Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ampirishin’ny Fanahy mba Hanolotra

    Ireo bq misiônera momba ny fahasalamana izay miasa eo amin’ny sehatry ny asa fitoriana ny filazantsara dia manao asa ambony sahala amin’ny an’ireo mpitandrina mpiara-miasa aminy. Tsy tokony ho voafetra eo amin’ny sarangan’olona malahelo ihany ny ezaka ataon’ireo mpiasa ireo. Hafahafa tokoa fa natao ankilabao ny sarangan’olona ambony kokoa. Eo amin’ireo manana toerana ambony eo amin’ny fiarahamonina dia hahitana olona maro izay hamaly ny antson’ny fahamarinana, satria mafonja izany ary mitondra ny tombokasen’ny toetra ambony ananan’ny filazantsara. Tsy vitsy amin’ireo olona manana fahafaha-manao voababon’ny asa amin’ny fomba tahaka izany no hirotsaka amin-kery eo amin’ny asan’Andriamanitra.TF 204.1

    Miantso ireo izay manana toeram-pitokiana Andriamanitra, dia ireo izay nanankinany ireo hareny sarobidy, mba hampiasa ny fahaizany sy ny volany ho amin’ny asa fanompoana Azy. Tokony hasehon’ny mpiasantsika amin’ireo olona ireo ny fanambarana mazava ny drafitr’asantsika, ka holazaina aminy ny zavatra ilaintsika mba hanampiana ireo mahantra sy fadiranovana, sy mba hampiorenana izany asa izany eo amin’ny fototra mafy. Hampirishin’ny Fanahy masina ny sasany amin’izy ireo mba hampiasa ny volany amin’ny fomba izay hampandroso ny asany. Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra izy ireo, amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fananganana ivontoeran’ny fanantenana. — 7T, t. 112.TF 204.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents