Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 11- Mivarotra Trano Sy Fananana

    Miantso ireo izay manana tany sy trano Andriamanitra mba hivarotra izany ka handrotsaka ny vola any amin’izay hahafahany manohana ireo filan’ny sahan’asa misiônera. Vantany vao nanandrana voalohany fotsiny ny fahafaham- po marina avy amin’ny fanaovana izany izy ireo, dia havelany hisokatra hatrany ny fantsona, ka hitosaka tsy an-kiato ao amin’ny firaketana ny hoenti-manana izay ankinin’ny Tompo aminy, mba hisy fanahy maro hiova fo. Haneho izany fandavan-tena sy fitsitsiana ary fahatsorana izany ho an’i Kristy koa ireo fanahy ireo, mba hahafahan’izy ireo mitondra fanatitra ho an’Andriamanitra. Hisy fanahy hafa koa hiova fo amin’ny alalan’ireo talenta izay ampiasaina amim-pahendrena ireo; dia tahaka izany no hitohizan’ny asa, hanehoana fa ankasitrahana ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. Ankasitrahana ilay Mpanome, ary hitombo ny fanomezam-boninahitra Azy amin’ny alalan’ny fahatokian’ny mpitantana nofidiny.TF 62.1

    Rehefa mandefa ireo antso matotra ireo ho amin’ny as an’Andriamanitra isika ka maneho ny filàna ara-bola ao amin’ireo sahantsika, dia hisy fanahy hendry izay mino ny fahamarinana ho voatohina lalina. Tahaka ilay vehivavy mpitondratena, izay nanolotra ireo farantsa kely roa nananany tao amin’ny firaketana ka noderain’i Kristy, izy ireo ihany koa dia nanolotra, tao anatin’ny fahantrany, araka izay tratrany indrindra. Matetika izy ireo no mihafy na dia amin’ireo zavatra hita miharihary fa ilaina eo amin’ny fiainana aza; kanefa misy lehilahy sy vehivavy izay manana trano sy tany no mifikitra amin’ny fananany eto an-tany amim-pikirizana feno fitiavan-tena, ary tsy ampy finoana ny hafatra sy an’Andriamanitra ka tsy mametraka ny volany eo amin’ny asany. Amin’ireo olona farany ireo mihitsy no ampiharana manokana ny tenin’i Kristy manao hoe: “Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana.” - Lio. 12:33TF 62.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents