Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 66 - Rakitra Soa Any An-Danitra

    Miangavy i Kristy hoe: “Miharia harena ho anareo any an-danitra.”— Mat. 6:20. Mendrika ny hanolorana ny tsara indrindra amin'ny hery ananana ity asa famindrana ny fananana eo am-pelatanana ho any amin'ny tontolo any ambony ity. Izany no laharam-pahamehana ambony indrindra, ary mahafaoka ny tombontsoanao mandrakizay. Tsy very akory izay natolotrao ho an'ny asan'Andriamanitra. Izay rehetra nomena ho amin'ny famonjem-panahy sy ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra dia ampiasaina ao amin'ny orinasa mahomby indrindra eto amin'ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy. Raha atolotra ireo mpanakalo ny talenta volamena sy volafotsinao dia hitombo hatrany ny lanjany, ary dia ho voarakitra amin'ny anaranao any amin'ny fanjakan’ny lanitra izany. Ho tonga mpandray ny harena mandrakizay izay nitombo teo am-pelatanan'ireo mpanakalo ianao. Mihary harena ho anao any amin’ny trano firaketan’ny lanitra ianao rehefa manolotra ho an’ny asan'Andriamanitra. Izay rehetra apetraka any ambony dia azo antoka sy voaaro amin'ny loza sy ny fahaverezana, ary mitombo ho fananana mandrakizay sy maharitra.TF 378.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents