Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 71—Mpanompon ‘ ny mpanompo

    Tao amin’ ny efitra ambonin’ ny trano fonenana iray tao Jerosalema no nipetrahan’ i Kristy niaraka tamin’ ny mpianany nanodidina ny latabatra iray 1Mifototra amin’ ny Lio. 22 : 7-18, 24 Jao. 13 : 1-17. Nivory izy ireo mba hankalaza ny Paska. Naniry ny hankalaza io Paska io irery niaraka tamin’ izy roa ambin’ ny folo lahy Izy. Fantany fa tonga ny orany ; Izy tenany no Ilay tena Zanak’ ondrin’ ny Paska, ary hatao fanatitra Izy amin’ ny andro hihinanana ny Paska. Efa hisotro ny kapoaky ny fahatezerana Izy ; tsy ho ela dia tsy maintsy handray ny batisa faran’ ny fahoriana Izy. Mbola nisy ora tony vitsivitsy anefa ho Azy, ary nolaniany mba hanasoa ny mpianany malalany izany.IFM 691.1

    Ny fiainan’ i Kristy manontolo dia fiainan’ ny fanompoana tsy niheverany ny tenany ; «tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo»2Mat. 20 : 28, izany no lesona avy amin’ ny fihetsiny rehetra. Tsy mbola hain’ ny mpianatra ihany anefa ny lesona. Tamin’ io sakafon’ ny Paska farany io, dia naverin’ i Jesosy ny fampianarany tamin’ ny alalan’ ny sary fanazavana izay tafalatsaka lalina tao an-tsain’ izy ireo sy tao am-pony ho mandrakizay.IFM 691.2

    Ny resaka mifanatrika nifanaovan’ i Jesosy sy ny mpianany mazàna dia fotoana feno fifaliana tony, nankafizin’ izy rehetra fatratra tokoa. Ny sakafo tamin’ ny Paska dia toe-javatra nahaliana tamin’ ny fomba manokana ; nanana fahorian-tsaina anefa Jesosy tamin’ ity indray mandeha ity. Navesatra ny fony, ary nisy aloka itoetra teo amin’ ny endriny. Raha nihaona tamin’ ny mpianany tao amin’ ny efitra ambony Izy, dia hitany fa nisy zavatra nitambesatra mafy tamin’ ny sainy, ary na dia tsy fantany aza ny an ton’ izany, dia niray fo tamin’ ny alahelony izy ireo.IFM 691.3

    Rehefa nivory nanodidina ny latabatra izy ireo, dia niteny tamin’ ny feo nitory alahelo mahonena Izy hoe : «Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.IFM 692.1

    Fantatr’ i Kristy fa tonga ny fotoana ho Azy hialany amin’ izao tontolo izao, ka hankanesany any amin’ ny Rainy. Ary rehefa tia ny Azy izay teo amin’ izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ ny farany. Teo amin’ ny aloky ny hazo fijaliana Izy izao, ary nampanaintaina ny fony ny fahoriana. Fantany fa hilaozana Izy amin’ ny ora hamadihana Azy. Fantany fa ny fomba mahamenatra indrindra izay nozakain’ ny mpanao heloka bevava, no hamonoana Azy. Fantany ny tsy fahaizan’ ireo tonga hovonjeny mankasitraka sy ny fahabibiana. Fantany ny fahalehibeazan’ ny sorona tsy maintsy hataony, ary ho very maina ho an’ ny olona marobe izany. Fantany fa manoloana Azy ny zavatra rehetra ka tsy mahagaga raha nanafotra Azy ny fieritreretana ny fanalana baraka ny tenany sy ny fijaliany. Nijery azy roa ambin’ ny folo lahy anefa Izy izay niaraka taminy ka toy ny tenany mihitsy, ary izay havela hiady eo amin’ izao tontolo izao rehefa ho lasa ny henatra sy ny alahelo ary ny fahoriana hihatra amin’ izy tenany. Nifandray mandrakariva tamin’ ny mpianany ny fiheverany izay tsy maintsy hozakain’ ny tenany. Tsy mihevitra ny tenany Izy. Ambony indrindra tao amin’ ny sainy ny fikarakarany azy ireo.IFM 692.2

    Nanan-javatra betsaka holazaina azy ireo Jesosy tamin’ ity hariva farany niarahany tamin’ ny mpianany ity. Raha voaomana handray izay niriny mafy hozaraina izy ireo, dia ho voavonjy ho afaka amin’ ny tebiteby mahavaky fo, amin’ ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy finoana. Hitan’ i Jesosy anefa fa tsy hozakany izay tiany holazaina. Raha nijery ny tavany Izy, dia nihantona teo amin’ ny molony ny teny fampitandremana sy fampaherezana.IFM 692.3

    Lasa tamin’ ny fanginana ny fotoana. Toa niandry Jesosy : Tsy azon’ ny mpianatra ny ainy. Toa nanjavona ny firaisam-po sy ny fanehoam-pitiavana nofohazin’ ny zava-mahory an’ i Kristy. Tsy nandaitra firy ny teny malahelo nataony, nanomboka ny fahorian’ ny tenany.. Ny topi-maso nifanaovan’ izy ireo dia nanambara fialonana sy adi-lahy.IFM 692.4

    «Nisy fifandirana tao aminy ny amin’ izay anankiray aminy hatao hoe lehibe». Nampalahelo sy nandratra ny fon’ i Kristy io adi-lahy natao teo anatrehany io. Namikitra tamin’ ny hevitra nankamamiany ny mpianatra izay nilaza fa hanangana fahefana Kristy, ka handray ny toerany eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida. Koa samy mbola naniry mafy ny toerana ambony indrindra ao amin’ ny fanjakany izy ireo tao am-pony. Nanombatombana ny tenany sy ny namany izy ka tsy ny rahalahiny no noheveriny ho mendrika kokoa, fa ny tenany no napetrany ho voalohany. Nampifoha ny hatezeran’ ny sasany ny fangatahan’ i Jakoba sy Jaona hipetraka eo amin’ ny ankavanana sy eo amin’ ny ankavian’ ny seza fiandrianan’ i Kristy. Ny fihamboan’ izy mirahalahy hangataka ny toerana ambony indrindra, dia nanaitra indrindra azy folo mirahalahy, hany ka nananontanona ny fankahalana. Tsapany fa diso ny fomba niheverana azy, fa tsy nankasitrahana ny toetrany mahatoky sy ny talentany. Jodasy no nasiaka indrindra tamin’ i Jakoba sy Jaona.IFM 693.1

    Rehefa niditra tao amin’ ny efitra ambony ny mpianatra, dia feno hatezerana ny fony. Nisisika akaiky an’ i Kristy eo amin’ ny ankavia i Jodasy ; Jaona kosa teo amin’ ny ankavanana. Raha nisy toerana ambony indrindra, dia tapa-kevitra i Jodasy haka izany, ary noheveriny fa ny akaiky an’ i Kristy io toerana io. Ary mpamadika i Jodasy.IFM 693.2

    Nisy anton-javatra hafa nahatonga fisarahana koa nitranga. Fomba tamin’ ny fanasana ny nisian’ ny mpanompo nanasa ny tongotry ny vahiny, ary efa nomanina izay zavatra ilaina ho amin’ izany asa izany tamin’ io fotoana io. Teo ny siny, ny koveta sy ny lamba famaohana, efa vonona ho amin’ ny fanasana tongotra ; tsy nisy mpanompo anefa teo ary anjaran’ ny mpianatra ny manatanteraka izany. Nefa samy nilefitra tamin’ ny hambom-pony voaratra ny mpianatra tsirairay ka nanapa-kevitra ny tsy hanao ny anjaran’ ny mpanompo. Samy niseho ho tsy nihontsona sy tsy niraika izy rehetra, toa tsy nahatsapa fa misy zavatra tokony hataon’ izy ireo. Ny fanginany no nentiny nandà ny hanetry tena.IFM 693.3

    Fomba ahoana no itondran’ i Kristy an’ ireto fanahy mahantra ireto ho eo amin’ ny toerana izay tsy hahazoan’ i Satana fandresena mazava aminy ? Ahoana no ahazoany maneho aminy fa tsy maha- tonga azy ho mpianatra ny filazany fotsiny ny maha-mpianatra azy, ka ahazoany antoka toerana ho azy any amin’ ny fanjakany ? Ahoana no ahazoany maneho fa fanompoana atao amim-pitiavana, fanetrentena marina no tena fahalehibeazana ? Ahoana no handrehetany fitiavana ao am-pony, ka hahatonga azy ireo hahazo izay iriny mafy holazaina aminy ?IFM 693.4

    Tsy nihetsika ny mpianatra handeha hifanompo. Niandry kely Jesosy ahitany izay hataon’ ireo. Dia Izy, Ilay Andriamanitra Mpampianatra, no nitsangana niala teo amin’ ny latabatra. Napetrany ny lambany izay mety hanakatsakana ny fihetsiny, dia nandray lamba famaohana Izy ka nisikina. Sady gaga no liana ny mpianatra nijery, ary niandry tamim-panginana hahitany izay hitranga manaraka. «Ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ ny lamba famaohana izay nisikinany». Nampihiratra ny mason’ ny mpianatra io fihetsika io. Henatra sy fietrena mangidy no nameno ny fony. Azony ny fanomezan-tsiny tsy niloaka, ka samy nahita ny tenany teo amin’ ny fahazavana vaovao izy rehetra.IFM 694.1

    Toy izany no nanehoan’ i Kristy ny fitiavany ny mpianany. Nameno alahelo ny fitiavany ny mpianany. Nameno alahelo ny fony ny toe-tsain’ izy ireo feno fitiavan-tena, nefa niditra hiady hevitra taminy Izy mikasika ny zava-manahirana azy ireo. Tsy izany fa nanome ohatra izay tsy hohadinoiny mihitsy Izy. Tsy mora nohelingelenina na mora ritra ny fitiavany. Fantany fa efa napetraky ny Ray teo am-pelatanany ny zavatra rehetra, ary avy amin’ Andriamanitra Izy, ary ho any amin’ Andriamanitra. Tsapany amin’ ny fomba feno ny maha-Andriamanitra Azy ; nefa efa napetrany ny satroboninahitra maha-Mpanjaka Azy sy ny fitafian’ andriana nanaovany, ka naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ny anankiray amin’ ny asany tamin’ ny fiainany teto an-tany, dia ny nisikina toy ny mpanompo, ka nanatanteraka ny asan’ ny mpanompo.IFM 694.2

    Talohan’ ny Paska i Jodasy dia nihaona fanindroany tamin’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka namarana ny fifanarahana fa hanolotra an’ i Jesosy ho eo am-pelatanany. Nefa avy eo dia nifangaro tamin’ ny mpianatra toy ny tsy manan-tsiny sy tsy nanao diso iny izy, ary liana dia liana amin’ ny asa fanomanana ny fanasana. Tsy nisy fantatry ny mpianatra ny mikasika ny fikasan’ i Jodasy. Jesosy irery no afaka namaky ny tsiambaratelony. Tsy nanala sarona azy anefa Jesosy. Nangetaheta ny fanahiny Jesosy. Enta-mavesatra toy ny ho an’ i Jerosalema fony Izy nitomany ho an’ ilay tanàna voaozona no tsapany ho an’ ny tenany. Niantsoantso ny fony nanao hoe: «Ahoana no ahafoizako anao ?» Tsapan’ i Jodasy ny hery manerin’ io fitiavana io. Raha sendra nanasa ireto tongotra maloto ny tanan’ ny Mpamonjy, ka namafa azy tamin’ ny lamba famaohana, dia nangitakitaka ihany ny fon’ i Jodasy ary voatosika teto sy teroa hiaiky ny helony. Tsy te-hanetry ny tenany izy anefa. Nanamafy ny fony tsy hibebaka izy ; koa nifehy azy indray ny fihetsehampo fahiny, izay navela fotoana fohy. Tafintohina izao i Jodasy noho ny fihetsik’ i Kristy nanasa ny tongotry ny mpianany. Raha afaka hanetry tena ambany toy izao Jesosy, hoy ny eritreriny, dia tsy afaka ho mpanjakan’ Isiraely Izy. Levona ny fanantenana rehetra ny amin’ izay ho voninahitr’ izao tontolo izao eo amin’ ny fanjakana ara-nofo. Resy lahatra i Jodasy fa tsy misy na inona na inona ho atao amin’ ny fanarahana an’ i Kristy. Rehefa nahita Azy nampidina ny tenany izy, araka ny fiheviny, dia niorina mafy ny fikasany handà Azy, ary hiaiky fa voafitaka ny tenany. Nanana demonia izy, ka nanapa-kevitra fa hanatanteraka ny asa efa nekeny hatao amin’ ny famadihana ny Tompony.IFM 694.3

    Raha nifidy ny toerany teo amin’ ny latabatra i Jodasy, dia niezaka ny nametraka ny tenany ho voalohany, koa izy no notompoin’ i Kristy voalohany amin’ ny maha-mpanompo Azy. Jaona, izay nahatsapan’ i Jodasy fangidiana be dia be, no navela ho farany. Nefa tsy noraisin’ i Jaona ho fanomezan-tsiny na ho fanaovana tsinontsinona izany. Raha nanara-maso ny fihetsik’ i Kristy ny mpianatra, dia voahetsika mafy. Rehefa tonga ny anjaran’ i Petera, dia niloabava izy sady gaga nanao hoe : «Tompoko, Ianao va hanasa ny tongotro?» Nahavaky ny fony ny fanetren-tenan’ i Kristy. Naharakotra henatra azy ny fiheverana fa tsy anankiray amin’ ny mpianatra no nanao io asa io. «lzay ataoko, hoy Kristy, dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay». Tsy zakan’ i Petera ny mahita ny Tompony, izay ninoany, manao ny anjara asan’ ny mpanompo. Nirongatra ny fanahiny manontolo nanohitra io fampietrena io. Tsy tsapany fa izany no nahatongavan’ i Kristy eto amin’ izao tontolo izao. Nanantitrantitra mafy izy niloa-bava hoe : «Sanatria raha hanasa ny tongotro hianao».IFM 695.1

    Tamin’ ny fomba manetriketrika no nitenenan’ i Kristy tamin’ i Petera hoe : «Raha tsy hosasako hianao, dia tsy hanana anjara Amiko. Ny fanompoana izay nolavin’ i Petera dia tandindon’ ny fanadiovana ambony kokoa. Tonga Kristy hanasa ny fo amin’ ny pentin’ ny faho- tana. Ny fandavan’ i Petera hamela an’ i Kristy hanasa ny tongony, dia fandavany fanadiovana ambony kokoa izay mahafaoka ny ambany kokoa. Tena nitsipaka marina ny Tompony izy. Tsy manala baraka ny Tompo ny famelana Azy hiasa ho amin’ ny fanadiovana antsika. Ny fanetren-tena tena marina indrindra dia ny mandray amin’ ny fo feno fankasitrahana izay rehetra nomaniny hahasoa antsika, ka manao fanompoana ho an’ i Kristy amin-kafanam-po.IFM 695.2

    Tamin’ ny teny hoe : «Raha tsy hosasako hianao, dia tsy hanana anjara Amiko», dia nampilefitra ny avonavony sy ny sitrapon’ ny tenany i Petera. Tsy zakany ny mieritreritra izany hisaraka amin’ i Kristy , midika fahafatesana ho azy izany. «Tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa. Fa hoy Jesosy taminy : Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany fa efa madio avokoa».IFM 696.1

    Mihoatra noho ny fahadiovana ara-nofo ny dikan’ ireo teny ireo. Miteny ihany Kristy ny amin’ ny fanadiovana ambony kokoa araka izay hasehon’ ny fanasana tongotra. Madio izay avy nandro, nefa vetivety dia tratry ny vovoka ny tongotra anaty kapa ka mila hosasana indray. Toy izany koa i Petera sy ny rahalahiny, efa nosasana tao amin’ ilay loharano lehibe novohana ho an’ ny fahotana sy ny tsy fahadiovana. Neken’ i Kristy ho azy ireo. Nitarika azy ho amin’ ny ratsy anefa ny fakam-panahy, ka mbola mila ny fahasoavany manadio izy ireo. Rehefa nisikina tamin’ ny lamba famaohana Jesosy mba hanasa ny vovoka amin’ ny tongony, dia niriny ny hanasa ny fihafahafana, ny fialonana sy ny avonavona tsy ho ao am-pony amin’ ny alalan’ io fihetsika io indrindra. Zavadehibe lavitra noho ny fanasana ny tongony feno vovoka no vokatr’ izany. Raha ny toe-tsaina nananany, dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ izy ireo, vonona ho amin’ ny fandraisana miaraka amin’ i Kristy. Raha tsy tonga eo amin’ ny toe-tsaina feno fanetren-tena sy fitiavana izy ireo, dia tsy vonona handray anjara amin’ ny fanasan’ ny Paska, na handray anjara amin’ ny fanompoam-pivavahana fahatsiarovana izay efa haorin’ i Kristy. Tsy maintsy hodiovina ny fony. Miteraka fisarahana sy fankahalana ny avonavona sy ny fitadiavana ny tombontsoan’ ny tena, nefa nosasan’ i Jesosy izany rehetra izany ka afaka tamin’ ny nanasany ny tongony. Nisy fiovana teo amin’ ny fihetseham-po. Nijery azy ireo Jesosy ka afaka nilaza hoe : «Madio hianareo». Nisy firaisana teo amin’ ny fo ankehitriny, nisy fifankatiavana. Nanjary nanetry tena sy azo nampianarina izy. Afa- i Jodasy, dia samy vonona avy izy, hanome ny toerana ambony indrindra ho an’ ny namany avy. Afaka mandray ny tenin’ i Kristy izy izao amin’ ny fo feno fileferana sy fankasitrahana.IFM 696.2

    Tahaka an’ i Petera sy ireo rahalahiny koa isika, dia efa nosasana tamin’ ny ran’ i Kristy, nefa matetika no voapentina ny fahadiovan’ ny fo amin’ ny fifampikasohana amin’ ny ratsy. Tsy maintsy manatona an’ i Kristy isika hodiovin’ ny fahasoavany. Nitakemotra i Petera mba tsy hifampikasoka amin’ ny tongony maloto ny tanan’ ny Mpampianatra Tompony ; nefa matetika manao ahoana isika no mampikasoka ny fontsika feno fahotana, maloto amin’ ny fon’ i Kristy. Mankarary Azy manao ahoana ny toetrantsika mora tezitra, ny fieboeboana sy ny avonavontsika. Tsy maintsy hoentina eo aminy anefa ny fahalementsika sy ny fahalotoantsika rehetra. Izy irery no afaka manasa antsika ho madio. Tsy vonona hiray Aminy isika raha tsy diovin’ ny heriny.IFM 697.1

    Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany : «ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra». Efa nanasa ny tongotr’ i Jodasy Izy, nefa tsy nilefitra taminy kosa ny fon’ i Jodasy, ka tsy nadio. Tsy nilefitra tamin’ i Kristy i Jodasy.IFM 697.2

    Rehefa nanasa ny tongotry ny mpianatra Kristy, dia nandray ny fitafiany ka nipetraka indray, dia hoy Izy taminy hoe : «hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny naniraka azy».IFM 697.3

    Tian’ i Kristy ho azon’ ny mpianatra fa na dia nanasa ny tongony aza Izy, dia tsy nanala ny voninahiny izany na dia kely akory aza. «Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho». Ny maha-ambony sy tsy hita fetra Azy no manome fahasoavana sy lanjany ny fanompoam-pivava-hana. Tsy nisy mihitsy nasandratra tahaka an’ i Kristy, nefa nidina hanao ny adidy ambany indrindra Izy. Mba tsy hahatonga ny olony ho diso lalana noho ny fitiavan-tena izay mitoetra ao amin’ ny fo ara-nofo, ary izay mitombo hery amin’ ny fanompoana ny izaho, dia Kristy mihitsy no nanome ohatry ny fanetren-tena. Tsy tiany avela ho andraikitr’ olona io zava-dehibe io. Noheveriny ho zavatra misy vokany be indrindra izany, hany ka ny tenany mihitsy, Izay iray amin’ Andriamanitra no nanao ny asan’ ny mpanompo ho an’ ny mpianany. Raha mbola niady ny toerana ambony indrindra izy ireo, Ilay tokony handohalehin’ ny lohalika rehetra, Ilay raisin’ ny anjelin’ ny voninahitra ho voninahitra ny manompo Azy, Izy no niondrika ka nanasa ny tongotr’ ireo izay niantso Azy hoe Tompo. Nanasa ny tongotry ny mpamadika Azy koa Izy.IFM 697.4

    Teo amin’ ny fiainany sy ny lesona nataony Kristy dia nanome ohatra tonga lafatra ny amin’ ny fanompoana tsy mihevitra ny «izaho», izay Andriamanitra no iaviany. Tsy nivelona ho an’ ny tenany Andriamanitra. Ny nanorenany an’ izao tontolo izao, sy ny itazonany ny zavatra rehetra, dia iasany tsy an-kijanona ho an’ ny hafa. «Fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina» 3Mat. 5 : 45. Nankinin’ Andriamanitra tamin’ ny Zanany io tarigetran’ ny asa fanompoana io. Nomena Jesosy mba hijoro ho filohan’ ny mahaolombelona, mba hahazoany mampianatra ny atao hoe manompo amin’ ny alalan’ ny ohatra nomeny. Teo ambanin’ ny lalàn’ ny fanompoana ny fiainany manontolo. Nanompo ny rehetra Izy, niasa ho an’ ny rehetra. Toy izany no nivelomany ny lalàn’ Andriamanitra, ary nasehony tamin’ ny ohatra nomeny ny fomba tokony hankatoavantsika izany.IFM 698.1

    Efa niverimberina Jesosy niezaka ny hampiorina io foto-kevitra io teo anivon’ ny mpianany. Rehefa nangataka ny ho voalohany Jakoba sy Jaona, dia hoy Izy : «Fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo» 4Mat. 20 : 26. Ao amin’ ny fanjakako dia tsy mba manan-karena ny foto-kevitry ny fiangarana sy ny hery ambonin’ ny hafa. Ny hany fahalehibeazana dia ny fahalehibeazan’ ny fanetren-tena. Eo amin’ ny hafanam-po hanompo ny hafa no ahitana ny hany famp ihavanana.IFM 698.2

    Ankehitriny, rehefa nanasa ny tongotry ny mpianany Izy dia nanao hoe : «Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo». Tsy namporisika ny fomba eo amin’ ny fandraisam-bahiny fotsiny Jesosy tamin’ izany teny izany. Mihoatra noho ny fanalana ny vovoka eny an-dalana no dikan’ ny fanasana ny tongotry ny vahiny. Fanompoam-pivavahana no naorin’ i Kristy teto. Noho ny fihetsiky ny Tompo dia nanjary fanompoam- pivavahana masina io fomba mampietry io. Tokony harahin’ ny mpianatra izany, mba ahazoany mitahiry mandrakariva ao antsaina ny leson’ ny fanetren-tena sy ny fanompoana nomeny.IFM 698.3

    Io fanompoam-pivavahana nomen’ i Kristy io no fiomanana notendreny ho amin’ ny fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo. Raha ankamamiana ny fireharehana, ny fihafahafana sy ny adi-lahy, dia tsy afaka hiditra hiara-dia amin’ i Kristy ny fo. Tsy voaomana handray ny firaisana amin’ ny tenany sy ny rany isika. Izany ary no mahatonga an’ i Jesosy hanendry ny hanarahana an’ io fahatsiarovana ny fanetren-tenany io aloha.IFM 699.1

    Rehefa tonga eo amin’ io fanompoam-pivavahana io ny zanak’ Andriamanitra dia tokony ho tsaroany ny tenin’ ny Tompon’ ny aina sy ny voninahitra manao hoe : «Fantatrareo va izay nataoko taminareo ? Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany». Misy fironana ao amin’ ny olona hihevitra ny tenany ho ambony noho ny rahalahiny, hiasa ho an’ ny tenany, hitady ny toerana ambony indrindra ;ary matetika no miteraka fiheveran-dratsy sy fangidiana eo amin’ ny toe-tsaina izany. Ny fanompoam-pivavahana mialoha ny fanasan’ ny Tompo, dia natao mba hampisava ireny zavatra tsy mazava ireny, hitarika ny olona hiala amin’ ny fitiavan-tenany, hidina avy amin’ ny tongokazon’ ny fanandratan-tenany, ho amin’ ny fietren’ ny fo izay hitarika azy hanompo ny rahalahiny.IFM 699.2

    Ilay masina manara-maso avy any an-danitra amin’ izay dia manatrika amin’ io fotoana io mba hahatonga izany ho fandinihana ny fanahy, ho faharesen-dahatra ny amin’ ny fanahy sy ho toky feno fitahiana fa voavela ny fahotana. Eo Kristy amin’ ny fahafenoan’ ny fahasoavany mba hanova ny fizotry ny eritreritra izay mjkoriana amin’ ny fantsona misy ny «izaho». Manome aina ny fahatsapan’ ireo izay manaraka ny Tompony ny Fanahy Masina. Rehefa tsaroana ny fietren’ ny Mpamonjy ho antsika, dia mifampitohitohy ny eritreritra ; manao tohi-vakana ny fahatsiarovana, dia ireo fahatsiarovana ny fahatsaran’ Andriamanitra lehibe ary ny fankasitrahana sy ny fitiavan’ ny namana aman-tsakaiza eto an-tany. Miverina ao an-tsaina ny fitahiana nohadinoina, ny famindrampo nampiasaina tafahoatra, ny halemem-panahy natao an-tsirambina. Manjary mazava ny fakan’ ny fangidiana izay nifanizina tamin’ ny zava-maniry sarobidin’ ny saina. Ny lafin-toetra ratsy, ny an-tsirambina eo amin’ ny adidy aman’ andraikitra, ny tsy fankasitrahana an’ Andriamanitra, ny fangatsiahana amin’ ny rahalahintsika, dia mitambelona ao an-tsaina. Hita eo amin’ ny fanazavana fahitan’ Andriamanitra azy ny fahotana. Tsy fandokadokafan-tena ny eritreritsika, fa faniniana hentitra ny «izaho» sy fanetren-tena. Mahazo hery ny saina handrodana ny fefy rehetra izay nahatonga fisaratsarahana. Avela ny fiheveran-dratsy sy ny fitenenan-dratsy. Ekena ny fahotana ka voavela. Niditra ao amin’ ny fanahy ny fahasoavan’ i Kristy mamabo, ary mitarika ny fo hikambana eo amin’ ny firaisana feno fitahiana ny fitiavan’ i Kristy.IFM 699.3

    Rehefa ianarana toy izany ny leson’ ny fanompoam-pivavahana fiomanana, dia mifoha ho amin’ ny fiainana ara-panahy ambony kokoa ny faniriana. Hamaly io faniriana io Ilay Andriamanitra vavolombelona. Hasandratra ny fanahy. Azontsika atao ny handray anjara amin’ ny fandraisana amin’ ny fahatsapana fa voavela ny fahotana. Hameno ny efitry ny saina sy ny tempolin’ ny fanahy ny tana-masoandron’ ny fahamarinan’ i Kristy. Mibanjina ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra isika, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»5Joana. 1 : 29.IFM 700.1

    Ho an’ izay mandray ny toe-tsain’ io fanompoana io, dia tsy mety ho fanompoam-pivavahana tsotra mihitsy izany. Fampianarana toy izao mandrakariva no asehon’ izany : «Mifanompoa amin’ ny fitiavana». Tamin’ ny nanasan’ i Kristy ny tongotry ny mpianany no nanehoan’ i Kristy mazava fa tiany ny hanao ny asa fanompoana rehetra, na dia ambany toy inona aza, izay ahatonga azy ho mpiaramandova Aminy ny harena mandrakizay ao amin’ ny tahirin’ ny lanitra. Manome toky toy izany koa ny mpianany, amin’ ny fanatanterahana io fomba io, fa hanompo ny rahalahiny. Na aiza na aiza ankalazana io fanompoam-pivavahana io araka ny tokony ho izy, dia miditra amin’ ny fifandraisana masina ny zanak’ Andriamanitra, mba hifanampy sy hifampitahy. Mivoady izy fa hatokana ho amin’ ny fanompoana tsy hiheverana ny «izaho» ny fiainana. Ary tsy ho an’ izy samy izy fotsiny. Midadasika tahaka ny an’ ny Tompony ny saha fiasany. Feno olona mila ny fanompoantsika izao tontolo izao. Hatraiza hatraiza ny mahantra, ny malemy, ny tsy manampahalalana. Handeha hanompo toy izay nataony koa ireo izay niaranandray tamin’ i Kristy.IFM 700.2

    Tonga ho mpanompon’ ny rehetra Jesosy, Ilay notompoin’ ny rehetra. Koa satria manompo ny rehetra Izy, dia mbola hotompoina sy hajain’ ny rehetra indray. Koa izay te handray anjara amin’ ny toetra maha-Andriamanitra Azy, ka hiara mizara Aminy ny fifaliana mahita ny fanahy voavotra, dia tsy maintsy manaraka ny ohatry ny fanompoana tsy mihevitra ny «izaho» nasehony.IFM 701.1

    Izany toetra izany dia voafoaka ao amin’ ny tenin’ i Jesosy hoe : «Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo». Izany no anton’ ny fanompoam-pivavahana naoriny. Koa hoy Izy : «Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo raha manao izany».IFM 701.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents