Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 42—Lovan-tsofina

    Nanantena ny hahita an’ i Jesosy tamin’ ny Paska ny mpanoradalàna sy ny Fariseo ka namela-pandrika ho Azy1Mifototra amin ny’ Mar. 7 : 1-23. Fantatr’ i Jesosy anefa ny fikasany, ka tsy tonga nanatrika io fivoriana io Izy. «Ary niangona teo Aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany». Rehefa hitany fa tsy nankany Aminy Izy, dia ireo no nanatona Azy. Nisy fotoana izay toa nahitana fa handray an’ i Jesosy ho Mesia ny vahoakan’ i Galilia, ka ho tapaka ny herin’ ny ambaratongampahefana ao amin’ io faritra io. Nampirongatra indray ny fialonan’ ireo mpitarika tany Jerosalema ny nanirahana ny roa ambin’ ny folo lahy, izay nampiseho ny fitaran’ ny asan’ i Kristy, sy nitondra ny mpianatra hifanohitra mivantana kokoa tamin’ ny raby. Ireo mpitsikilo izay nalefany tany Kapernaomy tamin’ ny tapany voalohany teo amin’ ny asan’ i Jesosy izay niezaka hampitoetra ny fiampangana Azy ho mpandika ny Sabata, dia efa menatra fotsiny. Nitozo hanatanteraka ny fikasany ihany anefa ny raby. Nisy antokon’ olona nirahiny indray mba hanara-maso ny fihetsiny, ka hahita izay hiampangana Azy.IFM 419.1

    Tahaka ny teo aloha dia ny tsy firaharahainy ny fitsipika avy amin’ ny lovan-tsofina izay nanavesatra ny lalàn’ Andriamanitra no fototry ny fitarainana. Nolazaina fa natao hiaro ny fitandremana ny lalàna ireny, nefa dia noheverina ho masina noho ny lalàna mihitsy aza. Rehefa nifandona tamin’ ny lalàna nomena tao Sinay ireo, dia naleo kokoa ny fitsipika nataon’ ny raby.IFM 419.2

    Anisan’ ny fitsipika nohamafisina be dia be, ny momba ny fombafomba eo amin’ ny fidiovana. Ny fanaovana an-tsirambina ny fomba nasaina narahina alohan’ ny hisakafoanana, dia noheverina ho fahotana mahatsiravina izay tokony hofaizina eto amin’ ity izao tontolo izao ity sy amin’ ny ho avy ; noheverina izany ho toy ny fomba ahazoana mamono ny mpandika azy.IFM 420.1

    Tsy hita isa ireo fitsipika momba ny fidiovana. Mila tsy ho ampy ny androm-piainan’ ny olona iray hianarana azy rehetra. Tamin’ ny alalan’ ny fisasana sy ny fidiovana tsy misy farany no nandanian’ ireo te-hilefitra eo ambany fitakian’ ny raby ny androny mba hiadiana amin’ ny fahalotoam-pivavahana. Sahirana tamin’ ny fanavahana ny zavatra kely tsy misy antony sy tamin’ ny fanarahana izay tsy nangatahan’ Andriamanitra ny vahoaka, ka voatarika ny sainy hiala amin’ ny foto-kevitra lehibe eo amin’ ny lalàna.IFM 420.2

    Tsy nitandrina an’ ireny fombafomba fisasana ireny Kristy sy ny mpianany, koa nataon’ ny mpitsikilo ho fototry ny fiampangana azy ireo io tsirambina io. Na dia izany aza, tsy namely mivantana an’ i Kristy izy, fa nanatona Azy mba haninitsiny ny mpianany. Teo anatrehan’ ny vahoaka be no nilazany hoe : «Nahoana ny mpianatra no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy?»IFM 420.3

    Isaky ny misy fotoana mahatonga ny hafatry ny fahamarinana hampisy fahatsapana eo amin’ ny fanahy, dia hetsehin’ i Satana ny mpiasany mba hanainga adi-hevitra momba ny zava-madinika. Amin’ izay dia miezaka izy hanintona ny saina hiala amin’ ny tena fototra. Raha vao misy asa tsara natomboka, dia misy koa mpanindrontsindrona vonona hanetsika adi-hevitra ny amin’ ny fombafomba sy ny fanao madinika mba hampialana amin’ ny fahamarinana velona. Rehefa hita fa hanao asa amin’ ny fomba manokana ho an’ ny vahoakany Andriamanitra, dia aoka tsy hotarihina ho amin’ ny fifanoherana izy izay tsy hiasa afa-tsy ho amin’ ny famonoana ny fanahy. Ny fanontaniana mikasika antsika indrindra dia izao : Moa ve aho mino ny Zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana mahavonjy ? Moa ve mifandrindra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra ny fiainako ? «Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana». «Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala azy isika, dia ny fitandremana ny didiny»2Jao. 3 : 36 ; 1 Jao. 2 : 3.IFM 420.4

    Tsy nisy nataon’ i Jesosy mba hiarovany tena na hiarovany ny mpianany. Tsy nasiany teny ny fiampangana natao taminy, fa tiany hasongadina kosa ny toe-tsaina nanetsika ireo fatra-panaraka ny fombam-pivavahana nataon’ olombelona. Nomeny ohatra izy ireo momba izay fanaony miverimberina, ary vao nataony indrindra talohan’ ny nandehanany nitady Azy. «Hay ! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra, hoy Izy, mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo !» Fa hoy Mosesy : «Manaja ny rainao sy ny reninao», ary koa : «Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny, dia hatao maty tokoa». Fa hoy kosa hianareo : Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe : «Efa korbana, izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoana soa avy amiko, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy». Notsipahiny ny didy fahadimy toy ny tsy mampaninona, fa niseho ho sarotiny be izy tamin’ ny fanatanterahana ny lovan-tsofin’ ny loholona. Nampianarin’ izy ireo ny vahoaka fa adidy masina kokoa ny manokana ny fananany ho an’ ny tempoly noho ny mikarakara ireo ray aman-dreny sahirana ; ary na dia lehibe toy inona aza ny fahasahiranana, dia fanevatevana ny zava-rnasina ny mizara amin’ ny ray na amin’ ny reny ampahany izay natokana toy izany. Ataon’ ny zanaka tsy mahavita adidy «korbana» fotsiny ny fananany, ka natokany ho an’ Andriamanitra, ary azony tazonina hampiasain’ ny tenany mandritra ny andrompiainany, ary rehefa maty izy dia hatokana ho amin’ ny fanompoana ny tempoly izany. Amin’ izany dia azony hatao, amin’ ny fiainana sy ny fahafatesana, ny manala baraka sy ny mahavoa mafy ny ray aman-dreniny, noho ny fanokanan-tena ho an’ Andriamanitra ihamboany.IFM 421.1

    Tsy manamaivana mihitsy ny tsy maintsy hitondrana fanomezana sy fanatitra ho an’ Andriamanitra Jesosy na tamin’ ny teny na tamin’ asa nataony. Kristy no nanome ny baiko ao amin’ ny lalàna momba ny ampahafolony sy ny fanatitra. Raha tetỳ an-tany Izy dia nidera ilay vehivavy mahantra izay nanome ny fananany rehetra ho an’ ny tahirin’ ny tempoly. Nefa kosa ny toa hafanampon’ ny mpisorona sy ny raby ho an’ Andriamanitra dia fihamboana hanarona ny faniriany hampitombo ny tenany. Voafitany ny vahoaka. Na dia ny mpianatr’ i Kristy aza dia tsy afaka tanteraka tamin’ ny zioga izay efa namatorana azy tamin’ ny alalan’ ny hevitra nolovany nibahana tao an-tsainy, sy tamin’ ny alalan’ ny fahefan’ ny raby. Ankehitriny dia niezaka Jesosy hanafaka amin’ ny fanandevozan’ ny lovan-tsofina ireo izay rehetra naniry marina ny hanompo an’ Andriamanitra, tamin’ ny fanambarany ny tena toe-tsain’ ny raby.IFM 421.2

    «Ry mpihatsaravelatsihy, hoy Izy, tamin’ ireo mpitsikilo feno hafetsena, marina ny naminanian’ Isaia anareo hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny hivavahan’ ireo Amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy». Fanomezan-tsiny ny rafitry ny fivavahan’ ny Fariseo manontolo ny tenin’ i Kristy. Nambarany fa nametraka ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra ny raby tamin’ ny nametrahany ny fitakiana nataony ho ambonin’ ny didin’ Andriamanitra.IFM 422.1

    Feno hatezerana ireo solontena avy tany Jerosalema. Tsy afaka niampanga an’ i Kristy amin’ ny maha-mpandika ny lalana nomena tao Sinay izy, satria niteny Izy ho mpiaro io lalàna io amin’ ny lovan-tsofina. Hita fa nanaitra ireo fahasamihafana tamin’ ireo fotokevitra lehiben’ ny lalàna izay efa nasehony, sy ny didy tsy misy vidiny izay novolavolain’ ny olona.IFM 422.2

    Tamin’ ny vahoaka, ary tatỳ aoriana, tamin’ ny fomba feno kokoa no nanazavan’ i Jesosy tamin’ ny mpianany, fa tsy avy any ivelany fa avy ao anaty ny mahatonga ny fahalotoana. Mikasika ny fanahy ny fahadiovana sy ny tsy fahadiovana. Ny asa ratsy, ny teny ratsy, ny eritreritra ratsy, ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra, fa tsy ny fanaovana an-tsirambina ny fombafombam-pivavahana ivelambelany nataon’ olombelona no mandoto ny olona.IFM 422.3

    Tsapan’ ny mpianatra ny hatezeran’ ny mpitsikilo rehefa naharihary ny fampianaran-disony. Hitany ny fijeriny romotra, ary reny ny teny ningonongonona nataony nilaza tsy fahafaliana sy valifaty. Hadinony fa efa imbetsaka Kristy no nanome porofo fa, mamaky ny ao am-po tahaka ny ao amin’ ny boky mivelatra Izy, ka nambarany tamin’ ny vokatry ny teniny izany. Nanantena izy ireo fa hampitony ireto olom-panjakana romotra Jesosy, ka hoy izy ireo taminy : «Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany ?»IFM 422.4

    Novaliany hoe : «Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana». Ny fomba amam-panao sy ny lovan-tsofina ambony vidy indrindra tamin’ ny raby, dia avy amin’ izao tontolo izao, fa tsy avy any an-danitra. Na dia lehibe aza ny fahefany tamin’ ny vahoaka, dia tsy zakany ny fisedrana ataon’ Andriamanitra. Izay rehetra noforonin’ olombelona ka nasolo toerana ny didin’ Andriamanitra, dia ho hita fa tsy mendrika amin’ ny andro izay itondran’ Andriamanitra ny atao rehetra «ho amin’ ny fitsarana mbamin’ ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy»3Mpit. T. 12 : 14.IFM 422.5

    Tsy nitsahatra ny fanoloana ny didin’ Andriamanitra amin’ ny fitsipika nataon’ ny olombelona. Na dia eo anivon’ ny kristiana aza, dia ahitana zava-miorina sy fomba izay tsy manana fototra tsara kokoa afa-tsy ny lovan-tsofina izay napetrak’ ireo Rain’ ny Eglizy. Ny zavatra naorina toy izany, izay miankina amin’ ny fahefan’ olombelona fotsiny, dia naka ny toeran’ ireo izay notendren’ Andriamanitra. Nifikitra tamin’ ny lovan-tsofiny ny olombelona, ary nanaja ny fomba amam-panaony, sady nankamamy ny fankahalany ireo izay mitady hanoro azy ny fahadisoany. Amin’ izao andro izao, raha baikoana isika hampifantoka ny saina amin’ ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy, dia hitantsika ihany io fandrafiana naseho tamin’ ny andron’ i Kristy io. Izao no voalaza momba ny vahoaka sisan’ Andriamanitra : «Tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy»4Apok. 12 : 17.IFM 423.1

    Fa «ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana». Ho solon’ ny fahefan’ ireo izay lazaina fa Rain’ ny Eglizy, dia mibaiko antsika Andriamanitra hanaiky ny tenin’ ny Ray mandrakizay, ny Tompon’ ny lanitra sy ny tany. Ao ihany no misy fahamarinana tsara tsy mifangaro amin’ ny hevidiso. Hoy Davida : «Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. Hendry noho ny anti-panahy aho, satria ny didinao no notandremako»5Sal. 119 : 99.100. Aoka izay rehetra manaiky ny fahefan’ olombelona, ny fomba amampanaon’ ny eglizy, na ny lovan-tsofina napetrak’ ireo Rain’ ny Eglizy, hitandrina ny teny fananarana voarakitra ao amin’ ny tenin’ i Kristy hoe : «Foana ny ivavahan’ ireo Amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy».IFM 423.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents