Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 57—Diso zavatra iray loha hianao

    «Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe : Mpampianatra tsara Ò, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay ?» 1Mifototra amin’ ny Matio 19 : 16-22 ; Marka 10 : 17-22 ; Lioka 18 : 18-23 ity toko ity.IFM 553.1

    Mpanapaka ilay tovolahy nametraka io fanontaniana io, nanana fananana be izy, ary nitana toerana be andraikitra. Nahita ny fitiavana izay nasehon’ i Kristy tamin’ ny zaza nentina teo Aminy izy ; hitany ny fomba feno fitiavana nandraisany azy ireo sy ny nitrotroany azy, ka nifoha tao am-pony ny fitiavana ny Mpamonjy. Nahatsapa faniriana ny ho mpianany izy. Voatohina lalina izy raha nandeha nanohy ny diany Jesosy, ka nihazakazaka nanaraka Azy, nandohalika teo an-tongony ary nametraka tamin’ ny fony tokoa sy tamin-kafanam-po ilay fanontaniana lehibe indrindra ho an’ ny fanahin’ ny olombelona rehetra manao hoe : «Mpampianatra tsara Ò, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay ?»IFM 553.2

    «Nahoana aho no ataonao hoe tsara? hoy Kristy. Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra». Naniry ny hisedra ny tena fahatsoram-pony Jesosy, ka hisarika azy hiala amin’ ny fomba fiheverany Azy ho tsara. Tsapany ve fa Zanak’ Andriamanitra Ilay nitenenany ? Inona no tena zavatra tsapany tao am-pony ?IFM 553.3

    Nanombana ambony dia ambony ny fahamarinan’ ny tenany ity mpanapaka ity. Tsy nihevitra marina tokoa izy fa nisy banga teo aminy na tamin’ ny lafiny inona, na tamin’ ny lafiny inona, nefa mbola tsy afa-po koa izy. Tsapany fa misy zavatra tsy ananany izay iriny. Moa ve tsy afaka hitahy azy Jesosy, tahaka ny nitahiany ny zaza madinika, ka hanome fahafaham-po izay irin’ ny fanahiny ?IFM 553.4

    Ho valin’ izany fanontaniana izany dia nambaran’ i Jesosy azy fa ilaina ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra raha-te hahazo fiainana mandrakizay izy ; dia nilaza didy maro Izy izay nampiseho ny adidin’ ny olona amin’ ny namany. Eny no valintenin’ ilay mpanapaka : «Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony mbola kely. Fa inona no tsy mahatanteraka ahy ?»IFM 554.1

    Nijery ny endrik’ ilay tovolahy Jesosy, tahaka ny namaky ny tao amin’ ny fiainany sy nandinika ny toetra amam-panahiny. Tia azy Izy, ary hetaheta tao Aminy ny hanome azy ilay fiadanana sy fahasoavana ary fifaliana izay hanova marina tokoa ny toetra amam-panahiny. «Diso zavatra ilay loha hianao, hoy Izy ; mandehana amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao, ary avia hanaraka Ahy» 2Marka. 10 : 21.IFM 554.2

    Voasarika ho eo amin’ io tovolahy io Kristy. Fantany fa tamin’ ny fony tokoa no nanantitranterany ny hoe : «izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola zaza». Nirin’ ny Mpanavotra mafy ny hamorona ao am-pony ny fahazavan-tsaina izay ahazoany mahita ny ilan’ ny fo ny fitiavam-bavaka marina sy toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Niriny mafy ny hahita azy manana fo torotoro sy manetry tena, mahatsapa marina ny fitiavana ambony indrindra tokony homena an’ Andriamanitra, ka hanafina ny banga ao aminy ao amin’ ny fahatanterahan’ i Kristy.IFM 554.3

    Hitan’ i Jesosy teo amin’ io mpanapaka io ny fanampiana nilainy indrindra raha nety ho tonga mpiara-miasa Aminy eo amin’ ny asa famonjena ilay tovolahy. Raha nametraka ny tenany ho eo ambanin’ ny fitarihan’ i Kristy izy, dia ho tonga hery ho an’ ny tsara. Nety ho nampiseho an’ i Kristy tamin’ ny fomba manokana ilay mpanapaka; manana fahaizana izy, izay raha nampiraisina tamin’ ny Mpamonjy, dia ho nahatonga azy ho herin’ Andriamanitra teo anivon’ ny olona. Raha nahita ny tao amin’ ny toetra amampanahiny Kristy, dia tia azy. Nifoha tao am-pon’ ilay mpanapaka ny fitiavana. Nirin’ i Jesosy mafy ny hahita azy ho mpiara-miasa Aminy. Niriny tokoa ny hahatonga azy ho tahaka ny tenany, ho fitaratra izay hitarafana ny fitoviana amin’ Andriamanitra. Niriny mafy ny hampivelatra ny hatsarana ambony indrindra eo amin’ ny toetra amam-panahiny, ka hanamasina izany mba hampiasain’ ny Tompo. Raha nanolotra ny tenany ho an’ i Kristy ilay mpanapaka, dia ho nitombo teo amin’ ny rivo-piainan’ ny fanatrehany izy. Raha nisafidy izany izy, dia ho samihafa manao ahoana ny ho aviny.IFM 554.4

    «Diso zavatra iray loha hianao», hoy Jesosy. «Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo — dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy». Novakian’ i Jesosy ny tao am-pon’ ilay mpanapaka. Diso zavatra iray loha fotsiny azy, nefa foto-kevitra iankinan’ ny aina izany. Nila ny fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ ny fanahy izy. Io banga io, raha tsy fenoina, dia hitera-doza ho azy ; ho simba ny tenany manontolo. Hahazo hery ny fitiavan-tena amin’ ny alalan’ ny fampanaranam-po ny tena. Mba handraisany ny fitiavana an’ Andriamanitra, dia tsy maintsy hampileferina ny fitiavany ny izaho.IFM 555.1

    Nisedra io olona io Kristy. Niantso azy Izy hisafidy amin’ ny harenan’ ny lanitra sy ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao. Azo antoka ho azy ny harenan’ ny lanitra raha nanaraka an’ i Jesosy izy. Tsy maintsy milefitra anefa ny «izaho» ; tsy maintsy homena hofehezin’ i Kristy ny sitrapony. Ny fahamarinan’ Andriamanitra mihitsy no natolotra ilay tovolahy mpanapaka. Nanana ny tombontsoa ho tonga zanak’ Andriamanitra izy, sy ho mpiray lova amin’ i Kristy ny amin’ ny harenan’ ny lanitra. Nefa tsy maintsy mandray ny hazo fijaliana izy, ka manaraka ny Mpamonjy eo amin’ ny lalan’ ny fahafoizan-tena.IFM 555.2

    Ny tenin’ i Kristy tamin’ ilay mpanapaka dia tena ilay fiantsoana manao hoe tokoa : «Fidionareo anio izay hotompoinareo»3.. Navela ho azy ny safidy. Naniry mafy ny fiovam-pony Jesosy. Efa nasehony azy ny faritra marary eo amin’ ny toetra amam-panahiny ka liana dia liana izy nanara-maso izay ho vokany raha mandanjalanja ny fanontaniana ilay tovolahy. Raha nanapa-kevitra ny hanaraka an’ i Kristy izy, dia tsy maintsy mankatò ny teniny amin’ ny zavatra rehetra. Tsy maintsy miala amin’ ny fikasany feno hambom-po izy. Faniriana mafana sy feno tebiteby manao ahoana, hetahetampanahy manao ahoana no teo amin’ ny fijerin’ ny Mpamonjy ilay tovolahy nantenaina fa hanaiky ny antson’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Ny fepetra nataon’ i Kristy no hany nilaina mba hametrahana ilay mpanapaka eo amin’ izay ahazoany manantanteraka toetra amam-panahy kristiana. Tenim-pahendrena ny teniny, na dia toa henjana sy tafahoatra aza. Ny fanekena sy ny fankatoavana izany no hany fanantenam-pamonjena ho an’ ilay mpanapaka. Ny toerana ambony nisy azy sy ny fananany dia samy nanao asa mangina sy miafina mitarika ho eo amin’ ny ratsy teo amin’ ny toetra amampanahiny. Raha ankafiziny izany, dia haka ny toeran’ Andriamanitra ao amin’ ny fitiavany. Ny fandavana ny kely na ny betsaka izay avy amin’ Andriamanitra, dia fihazonana izay mety hampihena ny heriny sy ny fahombiazany eo amin’ ny fitondran-tena ; raha ankafizina ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao, na dia tsy azo antoka sy tsy mendrika aza izany, dia haharevo tanteraka.IFM 555.3

    Takatr’ ilay mpanapaka haingana izay rehetra voafono tao amin’ ny tenin’ i Kristy, ka nalahelo izy. Raha tsapany ny tombambidin’ ny fanomezana natolotr’ azy, dia ho niditra haingana ho anankiray amin’ ny mpanaraka an’ i Kristy izy. Anisan’ ny Synedriona manan-kaja teo amin’ ny Jiosy izy, ary naka fanahy azy i Satana tamin’ ny fanehoana ny ho avy mandokadoka azy. Niriny ny harenan’ ny lanitra, nefa niriny koa ny tombon-tsoa ara-nofo izay mety hoentin’ ny harenany ho azy. Nampalahelo azy ny fisian’ izany fepetra izany ; naniry ny fiainana mandrakizay izy, nefa tsy vonona ny hanao ny fandavan-tena takian’ izany . Toa lehibe loatra ho azy ny vidin’ ny fiainana mandrakizay, ka niala tamin’ alahelo izy, «satria nanana fananana be».IFM 556.1

    Ny fihamboany fa nitandrina ny lalàn’ Andriamanitra izy dia famitahan-tena. Nasehony fa ny harenany no sampiny. Tsy afaka nitandrina ny didin’ Andriamanitra izy raha mbola izao tontolo izao no voalohan-daharana eo amin’ ny fitiavany.IFM 556.2

    Tiany noho Ilay Mpanome ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Efa natolotr’ i Kristy an’ ilay tovolahy ny ho mpiara-dia Aminy. «Manaraha Ahy» hoy Izy. Nefa ho azy ny Mpamonjy dia tsy sarobidy toy ny voninahiny teo anivon’ ny olona, na ny fananany. Fanaovana vy very be loatra izany hahafoy ny harena eto an-tany, harena izay hita, mba hahazoana ny harena any an-danitra izay tsy hita. Nolaviny ny fanomezana ny fiainana mandrakizay, ka niala izy, ary hatramin’ izay dia izao tontolo izao ihany no nivavahany.IFM 556.3

    An’ arivony no mandalo io fitsapana mahamay io, misalasala na hifidy an’ i Kristy na izao tontolo izao ; maro no mifidy an’ izao tontolo izao. Tahaka ilay tovolahy mpanapaka, dia miala amin’ ny Mpamonjy izy ka milaza ao am-pony hoe tsy ho mpitarika ahy io olona io.IFM 556.4

    Ny fifandraisan’ i Kristy amin’ ilay tovolahy dia aseho toy ny lesona azo tsapain-tanana. Nomen’ Andriamanitra antsika ny fitsipi-pitondrantena izay tsy maintsy harahin’ ny mpanompony tsirairay. Fankatoavana ny lalàny izany. Tsy fankatoavana amin’ ny maha-lalàna azy fotsiny, fa fankatoavana izay miditra ao amin’ ny fiainana, ary hiainana sy haseho eo amin’ ny toetra amam-panahy. Napetrak’ Andriamanitra ny tarigetran’ ny toetra amam-panahiny ho an’ izay rehetra te-ho anisan’ ny fanjakany. Izay ho tonga mpiara-miasa amin’ i Kristy ihany, izay hiteny ihany hoe : Tompo ò, izay rehetra ahy, izay rehetra maha-izy ahy dia Anao, ireo ihany no hoekena ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Tokony hoheverin’ ny rehetra ny dikan’ ny hoe : maniry ny lanitra, ary nefa miodina miala noho ny fepetra mipetraka. Hevero ny dikan’ ny hoe manao «tsia» amin’ i Kristy. Hoy ilay mpanapaka: Tsia, tsy afaka hanome ny zavatra rehetra Anao aho. Milaza izany koa ve isika ? Manolotra ny hizara amintsika ny asa efa nomen’ Andriamanitra hataontsika ny Mpamonjy. Manolotra antsika ny hampiasa ny fitaovana nomen’ Andriamanitra antsika Izy, hampandroso ny asany eo amin’ izao tontolo izao. Amin’ izany fomba izany ihany no mahavonjy antsika.IFM 557.1

    Ny fananan’ ilay mpanapaka dia nankinina taminy mba hahazoany maneho ny tenany ho mpitandrina fananana mahatoky ; tokony handany ireo harena ireo mba ho fitahiana ny sahirana izy. Toy izany koa ankehitriny nanankinan’ Andriamanitra fitaovana ny olona, talenta sy fotoana mety, mba hahazoany ho tonga fiasana ho Azy amin’ ny fanampiana ny mahantra sy ny mijaly. Izay mampiasa ny fanomezana nankinina taminy araka izay notendren’ Andriamanitra, dia manjary mpiara-miasa amin’ ny Mpamonjy. Mahazo fanahy ho an’ i Kristy izy, satria maneho ny toetra amampanahiny.IFM 557.2

    Izay tahaka ilay tovolahy mpanapaka manana toerana ambony nametrahana fitokisana. sy manana fananana be, dia mety mahita fa lehibe loatra ny fandavan-tena amin’ ny fahafoizana ny zavatra rehetra mba hanarahana an’ i Kristy. Izany anefa no fitsipi-pitondrantena ho an’ izay rehetra te-ho mpianany. Tsy misy mahasolo mihitsy ny fankatoavana. Ny fampileferana ny «izaho» no votoatin’ ny fampianaran’ i Kristy. Matetika izany no aseho sy baikoina amin’ ny teny toa henjana, satria tsy misy fomba hamonjena ny olona afa-tsy ny fanapahana ny zavatra izay hampitotongana ny tenany manontolo raha kolokoloina.IFM 557.3

    Rehefa averin’ ny mpanaraka an’ i Kristy amin’ ny Tompo izay azy, dia manangona harena izay homena ho an’ ny tenany izy rehefa handre ny teny hoe : «Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky . . . midira amin’ ny fifalian’ ny Tomponao». Izay niaritra ny hazo fijaliana mba hahazoany ny fifaliana mipetraka eo anoloany, dia efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra»4Mat. 25 : 23; Heb. 12 : 2. Ny fifaliana mahita fanahy voavotra, fanahy voavonjy mandrakizay, no valisoa ho an’ izay rehetra mametraka ny tongony eo amin’ ny dia tongotr’ Ilay nilaza hoe : «Manaraha Ahy».IFM 558.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents