Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 43—Fefy narodana

    Rehefa avy nifanehatra tamin’ ny Fariseo Jesosy, dia niala tao Kapernaomy Izy ka namakivaky an’ i Galilia ary nankany amin’ ny havoana teo amin’ ny sisin-tanin’ i Foinika. Raha nitodika niankandrefana Izy dia afaka nahita ireo tanàna tranainin’ i Tyro sy Sidona, mivelatra eo amin’ ny lohasaha eo ambany, misy ireo tempolin’ ny fanompoan-tsampy, ireo lapa fatratra dia fatratra sy ireo tsena fivarotana, ary ireo seranana feno sambo miantsona. Andafin’ izany ny ranomasina manga midadasik’ i Mediteranea, izay notetezin’ ny mpitondra hafatry ny Filazantsara mba hitondrana ny vaovao mahafaly ho any amin’ ny foiben’ ny fanjakana lehibe eto amin’ izao tontolo izao. Tsy mbola tonga anefa ny fotoana. Ny asa manoloana Azy izao dia ny manomana ny mpianany ho amin’ ny asa nanirahana azy. Raha nankeo amin’ io faritra io Izy dia nanantena ny hahita fialan-tsasatra izay tsy azony tany Betesda. Tsy izany ihany anefa no nokendreny tamin’ ny nanaovany io dia io.IFM 425.1

    «Indro nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe : Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ò ! ny zanako-vavy ampahorian’ ny demonia loatra»1Mifototra amin’ ny Mat. 15 : 21-28 ; Mar. 7 : 24-36. Taranaky ny Kananita fahiny ny mponina tao amin’ io faritany io. Nanompo sampy izy ireo ka nozimbazimbain’ ny Jiosy sy nankahalainy. Anisan’ io antokon’ olona io ilay vehivavy tonga nanatona an’ i Jesosy. Jentilisa izy io, koa noho izany dia tsy nahazo ny tombon-tsoa niriariavan’ ny Jiosy isan’ andro. Betsaka ny Jiosy no nipetraka niaraka tamin’ ny Foinikiana, ka tonga tao amin’ io faritra io ny vaovao momba ny asan’ i Kristy. Nisy olona efa nihaino ny teniny sy efa nanatri-maso ny asa mahagaga nataony. Efa nandre ny amin’ ilay mpaminany ity vehivavy ity, izay nanasitrana ny karazan’ aretina rehetra, araka ny nambara. Raha nandre ny amin’ ny heriny izy, dia nifoha ny fanantenana tao am-pony. Ny fitiavan’ ny reny no nanainga azy, ka tapa-kevitra izy hitondra ny manjo ny zanani-vavy eo Aminy. Fikasana hentitra ny azy ny hitondra ny fahoriany eo amin’ i Jesosy. Tsy maintsy manasitrana ny zanany Izy. Efa nitady fanampiana tamin’ ireo andriamanitra jentilisa izy, nefa tsy nahazo fanasitranana, ary indraindray dia voan’ ny fakam-panahy hihevitra hoe : Inona moa no azon’ ity mpampianatra Jiosy ity atao ho ahy ? Tonga anefa ny teny manao hoe : manasitrana ny aretina rehetra Izy, na nanankarena na nahantra izay tonga nitady fanampiana teo Aminy. Tapa-kevitra izy tsy hanary ny hany fanantenana ho azy.IFM 425.2

    Fantatr’ i Kristy ny toerana nisy an’ ity vehivavy ity. Fantany fa naniry mafy ny hahita Azy izy, ka nankeo amin’ ny lalany. Raha namonjy azy tamin’ ny fahoriany Izy dia azony atao ny hanome azy lesona amin’ ny alalan’ ny ohatra velona izay efa nokasainy hampianarina azy rahateo. Noho izany antony izany no nitondrany ny mpianany eo amin’ io faritra io. Tiany ho hitan’ izy ireo ny tsy fahalalana misy eo amin’ ny tanàn-dehibe sy vohitra akaiky ny tanin’ Isiraely. Ny vahoaka izay nomena ny fotoana mety ahazoana ny fahamarinana, dia tsy nanana fahalalana ny amin’ ny fahorian’ ireo nanodidina azy. Tsy nisy ezaka natao mba hanampiana ny fanahy tao amin’ ny haizina. Ilay rindrina fampisarahana izay natsangan’ ny avonavon’ ny Jiosy, dia nanakana na dia ny mpianatra aza tsy hahatsapa fangorahana an’ izao tontolo izao jentilisa. Nefa tsy maintsy harodana ireny fefy ireny.IFM 426.1

    Tsy namaly avy hatrany ny fangatahan’ ilay vehivavy Kristy. Noraisiny tahaka ny ho nataon’ ny Jiosy taminy ity solontenan’ ny firazanan’ olona nozimbazimbainy ity. Nataony izany mba ho tafalatsaka tao am-pon’ ny mpianatra ny fomba mangatsiaka sady tsy antra izay nandraisan’ ny Jiosy ny toy izany, araka izay nasehon’ ny taratra tamin’ ny fomba nandraisany an-dravehivavy, sy ny fomba feno fangorahana tiany hifandraisan’ izy ireo amin’ ny fahoriana toy izao, araka izay nasehony mazava tamin’ ny famaliany ny fangatahany nanaraka an’ izany.IFM 426.2

    Nefa na dia tsy namaly aza Jesosy dia tsy nanary ny finoany ravchivavy. Raha nanohy ny diany Izy, toy ny tsy nandre azy, dia mbola narahiny ihany sady notohizany ny fitalahoany. Sorena tamin’ ny fanelingelenana nataony ny mpianatra ka nangataka an’ i Jesosy handroaka azy. Hitany fa tsy niraika taminy ny Tompony koa noheveriny fa nahafinaritra Azy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy momba ny Kananita. Mpamonjy mangoraka anefa no nanaovan’ ilay vehivavy ny fiangaviany, ary ho setrin’ ny fangatahan’ ny mpianatra, dia namaly Jesosy hoe : «Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely». Na dia toa mifanaraka amin’ ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy aza izany valinteny izany, dia nirakitra fanomezan-tsiny ho an’ ny mpianatra izay azon’ izy ireo tatỳ aoriana, satria nampahatsiaro azy izay efa nolazain’ i Jesosy imbetsaka, — fa tonga teto amin’ izao tontolo izao Izy hamonjy izay rehetra mety manaiky Azy.IFM 426.3

    Noantitranterin-dravehivavy ny momba azy ary nitombo ny fiangaviany ; nandohalika teo an-tongotr’ i Kristy izy, ka niantsoantso hoe : «Tompoko Ô, vonjeo aho». Toa mbola nandà ny fiangaviany ihany Jesosy, araka ny hevitra tsy nisy indrafo nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy, ka namaly Izy hoe : «Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely». Fanantitranterana ekena amin’ izao izany fa tsy mety ny manobatoba foana ny fitahiana nentina ho an’ ny vahoaka manatombo fitia amin’ Andriamanitra, ka manome izany ho an’ ny olon-kafa sy ny vahiny amin’ Isiraely. Mety hahakivy tanteraka ny mpikatsaka fitahiana tsy marisi-po kokoa izany valinteny izany. Hitan-dravehivavy anefa fa tonga ny fotoana mety ho azy. Tao ambadiky ny toa fandavana nataon’ i Jesosy, dia nahitany fangorahana tsy hain’ i Jesosy nafenina. «Marina izany, Tompoko», hoy ny navaliny, «fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombitsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany». Rehefa misakafo eo ambonin’ ny latabatry ny rainy ny zanaka ao amin’ ny ankohonana, na dia ny amboakely aza tsy avela tsy hahazo ny anjarany. Anjarany ny sombintsombiny milatsaka avy amin’ ny latabatra be sakafo. Toy izany koa, betsaka ny fitahiana nomena an’ Isiraely, koa tsy hisy koa ve fitahiana ho azy ? Nihevitra ny tenany ho toy ny amboakely izy, koa moa ve tsy fitakian’ ny amboakely no nataony, mangataka sombintsombiny amin’ ny halemem-panahiny ?IFM 427.1

    Vao nandao ny saha niasany Jesosy satria nifofo ny ainy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Nimonomonona sy nitaraina ireo. Naneho tsy finoana sy ngidim-po izy, ary nandà ny famonjena maimaimpoana natolotra toy izao ho azy. Teto Kristy dia nihaona tamin’ ny olona iray avy tamin’ ny taranaka mahantra sy nozimba- zimbaina, izay tsy mahazo tombom-pitia tamin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra nefa nilefitra avy hatrany tamin’ ny herin’ i Kristy miasa mangina izy, ka nanana finoana amin’ izao ny amin’ ny fahaizany manolotra ny tombon-tsoa angatahiny. Nangataka ny sombintsombiny izay milatsaka avy amin’ ny latabatry ny Tompo izy. Raha mba mety manana ny tombon-tsoan’ ny amboakely izy, dia vonona horaisina ho toy ny amboakely. Tsy nisy hevitra nibahana tao an-tsainy momba ny fireneny na ny fivavahany na ny zavatra ireharehany hiasa mangina amin’ r.y fihetsiny, koa nekeny avy hatrany fa Jesosy no Mpanavotra, ary afaka manao izay rehetra angatahiny Aminy.IFM 427.2

    Afa-po ny Mpamonjy. Nozahany toetra io finoana io. Tamin’ ny fifandraisany taminy, dia nasehony fa izay noheveriny ho lavin’ ny fiaraha-monina tsy ho ao Isiraely dia tsy vahiny intsony, fa zanaka ao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra. Amin’ ny maha-zanaka azy dia tombon-tsoany ny mandray anjara amin’ ny fanomezan’ ny Ray. Manatanteraka ny fangatahany izao Jesosy ary mamita ny lesona ho an’ ny mpianatra. Nitodika taminy tamin’ ny fijery feno fangorahana sy fitiavana Izy, ka hoy Izy hoe : «Ravehivavy, lehibe ny finoanao ; tongava aminao araka izay irinao». Dia sitrana ny zanani-vavy tamin’ izay ora izay. Tsy nampahory azy intsony ny demonia. Lasa ravehivavy, nankasitraka ny Mpamonjy azy, ary sambatra satria notanterahiny ny fivavahany.IFM 428.1

    Io ihany no fahagagana nataon’ i Jesosy tamin’ iny diany iny. Hanao an’ io asa io no nankanesany teo amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona. Naniry ny hanamaivana ny fahorian-dravehivavy Izy, ary miaraka amin’ izany, ny hamela ohatra amin’ ny asam-pamindrampo nataony amin’ ny olona izay avy ao amin’ ny vahoaka natao tsinontsinona, mba hahasoa ny mpianany rehefa tsy ho eo aminy intsony Izy. Niriny ny hitarika azy hiala amin’ ny fitokantokanan’ ny Jiosy ka ho liana amin’ ny asa ho an’ ny hafa ankoatry ny vahoaka misy azy.IFM 428.2

    Nirin’ i Jesosy mafy ny hamelatra ireo zava-miafina lalina ao amin’ ny fahamarinana izay efa nafenina nandritra ny taona maro, dia ny amin’ ny jentilisa ho tonga mpiray lova amin’ ny Jiosy sy ho «mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny filazantsara»2Efes. 3 : 6. Niadam-pandray an’ io fahamarinana io ny Jiosy, koa lesona hanampy lesona no nomen’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra azy. Tamin’ ny namaliany soa ilay kapiteny tany Kapernaomy sy ny nitoriany ny filazantsara tamin’ ny mponina tao Sykara, dia efa nanome porofo mazava Izy fa tsy mandray anjara amin’ ny tsy fahaizan’ ny Jiosy mandefitra. Nanana fahalalana ny amin’ Andriamanitra ihany anefa ny Samaritana, ary ilay kapiteny dia nampiseho fahalemem-panahy tamin’ Isiraely. Ankehitriny dia nentin’ i Jesosy ny mpianatra hifandray amin’ ny jentilisa, izay noheverin’ izy ireo fa tsy manana intsony mihoatra noho ny olon-kafa ao amin’ ny vahoaka misy azy, hanantenany tombom-pitia Aminy. Tiany ny manome ohatra ny amin’ ny fomba tokony handraisana ny olona toy izany. Nihevitra ny mpianatra fa malalaka loatra ny fomba fizarany ny fahasoavany. Tiany ny hampiseho fa tsy tokony hofehezin’ ny firazanana na ny firenena ny fitiavany.IFM 428.3

    Rehefa niteny Izy hoe : «Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely», dia nilaza ny marina Izy, ary ny asa nataony ho an’ ilay vehivavy Kananita dia nanatanterahiny ny asa nanirahana Azy. Iray amin’ ireo ondry very izay tokony hovonjen’ Isiraely ity vehivavy ity. Izany no asa notendrena ho azy, ary ny asa izay nataony an-tsirambina no nataon’ i Kristy.IFM 429.1

    Io fihetsika io dia nanokatra ny sain’ ny mpianatra tamin’ ny fomba feno kokoa ho amin’ ny asa nanoloana azy teo amin’ ny jentilisa. Nahita saha malalaka hahavitana soa eo ivelan’ i Jodia izy. Nahita fanahy nitondra fahoriana izay tsy fanatatr’ ireo nahazo tombom-pitia be lavitra izy. Tamin’ ireo izay nampianarina nefa natao tsinontsinona, dia nisy fanahy niharitra fahoriana, izay tsy fantatr’ ilay vahoaka nanana tombon-tsoa, nefa naniry mafy fanampiana avy amin’ Ilay Mpanasitrana mahery, sady noana ny fahazavan’ ny fahamarinana izay efa nomena be dia be ny Jiosy.IFM 429.2

    Io aoriana, rehefa nikiry ihany ny Jiosy niala tamin’ ny mpianatra, noho izy ireo nanambara fa Mpamonjy an’ izao tontolo izao Jesosy, ary rehefa nirodana ny rindrina nampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy, io lesona io, sy ny hafa toa azy izay nanondro fa tsy voasakan’ ny fomba amam-panao na ny niaviana ara-pirenena ny filazantsara, io lesona io dia niasa mangina tamin’ ny fomba mahery indrindra teo amin’ ireo solontenan’ i Kristy, tamin’ ny fitarihana ny asany.IFM 429.3

    Ny namangian’ ny Mpamonjy an’ i Foinika sy ny fahagagana nataony tao, dia mbola misy fikasany malalaka kokoa. Tsy ho an’ ilay vehivavy trà-pahoriana ihany, na ho an’ ny mpianany sy ho an’ izay nandray ny asany ihany no nanaovana io asa io, fa «mba hinoany» koa «fa Jesosy no Kristy Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo»3Jao. 20 : 31. Miasa indray ankehitriny ireo nampiasaina hanakana ny olona hanalavitra an’ i Kristy valon-jato sy arivo taona lasa izay. Mbola velona ny toe-tsaina izay nanangana rindrina nampisaraka ny jiosy sy ny jentilisa. Ny avonavona sy ny hevitra nibahana dia nanangana rindrina mafy nampisaraka ny antokon’ olona samihafa. Diso ny fanehoana an’ i Kristy sy ny asa nanirahana Azy, ka marobe ny olona mahatsapa fa voasakana ho azy amin’ izao ny asa fitoriana ny filazantsara. Aoka anefa tsy hahatsapa izy fa voasakana tsy ho eo amin’ i Kristy koa. Tsy misy fefy azon’ ny olona na Satana hatsangana ka tsy voagorobaky ny finoana.IFM 430.1

    Niantoraka tamin’ ny finoana ilay vehivavy Foinikiana nanohitra ireo sakana izay natsangana hampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa. Notoheriny ny fahakiviana, tsy noheveriny ny zavatra niseho ivelany mety nitarika azy ho amin’ ny fisalasalana, fa natoky ny fitiavan’ ny Mpamonjy izy. Toy izany no irin’ i Kristy hatokisantsika Azy. Ho an’ ny fanahy tsirairay ny fitahian’ ny famonjena. Tsy nisy afa-tsy ny safidin’ ny tenany no afaka hanakana olona tsy ho tonga mpiombina amin’ ny teny fikasana ao amin’ i Kristy noho ny filazantsara.IFM 430.2

    Zavatra ankahalain’ Andriamanitra ny fizarazarana ara-pirazanana. Iniany tsy fantatra ny zavatra rehetra manana an’ izany endrika izany. Eo imasony, mitovy vidy ny fanahin’ ny olona rehetra. «Ary ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’ Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy» 4Asa 17 : 26, 27 ; Rom. 10 : 12-13 ; Gal. 3 : 28 ; Oha. 22 : 2. Antsoina ny rehetra hanatona Azy ka ho velona ; tsy misy fanavakavahana noho ny taona, na ny ambaratongam-boninahitra, na ny fiaviana ara-pirenena. «Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy, fa tsy misy hafa». «Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo». «Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta». «Fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy» 4Asa 17 : 26, 27 ; Rom. 10 : 12-13 ; Gal. 3 : 28 ; Oha. 22 : 2IFM 430.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents