Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 66—Adihevitra

    Nihaino tamim-panginana ny fanomezan-tsiny manindrona nataon’ i Kristy ho azy ireo ny mpisorona sy ny mpanapaka. Tsy hainy ny mitsipaka ny fiampangany. Nefa tamin’ izay vao mainka tapa-kevitra ny hamandrika Azy izy, ary «nandefa mpitsikilo teo Aminy, noho izany antony izany, izay toa marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora»1. Tsy ny Fariseo tranainy izay efa nifanena matetika tamin’ i Jesosy no nalefany, fa tovolahy mirehitra sy mafana fo, ary noheveriny fa tsy fantatr’ i Kristy. Nisy Herodiana sasantsasany niaraka tamin’ izy ireo nasaina nanoratra ny tenin’ i Kristy, mba hahazoany nijoro ho vavolombelona hanohitra Azy eo amin’ ny fitsarana Azy. Mpifahavalo sy mpifankahala fatratra ny Fariseo sy ny Herodiana, nefa ankehitriny izy dia niray amin’ ny fandrafiana an’ i Kristy.IFM 641.1

    Nanorisory mafy ny Fariseo ny hetra nampandoavin’ ny Romana. Notanany ho mifanohitra amin’ ny lalàn’ Andriamanitra ny fandoavan-ketra. Nahita fotoana mety anefa izy izao ahazoany mamela-pandrika an’ i Jesosy. Nanatona Azy ny mpitsikilo, ary toa marina izy ireo, tahakan’ izay te-hahalala ny adidiny iny, ka hoy izy ireo hoe : «Mpampianatra ò, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona fa mampianatra marina ny lalàn’ Andriamanitra : Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia ?» 1Mifototra amin’ ny Matio 22-15-46 ; Marka 12 : 13-40 ; Lioka 20 : 20-47 ity toko ity.. IFM 641.2

    Ny teny hoe : «Fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao», raha avy amin’ ny fony tokoa, dia ho teny fampidirandresaka mahagaga. Nefa na dia natao mba hamitahana aza izany, dia marina ny teny vavolombelona nolazainy. Fantatry ny Fariseo tsara fa miteny sy mampianatra ny marina Kristy, ary hotsaraina amin’ ny teny vavolombelona nataony ihany izy.IFM 641.3

    Noheverin’ ireo nametraka fanontaniana fa efa nafeniny tsara ny fikasany ; nefa Jesosy kosa namaky ny tao am-pony toy ny ao amin’ ny boky mivelatra, ka nitsapa ny fihatsarambelatsihiny. «Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo ?» hoy Izy, tamin’ izany dia nanome famantarana izay tsy nangatahin’ ireo Izy, tamin’ ny fanehoany fa mamaky ny fikasan’ ireo miafina Izy. Vao mainka menatra ireo rehefa niteny nanampy Jesosy hoe : «Asehoy Ahy ny farantsa kely fandoa amin’ ny hetra. Nentina izany, ka nanontany Izy hoe : An’ iza ity sary sy soratra ity ? Hoy izy taminy : an’ i Kaisara».Sady nanondro ny soratra teo amin’ ny vola Jesosy no niteny hoe : «Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra».IFM 642.1

    Nanantena ny mpitsikilo fa hamaly mivantana ny fanontaniany Jesosy, na amin’ ny fanekena na amin’ ny fandavana. Raha miteny Izy hoe : Tsy mety ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, dia ho taterina any amin’ ny manam-pahefana Romana izany ka hosamborina Izy satria mitarika fikomiana. Fa raha milaza kosa Izy fa mety ny mandoa vola hetra, dia nikasa ny hiampanga Azy amin’ ny vahoaka ho manohitra ny lalàn’ Andriamanitra izy. Izao anefa dia mahatsiaro menatra sy resy izy. Voakorontana ny drafitra nataony. Ny fomba fohy nametrahany ny fanontaniana dia nahatonga azy tsy hanan-kolazaina intsony.IFM 642.2

    Tsy fidifiana ny valintenin’ i Kristy, fa famaliana tsotra sy mazava ny fanontaniana. Teny an-tanany ny vola Romana, izay nisy ny anarana sy ny sarin’ i Kaisara, ary nambarany fa satria velona teo ambanin’ ny fiarovan’ ny fahefana Romana izy, dia tokony hamerina amin’ izany fahefana izany ny fanohanana takiny, raha mbola tsy mifanohitra amin’ ny adidy ambony kokoa izany. Nefa na dia olompehezin’ ny lalàn’ ny tany misy azy aza izy, ary mitady filaminana, dia ny fanompoana an’ Andriamanitra no tokony hotolorany mandrakariva ny haja voalohany indrindra.IFM 642.3

    Ny tenin’ ny Mpamonjy hoe : «Aloavy ... ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra», dia fanomezan-tsiny henjana nataony tamin’ ny Jiosy be tetika. Raha nanatanteraka tamim-pahatokiana ny adidiny tamin’ Andriamanitra izy, dia tsy ho firenena nilefitra teo ambanin’ ny fifehezan’ ny fahefana vahiny. Tsy ho nisy saina Romana nihevaheva teo ambonin’ i Jerosalema, tsy ho nisy miaramila Romana niambina teo ambavahadiny, tsy ho nisy governora Romana nifehy tao anatin’ ny mandany. Nandoa ny sazin’ ny fihemorany tamin’ Andriamanitra ny firenena Jiosy tamin’ izany.IFM 642.4

    Rehefa nandre ny valintenin’ i Kristy ny Fariseo, dia «gaga ary dia nandao Azy ka lasa nandeha». Nanome tsiny ny fihatsarambelatsihy sy ny fahasahisahiany foana Izy, ka nametraka fotokevitra lehibe tamin’ izany, dia foto-kevitra mampiseho mazava ny faritry ny adidin’ ny olona amin’ ny fanjakana sy ny adidiny amin’ Andriamanitra. Tao an-tsain’ ny maro dia nisy olana nahasorena nipetraka mazava tsara. Tatỳ aoriana rehetra dia notanan’ izy ireo izany foto-kevitra marina izany. Ary na dia tsy afa-po aza ny maro, dia hitany fa naseho mazava ny foto-kevitra iorenan’ ny olana, ary gaga izy tamin’ ny sain’ i Kristy mahay mamantatra sy mahita lavitra.IFM 643.1

    Raha vantany vao nangina ny Fariseo dia tonga ny Sadoseo nitondra ny fanontaniany mifono hafetsena. Nifanohitra tamin’ ny fomba mangidy ireo antoko roa ireo. Mpanaraka sarotiny ny lovantsofina ny Fariseo. Henjana dia henjana izy teo amin’ ny fombampivavahana ivelambelany, nazoto teo amin’ ny fidiovana, ny fifadiankanina, sy ny fivavahana lava reny ary ny fampiderana ny fanomezana ho an’ ny mahantra. Nolazain’ i Kristy anefa fa nanao tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra izy tamin’ ny fampianarany ny didin’ olombelona ho foto-pinoana. Amin’ ny maha-antokon’ olona azy dia nampiseho fitiavam-bavaka diso toerana sy fihatsarambelatsihy izy ; tamin’ izy ireo anefa dia nisy olona tena nivavaka marina, izay nanaiky ny fampianaran’ i Kristy ka nanjary mpianany. Notsipahin’ ny Sadoseo ny lovan-tsofin’ ny Fariseo. Nilaza izy fa nino ny ampahany betsaka amin’ ny Soratra Masina, ary nihevitra izany ho fitsipika eo amin’ ny fiainana, nefa raha ny tena izy dia nisalasala tamin’ ny zavatra rehetra sy ara-nofo izy.IFM 643.2

    Nandà ny fisian’ ny anjely ny Sadoseo, nandà ny fitsanganana amin’ ny maty sy ny fampianarana momba ny fiainana ho avy izy, miaraka amin’ ny valisoa sy ny famaizana amin’ izany. Izany rehetra izany dia tsy nitovizany tamin’ ny Fariseo. Ny fitsanganana amin’ ny maty no tena anton-javatra manokana tsy nifanarahan’ ireo antoko roa ireo. Ny Fariseo kosa dia mafy orina tamin’ ny finoany ny fitsanganana amin’ ny maty, nefa nanjary nikorontana ny fomba fijeriny ny ho avy rehefa miady hevitra izy. Nanjary zava-miafina tsy hay hazavaina ny fahafatesana taminy. Niteraka fahatezerana hatrany ny tsy fahaizany manohitra ny fonjan-kevitra nentin’ ny Sadoseo. Araka ny - mahazatra dia mivadika ho fifandirana an-katezerana ny adihevitra ataon’ ny andaniny sy ny ankilany, ka vao mainka mifanalavitra noho ny teo aloha ny fifandraisan’ izy roa tonta.IFM 643.3

    Raha ny isany dia vitsy lavitra noho ireo mpanohitra azy ny Sadoseo, ary tsy nanan-kery mitovy aminy eo amin’ ny sarambaben ny vahoaka; betsaka taminy anefa no nanan-karena ka nanan-daza tamin’ izany hareny izany. Nitolona mafy teo amin ny laharana misy azy ireo ny ankabeazan’ ny mpisorona, ary araka ny mahazatra dia teo amin’ ireo no nifidianana ny mpisoronabe. Na dia izany aza anefa dia nampoizina fa tsy maintsy nampangina ny fiheverany feno fisalasalana sy tsy azo antoka izy ireo. Noho ny isan’ ny Fariseo sy ny maha-mamy hoditra azy, dia nilain’ ny Fariseo ny mandefitra ivelambelany ny amin’ ny fampianarany rehefa mitana toerana eo amin’ ny fisoronana izy ; nefa satria azo nofidina tamin’ ny toerana toy izany izy, dia nanome hery miasa mangina ny hevi-disony izany.IFM 644.1

    Nandà ny fampianaran’ i Jesosy ny Sadoseo; tsy neken’ izy ireo ny fisehoan’ ny fanahy izay nanetsika an’ i Jesosy toy izany ; ary nifanohitra tamin’ ny fiainan’ izy ireo ny fampianarany mikasika an’ Andriamanitra sy ny fiainana ho avy. Nino an’ Andriamanitra ho hany tokana ambonin’ ny olona izy ireo; nefa nanangan-kevitra nilaza izy fa ny fitondran’ Andriamanitra izay mifehy ny olona sy ny fitsinjovan’ Andriamanitra azy, dia manala ny maha-olona manana fahefana azy, ka mampidina azy ho eo amin’ ny toeran’ andevo. Nino izy ireo fa rehefa namorona ny olona Andriamanitra, dia navelany samirery izy, tsy miankina amin’ ny hery ambony kokoa afaka hiasa mangina aminy. Notanany fa manana fahafahana hifehy ny fiainany ny olona ka hamolavola ny toe-javatra eo amin’ izao tontolo izao ; fa eo am-pelatanan’ ny tenany ihany izay ho anjarany. Nolaviny ny asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny ezaka ataon’ ny olombelona na amin’ ny alalan’ ny zavaboary. Nefa notanany kosa fa afaka misondrotra sy mihamazava saina ny olona amin’ ny fampiasana tsara ny heriny ara-nofo : fa mety ho madio ny fiainany amin’ ny fampijaliana henjana sy mafy.IFM 644.2

    Namolavola ny toetra amam-panahin’ ny tenany ny fiheverany ny amin’ Andriamanitra. Araka ny fomba fijeriny dia tsy misy mahaliana an’ Andriamanitra eo amin’ ny olona, koa noho izany dia zara raha mifampihevitra izy, ary samy velon-ko azy. Nandà ny hanaiky ny herin’ ny Fanahy Masina eo amin’ ny asan’ ny olombelona izy, ka tsy nanana ny heriny teo amin’ ny fiainany. Tahaka ny sisa amin’ ny Jiosy, dia nirehareha betsaka ny amin’ ny zony ara-pirazanana amin’ ny maha-zanak’ i Abrahama azy izy, sy ny amin’ ny fanarahany akaiky ny fitakian’ ny lalàna ; nefa kosa raha ny tena toe-tsain’ ny lalàna marina sy ny finoana ary ny fitiavana haniry soa teo amin’ i Abrahama, dia tsy nisy teo aminy. Ny firaisam-po voajanahary tao aminy dia tsy nivoaka lavitra. Ninoany fa azon’ ny olona rehetra atao ny hampahazo antoka izay ahitana fiadanana sy fitahiana amin’ ny fiainana; koa tsy nanohina ny fony izay ilain’ ny hafa sy izay mampahory azy. Nivelona ho an’ ny tenany izy.IFM 644.3

    Tamin’ ny alalan’ ny teniny sy ny asany, Kristy dia vavolombelon’ ny herin’ Andriamanitra izay nitondra vokatra nihoatra noho ny vitan’ ny olombelona, vavolombelon’ ny fiainana ho avy ankoatry ny ankehitriny, vavolombelon’ Andriamanitra, Rain’ ny zanak’ olombelona, Izay manara-maso sy miahy hatrany ny tena tombon-tsoany ho an’ ny ainy. Nasehony ny asan’ ny herin’ Andriamanitra teo amin’ ny fiantrana sy ny fangorahana izay nanome tsiny ny fitiavan-tena sy ny fiheveran’ ny Sadoseo ny tenany samirery. Nampianatra izy fa miasa eo amin’ ny fo amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina Andriamanitra, sady ho an’ ny fiainan’ ny olona ara-nofo no ho amin’ izay hahasoa azy mandrakizay. Nasehony ny fahadisoana amin’ ny fitokisana amin’ ny herin’ ny olombelona ho fanovana ny toetra amam-panahy izay tanteraka amin’ ny alalan’ ny Fanahin’ Andriamanitra irery ihany.IFM 645.1

    Nanapa-kevitra hampihem-bidy io fampianarana io ny Sadoseo. Koa raha niady hevitra tamin’ i Jesosy izy, dia ny hanala baraka Azy no noheveriny, na dia tsy ho azony antoka aza ny fanamelohana Azy. Ny fitsanganana amin’ ny maty no nofidiny hametrahana fanontaniana Aminy. Raha mifanaraka aminy Izy, dia vao mainka hanafintohina bebe kokoa ny Fariseo. Raha tsy mitovy hevitra aminy Izy, dia ny hanaraby ny fampianarany no nokendreny.IFM 645.2

    Nihevitra ny Sadoseo fa raha fitambaran-javatra mitovy ihany ny tenan’ ny olona eo amin’ ny toetrany velona mandrakizay sy eo amin’ ny toetrany mety maty, rehefa mitsangana amin’ ny maty izy izany dia tsy maintsy manana nofo aman-dra, ary tsy maintsy manohy indray ny fiainany niato teto an-tany any amin’ izao tontolo izao maharitra mandrakizay. Noho izany dia toy izao no fehinteniny : tokony hitohy ny fifandraisana nisy tetỳ an-tany, tokony hikambana indray ny mpivady, hotontosaina ny fanambadiana, ary handeha araka ny talohan’ ny fahafatesana ny zavatra rehetra, ka hitohy haharitra mandrakizay any amin’ ny fiainana apy an-danitra ny fahalemena sy ny fironana ambany tamin’ ity fiainana ity.IFM 645.3

    Ho valin’ ny fanontaniana napetrak’ izy ireo, dia ningain’ i Jesosy ny lamba nanarona ny fiainana ho avy. «Amin’ ny fitsanganan’ ny maty, hoy Izy, dia tsy mba hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjelin’ Andriamanitra any an-danitra izy». Nasehony fa diso ny finoan’ ny Sadoseo. Diso ny foto-kevitra niaingany. «Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’ Andriamanitra» hoy koa Izy. Tsy nanameloka azy, tahaka ny nanamelohany ny Fariseo noho ny fihatsaràmbelatsihy Izy, fa noho ny fahadisoan’ ny zavatra inoany.IFM 646.1

    Nandoka tena ho mpanazava mahatoky indrindra ny Soratra Masina amin’ ny olona rehetra ny Sadoseo. Nasehon’ i Jesosy anefa fa tsy fantatr’ izy ireo ny tena dikany. Ny fitsilovan’ ny Fanahy Masina no tsy maintsy hampitoetra io fahalalana io ao am-po. Ny tsy fahafantarany ny Soratra Masina sy ny herin’ Andriamanitra, hoy ny nambaran’ i Jesosy, no anton’ ny tsy fahazavan-kevitra eo amin’ ny finoana sy haizina ao amin’ ny saina. Niezaka ny hametra ny zava-miafin’ Andriamanitra ao amin’ ny faritry ny saina voafetra izy. Miantso azy Kristy mba hanokafany ny sainy ho amin’ ireo fahamarinana masina izay hampitatra sy hampahatanjaka ny fahalalany. An’ arivony ny olona no nanjary tsy mpino satria tsy hain’ ny sainy voafetra takarina ny zava-miafin’ Andriamanitra. Tsy hainy hazavaina ny fanehoana mahagaga ny herin’ Andriamanitra eo amin’ ny fitondrany, noho izany dia nolaviny ny fanehoana mazava ny hery toy izany, ka lazainy fa avy amin’ ny hery voajanahary izay vao mainka tsy hainy hazavaina. Ny hany fanalahidin’ ny zava-miafina izay manodidina antsika dia ny manaiky ny fanatrehana sy ny herin’ Andriamanitra eo amin’ izy rehetra. Lain’ ny olona ny manaiky an’ Andriamanitra ho Mpamorona an’ izao rehetra izao, ho Ilay hany mibaiko sy manatanteraka ny zavatra rehetra. Mila fahitana malalaka kokoa ny amin’ ny toetra amam-panahiny, sy ny amin’ ny zavamiafina momba ny fiasany izy.IFM 646.2

    Nambaran’ i Kristy tamin’ ny mpihaino Azy fa raha tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia tsy misy soa azo avy amin’ ny Soratra Masina izay lazainy fa inoany. Hoy Izy : «Fa ny amin’ ny fitsa- nganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe : Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba ? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona». Isain’ Andriamanitra toy ny misy ny zavatra tsy misy. Hitany ny farany hatramin’ ny voalohany ary mibanjina ny vokatry ny asany toy ny efa tanteraka Izy ankehitriny. Sarobidy eo imason’ Andriamanitra ireo maty hatramin’ i Adama ka hatramin’ ireo olona masina farany ho faty, ka handre ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra, ary hivoaka avy ao amin’ ny fasana ho amin’ ny fiainana mandrakizay. Andriamanitra no ho Andriamaniny, ary izy ho olony. Hisy fifandraisana ety sy mamy amin’ Andriamanitra sy ny masina natsangana. Io toejavatra io, izay mbola ho avy eo amin’ ny fikasany, no banjininy toy ny efa misy sahady. Velona ny maty eo Aminy.IFM 646.3

    Nangina ny Sadoseo tamin’ ny tenin’ i Kristy. Tsy afaka namaly Azy izy. Tsy misy teny natao izay nahazoany vahana ka nentiny hanamelohana Azy. Tsy nisy na inona na inona azon’ ny mpanohitra Azy afa-tsy ny fanesoesoan’ ny vahoaka.IFM 647.1

    Na dia izany aza dia tsy namoy fo ny Fariseo nitarika Azy hiteny izay ho azony ampiasaina hoenti-manohitra Azy. Notaominy ny mpanora-dalàna avara-pianarana iray hanontany an’ i Jesosy ny amin’ izay lehibe indrindra amin’ ireo didy folo.IFM 647.2

    Nanandratra ny didy efatra voalohany ny Fariseo, izay nanondro ny adidin’ ny olona amin’ ny Mpanao azy, ho misy antony lehibe lavitra noho ny enina sisa izay mamaritra ny adidin’ ny olona amin’ ny mpiara-belona aminy. Ho vokatr’ izany dia voafetra ho kely dia kely ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra teo aminy. Efa nasehon’ i Jesosy ny vahoaka ny banga lehibe teo aminy, ary efa nampianariny ny ilàna ny asa tsara, ka nambarany fa ny voany no ahafantarana ny hazo. Noho io antony io dia nampangaina ho nanandratra ny didy enina farany ho ambonin’ ny efatra voalohany Izy.IFM 647.3

    Nanatona an’ i Jesosy ilay mpahay lalàna ka nametraka fanontaniana mivantana hoe : «Ny didy manao ahoana no voalohany amin’ ny rehetra ?» Nivantana sy nanan-kery ny valintenin’ i Kristy. «Ny voalohany dia izao : Mihainoa ry Isiraely : Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra». Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany, hoy Kristy, satria nalaina avy amin’ izany : «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo». «Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany».IFM 647.4

    Ny didy efatra voalohany amin’ ny didy folo dia mifintina ho fitsipika iray lehibe : «Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra». Ny enina farany dia voafaoka ao amin’ ity anankiray ity : «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao». Ireo didỳ roa ireo dia samy fanehoana ny foto-kevitry ny fitiavana. Tsy azo atao ny mitandrina ny iray ary mandika ny faharoa, ary tsy azo atao koa ny mitandrina ny faharoa, nefa tsy mitandrina ny voalohany. Rehefa manana ny toerana tokony ho Azy eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fo Andriamanitra, dia homentsika ny namantsika ny toerana tokony ho azy. Ho tiantsika tahaka ny tenantsika izy. Ary rehefa tia an’ Andriamanitra ambony indrindra isika vao afaka ho tia ny namantsika tsy misy fizahana tavan’ olona.IFM 648.1

    Koa satria voafintina ao amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olona ny didy rehetra, ny vokatr’ izany dia fandikana an’ io foto-kevitra io ny fandikana ny didy iray. Tamin’ izany no nampianaran’ i Kristy ny mpihaino Azy fa tsy fitsipika maro misaratsaraka tsy akory ny lalàn’ Andriamanitra, ka misy lehibe, ary ny hafa tsy dia misy antony firy, ka tsy mampaninona raha hodian-tsy hita. Asehon’ ny Tompo ho fitambaran-javatra iray manontolo avy amin’ Andriamanitra ny didy efatra voalohany sy ny didy enina farany, ary mampianatra Izy fa haseho amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny didiny rehetra ny fitiavana an’ Andriamanitra.IFM 648.2

    Havanana dia havanana tamin’ ny lalàna ilay mpanora-dalàna izay nametra-panontaniana tamin’ i Jesosy, ka gaga izy tamin’ ny teny nataony. Tsy nampoiziny hampiseho fahalalana lalina sy marina ny Soratra Masina toy izany Jesosy. Nahazo fahitana mivelatra kokoa ny amin’ ny foto-kevitra iorenan’ ireo fitsipika masina izy. Teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka tafavory no nanekeny tamin’ ny fo marina fa araka izay tokony ho izy ny fandraisan’ i Kristy ny lalàna, raha niteny Izy hoe :IFM 648.3

    «Marina izany, Tompoko, tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra, sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany».IFM 648.4

    Nandresy lahatra an’ ilay mpanora-dalàna ny fahendren’ ny valintenin’ i Kristy. Fantany fa fanompoam-pivavahana ivelambelany ny fivavahana Jiosy fa tsy fitiavam-bavaka anaty. Tsapany ny mahatsy misy vidiny ny fanatitra sy ny fanompoam-pivavahana fotsiny ary ny fandatsahan-dra tsy misy finoana mba ho fanavotana amin’ ny fahotana. Ny fitiavana sy ny fankatoavana an’ Andriamanitra, sy ny fiheverana ny olona tsy ombam-pitiavan-tena, dia hitany fa misy vidiny lavitra noho ireo fombafomba rehetra ireo. Ny fahavononan’ ity olona ity hahafantatra ny fahamarinan’ ny hevitr’ i Kristy, sy ny valinteniny hentitra sy mailaka teo anatrehan’ ny vahoaka, dia naneho toe-tsaina samihafa tanteraka tamin’ izay hita teo amin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Nangoraka an’ ity mpanora-dalàna mahitsy fo ity ny fon’ i Jesosy, izay sahy niatrika ny fahatezeran’ ny mpisorona nisoritra teny amin’ ny endriny sy ny fandrahonana nataon’ ny mpanapaka, ka nilaza izay nandresy lahatra ny fony. «Ary raha hitan’ i Jesosy fa namaly tamimpahendrena izy, dia hoy Izy taminy : Tsy lavitra ny fanjakan’ Andriamanitra hianao».IFM 649.1

    Akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra ilay mpanora-dalàna, tamin’ izy nanaiky fa ankasitrahan’ Andriamanitra noho ny fanatitra odorana sy ny fanatitra ny asam-pahamarinana. Ilain’ izy io anefa ny manaiky ny toetra maha-Andriamanitra an’ i Kristy, sy ny mandray avy ao Aminy hery hoenti-miasa fahamarinana amin’ ny alalan’ ny finoana. Tsy misy vidiny ny fanompoam-pivavahana fombafomba raha tsy eo ny firaisana amin’ ny Mpamonjy avy amin’ ny finoana velona. Ary na dia ny lalàna ara-pitondrantena aza dia tsy mahatratra ny zavatra kendreny, raha tsy fantatra ny firaisany amin’ ny Mpamonjy. Naverimberin’ i Kristy naseho fa misy dikany lalina kokoa noho ny soratry ny didy ny lalàn’ ny Rainy. Ny fotokevitra aseho ao amin’ ny Filazantsara ihany no voafono ao amin’ ny lalàna sady mampiseho azy ny fahadisoany. Tsy maintsy mibanjina an’ i Kristy izy hangataka famelan-keloka sy hery hoenti-manao izay takian’ ny lalàna.IFM 649.2

    Nitangorona akaiky an’ i Jesosy ny Fariseo raha namaly ny fanontanian’ ilay mpanora-dalàna Izy. Nitodika nankany amin’ izy ireo indray izao Jesosy ka nametra-panontaniana hoe : «Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ Iza moa Izy ?» Io fanontaniana io dia natao hisedrana ny finoany momba ny Mesia, - hanehoana raha mihevitra azy ho olona tsotra izy na ho Zanak’ Andriamanitra. Niara-niredona ny feo namaly hoe : «Zanak’ i Davida». Io no anarana nomen’ ny faminaniana ny Mesia. Rehefa naneho ny maha-Andriamanitra Azy Jesosy teo amin’ ny fahagagana lehibe nataony, rehefa nahasitrana ny marary sy nanangana ny maty Izy, dia nifanontany ny. vahoaka hoe : «Tsy ity va no Zanak’ Davida ?» Ilay vehivavy Kananita, Bartimeo jamba, sy ny maro hafa koa dia niantsoantso nangataka fanampiana taminy nanao hoe : «Mamindrà fo amiko, Tompoko Zanak’ i Davida ô» 2Mat. 15 : 22. Raha nitaingina zanaboriky ho ao Jerosalema Jesosy dia antsoantsom-pifaliana no nentina niarahaba Azy hoe : «Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida; Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah !» 3Mat. 21 : 9. Ary ny zaza madinika tao amin’ ny tempoly dia nampanakoako io filazana feno fifaliana io tamin’ izany andro izany. Betsaka anefa ireo izay niantso an’ i Jesosy ho Zanak’ i Davida no tsy nanaiky ny mahaAndriamanitra Azy. Tsy azony fa Zanak’ Andriamanitra koa ny Zanak’ i Davida.IFM 649.3

    Ho valin’ ny fanambarana fa Zanak’ i Davida Kristy dia hoy Jesosy hoe ; «Koa nahoana ary Davida amin’ ny Fanahy no manao Azy hoe ; «Tompo», raha niteny hoe :IFM 650.1

    «Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe,
    Mipetraha eo an-tànako an-kavanana
    Ambara-panaoko ny fahavalonao
    ho eo ambanin’ ny tongotrao»?
    IFM 650.2

    Koa raha Davida ary manao Azy hoe «Tompo», ahoana no mahazanany Azy ? Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony».IFM 650.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents