Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 77—Tao amin’ ny fitsaran’ i Pilato

    Ao amin’ ny efitra fitsaran’ i Pilato. governora romana, Kristy no mijoro, mifatotra amin’ ny maha-mpigadra Azy1Mifototra amin’ny Mat. 27 : 2, 11; 31 ; Mar. 15 : 1-20 ; Lio. 23 : 2-25 ; Jao. 18 : 20-40 ; 19 : 1-16. Manodidina Azy ny miaramila mpiambina, ary tsy ela dia hipoky ny mpijery ny efitrano fitsarana. Eo ivelany, eo am-baravarana indrindra ny mpitsara ao amin’ ny Synedriona. ny mpisorona. ny mpanapaka, ny loholona sy ny vahoaka romotra.IFM 777.1

    Rehefa nanameloka an’ i Jesosy ny filan-kevitry ny Synedriona dia nankeo amin’ i Pilato izy mba hohamafisiny sy hampihariny ny didim-pitsarana. Tsy te-hiditra ao amin’ ny efitra fitsarana Romana anefa ireto tompon’ andraikitra jiosy ireto. Araka ny lalàna eo amin’ ny fisoronana dia handoto azy izany, ary raha izany dia ho voasakana tsy handray anjara amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny Paska izy. Noho ny fahajambany dia tsy hitany ny fankahalana sy ny vonoan’ olona izay nandoto ny fony. Tsy hitany fa Kristy no tena Zanak’ ondrin’ ny Paska marina, ary satria efa nandà Azy izy, dia tsy misy dikany aminy intsony ilay andro firavoravoana lehibe.IFM 777.2

    Rehefa nentina teo amin’ ny efitra fitsarana ny Mpamonjy, dia maso feno tsy fitiavana no nijeren’ i Pilato Azy. Nikoropaka avy tany amin’ ny efitrano fandriany niantsoana azy ilay governora Romana ka nanapa-kevitra hanao ny asany haingana araka izay azo natao izy. Vonona ny hampiseho ny fahasahiany amin’ ny maha-lehibe azy tamin’ ilay mpigadra izy. Ny endriny masiaka indrindra no nentiny, ka nitodika izy hijery hoe karazan’ olona manao ahoana no hodinihiny, izay niantsoana azy handao ny fialantsasany vao maraina be. Fantany fa tsy maintsy olona izay mahamay ny manam-pahefana Romana ny mitsara sy manafay azy haingana.IFM 777.3

    Nijery ny olona nitondra an’ i Jesosy i Pilato, avy eo dia nifantoka tamin’ i Jesosy ny fijeriny manadihady. Efa nifandray tamin’ ny karazan’ olo-meloka isan-karazany izy. nefa tsy mbola nanoloana olona izay nanana fihetsika naneho fahatsaran-toetra sy fahamboniana toy izao nentina teo anatrehany izao. Tsy nahita aloky ny fahadisoana izy teo amin’ ny endriny, na taratry ny tahotra, na fahasiahana na fiaikana. Olona tony sy mendrika no hitany, izay tsy nisy mariky ny heloka bevava ny tarehiny, fa sonian’ ny lanitra. Nisy asany tsara tamin’ i Pilato ny fisehoan’ i Kristy. Nifoha ny toetrany tsara indrindra. Efa nandre ny amin’ i Jesosy sy ny asany izy. Nolazain’ ny vadiny taminy ny amin’ ny asa mahagaga vitan’ ilay mpaminany Galiliana, izay nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty. Miverina toy ny nofy ao an-tsain’ i Pilato izany. Tsaroany ny sahoa reny avy tamin’ ny toerana maro. Nanapa-kevitra ny hanontany ny Jiosy izy ny amin’ ny fiampangana ny mpifatotra.IFM 778.1

    Iza io olona io, ary inona no antony nitondranareo azy atỳ amiko ? hoy izy: Inona no fiampangana ataonareo aminy ? Sanganehana ny Jiosy. Fantany fa tsy afaka hampivaingana ny fiampangana an’ i Kristy izy, ka tsy tiany ny hisian’ ny fandinihana ampahibemaso. Novaliany fa mpamitaka atao hoe Jesosy avy any Nazareta Izy.IFM 778.2

    Nanontany indray i Pilato hoe : «Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io ? «Tsy namaly ny fanontaniany ny mpisorona fa hoy izy tamin’ ny teny izay nampiseho ny fahasosorany : Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao». Rehefa ny olona ao amin’ ny Synedriona, izay lohany eo amin’ ny firenena no mitondra olona izay heveriny fa mendrika ny ho faty, ilaina indray ve ny manontany izay niampangana azy ? Nanantena izy fa ho tsapan’ i Pilato ny maha-ambony azy ireo. ka izany dia hitarika azy hanaiky ny fangatahany tsy misy fanadihadiana mialoha. Dodona ny hanamafisana ny didim-pitsarany izy. Fantany mantsy fa afaka hitantara zavatra hafa tanteraka noho izay noforoporonin’ izy ireo amin’ izao fotoana izao ireo olona nanatri-maso ny asa mahagaga nataon’ i Kristy.IFM 778.3

    Nihevitra ny mpisorona fa tsy hisy hanahirana ny fahatanterahana ny drafitra nataony noho ny amin’ i Pilato izay tsy manankery sy mihambahamba. Talohan’ izao dia efa nosoniaviny maimaika ny fanamarinana ny fanamelohana ho faty olona izay fantatr’ izy ireo fa tsy mendrika ny ho faty. Teo imason’ i Pilato, tsy dia nisy antony firy ny ain’ ny mpifatotra, na tsy nanan-tsiny izy na meloka, tsy dia nampaninona izany. Nanantena ny mpisorona fa hampihatra ny sazy amin’ ny fanamelohana ho faty i Pilato na tsy nihaino Azy aza. Nangatahiny ho fanomezana ho azy ireo izany noho ny andrompiravoravoana lehibe teo amin’ ny firenena.IFM 778.4

    Nisy zavatra anefa teo amin’ ilay mpifatotra izay nitana an’ i Pilato tsy hanao izany. Tsy sahiny ny nanao izany. Novakiany ny fikasana tao an-tsain’ ny mpisorona. Tsaroany fa tsy ela talohan’ izao, dia nanangana an’ i Lazarosy Jesosy. olona izay efa maty efarana, ka nanapa-kevitra izy fa alohan’ ny hanaovany sonia ny didy manameloka ho faty, dia tiany ny hahafantatra ny fiampangana Azy, ary raha azo hamarinina izany na tsia.IFM 779.1

    Raha ampy ny fitsaranareo hoy izy, nahoana no entinareo aty amiko ny mpifatotra ? «Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo». Voatery toy izany ny mpisorona ka nilaza fa efa namoaka didimpitsarana ny Aminy izy. nefa tsy maintsy misy didy avy amin’ i Pilato vao manan-kery ny fanamelohana nataony. Inona no didy navoakanareo ? hoy i Pilato nanontany. Fanamelohana ho faty, hoy ny valinteniny, nefa tsy ara-dalàna raha izahay no mampamono olona ho faty. Nangatahiny i Pilato handray ny teny nataony momba ny fahadisoan’ i Kristy, ka hanamafy ny didim-pitsarana. Horaisiny ho andraikitra ny vokatr’ izany.IFM 779.2

    Pilato dia tsy mpitsara marina sy nihaino ny feon’ ny fieritreretany ; nefa na dia nanana toetra malemy lehibe toy inona aza izy, dia nolaviny ny hanaiky io fangatahana io. Tsy te-hanameloka an’ i Jesosy izy, raha tsy misy fiampangana Azy ara-dalàna.IFM 779.3

    Tafiditra tamin’ ny kizo ny mpisorona. Hitany fa tsy maintsy ho saronany sy hafeniny any amin’ ny lalina indrindra ny fihatsarambelatsihiny. Tsy azony aseho fa resaka ara-pivavahana no nisamborana an’ i Jesosy. Raha izany no aseho ho antony, dia tsy hisy lanjany amin’ i Pilato ny tetika nataony. Tsy maintsy hasehony fa nanao zavatra nanohitra ny lalàm-panjakana Jesosy, amin’ izay dia azo faizina amin’ ny maha-mpandika lalàna ara-politika Izy. Nisy mandrakariva ny tabataba sy ny rotaka tamin’ ny fitondram-panjakana Romana teo amin’ Jiosy. Henjana dia henjana ny Romana raha ny amin’ ireny fikomiana ireny, ka nanara-maso hatrany izy mba hamoritra izay rehetra mety hitarika korontana.IFM 779.4

    Vao andro vitsivitsy talohan’ izao dia niezaka ny hamandrika an’ i Kristy ny Fariseo tamin’ ny fanontaniana hoe : «Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia ?» Nalain’ i Kristy sarona anefa ny fihatsarambelatsihiny. Nahita ny tsy fahombiazana tanteraka nahazo an’ ireo mpamandrika ny Romana nanatri-maso teo sy ny fahareseny rehefa namaly Izy hoe: «Aloavy ho an’ i Kaisara izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra»2Lio. 20 : 22-25.IFM 780.1

    Nihevitra izao ny mpisorona ny hampiseho fa nampianatra izay nantenainy ampianarin’ i Kristy izy tamin’ io fotoana io. Noho ny fahaporetany dia niantso vavolombelona mandainga izy hanampy azy, «dia niampanga Azy izy ka nanao hoe : Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka». Fiampangana telo sosona, samy tsy marim-pototra. Fantatry ny mpisorona izany, nefa vonona ny hiozona izy mba hahatanteraka ny zava-kendreny.IFM 780.2

    Hitan’ i Pilato ny fikasan’ izy ireo. Tsy ninoany fa nioko hanohitra ny fitondram-panjakana ilay mpifatotra; tsy nifandrindra tanteraka tamin’ ny fiampangana Azy ny toetrany malemy fanahy sy nanetri-tena. Resy lahatra i Pilato fa nisy fiokoana mahatsiravina notetehina mba handringanana olona tsy manan-tsiny izay manakantsakana ny lalan’ ireto manam-boninahitra Jiosy. Nitodika tany amin’ i Jesosy izy ka nanontany hoe : «Ianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy. Namaly ny Mpamonjy hoe : Voalazanao». Raha niteny Izy dia nazava ny endriny toy ny nisy tana-masoandro namirapiratra taminy.IFM 780.3

    Rehefa ren’ i Kaiafa sy ireo izay niaraka taminy ny valinteniny, dia niantso an’ i Pilato ho vavolombelona izy fa efa nanaiky ny heloka bevava izay niampangana Azy Jesosy. Niantsoantso sy nihorakoraka ny mpisorona, ny mpanora-dalàna sy ny mpanapaka, nangataka ny hamoahana didy hamono Azy ho faty. Notohizan’ ny vahoaka romotra ny antsoantso ka nankarenina ny tabataba. Very hevitra i Pilato. Hitany fa tsy namaly ny mpiampanga Azy Jesosy ka hoy izy taminy : «Tsy renao va izany zavatra iampangana Anao izany ? Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza».IFM 780.4

    Nijoro teo an-damosin’ i Pilato Kristy, hitan’ izay rehetra tao amin’ ny efitra fitsarana, ary reny ny fanevatevana azy : nefa tsy nisy teny novaliany na dia iray aza ny fiampangana diso rehetra natao taminy. Ny fihetsiny rehetra dia porofo mazava ny fahatsapany ny tsy fananany tsiny. Tsy voahozongozon’ ny faharomotan’ ny onjan-drano miantonta manodidina Azy Izy. Ny fahitana izany dia toy ny alon-drano mavesatra sy misafoaka misondrotra ambony kokoa hatrany, tahaka ny onjan’ ny ranomasim-be misamboaravoara, izay miantonta nanodidina Azy, nefa tsy nikasika Azy. Nijoro nangina Izy. nefa nampihetsi-po ny fahanginany. Nisy fahazavana namirapiratra avy ao anaty nanazava ny endriny ivelany.IFM 780.5

    Nitolagaga i Pilato tamin’ ny fihetsiny. Moa ve tsy mandraharaha ny fanenjehana Azy ity olona ity satria tsy mihevitra izay hamonjy ny ainy. hoy izy nanontany tena. Raha nibanjina an’ i Jesosy izy, izay nizaka ny fitenenan-dratsy sy ny fanarabiana nefa tsy namaly dia tsapany fa tsy ho azony atao ny tsy ho marina sy tsy hanao ny rariny toy ireo mpisorona niantsoantso. Nanantena ny handray ny fahamarinana avy Aminy izy ary mba hialany ny tabataban’ ny vahoaka, dia nentin’ i Pilato nitanila kely Jesosy ka nanontaniany indray hoe : «Ianao ve no Mpanjakan’ ny Jiosy ?»IFM 781.1

    Tsy namaly mivantana ny fanontaniana Jesosy. Fantany fa niasa mafy tamin’ i Pilato ny Fanahy Masina mba hambabo azy. ka nomeny fotoana izy ahazoany mahafantra izay maharesy lahatra azy : «Hevitrao ihany va no anaovanao izany. sa misy hafa nilaza Ahy taminao?» Izany hoe, moa ve ny fiampangana ataon’ ny mpisorona, na ny faniriana handray ny fahazavana avy amin’ i Kristy no nanosika ny fanontanian’ i Pilato ? Azon’ i Pilato ny tian’ i Kristy holazaina; nefa nirongatra tao am-pony ny avonavona. Tsy hanaiky ny fandresen-dahatra mibosesika ao aminy izy. «Moa aho Jiosy ?» hoy izy. «Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko ; inona moa no nataonao ?»IFM 781.2

    Lasa ilay fotoam-bolamena azon’ i Pilato nohararaotina. Tsy navelan’ i Jesosy tsy hahazo fahazavana hafa anefa izy. Tsy namaly mivantana ny fanontanian’ i Pilato Izy, fa napetrany mazava kosa ny asa nanirahana ny tenany. Nataony izay hahafantaran’ i Pilato fa tsy nikatsaka seza fiandrianana tetỳ an-tany Izy.IFM 781.3

    «Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao», hoy Izy. «Raha mba any amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho, nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako. Ary hoy i Pilato taminy : Mpanjaka va ary Ianao ? Jesosy namaly hoe : Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako. ary izao no niaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko».IFM 781.4

    Nambaran’ i Kristy mazava fa ny teniny dia fanalahidy izay hamoha ny zava-miafina ho an’ izay voaomana handray izany. Manankery mibaiko ny tenany izany, ary izany no tsiambaratelon’ ny fiparitahan’ ny fanjakan’ ny fahamarinana. Niriny i Pilato hahazo fa ny fandraisana sy ny fitazonana ny fahamarinana ihany no afaka hamerina indray ny toetrany simba.IFM 782.1

    Nanam-paniriana ahafantatra ny marina i Pilato. Nikorontana ny sainy. Nofikirina tamin-kafanam-po ny tenin’ ny Mpamonjy, ka voahetsiky ny faniriana mafy sy lalina ahafantatra izay tena marina ny fony sy ny fomba ahazoana izany. «Inona no marina ?» hoy ny fanontaniany. Tsy niandry ny valiny anefa izy. Nampitodika azy ho amin’ ny zava-manahirana azy tamin’ izay fotoana izay ny horakoraka tao ivelany. Nikotaba mantsy ny mpisorona nitaky asa avy hatrany. Nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy izy, ka nilaza tamin’ ny fomba manetriketrika hoe : «Tsy hitako izay helony na dia kely akory aza».IFM 782.2

    Fanomezan-tsiny mivaivay tamin’ ny toetra mamitaka sy mandainga nasehon’ ny mpanapaka teo amin’ Isiraely izay niampanga ny Mpamonjy ireo teny nataon’ ny mpitsara jentilisa ireo. Raha nandre izany tamin’ i Pilato ny mpisorona sy ny loholona, dia tsy nisy fetrany intsony ny fahadisoam-panantenany sy ny faharomo tany. Efa nioko ela izy ireo sy ela niandrasana izao fotoana mety izao. Raha hitany fa mety havotsitra fotsiny Jesosy, dia toa vonona ny handrotika Azy izy. Nampangainy tamin’ ny feo mafy i Pilato ka norahonany hosazin’ ny fitondram-panjakana Romana. Nampangainy ho tsy mety manameloka an’ i Jesosy izy, Izay noantitranterin’ izy ireo fa nitonon-tena hanohitra an’ i Kaisara.IFM 782.3

    Feo feno hatezerana izao no re manambara fa fantatra manerana ny firenena ny hery mampikomy miasa mangina avy amin’ i Jesosy. Hoy ny mpisorona hoe : «Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty».IFM 782.4

    Tsy nihevitra ny hanameloka an’ i Jesosy i Pilato tamin’ izay fotoana izay. Fantany fa niampanga Azy ny Jiosy noho ny fankahalana sy ny hevi-diso nibahana tao an-tsainy. Fantany ny adidiny. Nitaky ny handefasana an’ i Jesosy avy hatrany ny fahamarinana. Natahotra mafy ny fanirian-dratsin’ ny vahoaka anefa i Pilato. Raha laviny ny manolotra an’ i Jesosy ho eo am-pelatanany, dia hisy tabataba, ary natahorany ny hisetra izany. Rehefa reny fa avy any Galilia Kristy, dia nanapa-kevitra ny handefa Azy any amin’ i Heroda izy, mpanapaka ny faritany, izay tao Jerosalema tamin’ izay fotoana izay. Nihevitra i Pilato tamin’ izay fotoana izay fa hamindra ny andraikitry ny fitsarana tsy ho eo aminy fa ho amin’ i Heroda. Nihevitra koa izy fa fotoana mety izao hamitranana ny fihavanan’ izy sy Heroda, izay rava hatry ny ela. Tanteraka izany. Nifankahazo ireo mpitsara roalahy tamin’ ny fitsarana ny Mpamonjy.IFM 782.5

    Naverin’ i Pilato tamin’ ny miaramila indray Jesosy ka noritaritaina ho any amin’ ny efitra fitsaran’ i Heroda. tao anatin’ ny akora sy ny fitenenan-dratsy. «Ary faly dia faly Heroda. raha nahita an’ i Jesosy». Tsy mbola nihaona tamin’ ny Mpamonjy izy talohan’ izao, fa «efa naniry ela hahita Azy izy. satria efa nandre ny Aminy ary nanantena hahita famantarana hataony. Io Heroda io no nandoto ny tanany tamin’ ny ran’ i Jaona Mpanao batisa. Fony i Heroda nandre voalohany ny amin’ i Jesosy, dia raiki-tahotra izy, fa hoy izy : «Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany, efa nitsangana izy» ; «koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany»3Mar. 6 : 16 ; Mat. 14 : 2. Naniry ny hahita an’ i Jesosy anefa i Heroda. Izao no fotoana mety hamonjena ny ain’ ity mpaminany ity, ka nanantena ny Mpanjaka fa handroaka mandrakizay tsy ho ao an-tsainy ny fahatsiarovany ilay loha feno ra nentina tamin’ ny lovia teo anatrehany. Niriny koa ny hanome fahafaham-po ny fitiavany hahita zavatra, ka nihevitra izy fa raha aseho an’ i Kristy fa mety ho afaka Izy, dia hataony izay rehetra angatahina Aminy.IFM 783.1

    Mpisorona sy loholona be dia be no nanaraka an’ i Kristy ho any amin’ i Heroda. Ary rehefa nampidirina ny Mpamonjy. dia samy nirehidrehitra ireto olo-manan-kaja niteny, nanantitrantitra ny fiampangana Azy. Tsy noraharahin’ i Heroda firy anefa ny fiampangany. Nasainy nangina ny olona, te-hanana fotoana mety hanontaniana an’ i Kristy izy. Nasainy novahana ny fatoran’ i Kristy ary niaraka tamin’ izay dia nampangainy ho nitratrevatreva taminy ny fahavalony. Nangoraka izy nijery ny endrika tonin’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao, ary fahendrena sy fahadiovana ihany no novakiany teo aminy. Tahaka an’ i Pilato dia nahafantatra tsara izy fa faharatsian-toetra sy fialonana no nahatonga Azy ho voampanga.IFM 783.2

    Nanontany an’ i Kristy tamin’ ny teny maro i Heroda. nefa nitoetra tao amin’ ny fahanginana lalina hatrany ny Mpamonjy. Rehefa nibaiko ny mpanjaka, dia nantsoina hiditra ny marary sy ny malemy, ary nasaina nanaporofo ny filazany Kristy amin’ ny fanaovany fahagagana. Milaza ny olona fa mahay manasitrana ny marary Ianao, hoy i Heroda. Tiako ho hita fa tsy tafahoatra ny lazanao hatraiza hatraiza. Tsy namaly Jesosy, koa mbola namporisika ihany i Heroda. Raha afaka manao fahagagana ho an’ ny hafa Ianao, ataovy izany izao noho ny amin’ ny tenanao, fa hahasoa Anao izany. Nibaiko indray izy ; manaova famantarana fa manana ny hery izay lazain’ ny feo mandeha fa anananao ianao. Nefa toy ny olona tsy mandre sady tsy mahita i Kristy. Nitafy ny nofon’ olombelona ny Zanak’ Andriamanitra. Tsy maintsy manao izay fanaon’ ny olona amin’ ny toe-javatra toy izao Izy. Noho izany dia tsy hanao fahagagana hamonjena ny tenany amin’ ny fangirifiriana sy ny fanalam-baraka izay tsy maintsy hiaretan’ ny olona rehefa amin’ ny toerana mitovy amin’ izao Izy.IFM 784.1

    Nampanantena i Heroda fa raha manao fahagagana eo anatrehany Kristy, dia halefany Izy. Ny mason’ ny mpiampanga an’ i Kristy mihitsy no nahita ny asa lehibe vita tamin’ ny alalan’ ny heriny. Efa nandre Azy nibaiko ny fasana hamoha ny maty ao aminy izy. Efa nahita ny maty nivoaka nankato ny feony izy. Natahotra izy sao manao fahagagana Izy izao. Handrodana tanteraka ny drafitra nataony ny fanehoan-javatra toy izany, ary angamba haningotra ny ainy aza. Nitebiteby fatratra ny mpisorona sy ny mpanapaka ka noantitranteriny indray ny fiampangana Azy. Nanandratra ny feony izy, ka nilaza Azy ho mpamadika, mpiteny ratsy an’ Andriamanitra. Nanao fahagagana Izy tamin’ ny alalan’ ny hery nomen’ i Belzeboba Azy, ilay andrianan’ ny devoly. Nanjary nisaritaka ny tao amin’ ny trano fitsarana, ny sasany niantsoantso zavatra iray, ny sasany zavatra hafa.IFM 784.2

    Efa nihena tsy naranitra intsony tahaka ny fony izy nangovitra sy nihorohoro tamin’ ny fangatahan’ i Herodiasy ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa izao ny feon’ ny fieritreretan’ i Heroda. Nisy fotoana izay nahatsapany ny kaikitra mahararin’ ny nenina noho ny zavadoza nataony ; nefa nitotongana hatrany ny fahatsiarovan-tenany eo amin’ ny ara-pitondran-tena noho ny filibana teo amin’ ny fiainany. Efa nihamafy indrindra izao ny fony hany ka nireharehany aza ny famaizana nataony tamin’ i Jaona. noho izy sahy nanome tsiny azy. Izao dia nandrahona an’ i Jesosy izy, namerimberina fa manana fahefana handefa na hanameloka Azy. Nefa tsy nisy hita teo amin’ i Jesosy ny famantarana fa nisy teny reny.IFM 784.3

    Nahasosotra an’ i Heroda io fanginana io. Toa nampiseho tsy firaihana ny fahefany izany. Ho an’ ilay mpanjaka mirehareha sy tia fisehosehoana, dia tsy mamely azy toy ny hodian-tsy hita izao ny faniniana mivantana. Norahonany tamin-katezerana indray Jesosy. Izay mbola tsy nihontsona sy nangina ihany.IFM 785.1

    Tsy hanome fahafaham-po ny fitiavan-kahita zavatry ny tsy manan-katao no asa nanirahana an’ i Kristy teto amin’ izao tontolo izao. Hanasitrana ny torotoro fo no nahatongavany. Raha afaka nanao teny hanasitranana ny ratran’ ny fanahy mararin’ ny fahotana Izy. dia tsy nangina. Fa tsy nanao teny ho an’ ireo izay nanitsakitsaka fotsiny ny fahamarinana tamin’ ny tongotra tsy masina Izy.IFM 785.2

    Azon’ i Kristy natao ny namoaka teny nanagorobaka ny sofin’ ilay mpanjaka mafy fo. Azony natao ny nampiraiky tahotra azy sy nampangovitra azy tamin’ ny famelarana ny fiainany feno faharatsiana teo anatrehany, sy nameno azy tamin’ ny horohoro ny loza nanatona azy. Nefa ny fanginan’ i Kristy no fanomezan-tsiny mafy indrindra azony nomena. Nitsipaka ny fahamarinana nambaran’ ny mpaminany lehibe indrindra i Heroda. koa tsy nisy hafatra hafa horaisiny. Tsy nanan-teny ho azy Ilay andrianan’ ny Lanitra. Ilay sofina vonona mandrakariva hihaino ny fahorian’ ny olombelona. dia tsy nanana toerana ho an’ ny baikon’ i Heroda. Ireo maso izay nampitoetra fangorahana sy fitiavana mamela heloka tamin’ ny mpanota nibebaka, dia tsy nitopy tamin’ i Heroda. Ireo molotra izay nanambara ny fahamarinana nilatsaka tao am-po indrindra, izay niangavy tamin» ny feo feno fitiavana indrindra ny mpanota be indrindra sy nivarilavo ambany indrindra, dia nikombona teo amin’ ilay mpanjaka nizahozaho tsy nahatsapa ny filany Mpamonjy.IFM 785.3

    Nihamaloka noho ny hatezerana ny endrik» i Heroda. Nitodika tany amin’ ny vahoaka romotra izy ka niampanga an’ i Jesosy ho mpisandoka. Dia hoy izy tamin» i Kristy : Raha tsy manome porofo ny amin’ izay lazainao Ianao, dia ho atolotro ny miaramila sy ny vahoaka. Afaka mampiteny Anao ireo. Raha misandoka Ianao. dia fahafatesana eo am-pelatanan» ireo ihany no mendrika Anao ; raha Zanak’ Andriamanitra Ianao, dia vonjeo ny tenanao ka manaova fahagagana.IFM 785.4

    Raha vantany vao vita ireo teny ireo, dia nirohotra nankeo amin’ i Kristy ny olona. Tahaka ny bibidia ny vahoaka niantoraka teo amin’ ny hazany. Nifandrotehana toy izany Jesosy ary nanampy ny vahoaka romotra i HeFoda niezaka ny hampietry ny Zanak’ Andria-manitra. Raha tsy nisalovana ny miaramila romana, ka nanosika ny vahoaka nisafoaka, dia ho rotidrotika ny Mpamonjy.IFM 786.1

    «Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiankanjo Azy akanjo tsara». Nandray anjara tamin’ io fanaovana an-keriny io ny miaramila romana. Izay rehetra azon’ ireo miramila ratsy fanahy, maloto fitondran-tena ireo natao sy noforonina, nampian’ i Heroda sy ny olo-manan-kaja jiosy, dia navongainginy tamin’ ny Mpamonjy. Tsy nihontsona anefa ny faharetany avy amin’ Andriamanitra.IFM 786.2

    Efa niezaka ny hampitovy ny toetra amam-panahin’ i Kristy tamin’ ny an’ ny tenany ny mpanenjika Azy ; efa nasehony ho ratsy sy ambany tahaka ny tenany Izy. Tao ambadiky ny fisehoan-javatra ankehitriny anefa dia nisy toe-javatra hafa nitsofoka, — toe-javatra izay ho hitan’ izy rehetra ao amin’ ny voninahiny indray andro any. Nisy nangovitra teo anatrehan’ i Kristy. Raha niankohoka teo anatrehany ho fanarabiana Azy ny vahoaka marobe tsy nisy fanajana, dia nisy saika hanao izany niverina natahotra sady sina. Resy lahatra i Heroda. Namirapiratra farany teo amin’ ny fony nohamafisin’ ny fahotana ny tana-masoandron’ ny fahazavana sy ny famindrampo. Tsapany fa tsy olona tsotra io ; namirapiratra tao anatin’ ny mahaolombelona ny maha-Andriamanitra Azy. Tamin’ izay fotoana izay indrindra raha voahodidin’ ny mpaneso sy ny mpijangajanga ary ny mpamono olona Jesosy, dia tsapan’ i Heroda kosa fa nibanjina an’ Andriamanitra teo amin’ ny fiandrianany izy.IFM 786.3

    Na dia mafy fo aza i Heroda, dia tsy sahy nanamafy ny fanamelohana an’ i Kristy izy. Te-hanala ny tenany tamin’ ny andraikitra mahatsiravina izy, ka naveriny ho any amin’ ny efitra fitsaran’ ny Romana Jesosy.IFM 786.4

    Diso fanantenana sy sorena be i Pilato rehefa niverina niaraka tamin’ ny mpifatotra nentiny ny Jiosy ; dia tezitra izy nanontany izay tian’ izy ireo hataony. Nampahatsiahiviny azy ireo fa efa nandinika ny momba an’ i Jesosy izy, ka tsy nahita fahadisoana taminy ; nambarany azy ireo fa nametraka fitarainana momba Azy izy, nefa tsy afaka nanaporofo na dia fiampangana iray aza izy ireo. Efa nandefa an’ i Jesosy tany amin’ i Heroda izy, ilay mpanapaka an’ i Galilia, sady iray firenena tamin’ ireo, nefa io koa tsy nahita na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. «Koa hofaizako Izy hoy i Pilato, dia halefako».IFM 786.5

    Teto i Pilato no naneho ny fahalemeny. Nolazainy fa tsy nanantsiny Jesosy, nefa sitrapony ny hampikapoka karavasy Azy mba hanome fahafaham-po ireto mpiampanga Azy. Hataony sorona ny fahamarinana sy ny foto-kevitra mba hitadiavany izay marimaritra hiraisana ka hampitony ny vahoaka romotra. Nametraka azy teo amin’ ny toerana tsy tsara izany. Nohararaotin’ ny olona ny tsy fahatapahan-keviny, ka vao mainka niantsoantso izy, nitady ny ain’ ny mpifatotra. Raha nijoro tsara i Pilato tamin’ ny voalohany, ka nandà ny hanameloka olona hitany fa tsy nanan-tsiny, dia ho nanapaka ilay rojo nahitany loza izay hamatotra azy amin’ ny nenina sy ny heloka mandra-pahafatiny izy. Raha notanterahiny izay naharesy lahatra azy fa marina, dia tsy ho sahy nibaiko azy ny Jiosy. Tsy afaka fa ho faty ihany Kristy, saingy tsy i Pilato no hitoeran’ ny heloka. Niandalana no nanoheran’ i Pilato ny feon’ ny fieritreretany. Nanala tsiny ny tenany izy, tsy nitsara araka ny rariny sy ny hitsiny, koa ankehitriny dia indro fa lasa nalemy teo an-tanan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Nampidi-doza azy ny tsy fahaizany manapakevitra.IFM 787.1

    Na tamin’ io fotoana io aza anefa, dia tsy navela ho jamba i Pilato ka tsy ahafantatra. Nisy hafatra avy amin’ Andriamanitra nampitandrina azy tsy hanao ny asa izay efa hotanterahiny. Ho valin’ ny fivavahana nataon’ i Kristy, dia nisy anjely avy any andanitra namangy ny vadin’ i Pilato, niseho taminy tao amin’ ny nofy ny Mpamonjy, ary niresaka taminy. Tsy Jiosy ny vadin’ i Pilato, nefa rehefa nahita an’ i Jesosy tao amin’ ny nofy izy, dia tsy nisalasala ny amin’ ny toetra amam-panahiny na ny asa nanirahana Azy. Fantany fa andrianan’ Andriamanitra Izy. Nahita Azy notsaraina teo amin’ ny efitrano fitsarana izy. Nahita ny tanany nifatotra mafy toy ny tanan’ ny mpanao meloka izy. Hitany i Heroda sy ny miaramilany nanao ny asany mahatsiravina. Reny ny mpisorona sy ny mpanapaka, feno fialonana sy faharatsiana, niampanga toy ny adala. Reny ny teny hoe : «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tokony ho faty Izy». Hitany i Pilato nanolotra an’ i Jesosy ho kapohina rehefa avy nilaza hoe : «Tsy hitako izay diso Aminy». Reny ny fanamelohana nataon’ i Pilato, ka hitany izy nanolotra an’ i Kristy tamin’ ireto mpamono Azy. Hitany ny hazo fijaliana nisandratra teo Kalvary. Hitany ny tany rakotry ny haizina, ka reny ilay feo mifono zava-miafina hoe : «Vita». Mbola nisy toe- javatra hafa koa nifantohan’ ny fijeriny. Hitany Kristy nipetraka teo amin’ ny rahona fotsy lehibe, raha nivembena teo amin’ ny toerany ny tany, ka nandositra tsy ho eo anatrehan’ ny voninahiny ny mpamono Azy. Nikiakiaky ny tahotra izy ka taitra, ary avy hatrany dia nanoratra tamin’ ny Pilato hampitandrina azy.IFM 787.2

    Raha nisalasala ny amin’ izay hataony i Pilato, dia nisy mpitondra hafatra nanavatsava ny vahoaka. ka nanolotra azy taratasy avy tamin’ ny vadiny. Toy izao ny fivakiny :IFM 788.1

    «Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina».IFM 788.2

    Nivaloharika ny endrik’ i Pilato. Nahavery hevitra azy ny fihetseham-pony nifanipaka. Nefa raha mbola nitaredretra izy, dia mbola nampirehitra bebe kokoa ny sain’ ny vahoaka ny mpisorona sy ny mpanapaka. Voatery hanao zavatra i Pilato. Tonga tao an-tsainy izao ny fomba amam-panao iray izay azo ampiasaina mba hahazoana antoka ny fandefasana an’ i Kristy. Fomba tamin’ io andro firavoravoana io ny mandefa mpifatotra iray izay azon’ ny vahoaka nofidina. Fomba noforonin’ ny mpanompo sampy izany ; tsy misy aloky ny fahamarinana tamin’ izany, nefa dia nankafizin’ ny Jiosy fatratra. Tamin’ io fotoana io. dia nisy mpifatotra atao hoe Barabasy teo am-pelatanan’ ny fahefana Romana. izay voaheloka ho faty. Nihambo ho Mesia io lehilahy io. Nihambo ho nanana fahefana hampitoetra amin-javatra hafa izy. mba hametraka an’ izao tontolo izao eo amin’ ny marina. Nofitahin’ i Satana izy ka nilaza fa na inona na inona mety ho azony amin’ ny halatra sy ny fandrobana, dia azy. Nanao zava—mahagaga izy tamin’ ny alalan’ ny anjelin’ i Satana. nisy nanaraka azy ny vahoaka. ary nitarika fikomiana tamin’ ny fitondram-panjakana Romana izy. Nisalotra hafanam-po arapivavahana izy. nefa olona ratsy fanahy, mahavanon-doza, nirona ho amin’ ny fikomiana sy ny habibiana. Raha nampisafidy ny vahoaka an’ io lehilahy io sy ny Mpamonjy tsy manan-tsiny i Pilato. dia nihevitra izy fa hifoha ao amin’ izy ireo ny fahatsiarovana ny rariny. Nanantena izy fa hisy hiray fo amin’ i Jesosy ka hanohitra ny mpisorona sy ny mpanapaka. Nitodika tany amin’ ny vahoaka ary izy ka niteny tamin-kafanam-po be hoe : «Iza moa no tianareo halefako ho anareo ? Barabasy sa Jesosy. Izay atao hoe Kristy ?»IFM 788.3

    Tahaka ny fimaman’ ny bibi-dia ny valintenin’ ny vahoaka romotra nanao hoe : Alefaso ho anay i Barabasy. Nihamafy sy nitombo hatrany ny antsoantso hoe : Barabasy ! Barabasy ! Nohe- verin’ i Pilato fa tsy azon’ ny vahoaka ny fanontaniany ka nanontany izy hoe : «Tianarao va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ ny Jiosy ?» Nefa niantso indray ireo ka nanao hoe : «Tsy Ilehio fa alefaso ho anay Barabasy !» «Inona ary no ataoko amin’ i Jesosy Izay atao hoe Kristy ?» hoy ny fanontanian’ i Pilato. Nisasasasa indray ny fitrenan’ ireo olona marobe tahaka ny demonia. Ny demonia mihitsy, naka ny endrik’ olombelona. no tao amin’ ny vahoaka. koa inona no nampoizina afa-tsy ny valinteny hoe : «Aoka homboina amin’ ny hazo fijaliana Izy».IFM 788.4

    Very hevitra i Pilato. Tsy nampoiziny ny ho tonga tamin’ izany. Nihemotra izy, tsy nanafaka olona tsy manan-tsiny amin’ ny fahafatesana mahamenatra sy loza indrindra ampiharina. Rehefa nangina ny firohondrohon’ ny feo. dia nitodika tany amin’ ny vahoaka izy ka nanao hoe : «Fa inona moa no ratsy nataony ?» Efa lasa lavitra loatra anefa ny toe-javatra ka tsy misy handaharana intsony. Tsy ny porofo mazava maha-tsy manan-tsiny an’ i Kristy no nangatahiny, fa ny fanamelohana Azy.IFM 789.1

    Niezaka ihany i Pilato namonjy Azy. «Fa hoy izy taminy fanintelony : Ka inona ary no ratsy nataony ? tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy ; koa hofaizina Izy, dia halefako». Nefa ny filazana indrindra ny fandefasana Azy dia nanaitra ny vahoaka tamin’ ny fahavinirana im-polo heny. «Homboy ! Homboy ! hoy ny antsoantson’ ny vahoaka. Nitombo nihamafy ka nihamafy hatrany ny tafiotra, vokatry ny tsy fahatapahan-kevitr’ i Pilato.IFM 789.2

    Nentina Jesosy, reraky ny havizanana sy rakotry ny ratra, ka nokapohina teo imason’ ny vahoaka marobe.IFM 789.3

    «Ary ny miaramila nitondra an’ i Jesosy, ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra. Ary dia nampitafy azy lamba volomparasy izy. sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany. Ary dia niarahaba Azy hoe izy : «Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy ! Ary . . . nandrora Azy izy. dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany». Indraindray dia misy tanan’ olona ratsy fanahy nitselika ny volotara napetraka teo antanany, ka nikapoka ny satro-tsilo teo amin’ ny handriny, ary nandentika ny tsilo teo amin’ ny fihirifany, ka nampikoriana ny ra nanaraka ny tarehiny sy ny volombavany.IFM 789.4

    Mitalanjona ry lanitra ! aoka hitolagaga ry tany ! Indro ny mpampahory sy ny ampahoriana. Vahoaka lasa adala no mifanizina manodidina ny Mpamonjy an izao tontolo izao. Nifangaro tamin’ ny fanesoana sy ny fanarabiana ny ompa sahy ratsy sy ny fitenenandratsy an’ Andriamanitra. Ny fahaterahany feno fanetren-tena sy ny fiaikany tsotra no nentin’ ireto vahoaka romotra sy tsy mahatsapa na inona na inona namingavinga Azy. Atao fihomehezana ny filazany ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra, ka natao fary nitety reny ny vazivazy sy ny ompa feno fanarabiana.IFM 789.5

    Satana no mitarika ireo vahoaka masiaka sy romotra ireo teo amin’ ny herisetra nataony tamin’ ny Mpamonjy. Ny nokasainy dia ny ahatonga Azy hamaly raha azo atao. na ny hitarika Azy hanao fahagagana mba hanafahany ny tenany, ka amin’ izay dia ho tapaka tangarana ny drafitry ny famonjena.. Pentina iray teo amin’ ny fiainan’ ny maha-olombelona Azy, tsy fahazakany ny fisedrana mahatsiravina indray mandeha monja teo amin’ ny maha-olombelona Azy, dia ho lasa fanatitra tsy tanteraka ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, dia ho fefika ny fanavotana ny olona. Nefa Ilay afaka miantso ny tafiky ny lanitra hanampy Azy raha baikoany indray mandeha, — Ilay afaka mampandositra ireto vahoaka romotra ireto noho ny tahotra ka tsy ho eo anatrehany raha hampamirapiratiny ny fahalehibeazan’ ny maha-Andriamanitra Azy, — dia nilefitra tamim-pahatoniana feno sy tanteraka teo anatrehan’ ny fanevatevana sy ny fanalam-baraka mahatsiravina indrindra.IFM 790.1

    Nangataka fahagagana ny fahavalon’ i Kristy ho porofon’ ny maha-Andriamanitra Azy. Nanana porofo mazava lehibe lavitra noho izay tadiaviny izy ireo. Toy ny nitotonganan’ ireto mpampijaly Azy ho ambanin’ ny maha-olombelona noho ny fahasiahany ka hanam-pitoviana amin’ i Satana, dia toy izany koa no nanandratan’ ny fahalemem-panahiny sy ny faharetany an’ i Jesosy ho ambonin’ ny maha-olombelona, ka nanaporofoany ny fihavanany tamin’ Andriamanitra. Antoky ny nanandratana Azy ny nanetrena Azy. Antoky ny hanosorana Azy amin’ ny «diloilo fifaliana» 4Heb. 1 : 9 amin’ ny maha-Mpisoronabentsika Azy ny ra nitete avy tamin’ ny fihirifany naratra noho ny ady nihatra taman’ aina ka nitsontsorika tamin’ ny tavany sy ny volombavany.IFM 790.2

    Lehibe ny hatezeran’ i Satana raha nahita fa izay herisetra rehetra atao amin’ ny Mpamonjy dia tsy nanery Azy hamoaka, na dia ny fimonomononana kely indrindra avy tao am-bavany aza. Na dia noraisiny teo aminy aza ny toetry ny olombelona dia notohanan’ ny herim-po manam-pitoviana amin’ Andriamanitra Izy, ka tsy niala na dia kely aza teo amin’ ny sitrapon’ ny Rainy. Raha nandefa an’ i Jesosy hokapohina sy atao fihomehezana i Pilato, dia nihevitra izy fa hampangoraka ny vahoaka. Nanantena izy fa efa ampy Azy rahateo ny famaizana efa vita. Na dia ny haratsian’ ny mpisorona aza, hoy ny fiheviny, dia ho afa-po amin’ izay. Nefa naranitra ny Jiosy ka hitany ny fahalemena tamin’ ny famaizana toy izao ny olona izay efa nolazaina fa tsy manan-tsiny. Fantatr’ izy ireo fa niezaka hamonjy ny ain’ ny mpifatotra i Pilato, koa tapa-kevitra izy ireo ny tsy hanaiky handefasana an’ i Jesosy. Mba hahafaly antsika sy hanomezana fahafaham-po antsika hoy ny eritreritr’ izy ireo, dia nokapohin’ i Pilato Izy. koa raha terentsika ny toe-javatra hiafara amin’ ny fanapahan-kevitra, dia ho azo antoka fa ho tody amin’ ny farany isika.IFM 790.3

    Nampaka an’ i Barabasy ho eo amin’ ny fitsarana izao i Pilato. Dia niara-nasehony nifanakaiky ny mpifatotra roa lahy, dia nanondro ny Mpamonjy izy ka niteny tamin’ ny feo feno fiangaviana sady nanetriketrika hoe : «Indro ny Lehilahy». «Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza».IFM 791.1

    Nijoro teo ny Zanak’ Andriamanitra, nisatroka satro-tsilo sy nampiakanjoina akanjom-piandrianana ho fanesoana Azy. Tsy nitafy hatreo am-balahana Izy, ka hita teo amin’ ny lamosiny ny dian-kapoka lava tsy mifaditrovana izay nikorianan’ ny ra be dia be. Nivoa-dra ny tavany, ary hita soritra teo ny harerahana sy ny fangirifiriana ; nefa tsy mbola hita ho tsara tarehy toy izao ankehitriny izao Izy. Tsy simba ny endriky ny Mpamonjy teo imason’ ny fahavalony. Nitory hatsaram-panahy sy fileferana ary fangorahana be fitiavana indrindra ho an’ ireto mpamono Azy masiaka ny endriny manontolo. Tsy nisy fahalemena vokatry ny fahakanosana teo amin’ ny fihetsiny, fa hery sy fahamendrehana avy amin’ ny fahari-po. Nanaitra ny fahasamihafana nisy taminy sy ilay mpifatotra teo anilany. Ny endrik’ i Barabasy rehetra dia nanambara ny toetrany mahery setra sy mafy fo. Niteny tamin’ izay rehetra nijery izany fahasamihafana izany, ka nisy nitomany ny sasany. Raha nijery an’ i Jesosy izy, dia feno fangorahana ny fony. Na dia ny mpisorona sy ny mpanapaka aza dia resy lahatra fa marina izay rehetra nolazainy ny amin’ ny tenany.IFM 791.2

    Tsy mafy fo avokoa akory ireo miaramila Romana izay nanodidina an’ i Kristy ; nisy nikaroka porofo iray teo amin’ ny endriny ny maha-mpanao heloka bevava Azy na manana toetra amam-panahy lozabe nefa tsy nahita. Tsindraindray izy ireo dia nanipy fijery maneso tamin’ i Barabasy izay tsy nilàna fandinihana lalina ny fanakianana ny tao am-pony rehetra, dia nafindrany tany amin’ Ilay notsaraina indray ny fijeriny. Fangorahana lalina no tsapany raha nijery Ilay Andriamanitra nijaly izy. Vita tombo-kase tao an-tsainy ny zavatra niseho noho ny fanginan’ i Kristy sy ny fileferany, ary tsy ho voakosoka mihitsy mandra-panekeny Azy ho Kristy na mandra-pitsipany Azy ka hanapahany izay ho anjaran’ ny tenany mandrakizay.IFM 791.3

    Nampitolagaga an’ i Pilato ny faharetan’ ny Mpamonjy tsy nitaraina. Tsy nisalasala izy fa ny fahitana io lehilahy io. miavaka amin’ i Barabasy. dia hanetsika ny Jiosy hiray fo Aminy. Tsy azony ny fankahalana mandray an-tendrony nasehon’ ny mpisorona an’ Ilay Fahazavan» izao tontolo izao, ka nampiharihary ny hamaizinany sy ny fahadisoan-keviny. Nanosika ny vahoaka ho amin’ ny haromotana sy ny hadalana izy ireo, koa nihoraka indray ny mpisorona, ny mpanapaka sy ny vahoaka nanao ilay antsoantso mampihorinkoditra hoe : «Homboy ! Homboy !» Nony farany, tsy nahatsindry intsony i Pilato teo anatrehan’ ny habibiana tsy rariny nasehon’ ireo ka namoy fo nikiakiaka hoe : «Entonareo Izy, dia homboy amin’ ny hazo fijaliana, fa izaho tsy mahita izay helony» .IFM 792.1

    Na dia efa nahazatra ilay governora Romana aza ny fisehoanjavatra feno habibiana, dia voahetsika ny fony hangoraka ity mpifatotra mijaly, izay nomelohina sy nokapohina. ny handriny boba ra, ary ny lamosiny rotidrotika. nefa mbola nitahiry ny fihetsiky ny mpanjaka eo amin» ny seza fiandrianany. Hoy anefa ny mpisorona : «Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy. satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra».IFM 792.2

    Nangorohoro i Pilato. Tsy nanana hevitra mazava ny amin’ i Kristy sy ny asa nanirahana Azy izy, nanjavozavo tao aminy anefa ny finoana an’ Andriamanitra sy ny finoany an’ izay ambony noho ny olombelona. Naka endrika mazava kokoa ankehitriny ny eritreritra efa nandalo tao an-tsainy. Nanontany izy sao Andriamanitra ity mijoro manoloana azy ity, mitafy lamba volomparasy ho fanesoana Azy ary misatro-tsilo.IFM 792.3

    Niverina tao anati-rova indray izy ary niteny tamin’ i Jesosy hoe : «Avy aiza moa Ianao ? Tsy namaly anefa Jesosy». Efa niteny tsotra tamin’ i Pilato ny Mpamonjy. nanazava taminy ny asa nanirahana Azy amin’ ny maha-vavolombelon’ ny fahamarinana Azy. Efa ninia tsy nanaraka ny fahazavana i Pilato. Nampiasainy tamin’ ny fomba tsy izy ny toerana ambony ananan’ ny mpitsara tamin’ ny nampileferany ny foto-kevitra sy ny fahefany ho ambanin’ ny fangatahan’ ny vahoaka. Tsy nanana fahazavana hafa ho azy intsony Jesosy. Sosotra tamin’ ny fanginany i Pilato ka niteny tamin’ avona hoe :IFM 792.4

    «Tsy miteny amiko va Ianao? Tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho. sady manana fahefana hanombo Anao amin’ ny hazo fijaliana koa ?»IFM 793.1

    Jesosy namaly azy hoe : «Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any an-danitra ; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa».IFM 793.2

    Toy izany no nataon’ Ilay Mpamonjy be fangorahana . Teo anivon’ ny fahoriana sy ny alahelo izay tratra, dia nanala-tsiny araka izay azo natao ny fihetsik’ ilay governora Romana izay nanolotra Azy homboana eo amin’ ny hazo fijaliana Izy. Akory re izany toejavatra izany izay ampitaina amin’ izao tontolo izao amin’ ny fotoana rehetra. Akory izany fahazavana izay mitosaka amin’ ny toetra amam-panahin’ Ilay nitsara ny tany manontolo !IFM 793.3

    «Izay nanolotra Ahy taminao. hoy Jesosy, no manan-keloka bebe kokoa». Ny tian’ i Kristy holazaina amin’ izany dia i Kaiafa izay nampiseho ny firenena Jiosy, amin’ ny maha-mpisoronabe azy. Fantatr’ izy ireo ny foto-kevitra izay nifehy ny fahefana Romana. Efa nanana fahazavana tao amin’ ny faminaniana izy izay nanambara marina ny amin’ i Kristy sy ny fampianarany ary ny fahagagana vitany. Efa nandray porofo tsy azo lavina ny mpitsara Jiosy ny amin’ ny maha-Andriamanitra an’ Ilay nomelohiny ho faty. Ary araka ny fahazavana noraisiny no hitsarana azy.IFM 793.4

    Ny heloka lehibe indrindra sy ny andraikitra mavesatra indrindra ho an’ ireo nitana ny toerana ambony indrindra teo amin’ ny firenena, izay nametrahana ireo zava-masina, dia ny nivadihany tamin’ ny fomba mahamenatra. Pilato, Heroda, sy ny miaramila Romana dia tsy nahalala an’ i Jesosy raha ampitahaina aminy. Nihevitra ny hamalifaly ny mpisorona sy ny mpanapaka izy ireo tamin’ ny fanaovana an-keriny tamin’ i Jesosy. Tsy nanana ny fahazavana izay efa noraisin’ ny firenena Jiosy be dia be izy. Raha nomena ny miaramila ny fahazavana, dia tsy ho nampiseho fihetsika masiaka tahaka ny nataony tamin’ i Kristy izy.IFM 793.5

    Naroson’ i Pilato indray ny handefa ny Mpamonjy : «Nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe : Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao». Nilaza ny tenany ho saro-piaro amin’ ny fahefan’ i Kaisara ireto mpihatsaravelatsihy ireto. Raha mpanohitra ny fifehezan’ ny Romana, dia ny Jiosy no mangidy indrindra. Rehefa nahasoa azy ny nanao izany, dia izy ireo no tsy refesi-mandidy indrindra tamin’ ny fanamafisana izay takian’ ny fireneny sy ny fivavahany ; nefa rehefa nisy tiany hotanterahina kosa ny habibiany, dia nasandrany ny fahefan’ i Kaisara. Mba hanatanteraka ny fanapotehana an’ i Kristy, dia nilaza ny tenany ho mahatoky tamin’ ny fanapahana vahiny izay nankahalainy izy.IFM 794.1

    «Fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara», hoy izy ireo nanohy ny teniny. Nanohina an’ i Pilato teo amin’ izay nampahalemy azy izany. Niahiahy azy ny fitondram-panjakana Romana, ka fantany fa hamono azy ny tatitra toy izany. Fantany fa raha sakanana amin’ izay kasainy atao ny Jiosy, dia hiodina hamely azy ny haromotan’ izy ireo. Tsy hisy na inona na inona avelany tsy ho vita mba hanatanteraka ny valifatiny. Teo anatrehany ny ohatry ny fikirizany tamin’ ny nifofony ny ain’ Ilay nankahalainy tsy nisy antony.IFM 794.2

    Dia naka ny toerany teo amin’ ny seza fitsarana i Pilato, ary nasehony tamin’ ny vahoaka indray Jesosy, ka hoy izy hoe : «Indro ny Mpanjakanareo». Re indray ny antsoantson’ adala hoe: «Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy !» Niantso tamin’ ny feo mikarantsana i Pilato nanontany hoe : «Homboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo ?». Molotra maniratsira sy miteny ratsy ny zava-masina anefa no nivoahan’ ny teny hoe : «Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay».IFM 794.3

    Araka izany dia nifidy mpifehy jentilisa ny firenena jiosy ka niala tamin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Nitsipaka an’ Andriamanitra tsy ho mpanjakany izy, ka tsy nanana mpanafaka intsony amin’ izao sisa izao. Tsy nanana mpanjaka afa-tsy Kaisara izy. Tafapaka hatramin’ izany no nitarihan’ ny mpisorona sy ny mpampianatra ny vahoaka. Tompon’ andraikitra ny amin’ izany izy, sy ny amin’ ny vokatra mahatsiravina nanaraka izany. Ny mpitarika ara-pivavahana indray no nahatonga ny faharavam-pirenena.IFM 794.4

    «Ary raha hitan’ i Pilato fa tsy nahaleo ditra azy izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy, ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe : «Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho. fa asanareo». Natahotra sady nanameloka ny tenany i Pilato nijery ny Mpamonjy. Ny endrik’ i Jesosy irery no tony teo afovoan’ ny endrika nisamboaravoara maro toy ny ranomasimbe. Toa nisy fahazavana malefadefaka namirapiratra teo amin’ ny lohany. Hoy i Pilato anakam-po. Andriamanitra Izy. Nitodika tany amin’ ny vahoaka izy ka nanambara hoe : Afaka amin’ ny rany aho. Ento Izy ka homboy. Nefa mariho tsara ry mpisorona sy mpanapaka, fa nambarako fa olo-marina Izy. Aoka Ilay lazainy fa Rainy no hitsara ahy sy ianareo ny amin’ izay nitranga tamin’ ity andro ity. Dia hoy izy tamin’ i Jesosy : Mamelà ahy noho izao; tsy afaka mamonjy Anao aho. Ary rehefa nasainy nokapohina indray Jesosy, dia nalefany mba homboana amin’ ny hazo fijaliana.IFM 794.5

    Naniry mafy ny hamonjy an’ i Jesosy i Pilato. Hitany anefa fa tsy afaka nanao izany izy. raha notazoniny ihany ny toerany sy ny voninahiny. Naleony nisafidy hanao sorona ain’ olona tsy manan-tsiny, toy izay ho very ny fahefany araka izao tontolo izao. Firifiry no manao sorona toy izany ny foto-pinoana mba hialana amin’ ny fatiantoka na ny fahoriana. Manondro lalana iray ny feon’ ny fieritreretana sy ny adidy, ary manondro lalan-kafa ny tombontsoan’ ny tena. Manosika mafy ho amin’ ny lalana ratsy ny riaka, koa izay manao marimaritra iraisana amin’ ny ratsy dia voafaoka any anatin’ ny haizina matevin’ ny heloka.IFM 795.1

    Nilefitra tamin’ ny fangatahan’ ny vahoaka i Pilato. Naleony nandefa an’ i Jesosy homboana amin’ ny hazo fijaliana, toy izay nanao vy very ny toerana nisy azy. Nefa na dia efa nametrapetraka mialoha aza izy, dia tonga taminy taty aoriana izay natahorany rehetra. Nongotana taminy ny voninahiny. ary nazera niala tamin’ ny toerana ambony nisy azy izy ; nokaikerin’ ny nenina izy, ary voaratra ny avonavona tao aminy, ka tsy ela taty aorian’ ny nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana dia namarana ny androny izy. Toy izany koa izay rehetra mitady marimaritra iraisana amin’ ny fahotana dia tsy hahazo afa-tsy fahoriana sy fahafonganana. «Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany»5Oha.14 : 12.IFM 795.2

    Rehefa nanambara i Pilato fa afaka tamin’ ny ran’ i Kristy, dia fihantsiana no navalin’ i Kaiafa hoe: «Aoka ny rany ho aminay mbamin’ ny zanakay». Naverin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ireo teny mahatahotra ireo ka nanakoako ny feon’ ny olona marobe nanao hoe : «Aoka ny rany ho aminay mbamin’ ny zanakay».IFM 795.3

    Nanao ny safidiny ny vahoaka Isiraely. Nanondro an’ i Jesosy izy sady niteny hoe: «Tsy io lehilahy io. fa i Barabasy». Solontenan’ i Satana i Barabasy. ilay mpangalatra sy mpamono olona. Kristy no solontenan’ Andriamanitra. Notsipahana Kristy ; voafidy i Barabasy. Barabasy no azony. Ny nanaovany io safidy io dia fanekeny an’ ilay mpandainga sy mpamono olona hatrany amin’ ny voalohany. Hatramin’ izao dia i Satana no mpitarika azy. Ny baikony no arahin’ ny iray firenena. Ny asany koa no hataony. Ny fitsipika omeny no tsy maintsy zakainy. Ny vahoaka izay nifidy an’ i Barabasy ho solon’ i Kristy dia hahatsapa ny habibian’ i Barabasy raha mbola misy koa ny andro.IFM 796.1

    Raha nibanjina ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra voatorotoro sy afa-baraka ny Jiosy. dia niantsoantso hoe : «Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay». Tafakatra hatrany amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ilay antsoantso mahatahotra. Voasoratra any andanitra io didim-pitsarana navoakany ho an’ ny tenany ihany io. Re izany vavaka izany. Nipetraka ho ozona mandrakizay teo amin’ ny zanany sy ny zanaky ny zanany ny ran’ ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 796.2

    Tanteraka tamin’ ny fomba mahatsiravina izany tamin’ ny nandravana an’ i Jerosalema ; ary tsy latsaka noho izany fa vao mainka loza teo amin’ ny toerana nisy ny firenena jiosy nandritra ny valonjato sy arivo taona, — sampana nosarahina tamin’ ny foto-boaloboka, maty, tsy mamoa. tsy misy ilàna azy afa-tsy ny hodorana. Nivezivezy avy amin’ ny tany iray ho amin’ ny tany iray manerana an’ izao tontolo izao, nandritra ny taonjato nifandimby, maty, eny, maty tao amin’ ny fahadisoana sy ny fahotana.IFM 796.3

    Vao mainka hahatsiravina ny fanatanterahana io fivavahana io amin’ ny andro Fitsarana lehibe. Rehefa hiverina eto an-tany indray Kristy, tsy toy ny mpifatotra voahodidin’ ny faikan’ olona no hahitana Azy. Ho avy amin’ ny voninahitry ny tenany sy ny voninahitry ny Rainy ary ny voninahitry ny anjely masina Kristy. Anjely arivoarivo sy alinalina, zanak’ Andriamanitra mahate-ho tia sy mpandresy. voatafy hatsaran-tarehy sy famirapiratana tsy manam-paharoa no hanotrona Azy eo amin’ ny lalany. Dia hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy. ary hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Amin’ izay dia hahita Azy ny maso rehetra, na dia izay nandefona Azy aza. Ho solon’ ny satrotsilo, dia satroboninahitra no hanaovany, — dia satroboninahitra misosona satroboninahitra. Ho solon’ ny akanjo volomparasy tranainy dia hotafiana fitafiana fotsy indrindra Izy. «ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ ny tany mahafotsy toy izany» 6Mar.9 : 3.IFM 796.4

    Avy eo amin’ ny lambany sy eo amin’ ny feny dia misy anarana voasoratra hoe : Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny Tompo» 7Apok. 19 : 16. Ho tonga eo izay nanaraby sy nikapoka Azy. Hibanjina indray izay zavatra nitranga tao amin’ ny efitrano fitsarana ny mpisorona sy ny mpanapaka. Hiseho eo anatrehany toy ny voasoratra amin’ ny lelafo ny toe-javatra rehetra. Amin’ izay dia handray ny valin’ ny fivavahany ireo nivavaka hoe : «Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay». Amin’ izay dia hahafantatra sy hahatsapa izao tontolo izao manontolo. Ho tsapany hoe. tamin’ Iza no niadiany. izy izay olona mahantra sy malemy ary voafetra. Ao anatin’ ny tahotra sy ny horohoro izy no hiantsoantso ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe : «Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ ny tavan’ Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny t ', ahatezeran’ ny Zanak’ ondry, fa tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo ka iza no mahajanona ?» 8Apok. 6 : 16, 17IFM 797.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents