Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Miala amin’ny Trosa

    Andriamanitra dia nametraka fa hianatra lesona betsaka avy amin’ny tsy fahombiazantsika tamin’ny lasa isika. Tsy mahafaly azy ny hahatonga ny sahan’asany hovesaran’ny trosa. Efa tonga amin’ny fotoana izay tsy maintsy hanamafisana sy hanomezana endrika ny asan’Andriamanitra isika ankehitriny kanefa fotoana tokony handavana ny fanorenana goavam-be sy lafo loatra koa.TF 314.2

    Tsy natao hanahaka sy hamerina ny fahadisoana vita tamin’ny lasa isika, ka vao maika hiditra misimisy kokoa hatrany amin’ny trosa. Tokony hiezaka hanaisotra ny trosa rehetra izay mbola mahazo faka eo amin’ny sahan’asantsika isika. Ary afaka manampy amin’ny fialana amin’izany tokoa ny fiangonantsika raha ilaina. Ireo mambra izay notoloran’ny Tompo harena dia afaka mampiasa ny volany amin’ny asan’Andriamanitra tsy misy tombontsoa na dia farany izay kely monja aza, ka amin’ny alalan’ny fanatitra an-tsitrapo ataony no hahafahan’izy ireo manohana ny asa. Miangavy anao ny Tompo mba hamerina amim-pifaliana Aminy ny ampahany amin’ny fitahiana natolony anao mba hahatonga anao ho mpitantana ny fananany amim-pahatokiana. - RH, 13 Aog. 1908.TF 314.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents