjely manarakaraka ny Zanak’ Andriamanitra ny voninahiny, no nofidina mba hamelatra ny fìkasan’ Andriamanitra amin’ ny olombelona feno fahotana.IFM 85.2

    Niteny fisalasalana ny amin’ izay nolazain’ ny anjely i Zakaria. Tsy hiteny intsony izy mandra-pahatanterak’ izay nolazainy. «Koa, indro. ho moana hianao, hoy ny anjely . . . ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany». Adidin’ ny mpisorona manao io fanompoana io ny mivavaka ho an’ ny famelana ny fahotan’ ny besinimaro sy ny fahotan’ ny firenena, sy ho an’ ny fahatongavan’ ny Mesia ; nefa rehefa handeha hanao izany i Zakaria, dia tsy afaka namoaka feo izy.IFM 85.3

    Nivoaka hitahy ny vahoaka izy, dia «nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany. Efa niandry ela ny olona ary natahotra sao lavon’ ny fitsaran’ Andriamanitra izy. Nefa rehefa nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masina izy, dia namirapiratry ny voninahitr’ Andriamanitra ny tavany, «ary fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy». Nampahafantarin’ i Zakaria taminy izay efa hitany sy reny ; ary «rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana dia lasa nody tany an-trano izy».IFM 85.4

    Fotoana fohy tao aorian’ ny nahaterahan’ ny zaza nampanantenaina dia nisokatra ny vavan’ ny rainy, «ka nidera an’ Andriamanitra. Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy : ary niely teny amin’ ny tany havoanan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany. Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe : Ho zaza hanao ahoana re io ?» Izany rehetra izany dia nitarika ny saina ho amin’ ny fiavian’ ny Mesia, dia araka ny efa nanamboaran’ i Jaona ny lalany. Feno ny Fanahy Masina i Zakaria. ka ireto teny kanto ireto no faminaniana nataony momba ny asa hanirahana ny zanany :IFM 86.1

    «Ary hianao. ry zaza. dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra ;
    Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo hianao hamboatra ny làlany,
    Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
    Amin’ ny famelana ny helony
    Noho ny halehiben’ ny famindrampon’ Andriamanitsika, izay
    hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
    Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy
    ao amin’ ny aloky ny fahafatesana,
    Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny làlam-piadanana».
    IFM 86.2

    «Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panaliy ; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-paliatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely». Talohan’ ny nahaterahan’ i Jaona. dia efa nilaza ny anjely hoe : «Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina». Efa niantso ny zanak’ i Zakaria ho amin’ ny asa lehibe indrindra izay mbola tsy nankinina tamin’ olombelona hatramin’ izay Andriamanitra. Mba hahatanterahany an’ io asa io. dia tsy maintsy miasa miaraka aminy Jehovah. Ary ho eo aminy ny Fanahin’ Andriamanitra, raha manaraka ny toro-hevitry ny anjely izy.IFM 86.3

    Handeha ho mpitondra hafatr’ i Jehovah i Jaona, hitondra ny fahazavan’ Andriamanitra amin’ ny olona. Tsy maintsy hahitsiny ho amin’ ny fitodika vaovao ny fisainan’ izy ireo. Tsy maintsy halatsany lalina ao am-pony ny fahamasinan’ ny didin’ Andriamanitra, sy ny ilan’ izy ireo ny fahamarinana tanteraka avy aminy. Tsy maintsy masina ny mpitondra hafatra toy izany. Tsy maintsy ho tempoly itoeran’ ny Fanahin’ Andriamanitra izy. Mba hahatanterahany ny asa nanirahana azy, dia tsy maintsy manana toe-batana salama izy, ary hery ara-tsaina sy ara-panahy. Noho izany dia ilaina ny hifehezany ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany. Tsy maintsy hahafehy tsara ny tenany izy raha tojo ny toe-javatra manodidina fa hijoro toy ireo vatolampy sy tendrombohitra any an-efitra.IFM 86.4

    Tamin’ ny andron’ i Jaona mpanao batisa dia efa niparitaka hatraiza hatraiza ny fangoronan-karena sy ny fitiavana fahafinaretana ary ny rehaka. Ny fahafinaretana ara-nofo, ny hanina be sy ny fisotro, dia niteraka aretina sy fitotonganana teo amin’ ny ara-batana, ka nanadombo ny fahatsiarovana ny ara-panahy sy nampihena ny fahatsapana ny fahotana. Hijoro ho mpanao fanavaozana i Jaona. Tamin’ ny alalan’ ny sakafony sy ny fitafiany tsotra no nanamelohany ny fanao tafahoatra tamin’ ny androny. Izany no anton’ ireo torohevitra nomena ny ray aman-drenin’ i Jaona. - dia leson’ ny fahalalana onony nentin’ ny anjely avy any amin’ ny seza fiandrianan’ ny lanitra.IFM 87.1

    Mora andairan-javatra indrindra ny toetra amam-panahy eo amin’ ny fahazazana sy ny fahatanorana. Amin’ izay no tokony ahazoana ny fahaiza-mifehy tena. Ho amorom-patana sy eo amin’ ny ankohonana no iasan’ ny hery mangina izay hitondra vokatra haharitra mandritra ny mandrakizay. Ny fahazarana noraisina tamin’ ny taona voalohany niainana dia hanapaka, mihoatra noho ny toetra hafa nolovana. na handresy na ho resy ny olona iray eo amin’ ny adin’ ny fiainana. Ny fahatanorana no fotoana hamafazana. Manapaka izay ho toetry ny vokatra izany. ho amin’ ity fiainana ity sy ho amin’ ny fiainana ho avy.IFM 87.2

    Amin’ ny maha-mpaminany azy, dia «hampody ny ton’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tompo» i Jaona. Tamin’ ny nanamboarany ny lalana ho amin’ ny fiavian’ i Kristy voalohany dia mampiseho ireo izay manomana vahoaka ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany izy. Milefitra amin’ ny fampanaranampo ny tenany izao tontolo izao. Tondraka ny hevi-diso sy ny anganongano. Mampitombo ny fandrika handripahany fanahy i Satana. Izay rehetra te-ho tanteraka amin’ ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra, dia tsy maintsy mianatra leson’ ny fahalalana onony sy ny fifehezan-tena. Tsy maintsy hofehezin’ ny hery ambony kokoa eo amin’ ny saina ny fitiavan-komana sy ny fironana ambany. Ilaina io fifehezan-tena io hahazoantsika ilay hery ara-tsaina sy ilay fahitana ara-panahy izay hahatonga antsika ho afaka hahatratra sy hanatontosa ireo fahamarinana masina ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Noho io antony io, dia manan-toerana eo amin’ ny asa fanomanana ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny fahalalana onony.IFM 87.3

    Raha ny fandehan-javatra ara-dalàna dia tokony ho nobeazina ho mpisorona ny zanak’ i Zakaria. Nefa tsy ho nahavonona azy ho amin’ ny asa miandry azy ny fitaizana tao amin’ ny sekolin’ ny raby. Tsy nalefan’ Andriamanitra tany amin’ ny mpampianatra «teolojia» izy mba hianatra ny fomba fanazavana ny Soratra Masina. Nantsoiny ho any an-efitra izy, mba hahazoany mianatra ny amin’ ny toetry ny zava-boahary sy ny toetran’ Andriamanitra.IFM 88.1

    Toerana mangingina no nahitanv izay honenana, teo anivon’ ny havoana ngazana, ny hady any an-tany haolo sy ny zohy anaty harambato. Vokatry ny safidim-pony dia naleony voafehy mafy tany an-efitra ny fiainany, toy izay niliba tamin’ ny fifaliana sy ny fahafinaretana. Nety indrindra tamin’ ny fiainana tsotra sy ny fahafoizan-tena nahazatra azy ny zavatra nanodidina azy. Tsy voasembantsemban’ ny tabataban’ izao tontolo izao izy tany, fa afaka nianatra lesona avy amin’ ny zava-boahary, sy avy amin’ ny fanambarana ary avy amin’ ny fitondran’ Andriamanitra. Naverimberin’ ireo ray aman-dreniny matahotra an’ Andriamanitra matetika taminy ireo tenin’ ny anjely tamin’ i Zakaria. Hatramin’ ny fahazazany no efa teo anatrehany mandrakariva ny asa nanirahana azy ka nanekeny ny fitokisana masina napetraka taminy. Ny naha-irery azy tany an-efitra dia fomba nandosirany tamim-pifaliana ny tany ama-monina izay efa nanjakan’ ny fiahiahiana sy ny tsy finoana ary ny fahalotoana. Tsy natoky ny herin’ ny tenany hanoherana ny fakam-panahy izy ka nandosirany ny fifampikasohana mitohy amin’ ny fahotana, sao tsy tsapany intsony ny toetra maha fahotana indrindra ny fahotana.IFM 88.2

    Efa natolotra ho an’ Andriamanitra, ho Nazirita hatramin’ ny nahaterahany i Jaona, ary nataony voady ny hanokan-tena mandritra ny fiainany. Ny fitafian’ ny mpaminany fahiny no nanaovany, dia lamba volon-drameva notazonin’ ny fehikibo hoditra. «Valala sy tantely remby» fahita any an-efitra no fihinany ary rano madio avy any an-kavoana no fisotrony.IFM 88.3

    Tsy lany tamin’ ny fidonanahana anefa ny fiainan’ i Jaona, na lany nanjoretany tamin’ ny fampahorian-tena, na lany nitokanany monina noho ny fitiavan-tena. Indraindray dia mandeha mifangaro amin’ ny olona izy ; ary nahaliana azy mandrakariva ny nandinika izay miseho eo amin’ izao tontolo izao. Raha tao amin’ ny fialofany mangina izy dia nanara-maso ny fizotry ny toe-javatra. Fahiratana nohazavain’ ny Fanahin’ Andriamanitra no namakafakany ny toetra amam-panahin’ ny olona, mba hahazoany mahafantatra ny fomba hahatongavan’ ny hafatry ny lanitra ao am-po. Nitambesatra taminy ny asa nanirahana azy. Nitady izay hanomanana ny fanahiny tao amin’ ny fanginana, tamin’ ny alalan’ ny fandinihan-tena lalina sy ny fivavahana izy ho amin’ ny asa mandritra ny fiainana nanoloana azy.IFM 88.4

    Na dia tany an-efitra aza izy, dia tsy afaka tamin’ ny fakampanahy tsy akory. Araka izay azony atao, dia nohidiny ny lalana rehetra azon’ i Satana idirana. Ny tsilon-tsaina tao aminy ny amin’ ny zava-panahy sy ny toetra matanjaka sy hentitra nananany ary ny fanampian’ ny Fanahy Masina, no nahafantarany ny fanakekezan’ i Satana sy nahazoany nanohitra ny heriny.IFM 89.1

    Tany an-efitra no nahitan’ i Jaona sekoly sy fitoerana masina ho azy. Tahaka an’ i Mosesy tany amin’ ny tendrombohitr’ i Midiana, dia nanodidina azy ny fanatrehan’ Andriamanitra ary hitany teo aminy ireo porofon’ ny heriny.IFM 89.2

    Tsy anjarany ny nipetraka tao amin’ ny fanginan’ ireo tendron bohitra mijoalajoala. tahaka ny nataon’ ilay mpitarika lehibe teo amin’ ny Isiraely ; fa teo anatrehany kosa ireo havoanan’ i Moaba. teny an-dafin’ i Jordana, izay nilaza taminy Hay nampitoetra mafy ny tendrombohitra sy nanafy azy hery manodidina. Toa sary velona mampiseho ny toerana nisy ny Isiraely ny endrika malahelo sy mahatahotra teo amin’ ny zava-boahary tao amin’ ny fonenany tany an-efitra. Efa nanjary tany lao sy foana ilay tanimboaloboka mahavokatr’ i Jehovah. Namirapiratra sy kanto anefa ny lanitra nanarona tambonin’ ny efitra. Nanao andohalambo teo amin’ ny rahona nitangorona maizina noho ny tafio-drivotra ny avail’ ny teny fikasana. Toy izany koa, teo ambonin’ ny fitotonganan’ ny Isiraely no namirapiratan’ ny voninahitra nampanantenaina ho eo amin’ ny fanapahan’ ny Mesia. Notetezin’ ny avan’ ny faneken’ ny famindrampo ny rahon’ ny fahatezerana.IFM 89.3

    Irery tao amin’ ny alina mangina no namakian’ i Jaona ny teny fikasana natao tamin’ i Abrahama momba ny taranany tsy hita isa tahaka ny kintana. Ny fahazavana vao miposaka, nivolom-bolamena teo amin’ ny tendrombohitr’ i Moaba, dia nanambara taminy ny amin’ Ilay «toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona»63 Sam. 23 : 4. Ary ny famira- piratan’ ny mitataovovonana dia nahitany ny fisehoan’ ny voninahiny rehefa whiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany»7Isa.40:5.IFM 89.4

    Toe-tsaina feno fanajana nefa mientanentana koa no nentiny nandinika ireo horonan-taratasy mirakitra ny faminaniana momba ny fanambarana ny amin’ ny fiavian’ ny Mesia, — dia ilay taranaka nampanantenaina fa hanorotoro ny lohan’ ny menarana; ilay «mpanome fiadananaw, Silo, dia hiseho alohan’ ny tsy hisian’ ny mpanjaka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida. Tonga ny fotoana ankehitriny. Mpifehy romana no nipetraka tao amin’ ny lapa teo amin’ ny tendrombohitr’ i Ziona. Noho ny tenin’ i Jehovah azo antoka, dia efa teraka Kristy tamin’ izay.IFM 90.1

    Nodinihiny andro aman’ alina ireo fitantarana mahavariana nataon’ Isaia momba ny voninahitry ny Mesia, - Ilay rantsana ao amin ny solofon’ i Jese ; Mpanjaka hanjaka amin’ ny fahamarinana, hitsara amin’ ny fahamarinany «mpandefitra amin’ ny tany» ; «ho fierena amin’ ny rivotra, .. . ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana» ; tsy hatao intsony hoe «Nafoy» i Ziona, ary ny taniny tsy hatao intsony hoe «Lao» ta hatao hoe «Ilay sitraka», ary ny taniny hatao hoe «Vady ampakarina»8Isa.11:4;32:2;62:4. Nameno ny fon’ ilay an-tsesi-tany manirery ilay fahitana be voninahitra.IFM 90.2

    Nijery ny Mpanjaka teo amin’ ny hatsaran-tarehiny izy, ka nanadino ny tenany. Nibanjina ny fahalehibeazan’ ny fahamarinana izy ka nahatsapa ny tenany ho tsy mahavita sy tsy mendrika. Vonona ny handeha ho mpitondra hafatry ny Lanitra izy, tsy natahotra ny olombelona satria nijery an’ Andriamanitra. Afaka hijoro tsy amintahotra eo anatrehan’ ireo mpanjakan’ ny tany izy, satria efa niankohoka teo anatrehan’ ny Mpanjakan’ ny mpanjaka.IFM 90.3

    Tsy fantatr’ i Jaona amin’ ny fahafenoany ny toetry ny fanjakan’ ny Mesia. Nanantena ny hahafaka ny Isiraely tamin’ ireo fahavalon’ ny fireneny izy ; nefa ny fiavian’ Ilay Mpanjakan’ ny fahamarinana sy ny fananganana an’ Isiraely ho firenena masina, no tena antonjavatra lehibe teo amin’ ny fanantenany. Noho izany dia nino izy fa ho tanteraka ny faminaniana nomena tamin’ ny nahaterahany :IFM 90.4

    «Mahatsiaro ny fanekeny masina . . . Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra. satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra iainantsika».IFM 91.1

    Hitany fa voafitaka ny vahoakany, afa-po amin’ ny tenany ary matory ao amin’ ny fahotany. Naniry mafy ny hamoha azy ho amin’ ny fiainana masina kokoa izy. Ny hafatra izay eta nomen’ Andriamanitra azy mba hoentiny dia natao hanaitra azy hiala amin’ ny torimasony sy hahatonga azy hanana tahotra masina noho ny faharatsiana lehibe eo aminy. Tsy maintsy asaina aloha ny tanin’ ny fo vao afaka hitady fanasitranana amin’ i Jesosy. Tsy maintsy hofohazina ny olona hahita ny loza mananontanona azy avy amin’ ny ratran’ ny fahotana.IFM 91.2

    Tsy nandefa mpitondra hafatra hanasoaso ny mpanota Andriamanitra. Tsy hafatry ny fiadanana afaka handrotsirotsy ny olona tsy nohamasinina ao anatin’ ny toky mahataty no nalefany. Entamavesatra no apetrany eo amin’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny mpanao ratsy, ka manindrona ny fanahiny amin’ ny zana-tsipikan’ ny fandresen-dahatra. Naseho azy tamin’ ny asa fanompoana nataon’ ny anjely ny fitsaran’ Andriamanitra mahatahotra, izay hahatonga azy hitady fanampiana mafy ka hanesika azy hiantsoantso hoe : «lnona no hataoko mba hovonjena aho .?» Amin’ izay dia ilay tanana nampietry izay avy tao amin’ ny vovoka ihany no hanandratra koa ny miaiky ny helony. Ilay feo izay nanameloka mafy ny fahotana ka nahatonga ny avonavona sy ny hambom-po ho henatra ihany, no hanontany amim-pitiavana mamy hoe: «Inona no tianao hataoko aminao ?»IFM 91.3

    Tamin’ ny fotoana nanombohan’ i Jaona ny asany, dia nihotakotaka sy tsy faly be ihany ny firenena ka efa saika nisy korontana. Rehefa nesorina i Arkelaosy dia napetraka mivantana teo ambanin’ ny fifehezan’ i Roma i Jodia. Ny fanjakazakana sy ny fampijaliana nataon’ ireo governora romana ary ny fiezahany miverimberina hampiditra ny tandindona sy ny fomba amam-panaon’ ny jentilisa, dia nandrehitra ny afon’ ny fikomiana, izay novonoina tamin’ ny ran’ ny Isiraely mahery fo an’ arivony maro. Nampitombo ny fankahalan’ ny iray firenena an’ i Roma izany rehetra izany, ka nanamafy ny faniriana lalina ho afaka amin’ ny fahefany.IFM 91.4

    Tao anivon’ ny tsy fifanarahana sy ny adi-lahy dia nisy feo re avy tany an-efitra, feo manaitra sy henjana, nefa feno fanantenana : «Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitraw. Nanetsika ny vahoaka tamin’ ny hery vaovao sy hafahafa izany. Nambaran’ ny mpaminany ho toy ny toe-javatra mbola lavitra any amin’ ny ho avy ny fiavian’ i Kristy ; izao anefa misy fanambarana milaza fa akaiky izany. Ny fomba hafahafa nisehoan’ i Jaona dia nitarika ny sain’ ireo mpihaino azy ho amin’ ireo mpahita fahizay. Raha ny fombany sy ny fitafiany dia nitovy tamin’ i Elia izy. Tamin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia no niampangany ny fahalotoana teo amin’ ny firenena sy nanamelohany ireo fahotana nanjaka tamin’ izany. Tsotra, mivantana ary maharesy lahatra ny teniny. Betsaka no nino azy ho anankiray amin’ ny mpaminany nitsangana tamin’ ny maty. Nifoha ny firenena manontolo. Vahoaka marobe no nanao andiany ho any an-efitra.IFM 92.1

    Nitory ny fiavian’ ny Mesia i Jaona ary niantso ny vahoaka hibebaka. Ho tandindon’ ny fanadiovana amin’ ny fahotana, dia nataony batisa tao amin’ ny ranon’ i Jordana izy. Tamin’ ny alalan’ ny lesona azo tsapain-tanana no nanambarany fa voaloton’ ny fahotana ireo izay nisora-tena ho vahoakan’ Andriamanitra. ka raha tsy misy fanadiovana ny fo sy ny fiainana. dia tsy afaka hanana anjara amin’ ny fanjakan’ ny Mesia izy.IFM 92.2

    Ny andriandahy sy ny raby, ny miaramila, ny mpamory hetra sy ny tantsaha dia tonga hihaino ilay mpaminany. Tamin’ ny voalohany dia nanaitra azy mafy ny fampitandremana miezinezina avy tamin’ Andriamanitra. Betsaka no tonga teo amin’ ny fibebahana ka nandray ny batisa. Nilefitra tamin’ ny fitakian’ ilay Mpanao batisa ny olona avy amin’ ny saranga samihafa. mba handraisany anjara amin’ ny fanjakana nambarany.IFM 92.3

    Betsaka tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo no tonga niaiky ny fahotany sy nangataka hatao batisa. Nanandratra ny tenany ho tsara noho ny olona hafa izy ireo, ka nitarika ny olona hihevitra fa manana fitiavam-bavaka ambony dia ambony tokoa izy ; nalana sarona ankehitriny ny fahadisoana miafina teo amin’ ny fiainany. Notsindrian’ ny Fanahy Masina anefa i Jaona ahafantatra fa betsaka tamin’ ireo no tsy niaiky ny fahotany. Mpanararaotra ny zava-miseho izy ireo. Noheveriny fa amin’ ny maha-sakaizan’ ilay mpaminany azy ireo, dia nanantena ny hahita sitraka amin’ ilay Mpanjaka ho avy izy. Ary ny nandraisany ny batisa avy tamin’ ilay mpampianatra kely mamim-bahoaka. dia noheveriny fa hanamafy ny heriny miasa mangina amin’ ny vahoaka.IFM 92.4

    Fitenenana manindrontsindrona no nitsenan’ i Jaona azy ireo hoe : «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy ? Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana hianareo: ary aza manao anakampo hoe : Manana an’ i Abrahama rainay izahay, fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto».IFM 93.1

    Diso ny nandraisan’ ireo Jiosy ny teny fikasana nataon’ Andriamanitra momba ny fankasitrahany mandrakizay ny Isiraely. «Izao no lazain’ i Jehovah, izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ ny alina, izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany : Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’ Isiraely. Izao no lazain’ i Jehovah : Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’ Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah»9Jer.31:35.37. Noheverin’ ny Jiosy fa ny maha-taranak’ i Abrahama azy ara-nofo dia nanome azy zo hitaky io teny fikasana io. Tsy nojereny anefa ny fepetra izay efa nosoritan’ Andriamanitra. Hoy Izy talohan’ ny nanaovany ny teny fikasana : «Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony ary Izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko ... fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany»10Jer.31:33,34.IFM 93.2

    Azo antoka ny fankasitrahan’ Andriamanitra, ho an’ ny vahoaka izay manana ny lalàny voasoratra ao am-pony. Tafaray tanteraka Aminy izy, saingy efa nisaraka tamin’ Andriamanitra ny Jiosy. Noho ny fahotany dia niharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izy. Io no antony nanandevozan’ ny firenena jentilisa azy. Nohamaizinin’ ny fandikandalàna ny sainy, koa satria nampiseho fankasitrahana azy betsaka toy izany Andriamanitra tamin’ ny andro fahiny, dia nanala-tsiny ny fahotany izy ireo. Nandokadoka ny tenany izy, fa tsara noho ny olona hafa ka manana fahefana hahazo ny fitahian’ Andriamanitra.IFM 93.3

    Voasoratra ireny zavatra ireny «ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao»111 Kor.10:11. Impiry moa isika no diso fihevitra ny fitahian’ Andriamanitra, ka misaina fa ny fahamendrehantsika no ahazoantsika ny fitahian’ Andriamanitra. Noho izany dia tsy afaka manao izay iriny mafy hatao ho antsika Andriamanitra. Ampiasaintsika hanome fahafaham-po ny tenantsika sy hanamafisana ny fontsika ao amin’ ny tsy finoana sy ny fahotana ny fanomezampahasoavany.IFM 94.1

    Nambaran’ i Jaona tamin’ ireo mpampianatra tao amin’ ny Isiraely, fa ny avonavony sy ny fitiavan-tenany ary ny halozany dia mampiseho azy ho taranaky ny menarana, ozona mahafaty ho an’ ny vahoaka izy fa tsy zanak’ i Abrahama izay olo-marina sy nankatò. Eo amin’ ny fahazavana efa noraisiny tamin’ Andriamanitra, dia tena ratsy kokoa izy noho ny jentilisa izay tsapany fa ambany lavitra noho izy. Hadinony ny vatolampy izay nakana azy sy ny ati-lavaka izay nihadiana azy. Tsy niankina taminy Andriamanitra hanatanterahany ny fikasany. Tahaka ny niantsoany an’ i Abrahama hivoaka avy tamin’ ny firenena jentilisa. dia toy izany koa no ahazoany miantso olon-kafa hanompo Azy. Mety ho tsy misy aina toy ny vato any an-efitra ny fon’ izy ireo ankehitriny, fa azon’ ny Fanahy atao ny manome azy aina hanao ny sitrapony ka handray ny fahatanterahan’ ny teny fikasany.IFM 94.2

    «Ary, indro, hoy ilay mpaminany, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky ; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo». Tsy ny anarany fa ny voany no manapaka ny tombambidin’ ny hazo. Raha tsy misy vidiny ny voany, dia tsy afaka mamonjy ny hazo tsy ho levona ny anarany. Nambaran’ i Jaona tamin’ ny Jiosy fa ny toetra amam-panahin’ izy ireo sy ny fiainany no nanapaka izay fijoroany eo anatrehan’ Andriamanitra. Tsy misy vidiny ny fisehoana ivelany. Raha tsy mifandrindra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra ny fiainany sy ny toetra amam-panahiny dia tsy vahoakany izy.IFM 94.3

    Resy lahatra ny mpihaino an’ i Jaona noho ny teny mpamantatra ny ao am-po nataony. Nanatona azy izy ireo nanontany hoe : «Inona ary no hataonay ?» Ary namaly izy hoe : «Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa izy». Dia nampitandrina ny mpamory hetra ny amin’ ny tsy fahamarinana, sy ny miaramila ny amin’ ny herisetra izy.IFM 94.4

    Izay rehetra tonga olon’ ny fanjakan’ i Kristy, hoy izy, dia tokony hanome porofon’ ny finoana sy ny fibebahana. Ny fahalemem-panahy, ny fahamarinan-toetra sy ny fahatokiana dia tokony ho hita eo amin’ ny fiainany. Tokony hiasa ho an’ ny sahirana izy, ary hitondra fanatitra ho an’ Andriamanitra. Tokony hiaro ny tsy manam-piarovana izy, ka hanome ohatra ny amin’ ny toetra tsara sy ny fangorahana. Toy izany koa, ny mpanaraka an’ i Kristy dia hanome porofo mazava ny amin’ ny hery manovan’ ny Fanahy Masina. Ho hita eo amin’ ny fiainany andavanandro ny fahamarinana sy ny famindrampo ary ny fitiavan’ Andriamanitra. Raha tsy izany dia tahaka ny mololo izay voaomana atao ao anaty afo izy.IFM 95.1

    «Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana. hoy i Jaona, fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho ; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masina sy ny afo»12Mat. 3:11. Efa nilaza ny mpaminany Isaia fa hanadio ny vahoakany amin’ ny tsy fahamarinany «amin’ ny fanahy fitsarana sy ny fanahy fandringanana» ny Tompo. Izao no tenin’ i Jehovah tamin’ ny Isiraely : «Dia hamerina ny tànako ho aminao Aho. ka hodioviko amin’ ny lavenona hianao hahafahan ny tain-drendrikao. ary hesoriko ny firaka rehetra aminao»13Isa. 4 : 4 : 1 : 25. «Andriamanitra dia afo mandevona»14Heb. 12:29. ho an’ ny fahotana na aiza na aiza ahitana azy. Handevona ny fahotana ny Fanahin’ Andriamanitra ao amin’ izay rehetra milefitra amin’ ny heriny. Fa raha mifikitra amin’ ny fahotana kosa ny olona dia manjary mitovy aminy. Amin’ izay ny voninahitr’ Andriamanitra, izay mandevona ny fahotana, dia tsy maintsy mandevona azy koa. Hoy Jakoba taorian’ ny alina nitolomany tamin’ ny anjely : «Efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko»15Gen.32:31. Meloka noho ny fahotana lehibe nataony tamin’ i Esao i Jakoba; nefa efa nibebaka izy. Efa navela ny fandikandalàna nataony, ary voadio ny fahotany ; noho izany no nahazakany ny fanatrehan’ Andriamanitra. Nefa na oviana na oviana misy olona manatona an’ Andriamanitra, nefa minia mankasitra’ka ny ratsy ao am-pony, dia levonina izy. Amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany ny ratsy fanahy dia holevonin’ ny «fofon’ ain’ ny vavany», ary hofoanany «amin’ ny fisehoan’ ny fiaviany»162 Tes.2:8.IFM 95.2

    Ny fahazavan’ ny voninahitr’ Andriamanitra, izay manome aina ny tsara fanahy, dia hamono ny ratsy fanahy. Tamin’ ny andron’ i Jaona Mpanao batisa dia efa madiva hiseho Kristy hanambara ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Ny fanatrehany fotsiny dia ampy hampiharihary amin’ ny olona ny fahotany. Raha tsy manaiky hodiovina amin’ ny fahotana izy ireny dia tsy afaka hiditra hiara-dia Aminy. Ny madio am-po ihany no afaka hitoetra eo anatrehany.IFM 96.1

    Izany no hafatra nentin’ ilay mpanao batisa ho an’ ny Isiraely. Betsaka no nihaino ny fampianarany. Betsaka no nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka ny teniny. Vahoaka marobe no nanaraka ity mpampianatra vaovao hatraiza hatraiza, ary tsy vitsy no nihevitra azy ho Ilay Mesia. Nefa raha nahita ireo mpihaino azy nifikitra taminy i Jaona dia nitady ny fotoana mety rehetra izy hitarihana ny finoan’ izy ireny ho eo amin’ Ilay ho avy.IFM 96.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents