Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Ilay Fitiavana Mandresy

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "undefined".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 87—Ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo

    Tonga ny fotoana hiakaran’ i Kristy ho any amin’ ny seza fiandrianan’ ny Rainy 1Mifototra amin’ nv Lio. 24 : 50-53 ; Asa 1 : 9-12 ity toko ity. Andriamanitra mpandresy Izy ary efa hiverina ho any amin’ ny lapan’ ny lanitra mitondra ny vokatra azony tamin’ ny fandreseny. Talohan’ ny nahafatesany, dia efa nanambara tamin’ ny Rainy Izy hoe : «Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko» 2Jao. 17:4. Rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia naharitraritra teto an-tany fotoana fohy, mba ahazoan’ ny mpianany mifankazatra Aminy tao amin’ ny tenany nitsangana tamin’ ny maty sy nomem-boninahitra. Vonona ny hakarina Izy izao. Efa naseho ho zava-misy ny maha-Mpamonjy velona Azy. Tsy nilain’ ny mpianatra intsony ny nampifandray Azy tamin’ ny fasana. Azony natao ny nihevitra Azy ho homem-boninahitra eo anatrehan’ izay rehetra any an-danitra.IFM 889.1

    Ny toerana nofidin’ i Jesosy ho toerana hiakarany, dia ilay nohamasinin’ ny fanatrehany matetika raha niaina teo anivon’ ny olona Izy. Tsy ny tendrombohitra Ziona, toeran’ ny tanànan’ i Davida, tsy ny tendrombohitr’ i Moria, toeran’ ny tempoly no nomem-boninahitra toy izany. Teo Kristy no natao fihomehezana sy nolavina. Teo no nisamonta mafy kokoa ny onjam-pamindrampo mbola mitondra fitiavana mahery kokoa, ka niakapoka niverina tamin’ ny fo mafy sahala amin’ ny vatolampy. Avy teo Jesosy no vizana sy navesatra, ka nandeha hitady fialan-tsasatra ny fony. Raha niala tsy ho eo amin’ ny tempoly masina ilay shekinah masina, dia nankeo amin’ ny tendrombohitra atsinanana toy ny nisalasala handao ilay tanàna voafidy ; toy izany koa Kristy, nijoro teo amin’ ny tendrombohitra Oliva, nitazana an’ i Jerosalema avy teny ambony teny tamin’ ny fo manina azy. Voatokana ho amin’ ny fivavahany sy ny ranomasony ny hazo sy ny lohasaha madinika teo amin’ ny tendrombohitra. Nampanakoako ny antsom-pandresen’ ireo vahoaka marobe nihoby Azy ho mpanjaka ny tehezana mitsatoka tamin’ izany tendrombohitra izany. Raha nidina moramora Izy dia nahita tokantrano tao amin’ i Lazarosy tany Betania. Nivavaka sy niady nihatra aman’ aina samirery Izy tao amin’ ny sahan’ i Getsemane, teo am-pototr’ izany tendrombohitra izany. Avy teo amin’ io tendrombohitra io no niakarany ho any an-danitra. Eo an-tampony no hipetraka ny tongony rehefa ho avy Izy. Tsy toy ny lehilahy ory. fa toy ny Mpanjaka be voninahitra sy mandresy no hijoroany eo amin’ ny tendrombohitra Oliva, raha hifamaly ny haleloia ataon’ ny Hebreo sy ny Hosana ataon’ ny Jentilisa, ka hirohondrohona toy ny tafika marobe ny feon’ ny voavotra hankalaza hoe : «Satroy voninahitra ho Tompon’ ny rehetra Izy».IFM 889.2

    Nizotra ho any an-tendrombohitra niaraka tamin’ ny mpianany iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy ankehitriny. Raha nandalo ny vavahadin’ i Jerosalema Izy, dia maso maro no gaga nijery ity andian’ olom-bitsy, notarihin’ Ilay Anankiray izay nomelohin’ ny mpanapaka herinandro vitsy talohan’ izao sy nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana. Tsy fantatry ny mpianatra fa io no fihaonany farany tamin’ ny Tompony. Nolanin’ i Jesosy tamin’ ny firesahana taminy ny fotoana ka naveriny ny toro-hevitra voalohany nomeny. Raha nanatona an’ i Getsemane izy ireo, dia niato kely Izy, mba ahazoan’ izy ireo mampiverina ao an-tsainy ny lesona efa nomena azy tamin’ ny alina niatrehany ady lehibe nihatra aman’ aina. Nojereny indray ilay voaloboka izay nanehoany ny firaisan’ ny fiangonany Aminy sy ny Rainy; naveriny indray ny fahamarinana izay novelariny tamin’ izay. Nanodidina azy rehetra dia nisy nampahatsiahy ny fitiavany tsy voavaly. Na dia ireo mpianatra izay mamin’ ny fony aza, nanome tsiny sy nandao Azy tamin’ ny ora nietreny.IFM 890.1

    Nivelona telo ambin’ ny telopolo taona teto amin’ izao tontolo izao Kristy; niaritra ny fanarabiana, ny fitenenan-dratsy sy ny fanaovana tsinontsinona; nolavina sy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana Izy. Izao, raha ndeha hiakatra ho any amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy — raha niverenany nojerena ny tsy fankasitrahan’ ny olona tonga novonjena — moa ve tsy ho tsoahany tsy ho eo aminy ny firaisam-pony sy ny fitiavany ? Moa ve tsy hifantoka amin’ ny fanjakana izay mankasitraka Azy ny fitiavany. ary izay misy anjely tsy nanota miandry ny hanatanteraka ny baikony ? Tsia ; Izao no teny fikasana nataony tamin’ ireo malalany avelany eto an-tany : «Momba anareo mandrakariva Aho. ambarapahatongan’ ny fahataperan’ ny faran’ izao tontolo izao»3Mat. 28 : 20.IFM 890.2

    Raha tonga teo amin’ ny tendrombohitra Oliva Jesosy, dia notarihiny ny lalana namakivaky ny tampony ho eny akaikin’ i Betania. Teo Izy no nijanona, ka nitangorona nanodidina Azy ny mpianatra. Toa nisy tara-pahazavana nitaratra avy tamin’ ny endriny raha nijery azy ireo tamim-pitiavana Izy. Tsy nanome tsiny Azy noho ny fahadisoany sy ny fahalemeny Izy ; teny feno fitiavana lalina indrindra no farany nidina tao an-tsofiny avy tamin’ ny molotry ny Tompony. Nitsotra ny tanany hitahy, ary toy ny nanome toky ny fiarovany sy ny fikarakarany, dia niakatra moramora niala teo aminy Izy, nosarihin’ ny hery mafy noho ny hery maninton’ ny tany hiakatra ho any an-danitra. Raha indro efa mihatakona Izy, dia taitra mafy ny mpianatra nibanjina sy nanaramaso hahita farany Ilay Tompony niakatra ihany. Nisy rahona be voninahitra nanakona Azy tsy ho eo imasony ; ary raha nandray Azy ilay kalesy rahon’ ny anjely, dia niverina tamin’ izy ireo ny teny manao hoe : «Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao». Niaraka tamin’ izany dia tonga teo aminy ny feon-java-maneno malefaka sy mahafaly indrindra avy tamin’ ny antoko mpihiran’ ny anjely.IFM 891.1

    Raha mbola variana niandrandra sy nitazana ny mpianatra, dia nisy feo niteny taminy izay toy ny feon’ ny zava-maneno kanto indrindra. Nitodika izy, ka nahita anjely roa naka ny endriky ny olona, niteny taminy ka nanao hoe : «Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo ? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.IFM 891.2

    Anisan’ ireo anjely niandry tao amin’ ny rahona mamirapiratra hanotrona an’ i Jesosy ho any amin’ ny fonenany any an-danitra ireo anjely ireo. Nanana ny toerana ambony indrindra izy teo amin’ ny tafiky ny anjely, izy roa ireo no tonga teo amin’ ny fasana tamin’ ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty, ary niaraka taminy nandritra ny fiainany teto an-tany. Dodona dia dodona ny lanitra manontolo niandry ny fiafaran’ ny nijanonany teo amin’ izao tontolo izao simban’ ny ozon’ ny fahotana. Tonga izao ny fotoana handraisan’ izao rehetra izao ny Mpanjakany any an-danitra. Moa ve tsy naniry mafy koa ireo anjely roa ireo hiaraka tamin’ ny marobe nandray an’ i Jesosy tonga soa ? Nefa noho ny firaisam-pony sy ny fitiavany an’ ireto vao nilaozany, dia niandry izy hampahery azy ireo. «Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena ?»4Heb. 1 : 4.IFM 891.3

    Niakatra ho any an-danitra Kristy naka ny endriky ny mahaolombelona. Nahita Azy noraisin’ ny rahona ny mpianatra, dia Ilay Jesosy Izay niara-nandeha sy niara-niresaka ary niara-nivavaka taminy ; Ilay niara-namaky mofo taminy ; niaraka taminy teo amin’ ny sambokeliny teny amin’ ny farihy ; ary vao tamin’ iny andro iny niara-niezaka mafy nananika ny tendrombohitra Oliva taminy — iny Jesosy iny izao no lasa niray seza fiandrianana tamin’ ny Rainy. Nanome toky ny anjely fa Ilay hitany niakatra ho any an-danitra iny indrindra, dia ho avy indray tahaka ny niakarany. Ho avy «amin’ ny rahona Izy, ary ny maso rehetra hahita Azy». «Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha». «Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy» 5Apok. 1 : 7 ; 1 Tes. 4 : 16 ; Mat. 25 : 31. Toy izany no hahatanterahan’ ny teny fikasana nataon’ ny Tompo tamin’ ny mpianany hoe : «Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo any Amiko» 6Jao. 14 : 3. Azon’ ny mpianatra atao tsara izany ny mifaly amin’ ny fanantenana ny fiverenan’ ny Tompony.IFM 892.1

    Nony niverina ho any Jerosalema ny mpianatra, dia gaga ny olona nijery azy ireo. Taorian’ ny fitsapana sy ny nanomboana an’ i Kristy tamin’ ny hazo fijaliana, dia noheverina fa ho resy sy menatra ireo. Nanantena ny fahavalony fa hahita eo amin’ ny endriny ny soritry ny alahelo sy ny faharesena. Tsy izany anefa, fa fifaliana sy fandresena rano fotsiny no hitany. Namirapiratry ny fahasambarana tsy avy eto an-tany ny endriny. Tsy nitomany noho ny fahadisoam-panantenany izy, fa feno fiderana sy fisaorana an’ Andriamanitra. Tamin-kafaliana no nilazany ny tantara mahagaga ny amin’ ny nitsaganan’ i Kristy tamin’ ny maty sy ny niakarany tany an-danitra, ka noraisin’ ny maro ny teny vavolombelona nataony.IFM 892.2

    Tsy nisy intsony ny tsy fitokisana ny ho avy tao amin’ ny mpianatra. Fantany fa any an-danitra Jesosy, ary mbola teo aminy ny firaisam-pony. Fantany fa nanana Sakaiza izy avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, ka nafana fo nitondra ny fangatahany teo amin’ ny Ray, tamin’ ny anaran’ i Jesosy. Tamim-panajana fatratra no nandohalehany nivavaka teo am-pamerenana ny teny fikasana hoe : «Na inona na inona angatahinareo amin’ ny Ray amin’ ny anarako. dia homena anareo izany. Hatramin’ izao dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako hianareo ; mangataha. dia homena hianareo mba ho feno ny fifalianareo» 7Jao. 16 : 23, 24. Natsotrany ambony kokoa hatrany ny tanam-pinoany niaraka tamin’ ny fonjan-kevitra lehibe hoe : «Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa, ka mitoetra eo amin’ ny tànana an-kavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika» 8Rom. 8 : 34. Nentin’ i Pentekosta ho azy koa ny fifaliana feno tamin’ ny fanatrehan’ Ilay Mpananatra. araka izay efa nampanantenain’ i Kristy indrindra.IFM 892.3

    Niandry ny lanitra manontolo handray ny Mpamonjy tonga soa tao amin’ ny lapa any an-danitra. Jesosy no niakatra voalohany narahin’ ny babo marobe afaka nitsangana tamin’ ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty. Ny tafiky ny lanitra kosa, nanao antsoantso sy horakora-piderana ary hiran’ ny lanitra, nitomefy nanodidina an’ ireto marobe milahatra.IFM 893.1

    Raha nanatona ny tanànan’ Andriamanitra ireo, dia nifamaly ny anjely mpanotrona :IFM 893.2

    «Asandrato ny lohanareo, ry vavahady,
    Ary misandrata hianareo ry varavarana fahagola
    Mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra !»
    IFM 893.3

    Namaly tamim-pifaliana ny mpiambina niandry hoe :IFM 893.4

    «Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao ?»IFM 893.5

    Tsy nilaza izany satria tsy fantany izy io, fa satria tiany ho re ny valintenin’ ny fiderana ambony hoe :IFM 893.6

    «Jehovah mahery tsitoha
    Jehovah mpiady mahery !
    Asandrato ny lohanareo ry vavahady ;
    Ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola
    Mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra !»9Sal. 24 : 7-10.
    IFM 893.7

    Dia nivoha nidanadana ny varavaran’ ny tanànan’ Andriamanitra, ary niditra haingana tao amin’ ny vavahady ny anjely marobe raha nanakoako ny feon-java-maneno mampientanentana.IFM 893.8

    Ao ny seza fiandrianana, ary manodidina azy ny avan’ ny teny fikasana. Ao ny kerobima sy ny serafima. Mivory ao ireo mpitarika ny tafiiky ny anjely, ireo zanak’ Andriamanitra, ireo solontenan’ izao tontolo izao tsy mba nanota. Ny filan-kevitry ny lanitra izay nanamelohan’ i Losifera an’ Andriamanitra sy ny Zanany teo anatrehany, ireo solontenan’ ny fanjakana tsy misy fahotana noheverin’ i Satana fa hanorenany ny fanapahany, — ao ireo rehetra ireo miarahaba ny Mpanavotra tonga soa. Mafana fo ireo hankalaza ny fandresena azony sy hanome voninahitra Azy.IFM 894.1

    Manofahofa tanana Jesosy misakana azy ireo. Aoka aloha ; tsy afaka mandray ny satroboninahitra sy ny akanjo maha-mpanjaka Azy Izy izao. Miseho eo anatrehan’ ny Rainy Izy aloha. Manondro ny lohany noratraina, ny lanivoany notrobarana. ny tongony notsatohana ; manandratra ny tanany Izy, mitondra ny diampantsika. Manondro ireo porofon’ ny fandreseny Izy ; asehony an’ Andriamanitra ny voaloham-bokatra, dia ireo niara-nitsangana taminy ho solontenan’ ireo vahoaka marobe izay hivoaka ny fasana amin’ ny fiaviany fanindroany. Manatona ny Rainy Izy, Izay miravoravo ka velon-kira raha misy mpanota iray izay mibebaka. Talohan’ ny nanorenana an’ izao tontolo izao, dia efa niray hina ny Ray sy ny Zanaka teo amin’ ny fanekena hanavotra ny olona raha ohatra ka resin’ i Satana izy. Nifandray tanana tamin’ ny fanekena tsy azo ovana Izy fa ho tonga antoka ho an’ ny taranak’ olombelona Kristy. Tsy nitsoaka tamin’ ny teniny Kristy. Raha teo ambonin’ ny hazo fijaliana Izy ka niantsoantso hoe : «Vita», dia ny Ray no nitenenany. Feno tanteraka ny fanekena. Hoy Izy izao hoe : Vita, Ray Ò. Tanterako ny asan’ ny fanavotana. Raha afa-po ny fahamarinanao, dia «tiako mba ho any Amiko amin’ izay itoerakao ireo izay nomenao Ahy»10Jao. 19 : 30..IFM 894.2

    Re ny feon’ Andriamanitra manambara fa afa-po ny fahamarinana. Resy i Satana. Ekena ao amin’ Ilay Malala 11Efes.1: 16 ireo an’ i Kristy izay miasa mafy sy mitolona eto an-tany. Lazaina fa nohamarinina ireo eo anatrehan’ ny anjelin’ ny lanitra sy ireo solontenan’ izao tontolo izao tsy mba lavo. Eo amin’ izay misy Azy no hisy ny fiangonana koa. «Nihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana»12Sal. 85 : 10. Fihinin’ ny Ray ny Zanany ary hoy ny teny hoe : «Aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany» 13Heb. 1 : 6.IFM 894.3

    Fifaliana tsy hay ambara no entin’ ny mpanapaka sy ny fahefana ary ny hery rehetra manaiky ny fahefana fara-tampony ananan’ ny Andrianan’ ny fiainana. Miankohoka eo anatrehany ny tafiky ny anjely, raha mameno ny lapan’ ny lanitra manontolo ny antsoantsom-pifaliana manao hoe : «Ny Zanak’ ondry Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy fahendrena !» 14Apok.5 : 12IFM 895.1

    Mifangaro amin’ ny feon-java-maneno avy amin’ ny lokangan’ ny anjely ny hiram-pandresena, mandra-pahatongan’ ny lanitra toa ho safotry ny fifaliana sy ny fiderana. Nandresy ny fitiavan’ Andriamanitra. Hita ny very. Manakoako eran’ ny lanitra ny feo avon’ ny hira manambara hoe : «Ho an’ Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay» 15Apok.5 : 13.IFM 895.2

    Avy amin’ izany toe-javatra isehoan’ ny fifalian’ ny lanitra izany no miverina mankaty amintsika ety an-tany ny akon’ ny teny mamy loatra nataon’ i Kristy mihitsy hoe : «Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho ; ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo»16Jao. 20 : 17. Iray ny fianakaviana any an-danitra sy ety an-tany. Ho antsika no niakaran’ ny Tompo, ary ho antsika no ahavelomany. «Koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy. satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy» 17Heb. 7 : 25.IFM 895.3

    * * * * *

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents