Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 30—Nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy

    «Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo Aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao Aminy sy hirahiny hitoriteny» 1Mifototra amin’ Mar 3 : 13-19 ; Lio 6 : 12-16.IFM 301.1

    Teo ambanin’ ny hazo zary fialofana teo amin’ ny tehezan’ ny tendrombohitra, tsy lavitry ny ranomasin’ i Galilia, no niantsoana azy roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny asa fitoriana, sy nanaovana ny toriteny teo an-tendrombohitra. Ny saha sy havoana no toerana tian’ i Jesosy sy nahazatra Azy, ary maro tamin’ ireo fampianarany no natao teny ankalamanjana, toy izay tao amin’ ny tempoly na tao amin’ ny synagoga. Tsy nisy synagoga antonona ny vahoaka be izay nanaraka Azy ; nefa tsy izay antony izay ihany no nifidianany hampianatra eny an-tsaha sy eny anaty ala-kely. Tian’ i Jesosy ny zava-misy eny amin’ ny zava-boahary. Ho Azy dia tempoly masina ny toerana mangingina rehetra azo itokanana.IFM 301.2

    Teo ambanin’ ny hazo tany Edena no nifidianan’ ireo mponina voalohany ny fitoerany masina. Teo Kristy no nifandray tamin’ ny rain’ ny taranak’ olombelona. Rehefa voaroaka avy tao amin’ ny Paradisa ireo razambentsika dia mbola nivavaka tao amin’ ny saha sy ny ala-kely izy, ary tao no nihaonan’ i Kristy taminy nitondrany ny filazantsaran’ ny fahasoavana. Kristy no niteny tamin’ i Abrahama teo ambonin’ ny hazo ôkan’ i Mamre. Niteny tamin’ i Isaka Izy raha nivoaka hivavaka tany an-tsaha rehefa harivariva ; niteny tamin’ i Jakoba Izy teo amin’ ny havoanan’ i Betela; niteny tamin’ i Mosesy Izy teo amin’ ny tendrombohitr’ i Midiana; ary niteny tamin’ i Davida, zazalahy niandry ny andian’ ondriny. Noho ny fitarihan’ i Kristy no nialan’ ny vahoaka Hebreo tao an-tranony herinandro iray isan-taona nandritra ny taonjato dimy ambin’ ny folo, ka nitoerany tao amin’ ny trano heva natao tamin’ ny rantsan-kazo maitso avy tamin’ ny «hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazo malahelo amoron’ ny renirano»2Lev. 23 : 40.IFM 301.3

    Raha nampiofana ny mpianany Jesosy, dia nifidy ny hiala amin’ ny tabataban’ ny tanàn-dehibe, ka nankany amin’ ny saha sy ny havoana izay nifandrindra bebe kokoa tamin’ ny leson’ ny fahafoizan-tena izay tiany ampianarina azy. Ary nandritra ny asa fanompoana nataony dia tiany ny nanangona ny vahoaka manodidina Azy teo ambanin’ ny lanitra manga, na teo amin’ ny havoana rakotr’ ahitra, na teo amoron’ ny farihy. Teo amin’ io toerana io, voahodidin’ ny asa noharian’ ny tenany, no nahazoany nanodina ny fisainan’ ny mpihaino Azy hiala tamin’ ny vitan’ olombelona ho amin’ ny voajanahary. Teo amin’ ny fitomboan’ ny zavaboary sy ny fivelarany no nanehoany ny foto-kevitry ny fanjakany. Raha nanandrandra ny masony ho amin’ ny havoanan’ Andriamanitra ny olona ka nibanjina ny asa mahagaga nataon’ ny tanany, dia afaka hianatra ny lesona sarobidy momba ny fahamarinan’ Andriamanitra izy. Averimberina aminy eo amin’ izay mitranga eo amin’ ny zavaboary ny fampianaran’ i Kristy. Toy izany koa amin’ izay rehetra mankeny amin’ ny saha miaraka amin’ i Kristy ao am-pony. Ho tsapany manodidina azy ny hery masina miasa mangina. Izay mitranga eo amin’ ny zavaboary dia iaingan’ ny fanoharana nataon’ ny Tompo ka mamerimberina ny torohevitra omeny. Misandratra ny saina ary mahita fiadanana ny fo amin’ ny firaisana amin’ Andriamanitra eo amin’ ny zavaboary.IFM 302.1

    Hanao ny dingana voalohany eo amin’ ny fandaminana ny fiangonana izay ho solontenany eto an-tany Kristy rehefa lasa Izy. Tsy nisy fitoerana masina nandaniana volabe azony nampiasaina, fa nentin’ ny Mpamonjy teo amin’ ny toerana mangingina tiany ny mpianany mba hifandray mandrakizay tao an-tsain’ izy ireo tamin’ ny hakanton’ ny tendrombohitra sy ny lohasaha ary ny ranomasina ireo fanandramana masina tamin’ io andro io.IFM 302.2

    Niantso ny mpianany Jesosy mba hahazoany mandefa azy ho vavolombelony, hanambara izay efa hitany sy reny taminy amin’ izao tontolo izao. Tsy mbola nisy olombelona nantsoina hanao asa toy izao mihitsy, ary ny asan’ i Kristy irery ihany no manantombo amin’ izy rehetra. Ho mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izy hamonjena izao tontolo izao. Tahaka ireo patriarka 10a ambin’ ny folo nijoro ho solontenan’ ny Isiraely ireo apostoly roa ambin’ ny folo izay nijoro ho solontenan’ ny fiangonan’ ny filazantsara.IFM 302.3

    Fantatry ny Mpamonjy ny toetra amam-panahin’ ny olona izay efa nofidiny, miharihary teo anatrehany ny fahalemeny sy ny hevi-diso tao aminy rehetra ; fantany ny loza izay tsy maintsy handalovany, ny andraikitra hipetraka aminy ;ka nalahelo mafy ireto nofinidiny Izy. Izy irery no teo amin’ ny tendrombohitra teo akaikin’ ny Ranomasin’ i Galilia ary nandany ny alina manontolo hivavahana ho azy, raha indreo kosa izy ireo natory teo ambodin’ ny tendrombohitra. Raha niseho ny tara-pahazavana voalohany amin’ ny maraina vao niposaka, dia nasainy nihaona taminy izy ; nanana zava-dehibe holazaina aminy Izy mantsy.IFM 303.1

    Efa nisy fotoana niarahan’ ireo mpianatra ireo niasa marina tamin’ i Jesosy. Jaona sy Jakoba, Andrea sy Petera niaraka tamin’ i Filipo, ary Natanaela sy Matio no efa nifandray akaikikaiky kokoa taminy noho ireo hafa , sady efa nahita maso bebe kokoa ny fahagagana nataony. Petera sy Jakoba ary Jaona dia mbola akaiky Azy kokoa indray. Saika niaraka taminy mandrakariva ireo, ka nanatrimaso ny fahagagana nataony, ary nihaino ny teniny. Mbola nifankahazo am-po bebe kokoa tamin’ i Jesosy i Jaona, ka niavaka izy amin’ ny maha ilay tian’ i Jesosy azy. Samy tian’ ny Mpamonjy izy rehetra, fa i Jaona no nanana saina amam-panahy mora mandray indrindra. Zandriny indrindra izy, ary mihoatra noho ny fianteheran’ ny zaza mahatoky no nanokafany ny fony tamin’ i Jesosy. Noho izany no nifandraisany am-po bebe kokoa tamin’ i Kristy, ary tamin’ ny alalany no nampitaina tamin’ ny vahoaka ny fampianarana ara-panahy lalina indrindra nataon’ ny Mpamonjy.IFM 303.2

    Filohan’ ny antoko iray nozarina ho apostoly Filipo. Izy no mpianatra voalohany nilazan’ i Jesosy ny baiko mazava hoe : «Manaraha Ahy». Avy any Betsaïda Filipo, dia ilay tanànan’ i Andrea sy Petera. Efa nihaino ny fampianaran’ i Jaona Mpanao batisa izy ary nandre ny fanambarany an’ i Kristy ho Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Tamin’ ny fo madio no nikatsahan’ i Filipo ny fahamarinana, nefa toa mbola nisalasala ny finoany Azy. Na dia efa nanaraka an’ i Kristy aza izy, dia hita teo amin’ ny fanambarany Azy tamin’ i Natanaela fa tsy resy lahatra tanteraka ny amin’ ny maha-Andria- manitra an’ i Jesosy izy. Na dia efa nambaran’ ilay feo avy tany an-danitra aza fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mbola «Jesosy avy any Nazareta, zanak’ i Josefa» 3Jao. 1 : 45 ihany no nahafantaran’ i Filipo Azy. Tamin’ ny namahanana ny dimy arivo lahy no niseho indray ny tsy fananan’ i Filipo finoana: Hitsapana azy no namctrahan’ i Jesosy ny fanontaniana hoe : «Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?» Niandany tamin’ ny tsy finoana ny valintenin’ i Filipo: «Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy» 4Jao. 6 : 5, 7.IFM 303.3

    Nalahelo Jesosy satria na dia efa nahita ny asany aza Filipo ka nahatsapa ny heriny, dia mbola tsy nanam-pinoana ihany. Rehefa nanontany an’ i Filipo ny mikasika an’ i Jesosy ny Grika, dia tsy nohararaotiny ny fotoana nety nitondrana azy ireo teo amin’ ny Mpamonjy, fa nandeha nilaza tamin’ i Andrea izy. Tamin’ ireo ora farany indray, talohan’ ny nanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nahakivy ny tsy finoana niseho teo amin’ i Filipo. Raha hoy Tomasy tamin’ i Jesosy hoe : «Tompoko, tsy fantatray izay alehanao, ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana» ? Dia namaly ny Mpamonjy hoe: «Izaho no lalàna sy fahamarinana ary fiainana . . . Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa». Avy tamin’ i Filipo ny valinteny mitory tsy finoana : «Tompoko asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay» 5Jao. 14 : 5:8. Io mpianatra io no niadam-pandroso indrindra tamin’ izay niaraka tamin’ i Jesosy nandritra ny telo taona, fa nalemy indrindra ny finoany.IFM 304.1

    Nahafinaritra kosa fa nifanohitra tamin’ ny tsy finoan’ i Filipo ny fahatokian’ i Natanaela, toy ny fahatokian’ ny zazakely. Lehilahy nafana fo izy, olona nanana finoana nifikitra tamin’ ny tsy hita. Mpianatra teo amin’ ny sekolin’ i Kristy anefa Filipo ka nozakain’ Ilay Andriamanitra Mpampianatra tamim-paharetana ny tsy finoany sy ny sainy votsa. Rehefa nirotsaka tamin’ ny mpianatra ny Fanahy Masina, dia nanjary mpampianatra araka izay ilain’ Andriamanitra Filipo. Fantany izay nolazainy ary nampianatra tamim-pahatokiana izy ka nandresy lahatra ireo mpihaino izany.IFM 304.2

    Raha nanomana ny mpianany amin’ ny nanirahany azy Jesosy, dia nisy anankiray izay tsy nantsoina, nefa nikiry ny ho anisan’ ireo. Jodasy Iskariota io, lehilahy izay nisora-tena ho mpanaraka an’ i Kristy. Niroso hangataka toerana aloha eo amin’ ny antokon’ ny mpianatra nifampikasoka akaiky indrindra tamin’ i Kristy Jodasy. Hafanam-po lehibe sy toa vokatry ny fo madio marina no nanambarany hoe : «Mpampianatra ô, hanaraka anao Aho na aiza na aiza halehanao». Tsy nandà azy Jesosy ary tsy nandray azy koa, fa namoaka ireto teny mampalahelo ireto fotsiny Izy hoe: «Ny amboahaolo manan-davaka ; ary ny voro-manidina manana fialofana ; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany»6Mat.8 19,20. Nino Jodasy fa Jesosy no Mesia ; koa niaraka tamin’ ny apostoly izy, nanantena fa hahazo toerana ambony ao amin’ ny fanjakana vaovao. Io fanantenana io no nokendren’ i Jesosy ho tapahina tangarana tamin’ ny nilazany ny fahantrana nivelomany.IFM 304.3

    Naniry fatratra ny hahatonga an’ i Jodasy ho anisany ny mpianatra. Zatra mifehy no fijery azy, olona mahay mandinika sady havanana eo am-panaovan-javatra, koa noderainy tamin’ i Jesosy izy, ary nolazainy fa afaka hanampy Azy betsaka amin’ ny asany. Gaga anefa Jodasy raha nahatsapa ny fomba mangatsiaka dia mangatsiaka nandraisan’ i Jesosy azy.IFM 305.1

    Diso fanantenana be ny mpianatra noho Jesosy tsy niezaka hitady ny fiaraha-miasa tamin’ ireo mpitarika tao amin’ Isiraely. Tsapany fa fahadisoana ny tsy manamafy ny asany amin’ ny fahazoana antoka ny fanohanan’ ireny olona manam-pahefana ireny. Raha nitsipaka an’ i Jodasy Izy dia ho nanontany anakam-po ireo, raha azo ianteharana tokoa ny fahendren’ ny Tompony. Ny tohin’ ny tantaran’ i Jodasy no hampiseho azy ireo ny loza avy amin’ ny famelana ny fomba fijerin’ izao tontolo izao, hanan-danja eo amin’ ny fanapahan-kevitra ny amin’ ny fahamendrehan’ ny olona iray hiasa ho an’ Andriamanitra. Ny fiaraha-miasa amin’ ny olona toy izany izay noheverin’ ny mpianatra ho azo antoka, no azon’ ilay fahavalo ratsy nohararaotina, ka hitaomany an’ i Jodasy hamadika an’ i Jesosy.IFM 305.2

    Na dia niaraka tamin’ ny mpianatra aza Jodasy, dia tsy niraika tamin’ ny hakanton’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy akory izy. Tsapany ny herin’ Andriamanitra niasa mangina izay mitarika fanahy ho an’ ny Mpamonjy. Ilay tsy manapaka ny volotara torotoro ary tsy mamono ny lahin-jiro manetona, dia tsy hitsipaka ity fanahy ity raha nisy faniriana na dia kely aza tao aminy, mba hanatratra ny fahazavana. Nahafantatra ny tao am-pon’ i Jodasy ny Mpamonjy ; fan tany ny halalin’ ny faharatsiana nilentehan’ i Jodasy, raha tsy manafaka azy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tamin’ ny niarahan’ io lehilahy io tamin’ i Kristy no nametrahany azy teo amin’ ny toerana izay nahazoany nifandray isan’ andro isan’ andro tamin ny fitiavana tsy ombam-pitiavan-tena, nitosaka avy teo Aminy. Raha namoha ny fony lamin’ i Kristy Jodasy, dia ho voaroakan ny fahasoavan’ Andriamanitra ny demonian’ ny fitiavan-tena, ary nety ho tonga anisan’ ny vahoakan’ Andriamanitra izy.IFM 305.3

    Mandray ny olona araka izay toetrany Andriamanitra, eo amin’ ny maha-olombelona azy, eo amin’ ny toetra amam-panahiny, ka manazatra azy ho amin’ ny fanompoana Azy, raha mety hotarihiny sy hianatra Aminy izy. Tsy nofidina amin’ ny maha-tanteraka azy izy fa nofidina kosa na dia eo aza ny tsy fahatanterahany, mba hiova araka ny endriny amin’ ny alalan’ ny fahalalana ny fahamarinana sy ny fampiharana izany, ary koa amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Kristy.IFM 306.1

    Nanana fotoana azo nohararaotina tahaka ny mpianatra hafa ihany koa Jodasy. Samy nihaino ireo lesona sarobidy izy. Nefa ny fampiharana ny fahamarinana izay notakin» i Kristy, dia tsy nifanaraka tamin’ ny faniriana sy ny fikasan’ i Jodasy, hany ka tsy tiany ny hampilefitra ny heviny mba handraisany ny fahendrena avy any an-danitra.IFM 306.2

    Fitiavana manao ahoana no nifandraisan’ ny Mpamonjy tamin’ ilay hamadika Azy. Teo amin’ ny fampianarany dia nitoetra teo amin’ ny foto-kevitry ny fiantrana Jesosy izay manongotra ny fitsiriritana hatrany amin’ ny fotony. Nasehony teo anatrehan’ i Jodasy ny toetra maharikorikon’ ny filàna zavatra ho an’ ny tena samirery, ary imbetsaka io mpianatra io no nahatsapa fa ny toetra amam-panahiny no notantaraina, ary ny fahotany no notondroina ; nefa tsy niaiky ny tsy fahamarinany izy sady tsy niala tamin’ izany. Afa-po tamin’ ny tenany izy ka tsy nanohitra ny fakam-panahy, fa mbola notohizany ihany ny fombany mangalangalatra. Kristy no ohatra velona teo anatrehany ny amin’ izay nety ho tratrany raha mba nijinja ny tombon-tsoa avy tamin’ ny fanelanelanana sy ny asany izy; fa nifandimby foana ny lesona, kanefa tsy nisy ren’ ny sofin’ i Jodasy.IFM 306.3

    Tsy nanome tsiny azy mafy Jesosy momba ny fitsiriritana tao aminy, fa nitondra an’ ity lehilahy nanao fahadisoana ity tamin’ ny faharetan’ Andriamanitra na dia nanome porofo mazava taminy aza Izy fa nahafantatra ny tao am-pony toy ny mamaky boky mivelatra. Nasehony teo anatrehany ny tarigetra ambony indrindra hampahazoto azy hanao ny tsara; ka dia tsy hisy fialan-tsiny ho an’ i Jodasy raha mitsipaka ny fahazavan’ ny Lanitra izy.IFM 306.4

    Tsy nandeha teo amin’ ny mazava Jodasy fa nifidy ny hitana ny toetra tsy mety eo aminy. Ny faniriana ratsy,ny fironana ambany mitarika hamaly faty, ny fisainana maizina sy maloto no nankamamiany, satria nifehy tanteraka ny maha-olona azy Satana. Nanjary solontenan’ ny fahavalon’ i Kristy Jodasy. Fony niditra hiaraka amin’ i Jesosy izy, dia nanana lafin-toetra sarobidy sasantsasany, izay nety ho tonga fitahiana ho an’ ny fiangonana. Raha tiany ny hitondra ny ziogan’ i Kristy dia nety ho tonga anisan’ ny filohan’ ny apostoly izy; nohamafisiny anefa ny fony rehefa nabaribary ny toetra ratsiny, ka ny hambom-pony feno fitiavan-tena no nofidiny noho ny avonavony sy ny fikomiany. Fa raha naharesy izany kosa izy dia ho afaka hanao ny asa tian’ Andriamanitra hataony.IFM 307.1

    Samy nanana fahadisoana lehibe avokoa ny mpianatra rehetra raha niantso azy ho amin’ ny fanompoana Jesosy. Na dia Jaona aza, izay nanana firaisana akaiky indrindra tamin’ Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po, dia tsy nanana toetra voajanahary malemy fanahy sy milefitra akory. Izy mirahalahy no nomena anarana hoe : «zana-baratra». Raha niaraka tamin’ i Jesosy izy indray mandeha. dia nirongatra ny hatezerany sy ny toetrany tia ady noho ny tsy fanajana nasehon’ ny olona tamin’ i Kristy. Samy tao amin’ ilay mpianatra malala avokoa ny toetra ratsy sy ny valifaty, ny toe-tsaina mpaninitsiny. Feno rehareha izy, ary ny hambom-pony dia ny ho voalohany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Nefa isan’ andro isan’ andro no nibanjinany ny fitiavana sy ny faharetan’ i Jesosy izay nifanohitra tamin’ ny toetran’ ny tenany nirehidrehitra, ary reny ny lesona nataony nitory fanetren-tena sy faharetana. Nanokatra ny fony ho amin’ ny herin’ Andriamanitra miasa mangina izy, ka nanjary tsy mpihaino fotsiny fa mpanatanteraka ny tenin’ ny Mpamonjy koa. Niafina tao amin’ i Kristy ny «izaho». Nianatra ny hitondra ny ziogan’ i Kristy sy ny hizaka ny entany izy.IFM 307.2

    Nanome tsiny ny mpianany Jesosy. nampitandrina sy nananatra azy Izy, nefa tsy niala taminy Jaona sy ny rahalahiny ; nifidy an’ i Jesosy izy na dia teo aza ny fanomezan-tsiny. Tsy niala taminy ny Mpamonjy noho ny fahalemeny sy ny fahadisoany. Notohizany hatramin’ ny farany ny fizarana ny fitsapana sy ny fandraisana ny lesona teo amin’ ny fiainany. Ny fibanjinany an’ i Kristy no nahatonga fiovana teo amin’ ny toetra amam-panahiny.IFM 307.3

    Samihafa be ny apostoly teo amin’ ny fahazarany sy ny toetrany. Tao ny mpamory hetra, toa an-dry Levi-Matio sy Simona feno hafanam-po mirehitra, mpankahala ny fahefan’ i Roma ary tsy manaiky marimaritra iraisana aminy, tao ry Petera malala-tanana sy taitaitra, ry Jodasy manana toe-tsaina mahihitra ; tao ry Tomasy, manana fo mahatoky, ry Filipo manana fo mitaraikiraiky sy mirona ho amin’ ny fisalasalana, ary ireo zanak’ i Zebedio be hambom-po, mivantambantana sy ireo rahalahiny. Tafaraka izy rehetra ireo, samy nanana ny fahadisoany samihafa avy, ny fironany ho amin’ ny ratsy nolovana sy nokolokoloina ; nefa tao amin’ i Kristy sy tamin’ ny alalan’ i Kristy no nivelomany teo anivon’ ny fianakavian’ Andriamanitra, ka nianarany ny ho tonga iray ao amin’ ny finoana, ao amin’ ny fampianarana, ao amin’ ny fanahy. Nanana ny fitsapana nihatra taminy izy, nanana ny alahelony, ny tsy fitovian-kevitra teo aminy ; nefa raha nitoetra tao am-pony Kristy, dia tsy nety hisy fisarahana intsony. Hitarika fifankatiavana eo aminy ny fitiavan’ i Jesosy ; hitarika azy ho eo amin’ ny fampirindrana ny fahasamihafana rehetra ny lesona nataon’ ny Tompo, ka hitondra ny mpianatra eo amin’ ny firaisana, mandra-pahatonga azy rehetra hiray saina sy hiray hevitra. Kristy no foibe lehibe, hifanatonan’ izy ireo araka ny hanatonany ny foibe.IFM 308.1

    Rehefa nofaranan’ i Jesosy ny fampianarana nomeny ny mpianany dia nangoniny manodidina Azy akaiky ilay antokon’ olona kely ; nandohalika teo afovoany Izy, nametra-tanana taminy, nanao vavaka ho fanolorana azy ho amin’ ny asa masina. Toy izany no nanendrena ny mpianatry ny Tompo ho amin’ ny asan’ ny filazantsara.IFM 308.2

    Mba hisolo tena Azy eo amin’ ny olona, dia tsy anjely tsy mbola lavo no nofidin’ i Kristy, fa olombelona, olona manana fironana ambany tahaka ireo mpanota iriny ho vonjena ihany. Noraisin’ i Kristy teo amin’ ny tenany ny maha-olombelona mba hahazoany mahatratra ny taranak’ olombelona manontolo. Ilain’ ny mahaAndriamanitra ny maha-olombelona ; satria samy ilaina ny mahaAndriamanitra sy ny maha-olombelona mba hitondrana famonjena amin’ izao tontolo izao. Nilain’ ny maha-Andriamanitra ny mahaolombelona mba hahazoan’ i Kristy taranak’ olombelona hanolotra fantsona mampifandray an’ Andriamanitra sy ny olona. Toy izany koa amin’ ny mpanompo sy ny mpitondra hafatra ho an’ i Kristy. Mila hery ivelan’ ny tenany sy mihoatra noho ny tenany izy, mba hamerina aminy ny fitoviana amin’ Andriamanitra ka hahatonga azy ho afaka hanao ny asan’ Andriamanitra; nefa tsy mahatonga ny asan’ ny olombelona tsy ho zava-dehibe tsy akory izany. Mamikitra amin’ ny herin’ Andriamanitra ny taranak’ olombelona, mitoetra ao am-po amin’ ny alalan’ ny finoana Kristy ; ary manjary mahasoa hanao ny tsara ny herin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny fiaraha-miasa amin’ ny herin’ Andriamanitra.IFM 308.3

    Ilay niantso ny mpanarato tany Galilia no mbola miantso olona koa ankehitriny hanompo Azy. Vonona indrindra haneho ny heriny amin’ ny alalantsika izy tahaka ny nahavonona Azy tamin’ ny mpianatra voalohany. Na dia tsy tanteraka sy mpanota aza isika, dia maharitra manolotra antsika ny fiaraha-miasa Aminy Izy, sy ny fianarana asa Aminy. Manasa antsika Izy handray ny fitarihan’ Andriamanitra, mba hahazoantsika manao ny asan’ Andriamanitra, rehefa miray amin’ i Kristy isika.IFM 309.1

    «Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery fa tsy ho avy aminay» 72 Kor. 4 : 7 Io no antony nanankinana ny fitoriana ny filazantsara amin’ ny olombelona diso fa tsy amin’ ny anjely. Mazava fa herin’ Andria-manitra ny hery izay miasa amin’ ny alalan’ ny fahalemen’ ny olombelona ; ary noho izany dia amporisihina isika hino fa ny hery izay afaka hanampy ny hafa izay malemy tahaka antsika, dia afaka manampy antsika koa. Izay «hodidinin’ ny fahalemena» dia tokony ho afaka «mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania» 8Heb. 5 : 2 Satria efa notandindomin-doza koa izy, ary efa nifamahofaho tamin’ ny loza sy ny zava-tsarotra teny an-dalana ny fiainany ary noho io antony io dia nantsoina izy ireo mba hanatsotra ny tanana amin’ ny hafa izay tandindomin-doza tahaka izany koa. Misy fanahy very hevitra noho ny fisalasalana, vesaran’ ny fahosana, malemy amin’ ny finoana, ary tsy afaka mamikitra ilay tsy hita ; nefa indro misy sakaiza iray mety ho hitany, manatona azy amin’ ny alalan’ i Kristy, manaiky ho tonga masom-by iray ka hampifikitra sy hampiray ny finoana mangozohozo amin’ i Kristy.IFM 309.2

    Mpiara-miasa amin’ ny anjelin’ ny lanitra isika rehefa maneho an’ i Jesosy eo amin’ izao tontolo izao. Mila tsy ho andrin’ ny anjely mafana fo ny fiarahantsika miasa aminy ; satria tsy maintsy ho olona no hanjary fantsona hikorianan’ ny fahasoavana ho eo amin’ ny olona tahaka azy. Rehefa manolo-tena ho an’ i Kristy amin’ ny fitiavam-bavaka mameno ny fontsika manontolo isika, dia mifaly ny anjely satria azony atao ny manambara ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny feontsika.IFM 309.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents