Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 60—Ny lalàn’ ny fanjakana vaovao

    Efa akaiky ny fotoan’ ny Paska ka nitodi-doha ho any Jerosalema indray Jesosy.1Mifototra amin’ny Lioka 19 : 1-10 ity toko ity. Tao am-pony ny fiadanana vokatry ny firaisana amin’ ny sitrapon’ ny Ray, ka maivamaivana ny diany raha nandroso tsy niato ho any amin’ ny toerana hanaovana sorona Azy Izy. Nisy zava-miafina nieloelo anefa, dia fisalasalana sy tahotra teo amin’ ny mpianatra. «Nandeha teo alohany Jesosy, ary gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra».IFM 581.1

    Nantsoin’ i Kristy teo Aminy indray izy roa ambin’ ny folo lahy, ary novelabelariny taminy tamin’ ny fomba voafaritra tsara mihoatra noho ny hatramin’ izay ny hamadihana Azy sy ny fijaliany. «Indro, hoy Izy, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona. Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana, sy hisetrasetrany sy hororany ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy. Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izany fanambarana izany, ka dia tsy fantany izay nolazainy».IFM 581.2

    Moa ve tsy talohan’ izao indrindra izy ireo no nitory hatraiza hatraiza hoe : «Akaiky ny fanjakan’ ny lanitra ?» Tsy Kristy mihitsy ve no nampanantena fa maro no tokony hiara-mipetraka amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ? Moa ve Izy tsy nampanantena tamin’ izay rehetra nahafoy ny zavatra rehetra noho ny Aminy, zato heny eto amin’ ity fiainana ity, ary anjara ao amin’ ny fanjakany ? Ary moa ve tsy nomeny ny roa ambin’ ny folo lahy ny fampanantenana manokana ny amin’ ny toerana ambony sy be voninahitra ao amin’ ny fanjakany, — dia ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana ka hitsara ny fokon’ Isiraely roa ambin’ ny folo ? Na dia ankehitriny aza dia nilaza Izy fa ho tanteraka izay rehetra voasoratry ny mpaminany momba Azy. Ary moa ve ny mpaminany tsy» nanambara mialoha ny voninahitry ny fanjakan’ ny Mesia ? Eo amin’ ny fahazavan’ ireo eritreritra ireo, dia toa manjavozavo sy malomaloka ny teniny mikasika ny hamadihana Azy, ny fanenjehana Azy sy ny fahafatesany. Na toy inona na toy inona zava-tsarotra mety hitranga, dia nino izy ireo fa efa akaiky ny fananganana ny fanjakana.IFM 581.3

    Jaona, zanak’ i Zebedio no anankiray amin’ ny mpianatra roa voalohany izay nanaraka an’ i Jesosy. Izy sy Jakoba rahalahiny no anisan’ ilay antoko voalohany nandao ny zavatra rehetra mba hanompo Azy. Tamim-pifaliana no nandaozany ny tokantranony sy ny havana aman-tsakaizany mba hahazoany miaraka Aminy; efa niara-nandeha sy niara-niresaka taminy Izy ; efa niaraka taminy tao amin’ ny fiainan’ izy samy izy tao an-tokantrano izy, sy teo amin’ ny fivoriana ampahibemaso. Efa nampitony ny tahony Izy, nanafaka azy tamin’ ny loza nananontanona azy, nanamaivana ny fahoriany, nampionona azy teo amin’ ny alahelony, ary nampianatra azy tamim-paharetana sy tamim-pitiavana, mandra-pahatonga ny fony ho toa voafatotra tamin’ ny Azy, ary naniriany mafy ho akaiky Azy indrindra amin’ ny fanjakany noho ny firedaredan’ ny fitiavany Azy. Isaka ny misy fotoana anaovany izany, dia maka toerana eo akaikin’ ny Mpamonjy i Jaona, ary i Jakoba kosa dia naniry mafy ny homem-boninahitra amin’ ny fifandraisana ety Aminy.IFM 582.1

    Mpanaraka an’ i Kristy ny renin’ izy ireo, ary efa nanao asa fanompoana ho Azy tamin-kahalalahana avy tamin’ ny fananany. Tamin’ ny fitiavan-dreny sy ny hambom-pon’ ny reny ho an-janany tao aminy, no nitsiriritany mba ho azy ireo ny toerana be voninahitra indrindra ao amin’ ilay fanjakana vaovao. Nampirisihiny izy ireo hanao fangatahana ny amin’ izany.IFM 582.2

    Niaraka nankeo amin’ i Jesosy ny reny sy ny zanany, ka niangavy Azy mba hanaiky ny fangatahana izay nametrahany ny fony.IFM 582.3

    «Inona moa no tianareo hataoko aminareo?» hoy ny fanontanianyIFM 582.4

    Namaly reniny hoe : «Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao».IFM 583.1

    Nentin’ i Jesosy tamim-pitiavana izy, tsy nanome tsiny azy ireo noho ny fitiavan-tenany Izy amin’ izy nitady hiangarana mihoatra noho ny rahalahiny. Namaky ny tao am-pony Izy, fantany ny halalin’ ny firaiketany taminy. Tsy fitiavan’ olombelona tsotra ny fitiavany ; na dia voaloton’ ny toetra ara-nofo eo amin’ ny fantsona maha-olombelona aza, dia mitosaka avy tamin’ ny loharanon’ ny fitiavany manavotra izany. Tsy nanome tsiny Izy, fa handalina sy hanadio kosa. Hoy Izy : «Hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay hanaovana Ahy batisa ?»Tadidiny ny teniny nifono zava-miafina, izay nanondro fitsapana sy fahoriana, nefa namaly tamim-pahatokiana izy hoe : «Hainay ihany». Tiany horaisina ho voninahitra ambony indrindra ny hanaporofo ny toetrany mahatoky amin’ ny fandraisana anjara amin’ izay rehetra hianjady amin’ ny Tompony.IFM 583.2

    «Raha ny kapoaka izay sotroiko dia hosotroinareo ihany ary ny batisa izay hanaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany», hoy Izy ; — nanoloana Azy ny hazo fijaliana ho solon’ ny seza fiandrianana, jiolahy roa no namany eo amin’ ny ankavanana sy eo amin’ ny ankaviany. Nandray anjara amin’ ny fahorian’ ny Tompony i Jaona sy Jakoba, ny anankiray no voalohany tamin’ ny rahalahiny matin’ ny sabatra; ny anankiray no hiaritra ela indrindra amin’ izy rehetra ny asa mafy sy ny fanomezan-tsiny, ary ny fanenjehana.IFM 583.3

    «Fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana na eo an-tànako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanomana izany, fa izay nanamboarana izany no homena». Tsy amin’ ny alalan’ ny fizahan-tavan’ olona tsy akory no ahazoana toerana ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy vidina na raisina amin’ ny alalan’ ny fanomezana tsy ara-drariny izany. Vokatry ny toetra amam-panahy izany. Ny satroboninahitra sy ny seza fiandrianana dia famantarana ny fepetra efa tratra; famantarana ny fandresena ny «izaho» amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany.IFM 583.4

    Ela tatý aoriana, rehefa nanjary niray fo tamin’ i Kristy tamin’ ny alalan’ ny firaisana tamin’ ny fahoriany io mpianatra io, dia nasehon’ ny Tompo tamin’ i Jaona ny fepetra akaiky Azy ao amin’ ny fanjakany. «Izay mandresy, hoy Kristy, dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy hiarahako mipetraka amin’ ny Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako». «Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy ; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitra ary ilay anarako vaovao» 2Apok. 3:21,12. Koa nanoratra i Paoly hoe : «Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialako. Efa niady ny ady tsara aho : nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay nomen’ ny Tompo Mpitsara marina ho ahy, amin’ izay andro izay» 32 Tim. 4 : 6-8..IFM 583.5

    Izay mijoro akaiky indrindra an’ i Kristy dia izay nisotro be indrindra eto an-tany ny amin’ ny toe-tsainy entanin’ ny fitiavana manao sorona ny «izaho», — dia fitiavana izay «tsy mirehareha, tsy mieboebo, ... tsy mitady ny azy ; tsy mora sosotra, tsy manao otri-po» 4IKor. 13:4, 5, — dia fitiavana izay manetsika ny mpianatra, tahaka ny nanetsehany ny Tompontsika, hanome ny zavatra rehetra, hivelona sy hiasa mafy ary hahafoy tena, eny, na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, mba hamonjena ny taranak’ olombelona. Io toe-tsaina io dia niseho mazava teo amin’ ny fiainan’ i Paoly. Hoy izy : «Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako» ; naneho an’ i Kristy tamin’ ny olona mantsy ny fiainany; «ary ny fahafatesana no ahazoako tombony», tombony ho an’ i Kristy ; ny fahafatesana mihitsy no haneho ny herin’ ny fahasoavany, ka hanangona fanahy ho Azy. Hankalazaina «ao amin’ ny tenako Kristy, hoy izy, na ao amin’ ny fiainana na ao amin’ ny fahafatesana» 5Fil. 1:21,20.IFM 584.1

    Rehefa ren’ izy folo mirahalahy ny fangatahan’ i Jakoba sy Jaona, dia sorena be izy. Ny toerana ambony indrindra ao amin’ ny fanjakana no nokatsahin’ ny tsirairay ho an’ ny tenany avy, koa tezitra izy nahita fa toa efa nahazo tombon-dalana taminy ireo mpianatra mirahalahy.IFM 584.2

    Toa mila hiverina indray ny ady ny amin’ izay ho lehibe indrindra, rehefa niantso azy ho eo Aminy Jesosy, ka niteny tamin’ ireo mpianatra tafintohina Izy hoe : «Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy. Fa tsy mba toy izany aminareo».IFM 584.3

    Eo amin’ ny fanjakan’ izao tontolo izao. dia midika ho fisondrotan’ ny «izaho» ny toerana. Noheverina fa raha misy ny vahoaka dia ny ho tombon-tsoan’ ny saranga mifehy. Ny hery miasa mangina, ny harena, ny fanabeazana, dia fitaovana maro dia maro natao mba ampiasan’ ny mpitarika hahazoana mifehy ny sarambabem-bahoaka. Ny saranga ambony no mihevitra, manapa-kevitra, mitaona sy mifehy ; ny ambany kosa mankatò sy manompo. Ny fivavahana, tahaka ny zavatra hafa rehetra koa, dia resaka momba ny fahefana. Nantenaina ny hino sy hanaraka araka izay hibaikon’ ny lehibe ny vahoaka. Tsy nekena manontolo ny zon’ ny olona amin’ ny maha-olona azy, dia ny hisaina sy ny hiasa ho an’ ny tenany.IFM 585.1

    Fanjakana miorina amin’ ny foto-kevitra hafa no natsangan’ i Kristy. Niantso ny olona Izy, tsy handray fahefana, fa hanompo, ka ny mahery hitondra ny fahosan’ ny malemy. Ny hery, ny toerana, ny talenta, ny fanabeazana, dia nametraka izay manana izany eo amin’ ny adidy lehibe kokoa hoenti-manompo ny namany. Na dia ny ambany indrindra amin’ ny mpianatr’ i Krity aza dia ilazana hoe : «Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo» 62 Kor. 4 : 15.IFM 585.2

    «Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo, ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro». Azo lazaina amin’ ny lafiny rehetra fa mpiahy sy mpitondra enta-mavesatra Kristy teo anivon’ ny mpianany. Niara-nizaka ny fahantrana Izy, nanao fandavan-tena ho azy ireo Izy, nandeha nialoha azy Izy mba hanamora ny toerana sarotra indrindra, ary vetivery dia hanatanteraka ny asany eto an-tany Izy amin’ ny fametrahana ny ainy. Ny fotokevitra izay niasan’ i Kristy dia tokony hanainga ny mambra ao amin’ ny fiangonana izay tenany. Ny drafitry ny famonjena sy ny fototr’ izany dia fitiavana. Ao amin’ ny fanjakan’ i Kristy, ny lehibe indrindra dia izay manaraka ny ohatra nomeny ary miasa amin’ ny maha-mpiandry ondry azy eo amin’ ny andian’ ondriny.IFM 585.3

    Maneho ny tena fahamendrehana sy ny voninahitry ny fiainana kristiana ny tenin’ i Paoly hoe : «Fa na dia afaka amin’ ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ ny olona rehetra ihany ny tenako», «tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena»71 Kor. 9 : 19 ; 10 : 33.IFM 585.4

    Raha ny feon’ ny fieritreretana, dia tsy tokony havela tsy ho voafehy ny fanahy. Tsy misy tokony hifehy ny sain’ ny hafa, hitsara ho an’ ny hafa, na hamaritra izay adidiny. Nomen’ Andriamanitra fahafahana hihevitra ny fanahy tsirairay, ka hanaraka izay maharesy lahatra ny tenany. «Koa amin’ izany samy hampamoahan’ Andriamanitra ny amin’ ny tenany avy isika rehetra». Tsy nisy nanana zo ampifangaro ny maha-izy azy amin’ ny an’ ny hafa. Raha mikasika ny zavatra rehetra ijoroan’ ny foto-kevitra, «aoka samy hatoky tsara amin’ ny sainy avy» 8Rom. 14 : 12,5. Ao amin’ ny fanjakan’ i Kristy dia tsy misy fanjakazakan’ ny tompo, tsy misy fanerena na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona. Tsy tonga teto an-tany mba hifehy ny anjelin’ ny lanitra, na hitaky fanajana azy, fa mba ho mpitondra hafatry ny famindrampo, hiara-miasa amin’ ny olona eo amin’ ny fanandratana ny taranak’ olombelona.IFM 586.1

    Nitoetra tao amin’ ny fitadidian’ ilay mpianatra malala ny fotokevitra sy ireo teniny mirakitra ny hatsaran’ Andriamanitra nentin’ ny Mpamonjy nampianatra. Tamin’ ny androny faramparany dia izao no ventin’ ny teny vavolombelona nataon’ i Jaona ho an’ ny fiangonana : «Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany : tsy maintsy mifankatia isika. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika, ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy» 91 Jao. 3 : 11,16.IFM 586.2

    Izany no toe-tsaina nanenika ny fiangonana voalohany. Rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, dia niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino, ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany». «Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy». «Ary tamin’ ny hery be no nanambaran’ ny Apostoly ny nitsanganan’ i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’ izy rehetra» 10Asa. 4:32, 34, 33.IFM 586.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents